Avia, hanaraka Ahy
9–15 nôvambra. Etera 1–5: “Hotriarinareo ity voalin’ny tsy finoana ity”


“9–15 nôvambra. Etera 1–5: -Hotriarinareo ity voalin’ny tsy finoana ity,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“9–15 nôvambra. Etera 1–5,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2020

Sary
Jaredita mandia ny tany foana

Ireo Jaredita mandao an’i Babela, nataon’i Albin Veselka

9–15 nôvambra

Etera 1–5

“Hotriarinareo ity voalin’ny tsy finoana ity”

Rehefa manao famerenana ireo zavatra nianaranao nandritra ny fandalinanao ny Etera 1–5 ianao, dia inona avy ireo fahamarinana tsapanao fa tokony ho hitan’ny mpianatra? Mety hisy hevitra hanampy angamba ao anatin’ity rindran-damina ity.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mampisehoa sarin’ny rahalahin’i Jareda (jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Asao ny ankizy hizara ny zavatra fantany momba azy.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Etera 1:33–43; 2:16–25; 3:1–6

Maheno sy mamaly ny vavaka ataoko ny Ray any An-danitra.

Ny tantaran’ny rahalahin’i Jareda dia mampiseho fomba isan-karazany amin’ny izay ahafahan’ Andriamanitra manampy antsika rehefa mivavaka isika.

Asa atao azo tanterahina

  • Manasà mpikambana ao amin’ny paroasy vitsivitsy mahay fiteny vahiny mba hilaza fehezan-teny amin’izany fiteny izany ho an’ny kilasinao (na mandefasa raki-peo na horonan-tsary amin’izany fiteny izany). Avelao ireo ankizy mody hanao hoe mahay miteny amin’ny fiteny vahiny ary mariho ny mahasarotra ny fifankahazoana teny rehefa tsy mitovy ny fiteny firesahana. Ampiasao izany mba hampidirana ny tantaran’ny Tilikambon’i Babela ao amin’ny Genesisy 11:1–9 sy ao amin’ny Etera 1:33. Vakio ny Etera 3:13 sy 15 ary hazavao fa nivavaka ny rahalahin’i Jareda mba hahafahany sy ireo namany hifankahazo teny (jereo ny Etera 1:34–37). Vakio ary ampio ny ankizy hahatakatra ny valintenin’ny Tompo tamin’ny vavaka nataony ao amin’ny Etera 1:35. Azonao ampiasaina koa ny “Toko 50: Nandao ny tilikambon’i Babela ny Jaredita” (Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 143–44 ).

  • Asao ny ankizy mody hanao hoe manangana sambofiara izy ireo, araka ny voasoritsoritra ao amin’ny Etera 2:16–17. Hazavao ireo olana nananan’ny Jaredita mikasika ireo sambofiarany (jereo ny Etera 2:19) ary anontanio ny ankizy izay zavatra ho ataon’izy ireo ny amin’ireo olana ireo. Vakio ny Etera 2:18–19 hampianarana ny ankizy fa nitondra ny olany tamin’ny alalan’ny vavaka teo anatrehan’ny Tompo ny rahalahin’i Jareda. Mijoroa ho vavolombelona fa afaka mivavaka foana isika rehefa manana fanontaniana na olana.

  • Fintino fohifohy ny Etera 2:19–3:6 amin’ny alalan’ny fanazavana ny namalian’ny Tompo ireo fanontanian’ny rahalahin’i Jareda mikasika ireo sambofiara. Asio vato miisa 16 manerana ny efitrano fianarana ary asao ny ankizy hanisa azy ireo rehefa mahita azy ireo. Ampisehoy ilay sary ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana, ary avelao ny ankizy hamerina hilaza ilay tantara indray (jereo ihany koa ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity).

Etera 3:13, 15

Nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra aho.

Rehefa nahita ny Tompo ny rahalahin’i Jareda dia nianatra izy fa “ny olona rehetra tany am-piandohana dia nohariana araka ny endri[ny] ihany” (Etera 3:15).

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sarin’ny Mpamonjy ary asao ny ankizy hanondro ireo faritra isan-karazany eo amin’ny vatany. Hazavao fa rehefa nahita an’i Jesoa Kristy ny rahalahin’ny Jareda dia nianatra izy fa isika rehetra dia mitovy amin’i Jesoa. Rehefa manondro faritra iray amin’ny vatana eo amin’ilay sary ianao dia asao izy ireo hanondro ny faritra mitovy amin’izany eo amin’ny vatany. Mijoroa ho vavolombelona fa nohariana mba hitovy amin’ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy isika.

  • Hirao miaraka ny hira momba ny vatantsika, toy ny “Loha, soroka, tongotra” (Bokin-kiran’ny ankizy, 129). Ampio ny ankizy hiresaka mikasika ny antony hankasitrahan’izy ireo ny faritra samihafa eo amin’ny vatany.

Sary
ankizy mihazakazaka ao an-tsaha

Nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra isika.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

Etera 1:33–43; 2; 3:1–17

Afaka mahazo fanambarana mba hanampiana ny tenako aho.

Ahoana no fomba hanampianao ny mpianatra hianatra mikasika ny fanambrana avy amin’ny ohatra nasehon’ny rahalahin’ny Jareda? Inona ireo zavatra niainana azonao zaraina tamin’ny fotoana nanampian’ny Tompo anao hahita vahaolana amin’ny olana na fanontaniana nanananao?

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty mialoha ny fotoam-pianarana ny hoe “Mitsangàna, mitodiha, ary mipetraha” amin’ny fiteny samihafa, eo amin’ny tapa-taratasy maromaro (mampiasà fitaovana fandikan-teny amin’ny internet na mangataha fanampiana amin’ny olona mahay fiteny vahiny). Omeo tapa-taratasy iray ny ankizy tsirairay ary asao izy ireo hanandrana hanaraka ireo toromarika. Ampiasao izany mba hanazavana ny zavatra nanosika ireo vavaka nataon’ny rahalahin’i Jareda ao amin’ny Etera 1:33–37. Iaraho mamaky ireo andininy ireo ary angataho ny ankizy hifantoka amin’ny zavatra tsapan’ny Tompo momba an’i Jareda sy ireo namany sy fianakaviany. Inona no ianarantsika avy amin’io tantara io mikasika ny vavaka?

  • Angataho ny ankizy tsirairay avy hamaky ny iray amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ary ampio izy ireo hitady ny fanontaniana na olana nananan’ny rahalahin’i Jareda: Etera 1:33–35; Etera 1:36–37; ary Etera 2:18–20. Nataon’ny rahalahin’i Jareda inona ireo olana na fanontaniana nananany? Ahoana no nanampian’ny Tompo azy tamin’ireo zavatra tsirairay avy ireo? Asao ny ankizy hieritreritra mikasika ireo olana ilainy fanampiana. Ahoana no fomba hahafahan’izy ireo manaraka ny ohatra nasehon’ny rahalahin’i Jareda mba hahita vahaolana amin’ny olan’izy ireo? Mizarà zavatra niainana rehefa nivavaka ianao ka nahazo fanampiana avy amin’ny Tompo.

Etera 3:4–17

Nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra aho.

Ireo ankizy ampianarinao dia haheno hafatra diso mikasika an’ Andriamanitra sy ny tenan’izy ireo ary ny vatana ara-nofon’izy ireo. Ireo andininy ireo dia fahafahana hampianarana fahamarinana mandrakizay momba ireo lohahevitra ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio miaraka amin’ny ankizy ny Etera 3:6–16 ary asao izy ireo hanao lisitry ny zavatra izay nianaran’ny rahalahin’i Jareda mikasika ny Tompo avy amin’io zavatra niainany io. Nahoana no manan-danja ny fahafantarana ireo zavatra ireo? Ohatra, miantraika amin’ny fomba fahitantsika ny vatantsika amin’ny fomba ahoana ny fahafantarana fa nohariana araka ny endriky ny Tompo isika?

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe vatana ara-nofo sy vatana ara-panahy. Asao ny ankizy hizara ireo toetoetry ny vatana ara-nofo (misy ny hoditra sy ny rà, sns) ary soraty eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’izy ireo. Vakio miaraka ny Etera 3:4–17 ary asao ny ankizy hitady ny zavatra nianarany momba ny vatantsika ara-panahy. Mijoroa ho vavolombelona fa ny vatantsika sy ny fanahintsika dia “nohariana araka ny endrik[i Jesoa]” (Etera 3:15).

Etera 5:2–4

Vavolombelona telo no manambara ny tenivavolombelony mikasika ny Bokin’i Môrmôna.

Naminany i Môrônia fa ireo Vavolombelona Telo dia hanampy amin’ny fanorenana ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna. Azonao ampiasaina ity faminaniana ity mba hankaherezana ny fijoroana ho vavolombelon’ny ankizy ary hanentanana azy ireo mba ho vavolombelon’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fombany manokana.

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty eo amin’ny solaitrabe ireo teny manan-danja sasany avy ao amin’ny Etera 5:2–4, toy ny takelaka, hery, marina, vavolombelona, ary vavolombelona manambara. Vakio miaraka amin’ny ankizy ireo andininy ireo ary asao izy ireo hiato rehefa tonga eo amin’ny anankiray amin’ireo teny eny amin’ny solaitrabe ianao, ary resaho ny antony maha-manan-danja ireo teny ireo. Mba hampianarana ny ankizy mikasika ireo Vavolombelona Telo dia ampiasao “Ny Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Telo” ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Nahoana Andriamanitra no naniry ny hahitan’olona telo ny takela-bolamena?

  • Lazao amin’ny ankizy ny fomba hahafantaranao fa marina ny Bokin’i Môrmôna. Asao ny ankizy hizara ny antony hahafantarany fa marina ilay izy. Ampio izy ireo hieritreritra fomba hahafahany ho vavolombelona manambara ny Bokin’i Môrmôna ary amporisiho izy ireo mba hizara ny fijoroany ho vavolombelony amin’ny olona iray mandritra ity herinandro ity.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hieritreritra zavatra iray izay azony angatahana fanampiana amin’ny Ray any An-danitra, tahaka ny nataon’ny rahalahin’i Jareda. Amporisiho izy ireo mba hikatsaka ny fanampiany amin’ny alalan’ny vavaka.

Manatsara ny fampianarantsika

Mampianatra mandritra ny asa atao. Eo am-panaovan’ny ankizy asa atao toy ny fanaovana sary na fanatanterahana ilay pejin’ny asa atao dia azonao ampiasaina ny fotoana mba hanantitranterana ireo fahamarinana ampianarina amin’ny alalan’ireo asa atao ireo.

Hamoaka printy