Avia, hanaraka Ahy
14–20 desambra. Môrônia 10: “Manatòna an’i Kristy, ary aoka hatao tanteraka ao Aminy,”


“14–20 desambra. Môrônia 10: -Manatòna an’i Kristy, ary aoka hatao tanteraka ao Aminy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“14–20 desambra. Môrônia 10,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020

i Jesoa miseho amin’ireo Nefita

Mba hahafantaranareo, nataon’i Gary L. Kapp

14–20 desambra

Môrônia 10

“Manatòna an’i Kristy, ary aoka hatao tanteraka ao Aminy”

Rehefa mamarana ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna ianao dia hevero ny hikatsaka fanavaozana ny fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinany avy amin’ny Fanahy Masina. Raketo ny fahatsapana voarainao eo am-panaovanao izany.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Ny Bokin’i Môrmôna dia miantomboka amin’ny fampanantenan’i Nefia ny haneho antsika fa “ny halehiben’ny famindram-pon’ny Tompo dia amin’ireo rehetra izay efa nofinidiny, noho ny finoany” (1 Nefia 1:20). Mifarana amin’ny hafatra mitovitovy amin’izany avy amin’i Môrônia ilay boky raha izy niomana ny hamehy ireo rakitsoratra iny: nanasa antsika izy mba “hahatsiarova[ntsika] ny naha-feno famindram-po ny Tompo” (Môrônia 10:2–3). Na dia hoe mieritreritra fotsiny momba ireo famindram-po maro voarakitra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna aza isika dia mampisaintsaina antsika momba-na zavatra maro izany. Inona no ohatra tonga ao an-tsainao? Mety hisaintsaina ny fomba feno famindram-po nitondran’Andriamanitra ny fianakavian’i Lehia namakivaky ny tany foana sy ny ranomasimbe ianao, ny halehiben’ny famindram-po nasehony an’i Enôsa rehefa nangetaheta famelana ny fanahiny, na ny famindram-po nasehony an’i Almà, izay fahavalon’ny Fiangonana tsy laitra ka lasa olona iray tsy hay tohaina tamin’ny fiarovana ny Fiangonana. Na ny eritreritrao mety hitodika amin’ny famindram-pon’ilay Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty izay nasehony tamin’ny vahoaka rehefa nanasitrana ny marariny sy nitsodrano ireo ankizy madininy Izy. Fa angamba ny manan-danja indrindra dia ny hoe izany rehetra izany dia afaka mampahatsiahy anao ny amin’ny “naha-feno famindram-po ny Tompo” taminao, satria ny iray amin’ireo tanjon’ny Bokin’i Môrmôna dia ny manasa ny tsirairay avy amintsika handray ny famindram-pon’Andriamanitra; fanasana iray maneho tsotra izao ny teny fanaovam-beloman’i Môrônia manao hoe: “Manatòna an’i Kristy, ary aoka hatao tanteraka ao Aminy” (Môrônia 10:32).

famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Môrônia 10:3–7

Afaka mahafantatra ny fahamarinana aho amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina.

Nanova ny fiainan’ny olona an-tapitrisany manerana izao tontolo izao ny fampanantenana ao amin’ny Môrônia 10:3–7 . Tamin’ny fomba ahoana no nanovan’izany ny anao? Na ianao eo am-pikatsahana ny hanana na eo am-panatanjahana ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna dia miantefa aminao ny fanasan’i Môrônia. Hevero ny hamaky amim-pitandremana kokoa raha mitaha amin’ny teo aloha rehefa mamaky ny Môrônia 10:3–7 ianao. Azonao atao ny mamakafaka ny andian-teny tsirairay sady mametraka fanontaniana toy ireto amin’ny tenanao: Inona no dikan’izany? Ahoana no ahafahako manao izany tsaratsara kokoa? Inona no traikefa efa ananako momba izany? Tamin’ny fomba ahoana no nanehoan’ny Fanahy Masina tamiko ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna?

Miretritreta ihany koa momba-na olona iray izay mila mandre ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna. Ahoana no mety hanampianao izany olona izany hikatsaka fijoroana ho vavolombelona ho an’ny tenany?

Môrônia 10:8–25

“[Aza mandà] ny fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra.”

Misy fomba maro mety “[handavan’ny olona iray] … ny fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra” (Môrônia 10:8). Mandà ny olona sasany fa tsy misy izany fanomezam-pahasoavana izany. Ny hafa mety handà fa tsy manana fanomezam-pahasoavana ara-panahy izy ireo kanefa mahita izany eny amin’ny olona hafa. Mbola mandà ihany ny fanomezam-pahasoavana ananan’izy ireo ny hafa amin’ny tsy firaharahiana azy ireny tsotra izao na ny tsy fikatsahana azy ireny.

Rehefa mamaky ny Môrônia 10:8–25 ianao dia tadiavo ireo fahamarinana izay hanampy anao hamantatra ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ananao ka ampiasao amin-kery bebe kokoa izany mba hitahiana ny fiainanao sy ny an’ny hafa. Mikatsaha hevi-baovao momba ireo fanomezam-pahasoavana efa nomen’Andriamanitra anao na ireo fanomezam-pahasoavana tiany hokatsahinao. Nahoana no manan-danja ny “[mahatsiaro] fa ny fanomezam-pahasoavana tsara rehetra dia avy amin’i Kristy”? (Môrônia 10:18).

Saintsaino ihany koa ity torohevitra avy amin’ny Loholona John C. Pingree Jr. ity: “Koa ahoana ary no hahatonga antsika hahafantatra ireo fanomezam-pahasoavana ananantsika? Azontsika jerena ny tsodranon’ny patriarika ho antsika, azontsika anontaniana ireo izay mahafantatra tsara antsika, ka hamantatra manokana isika hoe inona no zavatra haintsika ho azy sy ny zavatra tiantsika. Ary ny tena manan-danja indrindra, dia afaka manontany an’Andriamanitra isika (jereo ny Jakôba 1:5; F&F 112:10). Fantany ny fanomezam-pahasoavana ananantsika, satria Izy no nanome azy ireny antsika” (“Manana asa ho anao aho,” Liahona, nôv. 2017, 33).

Jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org.

Môrônia 10: 30–33

Afaka ny ho tanteraka aho amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy.

Ny fananaran’i Môrônia mba “[hanatona] an’i Kristy” dia mihoatra noho ny fianarana ny momba Azy na ny fieritreretana momba Azy matetika, na ny fiezahana ny hitandrina bebe kokoa ireo didiny, na dia manan-danja aza ireo zavatra ireo. Fa izany koa dia fanasana mba hanatona an’i Kristy amin’ny dikany faran’izay feno araka izay tratra, dia ny ho lasa tahaka Azy. Rehefa mamaky ny Môrônia 10:30–33 ianao dia jereo ireo andian-teny izay manampy anao hahatakatra ny dikan’ny hoe manatona tanteraka an’i Kristy toy ny hoe “[mihazona] ny fanomezam-pahasoavana tsara rehetra ,” “[mandà] ny toetra tsy araka an’Andriamanitra rehetra ny tenanareo,” ary indrindra ny hoe, “ tanteraka ao Aminy” (nampiana ny sora-mandry).

Ahoana no hanaovana izany? Mitadiava valin-teny ao amin’ny Môrônia 10:30–33. Inona no lazain’ny Fanahy anao fa tokony hataonao feno kokoa mba “[hanatonanao] an’i Kristy, ary [mba] hatao tanteraka ao Aminy”?

Jereo ny Ômnia 1:26; Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Tanteraka,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org.

famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Misy ohatra vitsivitsy ireto:

Môrônia 10

Vakio miaraka ity toko ity ary tadiavo ny fotoana tsirairay nampiasan’i Môrônia ny teny hoe mamporisika. Ataovy lisitra na asio marika ny zavatra namporisihan’i Môrônia, na ny nandrisihany mafy, mba hataontsika. Inona no azontsika atao mba hanarahana ny famporisihany?

Môrônia 10:3

Inona no nianarantsika momba famindram-pon’ny Tompo raha namaky ny Bokin’i Môrmôna isika nandritra ity taona ity? Tamin’ny fomba ahoana no naha-feno famindram-po ny Tompo tamin’ny fianakaviantsika?

Môrônia 10:3–5

Rehefa vita ny famakiana ireo andininy ireo dia azonao atao ny manasa ireo olona ao amin’ny fianakaviana hizara ny fomba nahafantaran’izy ireo fa marina ny Bokin’i Môrmôna. Hevero ny hiarahana mihira hira iray momba ny fikatsahana ny fahamarinana toy ny hoe “Sans tarder, je recherche mon Sauveur” (Chants pour les enfants, 67). Azonao atao koa ny manasa ireo olona ao amin’ny fianakaviana hirakitra an-tsoratra ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona ao amin’ny diarim-pianakaviana iray.

Môrônia 10:8–18

Fotoana mahazatra hieritreretana hoe handraisana fanomezana ny Krismasy. Azon’ny fianakavianao atao ny mamono fanomezana ho an’ny tsirairay avy izay maneho ireo “fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra” voalaza ao amin’ny Môrônia 10:9–16. Ireo fanomezam-pahasoavana ireo ihany koa dia maneho ireo fanomezam-pahasoavana hafa avy amin’i Kristy izay hitan’izy ireo ao amin’izy samy izy avy.

Môrônia 10:27–29, 34

Azon’ireo olona ao amin’ny fianakaviana atao ny mizara ny zavatra tian’izy ireo holazaina amin’i Môrônia rehefa “hihaona [aminy] eo anoloan’ny toeram-pitsarana mahafinaritr’ilay Jehovah Lehibe” izy ireo.

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fandalinana manokana

Mitadiava an’i Jesoa Kristy. Ny tanjon’ny Bokin’i Môrmôna, sy ny soratra masina rehetra, dia ny hijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Inona no nianaranao momba an’i Jesoa Kristy tao amin’ny Môrônia 10? Inona no zavatra tsapanao fa tokony hataonao mba hanatonana Azy?

i Môrônia mandevina ireo takela-bolamena

i Môrônia mandevina ireo takela-bolamena, nataon’i Jon McNaughton