Avia, hanaraka Ahy
30 nôvambra–6 desambra. Môrônia 1–6: “Hitehirizana azy amin’ny lalana tsara”


30 nôvambra–6 desambra. Môrônia 1–6: -Hitehirizana azy amin’ny lalana tsara,-” Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

30 nôvambra–6 desambra. Môrônia 1–6,” Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020

Sary
i Almà manao batisa eo amin’ny ranon’i Môrmôna

Minerva Teichert (1888–1976), i Almà manao batisa eo amin’ny ranon’i Môrmôna, 1949–1951, peinture à l’huile sur masonite, 91 x 122 sentimetatra. Tranombakoky ny Zavakanton’ny Oniversitean’ny Brigham Young, 1969

30 nôvambra–6 desambra

Môrônia 1–6

“Hitehirizana azy amin’ny lalana tsara”

Noraketin’i Môrônia izay nantenainy fa “hisy lanjany … amin’ny andro ho avy” (Môrônia 1:4). Inona no hitanao ao amin’ny Môrônia 1–6 fa manan-danja aminao? Raketo ny zavatra hitanao ary hevero ny hizara izany amin’ny olona iray izay mety hahita izany ho manan-danja ihany koa.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Tamin’ny voalohany dia noheverin’i Môrônia fa vita ny fitanany an-tsoratra rehefa nahavita ny rakitsoratry ny rainy momba ny Nefita sy avy namintina ny rakitsoratr’ireo Jaredita (jereo ny Môrônia 1:1). Inona no zavatra fanampiny azo lazaina momba ireo firenena lehibe roa izay rava tanteraka? Saingy hitan’i Môrônia ny androntsika (jereo ny Môrmôna 8:35), ka nentanim-panahy “[ha]noratra zavatra misimisy ihany [izy] fa angamba hisy lanjany ireny … amin’ny andro ho avy” (Môrônia 1:4). Fantany fa nananontanona ny fiavian’ny apôstazia izay mitondra fisavoritahan-tsaina momba ireo ôrdônasin’ny fisoronana sy ny fivavahana amin’ny ankapobeny. Izany angamba no antony nanomezany antsipiriam-panazavana momba ny fanasan’ny Tompo, ny batisa, sy ny fanomezana ny Fanahy Masina, ary ireo fitsofandrano mandritra ny fivoriana iarahan’ny iray finoana mba “hitehirizana [ny tsirairay] eo amin’ny lalana tsara, … tsy hiantehitra afa-tsy amin’ny fahamendrehan’i Kristy izay tompo[ntsika] sy mpanefa ny finoa[ntsika]” (Môrônia 6:4). Manome antsika antony hahafeno fisaorana antsika ny hevitra toy ireny noho ny nitsimbinany ny ain’i Môrônia mba nahafahany “manoratra zavatra misimisy kokoa” (Môrônia 1:4).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Môrônia 1

Mijanona ho mahatoky ireo mpiantr’i Jesoa Kristy na dia eo aza ny fifanoherana.

Mora ho an’ny olona sasany ny mijanona ho mahatoky amin’ny fotoana tsy misy fahasarotana sy ahazoana aina. Kanefa amin’ny maha-pianatr’i Jesoa Kristy antsika dia tsy maintsy mijanona ho mahatoky isika na dia amin’ny fotoana iatrehantsika fitsapana sy ny fifanoherana. Teo am-pamakianao ny Môrônia 1, dia inona no zavatra tsapanao fa tokony hataonao raha nahafantatra ny amin’ny fahatokian’i Môrônia amin’ny Tompo sy ny antsony? Ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatra nasehony?

Môrônia 2–6

Tsy maintsy tanterahana araka ny nandidian’ny Tompo izany ireo ôrdônansin’ny fisoronana.

Nandritra ny fanompoany teto an-tany ny Mpamonjy dia nandray sy nanao ôrdônansy masina toy ny batisa (jereo ny Matio 3:13–17; Dikantenin’i Joseph Smith , Jaona 4:1–4 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina]), fanendrena ho amin’ny fisoronana (jereo ny Marka 3:13–19), ary ny fanasan’ny Tompo (jereo ny Matio 26:26–28). Na dia izany aza anefa, vokatry ny Apôstazia lehibe dia maro ny olona ankehitriny no sahiran-tsaina ny amin’ny fomba hanatanterahana ôrdônansy, ary sahiran-tsaina raha toa ka misy ilàna azy ireny akory aza. Ny Môrônia 2–6 dia manome antsipirian-javatra manan-danja momba ny ôrdônansin’ny fisoronana sasany izay afaka manampy antsika hanafoana ny sasany amin’izany fisafotofotoan-tsaina izany. Inona no fahatsapana tonga tao aminao rehefa nianatra momba ireo ôrdônansy ao amin’ireto toko ireto ianao? Ireto manaraka ireto dia fanontaniana azonao apetraka mba hanampiana anao hianatra:

Fandraisana ho mpikambana (Môrônia 2; 6:4).Inona no ampianarin’ireo torolalana ao amin’ny Môrônia 2:2 anao momba ny ôrdônansin’ny fandraisana ho mpikambana? Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “niasana sy nodiovin’ny herin’ny Fanahy Masina”? (Môrônia 6:4).

Fanendrena ho amin’ny fisoronana (Môrônia 3).Inona no zavatra hitanao ao amin’ity toko ity izay afaka manampy olona sasantsany hiomana ho amin’ny fanendrena ho amin’ny fisoronana? Inona no hitanao fa hanampy olona iray hanatanteraka ny fanendrena ho amin’ny fisoronana?

Ny fanasan’ny Tompo,(Môrônia 4–5; 6:6).Jereo ireo fampanantenana ao amin’ny vavaky ny fanasan’ny Tompo (jereo ny Môrônia 4:3; 5:2), ary saintsaino hoe inona no zavatra ataonao amin’izao ho fitandremana ireo fampanantenana nataonao. Inona no azonao atao mba hanasana ny fitaoman’ny Fanahy bebe kokoa mandritra ny fandraisanao anjara amin’ny fansan’ny Tompo?

Batisa (Môrônia 6:1–3).Inona no azonao atao mba hahafeno hatrany ireo fepetra takina amin’ny batisa izay nomena ao amin’ireo andininy ireo , eny na dia aorian’ny nanaovana batisa anao aza? Inona no tian’ireo andininy ireo lazaina aminao momba ny dikan’izany hoe mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy izany?

Raha mifototra avy amin’izay efa nianaranao, dia inona no mety hovanao amin’ny fomba fieritreretanao, fandraisanao anjara, na fanomananao ny hafa ho amin’ireo ôrdônansy ireo? Nahoana no zava-dehibe ny “[fitantanana ireo ôrdônansy ireo]… araka ny didin’i Kristy”? (Môrônia 4:1).

Jereo koa ny “Ordonances,” Sujets de l’Evangiles, topics.ChurchofJesusChrist.org.

Sary
zatovovavy mandray tsodrano

Nampianatra ny fomba tokony hanatanterahana ireo ôrdônansy i Jesoa Kristy.

Môrônia 6:4–9

Mifampijery izay mahasoa ny fanahin’ny tsirairay avy ny mpianatr’i Jesoa Kristy.

Na dia marina aza fa isika rehetra dia “[milofo] ho amin’ny famonjena [antsika]” (Môrmôna 9:27), i Môrônia ihany koa dia nampianatra fa ny “[mihaona] miaraka matetika” amin’ny mpiara-mivavaka dia ahafahana mihazona antsika “amin’ny lalana tsara” (Môrônia 6:4–5). Rehefa mamaky ny Môrônia 6:4–9 ianao, dia saintsaino ireo fitahiana izay avy amin’ny hoe “[voaray] ho isan’ny Fiangonana’i Kristy” (Môrônia 6:4). Na mpitarika ianao na mpandray anjara dia amin’ny fomba ahoana no ahafahanao mampitovy bebe kokoa ny zavatra iainanao sy ny hafa ato am-piangonana amin’ilay iray nofariparitan’i Môrônia?

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Misy ohatra vitsivitsy ireto:

Môrônia 1; Môrônia 6:3

Inona no atao hoe “[mandà] an’i Kristy”? (Môrônia 1:2–3). Ahoana no ahafahantsika maneho ny “fahavononana hanompo Azy hatramin’ny farany”? (Môrônia 6:3). Manomeza ohatra hoe iza ny olona fantatrao fa manana io fahavononana ny hanompo Azy io.

Môrônia 4:3; Môrônia 5:2

Afaka mitondra ho amin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo amim-panajana kokoa ihany koa ny famakiana miaraka amin’ny fianakaviana ireo vavaky ny fanasan’ny Tompo. Azon’ny olona ao amin’ny fianakavianareo atao ny mifanakalo hevitra ny amin’ireo andian-teny izay manan-danja indrindra aminy avy amin’ireo vavaka ireo. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mandray an-tsoratra ny eritreritr’izy ireo momba ireo andian-teny ireo na manao sary izay manampy azy ireo hieritreritra momba ny Mpamonjy. Azon’izy ireo atao ny mitondra ny zavatra nosoratan’izy ireo na nataony sary amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo mba hanampy azy ireo hampifantoka ny eritreriny Aminy. Lazao ny fianakavianao ny zavatra tsapanao momba ny fanasan’ny Tompo sy ny sorona nataon’ny Mpamonjy.

Môrônia 6:1–4

Inona no dikan’ny hoe manana “fo torotoro sy fanahy manenina”? (Môrônia 6:2). Amin’ny fomba ahoana no hanampian’izany antsika hiomana ho amin’ny batisa? Amin’ ny fomba ahoana no hanampian’izany antsika aorian’ny batisantsika?

Môrônia 6:4–9

Araka ireo andininy ireo dia inona no sasany amin’ireo fitahiana avy amin’ny hoe “[voaray] ho isan’ny Fiangonana’i Kristy”? Môrônia 6:4 Nahoana isika no mila ny Fiangonana?

Môrônia 6:8

Inona no ampianarin’io andininy io momba ny fibebahana? Inona no dikan’ny hoe mitady famelana omban’ny “finiavan’ny fo marina”? (Môrônia 6:8). Hevero ny hihirana hira momba ny famelan-keloka toy ny “Aide-moi, Père” (Chants pour les enfants, 52).

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fandalinana manokana

Tadiavo ny porofon’ny fitiavan’Andriamanitra. Nampianatra ny Loholona M.Russell Ballard fa “ny filazantsara dia filazantsaran’ny fitiavana, izany hoe fitiavana an’ Andriamanitra sy fifankatiavana” (“God’s Love for His Children,” Ensign, May 1988, 59). Hevero ny hanoratra na hanisy marika ireo porofon’ny fitiavan’Andriamanitra anao sy ny zanany rehetra mandritra ny famakianareo soratra masina.

Sary
i Môrônia miafina ao anaty lava-bato

i Môrônia ao anaty lava-bato, nataon’i Jorge Cocco

Hamoaka printy