Avia, hanaraka Ahy
23–29 nôvambra. Etera 12–15: “Tanterahina amin’ny finoana ny zava-drehetra”


“23–29 nôvambra. Etera 12–15: -Tanterahina amin’ny finoana ny zava-drehetra,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“23–29 nôvambra. Etera 12–15,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020

i Etera miditra ao anaty lava-bato

Ether Hiding in the Cavity of a Rock, nataon’i Gary Ernest Smith

23–29 nôvambra

Etera 12–15

“Tanterahina amin’ny finoana ny zava-drehetra”

Ny firaketana ny zavatra tsapa dia afaka mitondra fanambarana misimisy kokoa sy mampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona anananao. Ny firaketana ny zavatra tsapa ihany koa dia manampy anao hahatsiaro ireo zavatra tsapanao sy hizara izany amin’ny hafa amin’ny ho avy.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Ny faminanian’i Etera ho an’ny Jaredita dia “lehibe sy [n]ahatalanjona” (Etera 12:5). “Niteny taminy … ny momba ny zavatra rehetra izy, hatry ny fiandohan’ ny olona” (Etera 13:2). Hitany mialoha “ny andron’ i Kristy” sy ny Jerosalema Vaovaon’ny andro farany (Etera 13:4). Ary niresaka momba ny “[fanantenana] … tontolo iray tsara kokoa, eny, dia toerana eo an-tanan’ ankavanan’ Andriamanitra” izy (Etera 12:4). Saingy nitsipaka ny teniny ny Jaredita, noho ny antony mitovy amin’izay nitsipahan’ny olona matetika ny faminanian’ireo mpanompon’ Andriamanitra amin’izao fotoana izao, “satria tsy hitany” izany (Etera 12:5). Mitaky finoana ny mino ny fampanantenana na ny fampitandremana momba ireo zavatra tsy afaka ny ho hitantsika, tahaka ny hoe nila nanana finoana i Etera mba haminany momba ireo “zavatra lehibe sy mahatalanjona” tamin’ny vahoaka tsy nanam-pinoana. Nitaky finoana ny nahafahan’i Môrônia nahatoky fa ny Tompo dia afaka manaisotra ny “fahaleme[ny] amin’ny soratra” ka namadika izany ho tanjaka (jereo ny Etera 12:23–27). Izany no ilay karazana finoana mahatonga antsika ho “azo antoka sy hifototra, hahefa be mandrakariva amin’ ny asa tsara ary ho voatarika hankalaza an’ Andriamanitra” (Etera 12:4). Ary izy io dia ilay karazana finoana “[hanatanterahana] … ny zava-drehetra” (Etera 12:3).

famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Etera 12

Afaka mitondra ho amin’ny fahagagana lehibe tokoa ny finoana an’i Jesoa Kristy.

Maro ny olona amin’izao fotoana izao, tahaka ny Jaredita tamin’ny andron’i Etera, no te hahita porofo vao hino an’ Andriamanitra sy ny heriny. I Môrônia anefa dia nampianatra fa “ny finoana dia ny zavatra izay antenaina nefa tsy hita” ary ianao dia “tsy mandray fijoroana ho vavolombelona raha tsy aorian’ny fizahan-toetra ny finoa[nao]” (Etera 12:6).

Mariho ny fotoana tsirairay ahitanao ny teny hoe “finoana” ao amin’ny Etera 12, dia soraty ny zavatra nianaranao momba ny finoana. Mitadiava valin-teny ho an’ny fanontaniana tahaka ireto: Inona no atao hoe finoana? Inona avy ireo voka-tsoa avy amin’ny fiainana heniky ny finoana? Azonao atao koa ny manoratra ny eiritreritrao momba ny fijoroana ho vavolombelona izay voarainao “aorian’ ny fizahan-toetra ny finoa[nao]” (Etera 12:6).

Jereo koa ny Hebreo 11; Almà 32.

Etera 12:1–9, 28, 32

Manome antsika “fanantenana tena tsara indrindra” i Jesoa Kristy.

Ankoatra ireo hevi-baovao lalina momba ny finoana, ny Etera 12 koa dia miresaka zavatra betsaka momba ny fanantenana, ary azonao atao ohatra ny manamarika ny fotoana tsirairay hipoiran’ny teny hoe “fanantenana”. Midika inona aminao ny hoe fanantenana? Inona avy ireo antony nahatonga an’i Etera “[h]anantena … tontolo iray tsara kokoa”? (jereo ny Etera 12:2–5). Tamin’ny fomba ahoana no nanomezan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy anao “fanantenana tena tsara indrindra”? (Etera 12:32).

Jereo koa ny Môrônia 7:40–41; Dieter F. Uchtdorf, “Ny hery tsy manam-petran’ny fanantenana,” Liahona, nôv. 2008, 21–24; Torio ny filazantsarako, 117.

Etera 12:23–29

Afaka manova ny zavatra malemy ho matanjaka i Jesoa Kristy.

Rehefa mamaky ny asasoratra mitondra hafatra mahery vaikan’i Môrônia isika dia mora ny manadino fa nanahy momba ny “fahaleme[ny] amin’ny soratra” izy ary natahotra sao dia hanaraby azy tamin’ny teniny ny olona (jereo ny Etera 12:23–25). Nampanantena anefa Andriamanitra fa “ny zavatra malemy dia hatao[ny] tonga matanjaka” ho an’ny manetry tena (andininy 27), ary ny hery ara-panahy ao amin’ny asasoratr’i Môrônia dia porofo mandresy lahatra fa nanatanteraka io fampanantenana io ny Tompo.

Rehefa avy mamaky ny Etera 12:23–29, dia saintsaino ireo fotoana nanampian’ Andriamanitra anao hahafantatra ny fahalemenao ary nahatonga anao ho matanjaka na dia teo aza ireo fahalemena ireo. Mety ho fotoana tsara koa izany mba hieritreretana momba ny fahalemena izay hiadianao amin’izao fotoana izao. Inona no tsapanao fa ilaina hatao mba hampanetrena ny tenanao eo anatrehan’ny Tompo sy hanehoana finoana Azy mba hahazoana ny fampanantenany hoe “ny zavatra malemy dia hatao[ny] tonga matanjaka”? (Etera 12:27).

Eo am-pisaintsainanao ireo andininy ireo dia mety hanampy ity hevitra manaraka avy amin’ny Loholona Neal A. Maxwell ity: “Rehefa mamaky momba ireo -fahalemena- ananan’ny olombelona ao amin’ny soratra masina isika dia ahitana ny … fahalemena izay nolovana avy tamin’ny toetoetran’ny zanak’olombelona amin’ny ankapobeny izany izay hisian’ny fiantraikany tsy mitsahatra [na tsy tapaka] ny ara-nofo eo amin’ny fanahy (jereo ny Etera 12:28–29). Ny fahalemena toy izany, na izany aza, dia ahitana ny fahalemena miavaka sy an’ny tenantsika manokana, izay natao horesentsika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 66:3; Jakôba 4:7)” (Lord, Increase Our Faith [1994], 84).

Jereo koa ny “La grâce,” Sujets de l’évangile, topics.ChurchofJesusChrist.org.

Etera 13:13–22; 14–15

Mitondra loza ara-panahy ny fandavana ny mpaminany

Izany hoe maha-mpanjakan’ny Jaredita izany dia toerana nampidi-doza raha araka ny tantara. Marina izany indrindra indrindra fa ho an’i Kôriantomira, satria maro ireo “lehilahy mahery … nikatsaka ny hamono [azy]” (Etera 13:15–16). Diniho anie ao amin’ny Etera 13:15–22 ny zavatra nataon’i Kôriantomira mba hiarovana ny tenany sy ny zavatra nasain’i Etera mpaminany nataony ho solon’izany. Eo am-pamakianao ny sisa tavela amin’ny bokin’i Etera dia saintsaino ny voka-dratsy ateraky ny fandavana ny mpaminany. Inona no mitranga amin’ny olona rehefa “[m]itsahatra ny fitaoman’ ny Fanahin’ ny Tompo azy ireo”? (Etera 15:19).

famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Misy ohatra vitsivitsy ireto:

Etera 12:7–22

Eo am-piarahanareo mamaky ireo andininy ireo, dia mety hamerina hijery ohatry ny finoana mitaona fanahy izay novakinareo tao amin’ny Bokin’i Môrmôna ianareo. Mety hitarika ho amin’ny resadresaka momba ny ohatry ny finoana ao amin’ny tantaram-pianakavianareo na eo amin’ny fiainanareo manokana izany. Hevero ny handray an-tsoratra ireo zavatra niainana ireo raha tsy mbola nanao izany ianareo.

Etera 12:27

Nahoana ny tompo no manome antsika fahalemena? Inona no anjara asantsika amin’ny fanaovana “ny zavatra malemy … [ho] tonga matanjaka”? Inona no anjara asan’ny Mpamonjy?

Etera 12:41

Misy fomba mahafinaritra azonao hampianarana ny zanakao “hikatsaka … [an’i] Jesoa” ve? Fomba iray azo heverina ny manafina sarin’i Jesoa iray ary manasa ny olona ao amin’ny fianakavianareo “hikatsaka” sy hitady ilay sary. Ahoana no hikatsahantsika an’i Jesoa, ary inona no fitahiana azontsika rehefa mahita Azy isika?

Etera 13:13–14; 15:19, 33–34

Mety hahaliana ny olona ao amin’ny fianakavianao ny mampitaha ny zavatra niainan’i Etera amin’ny zavatra niainan’i Môrmôna sy i Môrônia (jereo ny Môrmôna 6; 8:1–10). Inona no mampitovy azy ireo? Inona no mampitovy ny lalan’ny Nefita nankany amin’ny faharinganana amin’ny lalan’ny Jaredita? (ampitahao ny Etera 15:19 sy ny Môrônia 8:28). Inona no fahamarinana ianarantsika ka afaka manampy antsika hisoroka ny zavatra nitranga tamin’izy ireo?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fampianarantsika

Amporisiho ny fametrahana fanontaniana. Efa voajanahary ny fitiavan’ny ankizy manadinkadina. Indraindray dia mety ho toy ny zavatra mivaona amin’izay ezahanao ampianarina no fahitanao ny fanontanian’izy ireo. Aleo raisina ho toy ny fahafahana hampianatra azy ireo ireo fanontaniana. Izy ireny dia zavatra maneho fa vonona ny hianatra ireo ankizy. Izy ireny dia manome anao hevitra mikasika ny zavatra manahiran-tsaina an’ireo zanakao sy ny zavatra tsapany momba ny zavatra ianarany (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 25–26).

i Etera mandohalika eo amin’ny varavaran’ny lava-bato iray

Lehibe sy mahatalanjona ny faminanian’ i Etera, nataon’i Walter Rane