Avia, hanaraka Ahy
2–8 nôvambra. Môrmôna 7–9: “Miteny aminareo aho miova tsy ny eo ianareo”


“2–8 nôvambra. Môrmôna 7–9: -Miteny aminareo aho miova tsy ny eo ianareo,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“2–8 nôvambra. Môrmôna 7–9,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga 2020

Sary
I Môrônia manoratra eo amin’ny takela-bolamena

I Môrônia manoratra eo amin’ny takela-bolamena, nataon’i Dale Kilborn

2–8 nôvambra

Môrmôna 7–9

“Miteny aminareo aho miova tsy ny eo ianareo”

Eo am-pamakianao ny Môrmôna 7–9 dia diniho hoe inona no tena irianao ho fantatr’ireo ankizy izay ampianarinao. Mamolavolà drafitra hampianarana ireo fahamarinana izay tsapanao fa hitahy ny fiainan’izy ireo.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ampitapitao ny tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna iray. Rehefa anjarany ny mihazona ilay boky dia asao ny ankizy hizara ny zavatra iray izay nianarany avy amin’ilay izy. Raha ilaina dia ampahatsiahivo azy ireo ny zavatra nianarana vao tsy ela tao an-dakilasy.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Môrmôna 7:8–10

Samy mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna.

Nampianatra i Môrmôna fa ny Bokin’i Môrmôna dia nosoratana mba hanampiana antsika hino ny Baiboly ary ireo izay mino ny Baiboly dia hino ny Bokin’i Môrmôna.

Asa atao azo tanterahina

  • Asehoy ny ankizy ny pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna, ary tondroy ireo teny ao amin’ilay lohateny eo am-pamakianao azy, ka antitrantero ilay teny hoe hafa. Ampio ny ankizy hieritreritra boky soratra masina hafa izay mampianatra antsika mikasika an’i Jesoa. Asehoy azy ireo fa ny Baiboly dia ahitana ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao. Ampio ny ankizy hiteny ny hoe “Testamenta Taloha, Testamenta Vaovao” rehefa manondro ny Baiboly ianao ary “Testamenta Hafa” rehefa manondro ny Bokin’i Môrmôna ianao.

  • Mampisehoa sarintany ahitana izao tontolo izao na ilay pejin’ny asa atao ho an’ity rindran-damina ity, miaraka amin’ny Baiboly iray sy Bokin’i Môrmôna iray. Ampiasao ireo zavatra ireo hampianarana ny ankizy fa ny Baiboly dia raki-tsoratry ny fampianaran’i Jesoa tao Jerosalema sy nanodidina izany ary ny Bokin’i Môrmôna dia raki-tsoratry ny fampianarany tao amin’ny Amerika.

  • Misafidiana zava-nitranga sy fahamarinana vitsivitsy izay sady ijoroan’ny Baiboly ho vavolombelona no ijoroan’ny Bokin’i Môrmôna ho vavolombelona ihany koa, toy ny fahaterahana sy fahafatesana ary Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty. Mampisehoa sary avy ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara izay maneho ireo zava-nitranga sy fahamarinana ireo. Asaivo fariparitan’ny ankizy ny zavatra hitan’izy ireo eo amin’ireo sary ary lazao izy ireo fa samy mampianatra ireo zavatra ireo ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna.

Môrmôna 8:3

Afaka misafidy ny marina aho na dia mahatsiaro ho irery aza.

I Môrônia no Nefita olo-marina farany indrindra, saingy nitoetra ho mahatoky tamin’ny fijoroana ho vavolombelona nananany izy. Ampio ny ankizy hianatra avy amin’ny ohatra nasehony.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio ny Môrmôna 8:3 ka antitrantero fa tena irery i Môrônia, saingy nitandrina ireo didy hatrany izy, tafiditra amin’izany ilay didy mba hamita ny Bokin’i Môrmôna. Zarao ny fotoana iray izay nanehoanao fahatokiana na dia nahatsiaro ho irery aza ianao.

  • Rehefa avy nifanakalo hevitra mikasika ny ohatra nasehon’i Môrônia ianareo dia mizarà toe-javatra vitsivitsy izay tsy maintsy hanapahan’ny ankizy hevitra ny hoe hisafidy ny marina sa tsia, na dia tsy misy mijery aza. Inona no ho nataon’i Môrônia?

  • Hirao miaraka amin’ny ankizy ny hira iray mikasika ny fisafidianana ny tsara, toy ny “Aoka ho marina hatrany ianao” (Bokin-kiran’ny ankizy, 81). Nahoana no zava-dehibe ny misafidy ny marina amin’ny fotoana rehetra, na dia rehefa irery aza ianao?

Môrmôna 9:7–21

“Andriamanitry ny fahagagana” Andriamanitra.

Ampio ny ankizy hahatakatra fa manan-danja eo amin’ny asan’ Andriamanitra ny fahagagana ary Andriamanitra dia hanatanteraka fahagagana rehefa manam-pinoana ny olony.

Asa atao azo tanterahina

  • Hazavao fa ny fahagaga dia zavatra ataon’ Andriamanitra mba hampisehoana ny heriny sy hitahiana ny fiainantsika (jereo ny Bible Dictionary, “Miracles”). Mamakia teny na andian-teny avy ao amin’ny Môrmôna 9:11–13, 17 izay mamariparitra ireo fahagagan’ Andriamanitra sasany. Ampio ny ankizy hieritreritra fahagagana hafa hita ao amin’ny soratra masina (ny sary avy ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, toy ny lah. 26, 40, 41, ary 83 dia afaka manampy). Mijoroa ho vavolombelona fa nanatanteraka fahagagana Andriamanitra fahiny ary mbola manatanteraka fahagagana Izy ankehitriny.

  • Mizarà zavatra niainana izay nahitanao fahagagana tao amin’ny Fiangonana amin’izao vanin’andro izao na tao amin’ny fiainanao manokana. Mijoroa ho vavolombelona fa “Andriamanitry ny fahagagana” Andriamanitra” (Môrmôna 9:11).

Sary
teaching icon

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Môrmôna 7:8–10

Samy mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny Bokin’i Môrmôna sy ny Baiboly.

Nampianatra i Môrmôna fa ny “filazantsaran’i Kristy … dia hapetraka eo anoloanareo” sady ao amin’ny Baiboly no ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Diniho ny fomba ahafahanao mampianatra ny ankizy fa samy manan-danja ho antsika ireo boky masina ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty hoe Môrmôna 7:9 eny amin’ny solaitrabe saingy asio banga eo amin’ny toeran’ireo teny hoe ity sy izany. Soraty eny amin’ny solaitrabe koa hoe ity = ny Bokin’i Môrmôna ary izany = ny Baiboly. Asao hamaky mafy ny Môrmôna 7:9 ny ankizy ary hampiasa ireo andian-teny eny amin’ny solaitrabe mba hamenoana ny banga. Inona no ianarantsika mikasika ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna avy amin’io andininy io?

  • Mampisehoa Bokin’i Môrmôna iray sy Baiboly iray. Mizarà tantara vitsivitsy avy amin’ny boky tsirairay avy, ka mampisehoa sary raha toa misy izany (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara). Asao ny ankizy hanondro ny boky iavian’ilay tantara. Nahoana no samy ilaintsika ireo boky ireo?

  • Soraty amin’ny taratasy kely misaratsaraka ny teny tsirairay ao amin’ny fanekem-pinoana fahavalo. Omeo teny iray na roa ny ankizy tsirairay ary asao ireo ankizy hiara-hiasa handahatra ireo teny araka ny tokony ho izy. Dia angataho izy ireo mba hamerina ilay fanekem-pinoana im-betsaka. Mampianatra inona amintsika ilay izy?

    Sary
    tahadikan’ny ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fiteny samihafa

    Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny Bokin’i Môrmôna.

Môrmôna 8:1–7

Afaka misafidy ny marina aho na dia mahatsiaro ho irery aza.

Ny fahavononan’i Môrônia “[h]anatanteraka ny didin’ny rai[ny]” na dia efa nodimandry aza ny rainy dia afaka mankahery ireo zanaka mba hankatò ireo didin’ Andriamanitra.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio miaraka amin’ireo ankizy ny Môrmôna 8:1–7 ary asao izy ireo hizara ny mety ho tsapany raha teo amin’ny toeran’i Môrônia izy ireo. Asaivo jeren’izy ireo indray ny andininy 1 sy 3 ary 4 mba hahitany ny zavatra izay nodidiana mba hataon’i Môrônia. Inona no fomba nentin’i Môrônia “[h]anatanteraka ny didin’ny rai[ny]”? Ahoana no hahafahantsika hitovy amin’i Môrônia?

  • Asao ireo ankizy mba samy hanoratra toe-javatra iray tsy maintsy nisafidianany ny tsara na ny ratsy kanefa tsy nisy nahita izy ireo. Ataovy anaty fasiana zavatra ny hevitr’izy ireo ary avelao ny ankizy hifandimby haka toe-javatra iray ka hizara ny zavatra ho ataon’izy ireo mba hitovy tahaka an’i Môrônia.

Môrmôna 8:24–26; 9:7–26

“Andriamanitry ny fahagagana” Andriamanitra.

Betsaka ny olona amin’izao vanin’andro izao no tsy mino fa mbola misy ny fahagagana. Ampiasao ny fampianaran’i Môrônia ao amin’ireo andininy ireo mba hampianarana ireo ankizy fa rehefa manam-pinoana isika dia afaka mahita ny fanatanterahan’ Andriamanitra fahagagana eo amin’ny fiainantsika.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampisehoy torolalana fomba fahandro ny ankizy. Inona no hitranga raha toa nanadino fangaro tena nilaina ianao? Asao ny ankizy hikaroka ny Môrmôna 8:24 sy ny 9:20–21 mba hahitana ny “fangaro” tena ilaina tsy maintsy ananantsika mialoha ny hanatanterahan’ Andriamanitra fahagagana. Mizarà ohatra ana fahagagana, na kely izany na lehibe, izay hitanao tao amin’ny Fiangonana na tao amin’ny fiainanao. Asao ireo ankizy hizara ny ohatr’izy ireo manokana.

  • Zarao ho ekipa roa ny ankizy. Asao ny ekipa tsirairay hikaroka ohatra ana fahagagana ao amin’ny sasany amin’ireo soratra masina ireo na ao amin’izy ireo rehetra ireo: Môrmôna 8:24; 9:11–13, 16–18, 21–25. Inona no azontsika lazaina ny olona iray izay mihevitra fa tsy misy fahagagana mitranga intsony? (jereo ny Môrmôna 9:9, 15–21).

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hangataka ny olona iray ao amin’ny fianakaviany mba hamariparitra ny fahagagana iray izay nankahery ny fijoroany ho vavolombelona.

Manatsara ny fampianarantsika

Afaka mamantatra ny fitaoman’ny Fanahy ny ankizy. Ampianaro ny ankizy fa avy amin’ny Fanahy Masina ny fahazoan’izy ireo fahatsapana fiadanana sy fitiavana ary hafanana rehefa miresaka na mihira hira mikasika an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany izy ireo (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 11).

Hamoaka printy