Avia, hanaraka Ahy
16–22 nôvambra. Ether 6–11: “Mba hanafoanana ny ratsy”


“16–22 nôvambra. Etera 6–11: -Mba hanafoanana ny ratsy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“16–22 nôvambra. Etera 6–11,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020

eny ambonin’ny ranomasina ny sambofiaran’ny Jaredita

Hitondra anareo hiakatra indray avy ao amin’ny halalin’ny ranomasina Aho, nataon’i Jonathan Arthur Clarke

16–22 nôvambra

Etera 6–11

“Mba hanafoanana ny ratsy”

Raha niresaka momba ireo rakitsoratra Jaredita i Môrmôna dia nambarany fa “ilaina ny hahafantaran’ ny vahoaka rehetra ny zavatra izay voasoratra ao amin’ity tantara ity” (Môzià 28:19). Ataovy ao an-tsaina hatrany izany mandritra ny famakianao ny Etera 6–11. Nahoana ireny zavatra ireny no ilaina na tombontsoa ho anao sy ireo olon-tianao?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Taon-jato maro taorian’ny faharavan’ireo Jaredita no nahitan’ny Nefita ny sisa niangana tamin’ny sivilizasion’izy ireo. Teo anivon’ireo zavatra sisa niangana ireo dia nisy rakitsoratra nifono mistery, dia takelaka vita tamin’ny “volamena tsy misy fangarony” izay “feno soratra voasokitra” (Môzià 8:9). Tsapan’i Limia izay mpanjaka Nefita fa manan-danja io rakitsoratra io: “Tsy isalasalana fa mistery lehibe no voatahiry ao anatin’ireto takelaka ireto,” hoy izy (Môzià 8:19). Ankehitriny kosa ianao manana ny famintinana an’io rakitsoratra io, nadika tamin’ny fiteninao, ary izany dia antsoina amin’ny hoe ny bokin’i Etera. Avy amin’ilay rakitsoratra izay “[nirian’ny Nefita] fatratra” ny hamaky azy izy io, ary rehefa namaky izany izy ireo dia “[nalahelo] izay tsy izy tokoa; kanefa dia nanome azy fahalalana be izany, izay naharavoravo azy” (Môzià 28:12, 18). Hahita tantara mampalahelo maro ianao rehefa mamaky momba ny firoboroboana sy ny faharavana mahonena an’ny Jaredita. Kanefa aza atao ambanin-javatra ny fifaliana amin’ny fianarana lesona avy amin’io tantara io. l Môrônia rahateo dia nanoratra fa, “fahendrena ao amin’Andrimanitra ny hampisehoana aminareo ireny zavatra ireny” (Etera 8:23), satria raha afaka mianatra avy amin’ny fahavoazana sy ny fahombiazan’ny Jaredita isika dia “[ho foana] ny ratsy sy … [ho avy] ny fotoana izay tsy hahazoan’i Satana hanam-pahefana amin’ny fon’ny zanak’olombelona” (Etera 8:26).

famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Etera 6:1–12

Hitondra ahy hankany amin’ny tany nampanantenaina ho ahy ny Tompo.

Mety hahita hevi-baovao ara-panahy ianao raha mampitaha ny dian’ireo Jaredita namakivaky ny ranomasim-be amin’ny dianao mamakivaky ny fiainana an-tany. Ohatra hoe inona no zavatra nomen’ny Tompo mba hanazavana ny lalanao tahaka ireo vato tao amin’ny sambon’ny Jaredita? Mety maneho inona ireo sambo na ny rivotra izay “nitsoka nakamin’ny tany nampanantenana”? (Etera 6:8). Inona no ianaranao avy amin’ny zavatra nataon’ireo Jaredita mialoha, sy nandritra ary taorian’ilay dia? Toy ny ahoana no hitondran’ny Tompo anao hankamin’ny tany nampanantenana anao?

ireo Jaredita miantsambo miraka amin’ny biby

Ny dian’ireo Jaredita mamakivaky an’i Azia, nataon’i Minerva Teichert

Etera 6:5–18, 30; 9:28–35; 10:1–2

Mitahy ahy ny Tompo rehefa manetry tena aho.

Na dia toa nibahan-toerana aza ny avonavona sy ny faharatsiana teo amin’ny tantaran’ny Jaredita dia misy ohatry ny fanetrentena ihany koa ao amin’ireo toko ireo—indrindra fa ao amin’ny Etera 6:5–18, 30; 9:28–35; sy ny 10:1–2. Mey hanampy anao hianatra avy amin’ireny ohatra ireny ny fisaintsainana ireto fanontaniana manaraka ireto: Nahoana ireo Jaredita ireo no nanetry ny tenanany tamin’ireny toe-javatra ireny? Inona no nataon’izy ireo mba hanehoana fanetrentena? Tamin’ny fomba ahoana no nitahiana azy ireo vokatr’izany? Jereo anie fa amin’ny toe-javatra sasany ny vahoaka dia noteren’ny toe-javatra nisy azy hanetry tena. Saintsaino ny zavatra azonao atao “handeha[nana an-tsitra-po] amim-panetren-tena eo anoloan’ny Tompo” (Etera 6:17) toy izay hoe terena hanetry tena (jereo ny Môzià 4:11–12; Almà 32:14–18).

Jereo ihany koa ny “Humilité,” ao amin’ny Sujets de l’Evangile, topics.ChurchofJesusChrist.org.

Etera 7–11

Mitahy ireo olona tarihiny ireo mpitarika marina.

Ny Toko 7–11 amin’ny bokin’i Etera dia mahafaoka taranaka 28 nifandimby farafahakeliny. Na dia tsy dia misy antsipirian-javatra firy azo omena aza ao amin’ny ampaham-potoana kely toy izany dia nisy fiverimberenan-javatra hita nipoitra avy hatrany: mitondra fitahiana sy firoboroboana ny fitarihana marina raha toa kosa ny fitarihana ao anatin’ny faharatsiana ka mitondra ho amin’ny fahababoana sy ny faharavana.

Ireto ambany ireto misy mpanjaka vitsivitsy voalaza ao amin’ireo toko ireo. Vakio ireo andinin-tsoratra masina mifandray amin’izany ary jereo ny zavatra azonao ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’izy ireo, ny tsara sy ny ratsy, momba ny fitarihana. Eo am-panaovanao izany dia eritrereto ny amin’ireo fahafahana anananao amin’ny fitarihana na ny fitaomana mety hanananao amin’ny hafa ao an-tokantranonao, eo amin’ny fiarahamonina misy anao, ny antsonao ato am-piangonana, sy ny sisa.

Etera 8:7–26

Inona no atao hoe tsikombakomba miafina?

Rehefa misy olona roa na mihoatra manao drafitra miafina mba hihazonana ho tsiambaratelo ny asa ratsin’izy ireo dia tafiditra ao anatin’ny tsikombakomba miafina izy ireo. Matetika izy ireny no entanin’ny faniriana fahefana na harena. Ankoatra ny tsikombakomba miafina voafaritra ao amin’ny Etera 8:7–18, dia ahitana ohatra maro hafa ao amin’ny Helamàna 1:9–12; 2:2–11; 6:16–30, sy Mosesy 5:29–33. Mamariparitra ny amin’ny vokatry ny tsikombakomba miafiana i Môrônia ao amin’ny Etera 8:18–26, (jereo koa ny Etera 9:4–12) ary mampitandriana antsika mba tsy hanohana azy ireny.

famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Misy ohatra vitsivitsy ireto:

Etera 6:2–12

Mety ho tian’ny fianakavianao ve ny hilalao an-tsehatra ny dian’ireo Jaredita ho any amin’ny tany nampanantenaina? Azonareo atao ohatra ny mampiasa efitrano maizina iray ho toy ny sambo ary jiro fanao am-paosy hanehoana ireo vato mamiratra. Azonareo atao ihany koa ny miresaka ny amin’ireo fomba nanehoan’ireo Jaredita ny finoany ny Tompo tamin’ny alalan’ny niondranan’izy ireo an-tsambo na dia fantatr’izy ireo aza fa “[ha]levina [ao] amin’ny halalin’ny ranomasina” izy ireo (Etera 6:6). Aorian’ny famakiana ny andininy 9, dia afaka mizara ny hira ao amin’ny fihirana fiderana tiany indrindra ny olona ao amin’ny fianakaviana ary miara-mihira izany. Ahoana no mety ho azo ampitahana ny tokantranontsika amin’ireo sambo Jaredita? Inona no tany nampanantenaina itondran’ny Tompo ny fianakaviantsika amin’izao?

Etera 6:22–23

Afaka mandinika ny fomba nahatanterahan’ilay fampitandremana ara-paminaniana nataon’ny rahalahin’i Jareda momba ny fahababoana ny fianakavianareo mandritra ity herinandro ity. Inona avy ireo fampitandremana efa nomen’ireo mpitarika antsika ato amin’ny Fiangonana antsika? Rehefa tsy raharahiana ny torohevitr’izy ireny dia ahoana no hitarihan’izany any amin’ny fahababoana?

Etera 8:23–26

Araka ireo andininy ireo dia nahoana i Môrônia no nodidiana hanoratra “ireny zavatra” momba ny tsikombakomba miafina ireny? (Etera 8:23). Inona no zavatra nianarantsika avy tamin’ny bokin’i Etera izay nanampy antsika hahazo ireo fitahiana voalaza ao amin’ny andininy 26?

Etera 9:11

Inona no fiantraikan’ny faniriantsika amin’ny safidy ataontsika? Inona no azontsika atao eo anivon’ny fianakaviana mba hahazoana antoka fa maniry ireo zavatra an’Andriamanitra?

Etera 11:8

Raha te hianatra bebe kokoa momba ny famindram-pon’ny Tompo amin’ireo izay mibebeka dia azonao atao ny mamaky ny Môzià 26:29–30; 29:18–20; Almà 34:14–16; na ny Môrônia 6:8. Azon’ireo olona ao amin’ny fianakaviana atao ny mizara ohatra amin’ny famindram-pon’Andriamanitra avy amin’ny soratra masina na avy amin’ny fiainana’izy ireo manokana.

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fandalinana manokana

Manaova zavatra araka ny zavatra nianaranao. Mitaky mihoatra ny famakiana sy fisaintsainana ny fianarana ny filazantsara. Matetika isika no mianatra zavatra betsaka indrindra amin’ny alalan’ny fampiharana ireo fahamarinana ao amin’ny soratra masina (jereo ny Jaona 7:17). Inona no hataonareo mba hampiharana ny zavatra novakianareo tao amin’ny Etera 6–11?

eny ambonin’ny ranomasina ny sambofiaran’ny Jaredita

Ireo sambo Jaredita, nataon’i Gary Ernest Smith