“16–22 nôvambra. Etera 6–11: -Mba hanafoanana ny ratsy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)
“16–22 nôvambra. Etera 6–11,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2020
16–22 nôvambra
Etera 6–11
“Mba hanafoanana ny ratsy”
Sosokevitra fotsiny ihany ireo hevitra ato anatin’ity rindran-damina ity fa tsy tsy torolalana tsy maintsy harahinao. Izy ireo dia natao handrehitra ny famoronanao ary manasa ny fitaomam-panahy.
Raketo ireo zavatra tsapanao
Asao mba hizara
Ampiasao ireo sary ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity sy tamin’ny herinandro lasa ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana mba hanampiana ireo ankizy hijery ny zavatra nianarany momba ny Jaredita niampita ny ranomasina. Avelao hifandimby hizara izay fantany izy ireo.
Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely
Afaka mampionona ahy ny Ray any An-danitra rehefa matahotra aho.
Tsy maintsy nampatahotra ny Jaredita ny hoe “[natsipy teo amin’]ny onjan-dranomasina alohan’ny rivotra” (Etera 6:5). Saingy niaro azy ireo ny Tompo ary nanampy azy ireo. Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hitodika amin’ny Tompo rehefa matahotra izy ireo?
Asa atao azo tanterahina
-
Ampiasao ireo teny sy andian-teny avy ao amin’ny Etera 6:2-12 hamariparitana amin’ny ankizy ny dia nataon’ny Jaredita niampita ranomasina. Asaivo mody miditra ao anaty sambo ny ankizy ary mody milaza fa ny sambony dia mihetsiketsika sy rakofan’ny onja. Toy ny ahoana no mety ho fahatsapana raha tao anaty sambo tena izy eny ambony rano misamboaravoara? Inona no azontsika atao rehefa matahotra isika? Vakio ny andininy faha-7 sy faha-9 mba hahitana izay nataon’ny Jaredita rehefa natahotra izy ireo.
-
Lazao ny momba ny fotoana iray izay natahoranao ka nampahery anao ny Ray any An-danitra. Zarao amin’ireo ankizy ny hira fihirana na hira iray izay manampy anao “hisaotra sy hidera ny Tompo” (Etera 6:9) noho ny fanampiany. Avelao ny ankizy hizara ny hiran’ny Kilonga tiany indrindra, ary iaraho mihira ny sasany amin’izy ireny.
-
Ampiasao ny pejin’ny asa atao amin’ity herinandro ity mba hanampiana ireo ankizy hanao sambo taratasy. Hazavao fa ireo sambo dia nanampy ny Jaredita ho voaro na dia voahodidin’ny rano aza izy ireo (jereo ny Etera 6:7,10). Inona no nomen’ny Ray any An-danitra antsika mba hiaro antsika amin’ny lalana hiverenantsika any Aminy?
Afaka ny ho velom-pankasitrahana aho.
Rehefa tonga soa aman-tsara tany amin’ny tany nampanantenaina ny Jaredita dia tena velom-pankasitrahana ka “nandatsaka ranomasom-pifaliana” (Etera 6:12) izy ireo. Ahoana no ahafahanao manentana ireo ankizy ampianarinao hanana ny fanahin’ny fankasitrahana?
Asa atao azo tanterahina
-
Vakio amin’ny ankizy ireo andian-teny avy ao amin’ny Etera 6:9 sy 12 mba hampianarana azy ireo ny fomba nanehoan’ny Jaredita ny fankasitrahany ny Tompo noho ny fanampiany azy ireo ho tonga tany amin’ny tany nampanantenaina. Angataho ny ankizy mba hilaza zavatra vitsivitsy izay maha-velom-pankasitrahana azy ireo. Tahaka ny nataon’ny Jaredita dia iaraho manao ny hira iray izay maneho fankasitrahana, toy ny hoe “Misaotra Anao aho ô ry Ray” (Bokin-kiran’ny ankizy, 9).
-
Vakio amin’ny ankizy ny Etera 10:2 mba hampisehoana fa na dia taona maro taty aoriana aza dia tsaroan’ny Jaredita ny fomba nanampian’ny Tompo ny razambeny hiampita ny ranomasina. Ampio ny ankizy hieritreritra fomba izay nitahian’ny Tompo azy ireo. Dia avelao ny ankizy hanao sary mba hampahatsiahy azy ireo ireo fitahiana ireo (na ampio izy ireo hisafidy amin’ny sary sasantsasany noentinao, avy ao amin’ny gazetibokin’ny Fiangonana ohatra).
Voatahy aho rehefa misafidy ny hanaraka ny mpaminany.
Ny bokin’i Etera dia maneho mazava tsara fa rehefa nanaraka ny mpaminany ireo Jaredita dia notahiana izy ireo, ary rehefa nandà ny mpaminany izy ireo dia niharatsy ny fiainany. Eritrereto ny fomba ahafahanao manampy ny ankizy hahita fa marina koa izany ho antsika.
Asa atao azo tanterahina
-
Asehoy ny sarin’ny mpaminany velona, ary anontanio ny ankizy ny zavatra fantatr’izy ireo momba azy. Manao inona ny mpaminany iray? Hazavao fa ny Jaredita koa dia nanana mpaminany, ary isaky ny nanaraka ny mpaminany izy ireo, dia notahiana sy sambatra (jereo ny Etera 7:24-27). Ahoana no ahafahantsika manaraka ny mpaminany?
-
Iaraho manao ny hira iray mikasika ireo mpaminany, toy ny “Araho hatrany ny mpaminany” (Bokin-kiran’ny ankizy, 58; jereo koa ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 4–27, 67–87). Resaho amin’ny ankizy ireo zavatra izay nampianarin’ny mpaminany antsika (ohatra, mamaky ny soratra masintsika isan’andro, mitandrina ny andro Sabata ho masina, na manompo ny hafa), ary asao izy ireo hanao asa araka izany amin’ny fankatoavana izany torohevitra izany rehefa miteny ianao hoe: “Araho ny mpaminany!”
Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe
Afaka matoky ny Ray any An-danitra mba hitarika ahy any amin’ny fiainana mandrakizay aho.
Ny tantaran’ny dian’ny Jaredita miampita ny ranomasina dia azo oharina amin’ny diantsika manerana ny fiainana an-tany. Dia samy mampidi-doza ireo indraindray ary mitaky finoana fa ny Tompo dia hitarika sy hiaro antsika.
Asa atao azo tanterahina
-
Iaraho mamaky ny Etera 6:2-12, miatoa matetika mba hahafahan’ny ankizy manao sary ny zavatra vakiny. Inona no mampitovy ny dian’ireo Jaredita amin’ny fiainantsika? Ampio ny ankizy hamantatra sy hanisy anarana ireo ampahany samihafa amin’ny sary nataon’izy ireo izay mety haneho ny fiainantsika. Ohatra, afaka maneho antsika ireo Jaredita. Ireo sambo dia afaka maneho ny tokantranontsika, ny Fiangonana, na ny filazantsara. Mety maneho inona ny rivotra, ny rano, ny vato namirapiratra, ary ny tany nampanantenaina?
-
Ampio ny ankizy hahita teny sy andian-teny ao amin’ny Etera 6:2-12 izay mampiseho ny fahatokisan’ny Jaredita an’Andriamanitra. Mizarà ohatra mikasika ny fomba nanampian’ny fianteherana amin’Andriamanitra anao nandritra ireo fotoan-tsarotra teo amin’ny fiainanao. Amporisiho ny ankizy hizara zavatra niainany izay mitovitovy amin’izany.
Ny fahatsiarovana ny zavatra nataon’ny Tompo dia mitondra fiadanana ho ahy.
Ny zavatra iray izay mampiavaka ireo mpanjaka Jaredita marina tamin’ireo ratsy fanahy dia hoe “nahatsiaro ireo zavatra lehibe nataon’ny Tompo” ho azy ireo ireo mpanjaka marina (Etera 7:27). Ahoana no ahafahanao mitaona ireo ankizy mba hahatsiaro ny zavatra nataon’ny Tompo ho azy ireo?
Asa atao azo tanterahina
-
Angataho ny ankizy mba hamaky mitokana na ao anatin’ny vondrona kely ny Etera 6:30; 7:27; ary 10:2 ka hitady ny zavatra mampitovy ireo andininy ireo. Zarao ny fahatsapanao momba izay nataon’ny Tompo ho anao, ary asao ny ankizy hanao toy izany koa.
-
Zarao amin’ireo ankizy ny fomba hiezahanao mahatsiaro ireo fomba nitahian’ny Tompo anao sy ny fianakavianao. Ampio ny ankizy hieritreritra fomba ahafahan’ izy ireo mampahatsiahy azy ireo izay nataon’ny Tompo ho azy ireo. Omeo taratasy iray avy izy ireo, ary asao izy ireo hisaintsaina sy hanoratra zavatra efa nataony ho azy ireo vao haingana. Toroy hevitra izy ireo hanao fahazarana hanoratra ireo fitahiana avy amin’ny Tompo izay tsikaritr’izy ireo.
Mamindra fo ny Tompo rehefa mibebaka aho.
Na dia nandà matetika ny mpaminany aza ny Jaredita ary nanjary ratsy fanahy, dia navelan’ny Tompo foana izy ireo rehefa nanetry tena sy nibebaka.
Asa atao azo tanterahina
-
Iaraho mamaky ny Etera 9:28-35, ary ampio ny ankizy hieritreritra fehezan-teny fohy telo na efatra izay mamintina ny zava-nitranga ao amin’ireo andininy ireo. Vakio avy eo ny Etera 11:5-8, ary ampio ny ankizy hamantatra ny fitoviana eo amin’ireo tantara roa. Inona no ianarantsika avy amin’ireo tantara ireo?
-
Angataho ny ankizy mba hieritreritra ireo olona hafa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay nanetry tena sy voavela heloka. Ampiasao ireo sary avy ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, na ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana mba hanampiana azy ireo hahatsiaro. Mijoroa ho vavolombelona fa ny Tompo dia mamela antsika rehefa mibebaka amin-kitsimpo isika.
Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano
Asao ny ankizy mba hizara amin’ny fianakavian’izy ireo izay nataon’ny Ray any An-danitra ho azy ireo ka maha-velom-pankasitrahana azy ireo.