Avia, hanaraka Ahy
14–20 desambra. Môrônia 10: “Manatòna an’i Kristy ary aoka hatao tanteraka ao Aminy”


“14–20 desambra. Môrônia 10: -Manatòna an’i Kristy ary aoka hatao tanteraka ao Aminy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“14–20 desambra. Môrônia 10,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2020

Sary
I Kristy miseho amin’ireo Nefita

Mba hahafantaranareo, nataon’i Gary L. Kapp

14–20 desambra

Môrônia 10

“Manatòna an’i Kristy ary aoka hatao tanteraka ao Aminy”

Ny ankizy sasany ao amin’ny kilasinao dia mety nahazo traikefa lehibe avy amin’ny fianarana ny Bokin’i Môrmôna tany an-tokantrano. Ahoana no fomba hahafahanao mampiasa izany traikefa izany mba hamporisihana ny ankizy rehetra hamaky ny soratra masina any an-tokantrano?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ampitapitao ny tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna iray. Rehefa mihazona ilay boky ny ankizy tsirairay avy dia asaivo mizara ny zavatra izay tiany mikasika ny Bokin’i Môrmôna izy—tantara ankafizina indrindra, fijoroana ho vavolombelona, na traikefa amin’ny fianarana azy tany an-trano na tany am-piangonana.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Môrônia 10:3–5

Afaka mahafantatra manokana aho fa marina ny Bokin’i Môrmôna.

Mitadiava fomba hanampiana ny ankizy hanaiky ilay fanasan’i Môrônia mba hangataka amin’ Andriamanitra raha toa marina ny Bokin’i Môrmôna.

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sarin’i Môrônia mandevina ny takela-bolamena (jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ityao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana, dia angataho ny ankizy mba hamariparitra ny zavatra hitany. Asao izy ireo hanondro ny takelaka ary hazavao fa ao amin’ireo takelaka ireo no voasoratra ireo teny izay vakiantsika amin’izao ao anatin’ny Bokin’i Môrmôna. Avelao ny ankizy mody hanao hoe Môrônia manoratra ao amin’ireo takelaka ary mandevina izany. Hirao miaraka ny “Takela-bolamena” (Bokin-kiran’ny ankizy, 61).

  • Asehoy ny Bokin’i Môrmôna ary vakio ny Môrônia 10:4. Antitrantero fa afaka mangataka amin’ Andriamanitra isika raha toa marina ny Bokin’i Môrmôna, ary Izy dia handefa ny Fanahy Masina hijoro ho vavolombelona amintsika.  Azonao ampiasaina koa ny Toko 54: Ny fampanantenan’ny Bokin’i Môrmôna” (Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 156). Zarao ny fomba nanampian’ny Fanahy Masina anao hahazo ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna. Ampio ny ankizy hahatakatra hoe manao ahoana izany fijoroana ho vavolombelona avy amin’ny Fanahy izany. Mihirà hira mikasika ny fitadiavana fahamarinana “Mandalina, misaintsaina, ary mivavaka” (Bokin-kiran’ny ankizy, 66).

Môrônia 10:8–20

Manome ahy fanomezam-pahasoavana ara-panahy ny Ray any An-danitra.

I Môrônia dia namariparitra ireo fanomezam-pahasoavana omen’ Andriamanitra ireo zanany rehefa manam-pinoana Azy izy ireo. Afaka manampy ny ankizy hanana finoana ianao fa Andriamanitra dia hanome azy ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy.

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty eo amin’ny taratasy tsirairay ny isa 9 ka hatramin’ny 16, dia aforeto mba hitovy amina fanomezana ny taratasy tsirairay avy. Avelao ny ankizy hifandimby hanokatra ireo fanomezana. Rehefa manao izany izy ireo dia mamakia miaraka andininy avy ao amin’ny Môrônia 10:9–16 izay mifandraika amin’ireo isa, ary ampio ny ankizy hamantatra ny fanomezam-pahasoavana tsirairay avy. Hazavao fa ireo dia fanomezam-pahasoavana omen’ny Ray any An-danitra ny zanany mba hahafahantsika mifanampy ary manatontosa ny asany.

  • Avelao ny ankizy tsirairay hiresaka fohifohy mikasika ny fanomezam-pahasoavana tiany indrindra izay azony. Lazao amin’ny ankizy ny momba ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy izay tsikaritrao fa nomen’ny Ray any An-danitra azy ireo, toy ny fanomezam-pahasoavan’ny finoana, fahendrena, fijoroana ho vavolombelona, hatsaram-panahy, ary ny fahafahana mianatra.

Môrônia 10:32

Tian’i Jesoa Kristy hanatona Azy aho.

Diniho ny fomba hahafahanao manampy ny ankizy hahatakatra ny dikan’ny hoe “manat[ona] an’i Kristy”

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny ankizy ny ao amin’ny Môrônia 10:32, “Manatòna an’i Kristy, ary aoka hatao tanteraka ao Aminy,” dia asao ny ankizy mba hamerina izany fehezan-teny izany miaraka aminao. Asaivo mikimpy izy ireo eo am-pametrahanao ny sarin’ny Mpamonjy amin’ny toerana iray ao anatin’ny efitrano. Avelao izy ireo hanokatra ny masony, hitady ilay sary, ary hiangona manodidina ilay izy. Ifanakalozy hevitra amin’ny ankizy ireo fomba hahafahantsika manatona an’i Kristy (jereo ohatra ny Fanekem-pinoana 1:3–4). Avereno ity asa atao ity, ka avelao ny ankizy hametraka ilay sary amin’ny toerana iray ao amin’ny efitrano.

  • Ampio ny ankizy handravaka karatra famantarana miendrika fo izay milaza hoe “Tia an’ Andriamanitra amin’ny heriko, ny saiko, ary ny tanjako rehetra aho,” (jereo ny Môrônia 10:32). Ahoana no fomba hanehoantsika fa tia an’ Andriamanitra isika?

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

Môrônia 10:3–5

Afaka mahafantatra ny fahamarinana aho amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina.

Tian’ Andriamanitra isika tsirairay avy hahafantatra fa marina ny Bokin’i Môrmôna. Ampio ny ankizy hahatakatra ilay fampanantenan’ Andriamanitra manao hoe “haneho ny fahamarinan’izany aminareo Izy amin’ny herin’ny Fanahy Masina.”

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ireo teny hoe Mamaky, Mahatsiaro, Misaintsaina, ary Mangataka. Asao ny ankizy hitady ireo teny ireo ao amin’ny Môrônia 10:3–4. Inona no tokony hovakiantsika, hotsaroantsika, saintsainintsika, ary angatahintsika mba hahafahantsika mahazo na mampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny Bokin’i Môrmôna? Angatahao ny ankizy hitady ny zavatra itovian’ireo andininy ireo amin’ilay hira hoe “Mandalina, misaintsaina, ary mivavaka” (Bokin-kiran’ny ankizy, 66).

  • Ampio ny ankizy hahatsiaro ny traikefa nanananareo miaraka tamin’ny fianarana ny Bokin’i Môrmôna. Zarao ny fahatsapanao mikasika ny Bokin’i Môrmôna, tafiditra ao anatin’izany ny fomba nahazoanao na nampatanjahanao ny fijoroanao ho vavolombelona fa marina ilay izy. Asao ny ankizy hizara ny fahatsapany sy ny fijoroany ho vavolombelona.

  • Resaho ny momba ny fotoana iray nijoroan’ny Fanahy Masina ho vavolombelona taminao mikasika ny zavatra iray. Soritsorito ny fahatsapanao ary ny nahafantaranao fa ny Fanahy Masina izany. Ampio ny ankizy hianatra avy amin’ireto soratra masina ireto ny fomba hiresahan’ny Fanahy amintsika: Jaona 14:26–27; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:15, 23; 8:2–3; 9:7–9; 11:12–14.

Môrônia 10:8–19

Manome ahy fanomezam-pahasoavana ara-panahy ny Ray any An-danitra.

Maro ny olona amin’ny vanin’andro misy antsika no “[mandà] … ireo fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra” (Môrônia 10:8). Ampio ny ankizy hahita fa mbola misy ireo fanomezam-pahasoavana ireo ankehitriny.

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty amin’ny tapa-taratasy ireo fanomezam-pahasoavana voalaza ao amin’ny Môrônia10:9–16 ary ataovy ao anaty boaty fampiasa amin’ny fanomezana izany. Soraty eo amin’ny solaitrabe ireo isa 9 hatramin’ny 16, dia asao ny ankizy hifandimby hisafidy taratasy avy amin’ilay boaty ary hampifandray izany amin’ilay isa milaza andininy eny amin’ny solaitrabe. Inona no ianarantsika mikasika ireo fanomezam-pahasoavana ireo avy amin’ny andininy 8 ary 17–18?

  • Ampio ny ankizy hamantatra ireo fanomezam-pahasoavana voalaza ao amin’ny Môrônia 10:9–16 izay nomen’ Andriamanitra an’i Joseph Smith mba hahafahany mamoaka ny Bokin’i Môrmôna. Nahoana no tian’ny Ray any An-danitra isika hino ireo fanomezam-pahasoavana amin’izao vanin’androntsika izao?

Môrônia 10:32–33

Tian’i Jesoa Kristy hanatona Azy aho.

Ahoana no fomba hanasanao ny ankizy “[hanatona] an’i Kristy ary hatao tanteraka ao Aminy”?

Asa atao azo tanterahina

  • Manoràta fanontaniana eny amin’ny solaitrabe, toy ny hoe Inona no atao hoe manatona an’i Kristy? Ampio ny ankizy hikaroka ao amin’ny Môrônia 10:32–33 mba hahita valiny. Miarà miasa mba hitanisa ny zavatra tian’i Kristy ataontsika ary ny zavatra nampanantenainy fa hataony ho antsika.

  • Zarao ny andininy na tantara tianao indrindra avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay nanampy anao hanatona an’i Kristy ary asao ny ankizy hanao torak’izany koa. Ataovy famerenana miaraka amin’ny ankizy ny tenin’ny Mpaminany Joseph Smith ao amin’ny teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna: “Hanatona bebe kokoa an’ Andriamanitra ny olona iray amin’ny fanarahana ny fepetra ao anatin[’ny Bokin’i Môrmôna] toy izay ny ao anatin’ny boky hafa.” Mijoroa ho vavolombelona mikasika ny fomba nitrangan’izany teo amin’ny fiainanao.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hivavaka mba hahazo fijoroana ho vavolombelona matanjaka kokoa momba ny Bokin’i Môrmôna ary avy eo hizara ny fijoroany ho vavolombelona amin’ny olona ao amin’ny fianakaviany na namana.

Manatsara ny fampianarantsika

Amporisiho ny fizarana. Ny ankizy kely matetika dia manana hevitra manan-danja mikasika ny filazantsara. Ny fizarana ny heviny dia manampy hanomana azy ireo amin’ny firesahana amin’ny namany mikasika ny filazantsara (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 30.)

Hamoaka printy