Avia, hanaraka Ahy
23–29 nôvambra. Etera 12–15: “Tanterahina amin’ny finoana ny zava-drehetra”


“23–29 nôvambra. Etera 12–15: -Tanterahina amin’ny finoana ny zava-drehetra,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“23–29 nôvambra. Etera 12–15,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2020

Sary
I Etera miditra ao anaty lava-bato

I Etera miafina ao anaty lava-bato, nataon’i Gary Ernest Smith

23–29 nôvambra

Etera 12–15

“Tanterahina amin’ny finoana ny zava-drehetra”

Rehefa mamaky ny Etera 12–15 ianao dia eritrereto ireo ankizy ampianarinao. Ny asa atao atolotra ao amin’ity rindran-damina ity dia mety hanentana anao hahita hevitra hafa izay hanampy anao hanome ny zavatra ilain’ireo ankizy ao amin’ny kilasinao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ampio ny ankizy hieritreritra tantara ao amin’ny soratra masina mikasika olona nampiseho finoana lehibe. Ahitana ohatra vitsivitsy ao amin’ny Etera 12:11–22.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Etera 12:6–22

Ny finoana dia ny mino ireo zavatra tsy hitantsika.

Nizara ohatra vitsivitsy ana olona izay nanatanteraka zavatra lehibe noho ny finoan’izy ireo i Môrônia. Diniho ny fomba ahafahanao mampiasa ireo ohatra ireo mba hampianarana ny ankizy ny dikan’ny hoe finoana.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny ankizy ny hoe “Ny finoana dia ny zavatra izay antenaina nefa tsy hita” avy ao amin’ny Etera 12:6 ary asaivo mamerina izany fehezan-teny izany aminao izy ireo. Lazao amin’ny ankizy ny zavatra inoanao na dia tsy hitanao maso aza izy ireo ary ampio ny ankizy hahita ohatra fanampiny. Ny hira hoe “Finoana” (Bokin-kiran’ny ankizy, 50–50), na hira hafa mikasika ny finoana dia afaka manampy.

  • Mampisehoa sary maneho ohatra amin’ny finoana Etera 12:13–15, 20–21 (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 7885, ary ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity). Avelao ny ankizy hiteny izay zavatra hitany ao amin’ilay sary ary ny zavatra fantany momba ireo tantara. Resaho amin’ny ankizy ny fomba nanehoan’ireo olona ireo finoana ary ny zavatra nitranga noho ny finoan’izy ireo.

  • Milalaova kilalao ankamantatra amin’ny ankizy. Omeo fampahalalana mikasika ireo olona mahatoky soritsoritana ao amin’ny Etera 12:13–15, 19–20 izy ireo mandrapahitan’ny ankizy hoe iza ilay olona. Dia avelao ny ankizy hilalao ilay kilalao indray ka hifandimby izy ireo hanome fampahalalana momba ireo olona ireo ihany (na olona mahatoky hafa) ary ny ankizy ambiny dia haminavina hoe iza ilay olona. Zarao ny zavatra mampitolagaga anao mikasika ny finoan’ireo olona ireo.

Etera 12:23–27

Afaka manampy ahy mba hatanjaka i Jesoa Kristy.

Indraindray ny ankizy dia miatrika toe-javatra izay hahatsapany ho marefo, tahaka ny nahazo an’i Môrônia. Ampio izy ireo hianatra ny zavatra nianaran’i Môrônia, dia ny hoe: “ny zavatra malemy dia hatao[n’ny Mpamonjy] tonga matanjaka” (Etera 12:27).

Asa atao azo tanterahina

  • Soritsorito amin’ny ankizy ny asa tokony atao iray izay mitaky tanjaka ara-batana betsaka ny manatanteraka azy. Asao izy ireo hizara ohatra ana zavatra izay mbola tsy ho vitan’izy ireo ankehitriny noho izy ireo mbola kely. Ahoana no fomba hahafahantsika ho ampy tanjaka mba hahatontosana ireo asa ireo? Hazavao fa manana asa ara-panahy tokony atao ihany koa isika, saingy indraindray isika dia mahatsiaro ho marefo ara-panahy. Nahatsiaro ho toy izany i Môrônia mikasika ny zavatra nosoratany tao amin’ireo takelaka. Vakio amin’ny ankizy ny Etera 12:27. Inona no ampanantenain’ny Tompo an’ireo izay mahatsiaro ho marefo?

  • Mizarà zavatra niainana izay nanampian’ny Mpamonjy anao na nanampiany ny olona iray fantatrao hahavita zavatra sarotra iray. Mijoroa ho vavolombelona amin’ny ankizy fa raha toa izy ireo ka mikatsaka ny fanampiany dia afaka manampy azy ireo mba hatanjaka i Jesoa, na dia rehefa mahatsiaro ho marefo aza izy ireo.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

Etera 12:5–6

Ny finoana dia ny mino ireo zavatra tsy hitantsika.

Manorina ny fototry ny fijoroana ho vavolombelona ananany ireo ankizy ampianarinao. Ny torohevitr’i Môrônia momba ny finoana izay hita ao amin’ny Etera 12:6 dia afaka manampy azy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Hazavao fa niezaka nampianatra ireo Jaredita “zavatra lehibe sy mahatalanjona” ny mpaminany Etera saingy tsy nino ireo zavatra nolazainy izy ireo. Asao ny ankizy hamaky ny Etera 12:5 mba hahitana ny antony tsy ninoan’izy ireo. Inona ireo zavatra sasany izay tian’ny Ray any An-danitra hinoantsika na dia tsy hitantsika aza izy ireo? Iaraho mamaky ny Etera 12:6. Inona no nampianarin’i Môrônia ny vahoaka izay tsy nino fahamarinana ara-panahy satria tsy afaka nahita izany zavatra izany izy ireo?

  • Mampisehoa sary amina ankizy iray ka aza avela hitan’ny ankizy hafa izany, dia asaivo soritsoritan’ilay ankizy amin’ny iray kilasy ilay sary. Raha mamela izany ny fotoana dia avelao ireo ankizy hafa hifandimby hanao izany koa amin’ny fampiasana sary hafa. Dia asao izy ireo hamaky ny Etera 12:6 ary hitady ilay fehezan-teny hoe: “Ny finoana dia ny zavatra izay antenaina nefa tsy hita.” Ahoana no hampisehoantsika finoana an’i Jesoa Kristy na dia tsy hitantsika aza Izy?

  • Asaivo vakian’ny ankizy ilay fehezan-teny ao amin’ny Etera 12:6 manao hoe: “Tsy mandray fijoroana ho vavolombelona ianareo raha tsy aorian’ny fizahan-toetra ny finoanareo.” Ampio ny ankizy hahatakatra fa rehefa mankatò didy iray izy ireo dia afaka mahafantatra fa marina ilay izy. Asaivo mieritreritra fitsipiky ny filazantsara izay tian’ Andriamanitra hananantsika fijoroana ho vavolombelona izy ireo, toy ny fandoavana fahafolonkarena, ny fanajana ny andro Sabata ho masina, na ny fiainana ny Tenin’ny Fahendrena. Dia soraty eny amin’ny solaitrabe avy eo ny hoe Mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona mikasika ny dia tsy maintsy . Zarao ny hoe nampiasa finoana ianao mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona mikasika ireo zavatra ireo sy fahamarinana ao amin’ny filazantsara hafa.

Etera 12:4, 32

Toy ny vatofantsiky ny fanahiko ny fanantenana.

Ampio ny ankizy ampianarinao hahatakatra fa afaka “mahazo manantena amim-pahatokiana tokoa tontolo iray tsara kokoa” isika noho ny finoantsika an’i Kristy (Etera 12:4).

Asa atao azo tanterahina

  • Zarao amin’ny ankizy ny famaritana ny fanantenana izay hita ao amin’ny “Fanantenana” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Araka io famaritana io sy ny Etera 12:4, 32 dia inona no tokony hantenaintsika? (jereo ny Môrônia 7:40–42). Ampio ny ankizy hieritreritra teny hafa hilazana ny fanantenana, ary koa teny mifanohitra amin’ny fanantenana. Zarao amin’izy ireo ny fahamarinan’ny filazantsara sasany izay mitondra fanantenana ho anao ary asao izy ireo hanao torak’izany koa.

  • Asehoy (na ataovy sary eny amin’ny solaitrabe) ny sarina sambo sy ny vatofantsika. Nahoana ny sambo no mila vatofantsika? Inona no hitranga amin’ny sambo iray izay tsy misy vatofantsika? Iaraho mamaky ny Etera 12:4 ary anontanio ny ankizy ny hoe inona no itovian’ny fanantenana amin’ny vatofantsika. Asao ny ankizy hanao ny sarina sambo sy vatofantsika azy ireo mba hahafahany mampianatra ny fianakaviany mikasika ny fanantenana.

Etera 12:23–29

Afaka manampy ahy mba hatanjaka i Jesoa Kristy.

Rehefa mihalehibe ireo ankizy dia lasa mihamahafantatra kokoa ny fahalemeny izy ireo. Ampiasao ireo andininy ireo mba hampianarana azy ireo fa “ny zavatra malemy dia hatao[n’ny Mpamonjy] tonga matanjaka” (Etera 12:27).

Asa atao azo tanterahina

  • Asaivo mamaky ny Etera 12:23–25 ny ankizy mba hahitana ny zavatra nanahiran-tsaina an’i Môrônia. Anontanio izy ireo hoe efa nahatsapa torak’izany koa ve izy ireo. Dia asao izy ireo hamaky ny andininy 26–27 mba hahitana ny fomba nankaherezan’ny Tompo an’i Môrônia. Inona no tokony hataontsika mba hahafahan’ny Tompo manampy antsika mba hatanjaka rehefa mahatsiaro ho marefo isika? Mizarà zavatra niainana izay nanampian’ny Mpamonjy anao mba hatanjaka ka hahavita zavatra sarotra iray.

  • Asao ny ankizy hanao sarina zavatra malemy iray ary zavatra matanjaka iray. Dia asao izy ireo hanampy ao amin’ny sariny teny na andian-teny vitsivitsy avy ao amin’ny Etera 12:23–29 izay mampianatra azy ireo ny fomba hahafahan’ny Mpamonjy manampy antsika hamadika ny fahalementsika ho tanjaka. Amporisiho ny ankizy hieritreritra momba ny fahalemena iray izay mety ananany ary avy eo hikatsaka ny fanampian’ny Mpamonjy mba ho lasa matanjaka.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hanoratra fahamarinana iray izay tiany hahazoana fijoroana ho vavolombelona. Ampio izy ireo hametraka tanjona amin’ny fampiharana finoana mba hahafahany mahazo fijoroana ho vavolombelona ny amin’izany fahamarinana izany.

Manatsara ny fampianarantsika

Katsaho ny hahatakatra ireo ankizy ampianarinao. “Mitadiava fomba hahatakarana ny foto-piavian’ireo [ankizy] ampianarinao, ny zavatra mahaliana azy ireo, ny talentany ary ny zavatra ilainy. Mametraha fanontaniana, mihainoa tsara ary diniho ny zavatra lazain’ireo mpianatra sy ataony ao anatin’ny toe-javatra samihafa. … Mangataha fampahalalana momba azy ireo any amin’ny ray aman-dreniny. Ankoatra ireo rehetra ireo dia mivavaha mba hahazo fahatakarana izay ny Fanahy ihany no afaka manome azy” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy,7).

Hamoaka printy