Avia, hanaraka Ahy
9–15 nôvambra. Etera 1–5: “Hotriari[na] ity voalin’ ny tsy finoana ity”


“9–15 nôvambra. Etera 1–5: -Hotriari[na] ity voalin’ ny tsy finoana ity,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“9–15 nôvambra. Etera 1–5,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020

Sary
Ireo Jaredita manavatsava any an-tany foana

The Jaredites Leaving Babel, nataon’i Albin Veselka

9–15 nôvambra

Etera 1–5

“Hotriari[na] ity voalin’ ny tsy finoana ity”

Ny bokin’i Etera no rakitsoratry ny Jaredita, izay tonga tany amin’ny tany nampanantenaina taonjato maro talohan’ny Nefita. Nanome fitaomam-panahy an’i Môrônia Andriamanitra ny hampiditra ny rakitsoratr’i Etera ao amin’ny Bokin’i Môrmôna noho ny lanja ananan’izany ho an’izao fotoan’androntsika izao. Ahoana no hahatsapanao fa manan-danja eo amin’ny fiainanao izany?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Raha toa ka marina fa avo kokoa noho ny antsika ny lalan’ Andriamanitra, ary tokony hanoa ny sitrapony foana isika, dia mamporisika antsika koa Izy ny hieritreritra sy hanao asa ho an’ny tenantsika. Lesona iray nianaran’i Jareda sy ny rahalahiny izany. Ohatra, ilay hevitra ny handeha ho any amin’ny tany vaovao izay “finidy ambonin’ny tany rehetra” dia toa niainga avy tao an-tsain’i Jareda, ary “nanana fangorahana” ny Tompo dia nampanantena ny hanome ilay zavatra nangatahana, ka nilaza hoe “Ary dia toy izany no hataoko aminao noho ity fotoana lava ity izay efa nitalahoanao Tamiko” (jereo ny Etera 1:38–43). Ary rehefa hitan’ny rahalahin’i Jareda fa tena maizina tao anatin’ireo sambofiara izay hitondra azy ireo ho any amin’ny tany nampanantenana azy ireo, dia nanasa azy ny Tompo handroso vahaolana, ary nametraka fanontaniana izay apetra tsika Aminy mazàna manao hoe: “Inona no tianao hataoko?” (Etera 2:23). Ilay hafatra dia toy ny hoe tsy tokony hiandry an’ Andriamanitra hibaiko antsika amin’ny zava-drehetra isika. Afaka mizara Aminy ny eritreritsika sy ny hevitsika manokana isika, dia hihaino sy hanome ny fanamafisana avy Aminy Izy, na hanome torohevitra hafa ho antsika. Indraindray ny hany zavatra manasaraka antsika amin’ireo fitahiana katsahintsika dia ny “voalin’ny … tsy finoa[ntsika]” manokana, ary raha afaka manatriatra ilay voaly isika (Etera 4:15), dia mety ho tsy ampoizintsika ny zavatra izay hananan’ny Tompo fahavononana mba hatao ho antsika.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Etera 1:33–43

Rehefa mitalaho amin’ny Tompo aho dia hanana fangorahana ho ahy Izy.

Ny Etera 1:33–43 dia mitantara momba ireo vavaka anankitelo nataon’ny rahalahin’i Jareda. Inona no nianaranao avy amin’ny valiny nomen’ny Tompo ho an’ny tsirairay amin’ireo vavaka ireo? Mieritrereta fotoana iray izay nahatsapanao ny fangorahan’ny Tompo rehefa nitalaho tamim-bavaka Taminy ianao. Azonao atao ny manoratra io zavatra niainana io ary mizara izany amin’ny olona iray izay mety mila mihaino ny fijoroana ho vavolombelona anananao.

Etera 2; 3:1–6; 4:7–15

Afaka mandray fanambarana ho an’ny fiainako aho.

Hoy ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Miangavy anareo aho mba hampitombo ny fahafahanareo ara-panahy mandray fanambarana. … Misafidiana ny hanao ireo asa ara-panahy takina mba hahazoana ny fanomezana ny Fanahy Masina sy handrenesana ny feon’ny Fanahy matetika kokoa sy mazava kokoa” (“Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 96).

Eo am-pandalinanao ny Etera 2; 3:1–6; sy 4:7–15, dia inona avy ireo fahamarinana hitanao zay manampy anao hahatakatra ny fomba hikatsahana fanambarana ho an’ny tena manokana? Azonao asiana marika amin’ny loko iray ireo fanontaniana na olana nananan’ny rahalahin’i Jareda sy ny zavatra nataony mahakasika izany, ary azonao asiana marika amin’ny loko iray hafa ny fomba nanampian’ny Tompo azy ka nahatonga ny sitrapony ho fantatra. Inona no tena nahaliana anao indrindra momba ny fomba nifampiresahan’ny rahalahin’i Jareda tamin’ny Tompo, ary inona no nianaranao avy amin’izany mikasika ny fomba hampitomboana ny fahafahana mandray fanambarana eo amin’ny fiainanao?

Etera 2:16–25

Hanomana ahy hiampita ny “halalin’ny ranomasina” holalovako ny Tompo.

Mba hahatongavana any amin’ny tany nampanantenaina, dia niatrika sakana goavana ny Jaredita: niampita ny “halalin’ny ranomasina” (Etera 2:25). Ilay andian-teny hoe “halalin’ny ranomasina” dia mety ho fomba tsara hamaritana ny fahatsapantsika tsindraindray ireo fitsapana sy olantsika. Ary indraindray, tahaka ny nahazo ny Jaredita, dia ny fiampitana ny “halalin’ny ranomasi[ntsika]” no hany fomba hanatanterahana ny sitrapon’ Andriamanitra ho antsika. Mahita zavatra mitovy amin’izay mitranga eo amin’ny fiainanao ve ianao ao amin’ny Etera 2:16–25? Ahoana no nanomanan’ny Tompo anao tamin’ireo olanao? Inona no mety hangatahiny mba hataonao izao mba hiomanana amin’ny zavatra ilainy hataonao amin’ny ho avy?

Etera 3

Nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra aho.

Tao an-tendrombohitr’i Selema ny rahalahin’i Jareda dia nianatra zavatra betsaka momba an’ Andriamanitra sy ny tenany manokana. Inona no ianaranao avy amin’ny Etera 3 momba ny toetra ara-panahy sy ara-batan’ Andriamanitra? Ahoana no hanampian’ireo fahamarinana ireo anao hahatakatra ny maha-andriamanitra anao sy ny fahafahanao ho tonga andriamanitra?

Sary
vehivavy iray sy ankizy roa milalao eny amin’ny tora-pasika

Zanak’Andriamanitra daholo isika.

Etera 3:6–16

Ny rahalahin’i Jareda ve no olona voalohany nahita ny Tompo?

Efa naneho ny tenany tamin’ny mpaminany hafa Andriamanitra talohan’ny nisehoany tamin’ny rahalahin’i Jareda (ohatra, jereo ny Mosesy 7:4, 59), koa nahoana ary ny Tompo no nilaza taminy hoe “Na oviana na oviana Aho dia tsy naneho ny tenako tamin’ ny olona”? (Etera 3:15). Nanolotra ity fanazavana azo heverina tsara ity ny Loholona Jeffrey R. Holland: “Nilaza tamin’ny rahalahin’i Jareda i Kristy fa, -Na oviana na oviana Aho dia tsy naneho ny tenako tamin’ny olona araka io tranga io, raha tsy araka ny sitrapoko, izay ny finoan’ilay mpanatrika tanteraka no nahatonga izany-” (Christ and the New Covenant [1997], 23).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Misy ohatra vitsivitsy ireto:

Etera 1:34–37

Inona no ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny fivavahana ho an’ny hafa? Inona ny fahamarinana hafa momba ny vavaka izay avoitran’ireo andininy ireo?

Etera 2:16–3:6

Inona no ampianarin’ny ohatra nasehon’ny rahalahin’i Jareda antsika mikasika ny fomba hahazoana ny valin’ireo olana sy ny fanontanianatsika? Azon’ny olona ao amin’ny fianakaviana atao tsara ny mizara zavatra niainana rehefa nikatsaka sy nahazo valin-teny avy amin’ny Tompo izy ireo.

Etera 4:11–12

Rehefa avy mamaky ireo andininy ireo dia azon’ny olona ao amin’ny fianakaviana atao ny manoratra ireo zavatra sasantsasany eo amin’ny fiainana andavan’andro izay mitondra fiantraikany amin’ny fianakavianareo (toy ny sarimihetsika, ny hira, ny kilalao, na ny olona) amin’ny taratasy kely ary mametraka izany ao anaty lovia baolina. Aorian’izay dia afaka mifandimby izy ireo maka iray amin’izany ary mifanakalo hevitra raha toa ka “mandresy lahatra [azy ireo] hanao ny tsara” izany na tsia (Etera 4:12). Inona no tsapan’ny fianakavianao fa tokony hovaina?

Etera 5

Azonao atao ny manafina zavatra iray na zava-mamy iray ao anatina boaty iray dia manasa olona iray ao amin’ny fianakaviana mba hijery ny ao anatiny ary manome teny na marika famantarana ho an’ny olona sisa ao amin’ny fianakaviana mba hamantaran’izy ireo izay ao. Eo am-piarahanareo mamaky ny Etera 5 dia hifanakalozy hevitra ny antony maha-manan-danja ny fampiasan’ny Tompo vavolombelona amin’ny asany. Ahoana no fomba ahafahantsika mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny Bokin’i Môrmôna amin’ny hafa?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fampianarantsika

Mivonòna mandrakariva. Mandalo tampoka ireo fotoana tsotsotra azo ampianarana. Noho izany dia zava-dehibe ny manararaotra azy ireny rehefa miseho. … Ohatra, ny zatovo iray izay mila mandray fanapahan-kevitra sarotra iray dia mety ho vonona ny hianatra mikasika ny fomba ahazoana fanambarana ho an’ny tena manokana” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 16).

Sary
i Jesoa mikasika vato enina ambin’ny folo eo anatrehan’ny rahalahin’i Jareda

Hitanao va ny mihoatra noho izany? nataon’i Marcus Alan Vincent

Hamoaka printy