Avia, hanaraka Ahy
30 nôvambra–6 desambra. Môrônia 1–6: “Hitehirizana azy amin’ny lalana tsara”


“30 nôvambra–6 desambra. Môrônia 1–6: -Hitehirizana azy amin’ny lalana tsara,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“30 nôvambra–6 desambra. Môrônia 1–6,”Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2020

Sary
I Almà nanao batisa tao amin’ny ranon’i Môrmôna

Minerva Teichert (1888–1976), Nanao batisa tao amin’ny ranon’i Môrmôna i Almà, 1949–1951, hosodoko eo ambony masonite, 35⅞ x 48 pouces. Mozean’ny tao-java-kanto ao amin’ny Oniversiten’i Brigham Young, 1969

30 nôvambra–6 desambra

Môrônia 1–6

“Hitehirizana azy amin’ny lalana tsara”

Alohan’ny hanombohanao ny drafitra amin’ireo asa atao hoenti-mampianatra ho an’ny ankizy dia halalino ombam-bavaka ny Môrônia 1-6, ka tadiavo ireo fitsipika sy andininy izay tsapanao fa ilain’izy ireo takarina.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ny ankizy mba hizara ny zavatra nianarany momba an’i Môrônia. Azonao ampiasaina ny “Toko 53: I Môrônia sy ireo fampianarany” (Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 154-55).

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Môrônia 4–5

Mandray ny fanasan’ny Tompo aho mba hampisehoana fa hahatsiaro an’i Jesoa Kristy mandrakariva aho.

Ny fanasan’ny Tompo dia mety ho traikefa ara-panahy, na dia ho an’ny ankizy aza. Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy ampianarinao hampiasa ny fotoana mandritra ny fanasan’ny Tomo mba hieritreretana an’i Jesoa?

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sarina olona mandray ny fanasan’ny Tompo (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara,lah.108). Angataho ny ankizy mba hilaza aminao izay mitranga mandritra ny fanasan’ny Tompo. Inona no tokony ataontsika mandritra ny fanasan’ny Tompo?

  • Asao ny mpikambana roa avy ao amin’ny paroasy mba hamaky ny Môrônia 4:3 sy ny 5:2 amin’ireo ankizy ary hizara ny antony handraisan’izy ireo ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro. Angataho izy ireo hanome soso-kevitra ny amin’ireo zavatra izay azon’ny ankizy atao mba hanampiana azy ireo hieritreritra momba an’i Jesoa mandritra ny fanasan’ny Tompo ka hahatsiaro Azy mandrakariva.

  • Iaraho manao ny hira iray izay manampy ny ankizy hieritreritra momba an’i Jesoa, toy ny “Fanajana, fitoniana” (Bokin-kiran’ny ankizy,11). Angataho ny ankizy mba hizatra ny hipetraka amim-panajana toy ny hataony mandritra ny fanasan’ny Tompo.

Môrônia 6:1–3

Afaka miomana mba hatao batisa aho.

Ny famaritan’i Môrônia ny olona natao batisa tamin’ny androny dia afaka manampy ireo ankizy hiomana handray io ôrdônansy manan-danja io ankehitriny.

Asa atao azo tanterahina

  • Mamakia andian-teny avy ao amin’ny Môrônia 6:1-3 izay mampianatra hoe iza no azo atao batisa. Hazavao ireo voambolana izay mety ho tsy takatry ny ankizy. Ohatra, ny dikan’ny hoe “fo torotoro sy fanahy manenina” dia ny manenina ny amin’ny fahotantsika (Môrônia 6:2). Lazao ny fomba niomananao ny hatao batisa, na anontanio ny olona iray vao vita batisa mba hanazava ny fomba niomanany. Ampio ny ankizy hieritreritra fomba ahafahan’izy ireo miomana ny hatao batisa indray andro any.

  • Mampisehoa sarin’olona hatao batisa (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 103, 104), ary asaivo miresaka momba ny zavatra hitany ao amin’ireo sary ireo ny ankizy. Ampio izy ireo hahatsikaritra ireo antsipirian-javatra, toy ny rano sy ny akanjo fotsy. Anontanio ireo ankizy ny antony hanaovana batisa antsika, ary hazavao ny antony nisafidiananao ny hatao batisa.

Môrônia 6:4–6, 9

Voatahy aho rehefa mandeha miangona.

Moa ve ny ankizy ampianarinao mahatakatra ny antony handehanantsika any am-piangonana isan-kerinandro? Manome antony manan-danja ny Môrônia 6.

Asa atao azo tanterahina

  • Anontanio ny ankizy ny antony hitiavan’izy ireo mandeha any am-piangonana, ary ampio izy ireo hitanisa ny sasany amin’ireo zavatra ataontsika any am-piangonana. Vakio amin’izy ireo ny sasany amin’ireto zavatra avy ao amin’ny Môrônia 6:4-6, 9 ireto, ary asao izy ireo hamelona izany na hanao ny sarin’izy ireo manao ny sasany amin’ireo zavatra ireo (toy ny mivavaka, manao lahateny, mihira, ary mandray ny fanasan’ny Tompo).

  • Ampio ny ankizy hanao hira iray momba ny fandehanana miangona. Lazao amin’ny ankizy hoe nahoana ianao no tia ny mandeha any am-piangonana sy ny fomba nitahian’izany anao.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

Môrônia 2–6

Ny Fanahy Masina dia fanomezana masina.

Voatonona imbetsaka ny Fanahy Masina ao amin’ny Môrônia 2–6. Ahoana no ahafahanao mampiasa ireo toko ireo mba hanampiana ny ankizy hahatakatra ny fomba hanampian’ny Fanahy Masina azy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny ankizy mba hitady ireo andininy ao amin’ny Môrônia 2-6 izay manonona ny Fanahy Masina na ny Fanahy. Iaraho mamaky ireo andininy tsirairay ireo ary angataho ny ankizy mba hitanisa eny amin’ny solaitrabe ny zavatra nianarany momba ny Fanahy Masina. Ahoana no ahafahan’ny Fanahy Masina manampy antsika?

  • Lazao amin’ny ankizy ny fotoana iray nahatsapanao ny fitarihan’ny Fanahy Masina, na tany am-piangonana izany na tany amin’ny toerana hafa. Hazavao ny fomba nahafantaranao fa ny Fanahy Masina izany sy ny fomba nanampiany anao. Asao ny ankizy hizara izay mety ho traikefa nananany niaraka tamin’ny Fanahy Masina ary amporisiho izy ireo hikatsaka ny fitarihany.

    Sary
    zatovovavy mandray tsodrano

    Ny fanomezana ny Fanahy Masina dia omena amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana.

Môrônia 4–5

Mandray ny fanasan’ny Tompo aho mba hampisehoana fa hahatsiaro an’i Jesoa Kristy mandrakariva aho.

Rehefa takatry ny ankizy ny maha-masina ny fanasan’ny Tompo, dia ho raisiny amim-panajana kokoa izany ary hahatsiaro ho akaiky kokoa an’Andriamanitra izy ireo mandritra io ôrdônansy io.

Asa atao azo tanterahina

  • Manorata andian-teny avy ao amin’ny Môrônia 4:3 sy 5:2 eo amin’ny tapa-taratasy kely samy hafa, ary angataho ny ankizy mba handamina ireo andian-teny araka ny lamina marina. Araka ireo andininy ireo, nahoana no zava-dehibe ny fanasan’ny Tompo?

  • Asaivo alain’ny ankizy sary an-tsaina hoe misy namana iray izay sambany izy no tonga amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo. Ahoana no hanazavan’izy ireo amin’ny namany ny atao hoe fanasan’ny Tompo ary ny antony handraisantsika izany? Amporisiho izy mba hampiasa ny Môrônia 4:3 sy ny 5:2 ao anatin’ny fanazavany.

  • Asao ny ankizy hizara ireo zavatra izay ataon’ny fianakaviany mandritra ny fanasan’ny Tompo mba hanehoana fanajana ary hieritreretana momba an’i Jesoa Kristy. Inona avy ireo hevitra hafa ananan’izy ireo? Asao izy ireo hisafidy ny iray amin’ireto hevitra ireto ary hametraka tanjona ny handany fotoana bebe kokoa hisaintsainana ny Mpamonjy mandritra ny fanasan’ny Tompo.

Môrônia 6:4–6, 9

Mandeha any am-piangonana isika mba handray ny fanasan’ny Tompo ary hifanohana.

Ireo teny nolazain’i Môrônia dia afaka manampy ny ankizy ampianarinao hahita tanjona lehibe kokoa rehefa tonga any am-piangonana isan-kerinandro.

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty eo amin’ny solaitrabe ny hoe Nahoana isika no mandeha miangona? ary asao ny ankizy mba hanoratra ireo izay mety ho valiny rehetra. Asao izy ireo hitady valiny fanampiny ao amin’ny Môrônia 6:4–6, 9 ka hanampy izany eo amin’ny lisitra nataon’izy ireo teo amin’ny solaitrabe. Asao ny ankizy hizara ny fomba nitahiana azy ireo noho ny fandehanana miangona. Avelao izy ireo hilalao an-tsehatra ny fanazavana amin’ny namana iray tsy iray finoana amintsika hoe nahoana izy ireo no velom-pankasitrahana noho ny amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy.

  • Mampisehoa sary na ohatra amin’ireo sakafo mamelona. Nahoana no zava-dehibe ny mamahana ny vatantsika? Iaraho mamaky ny Môrônia 6:4, ary anontanio ny ankizy ny dikan’ilay andian-teny hoe “hamahanana azy amin’ny teny soan’ Andriamanitra” araka ny eritreriny. Ahoana no hameloman’ny tenin’ Andriamanitra antsika?

  • Asao ny iray amin’ireo ankizy mba hamaky izao teny nindramina avy tamin’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izao, ary iaraho midinika hoe inona no ampianaran’izany momba ny fomba ahafahantsika mifamahana: “Ny ankamaroan’ny olona dia tsy tonga any am-piangonana mba hitady fahamarinana vitsivitsy vaovao ara-pilazantsara fotsiny ihany na hahita namana tranainy, na dia manan-danja avokoa aza izany rehetra izany. Tonga mba hikatsaka traikefa ara-panahy izy ireo. Mila fiadanana izy ireo. Ilain’izy ireo ho mafy ny finoan’izy ireo ary hihavao ny fanantenan’izy ireo. Maniry izy ireo, raha tsorina, ny hofahanana amin’ny alalan’ny tenin’ Andriamanitra, ny ho hampatanjahana amin’ny alalan’ireo herin’ny lanitra” (“A Teacher Come from God”,” Ensign, May 1998, 26). Ahoana no ahafahantsika mifamahana ara-panahy any am-piangonana?

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Amporisiho ny ankizy mba hiresaka amin’ny fianakaviany momba ny antony hitiavan’izy ireo mandeha miangona isan-kerinandro.

Manatsara ny fampianarantsika

Tohano ny ray aman-dreny. Katsaho ombam-bavaka ny hanohana ny ray aman-drenin’ireo ankizy ampianarinao. Ahoana no ahafahanao manohana ny ezaka ataon’izy ireo mba hampianarana ny zanany ny filazantsara? Ohatra, afaka miresaka amin’ny ray aman-dreny mikasika ireo zavatra ilain’ny zanany sy ny zavatra mahaliana azy ireo ianao na mizara amin’izy ireo ny zavatra ianaran’ny zanany ao amin’ny kilasinao (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 25).

Hamoaka printy