Avia, hanaraka Ahy
21–27 desambra. Krismasy: “Ary ho tonga eo amin’izao tontolo izao Izy mba hanavotra ny olony”


“21–27 desambra. Krismasy: -Ary ho tonga eo amin’izao tontolo izao Izy mba hanavotra ny olony,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“21–27 desambra. Krismasy,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2020

Sary
I Josefa sy Maria ary Jesoa zazakely tao an-tranon’omby

Indro ny Zanak’ondrin’ Andriamanitra, nataon’i Walter Rane

21–27 desambra

Krismasy

“Ary ho tonga eo amin’izao tontolo izao Izy mba hanavotra ny olony”

Matetika dia mazoto miresaka momba ny fomba fankalazany ny Noely ny ankizy. Saintsaino ny zavatra azonao atao mba hanampiana azy ireo hifantoka amin’ i Jesoa Kristy ary ny fankasitrahana ny fahaterahany.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ny ankizy hilaza na hanao sarin’ny zavatra iray izay ataon’ny fianakaviany mandritra ny vanim-potoan’ny Noely mba hanampiana azy ireo hahatsiaro an’i Jesoa Kristy.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

1 Nefia 11:13–22; Môzià 3:5–8; Almà 7:9–13; Helamàna 14:1–6; 3 Nefia 1:15, 19–21

Teraka mba ho lasa ilay Mpamonjy ahy i Jesoa Kristy.

Moa ve mahafantatra ny antony ankalazantsika ny Noley ireo ankizy ampianarinao? Ahoana no fomba ahafahanao manampy azy ireo hahatakatra ny antony hankalazana ny fahaterahan’i Jesoa Kristy?

Asa atao azo tanterahina

  • Lazalazao ny fahaterahan’i Jesoa, amin’ny alalan’ny fampisehoana sary (toy ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 28, 29, 30, 31). Avelao ireo ankizy hizara ny zavatra fantany. Ampiasao ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro mba hampianarana ny ankizy fa ireo olona niaina tamin’ny vanin’andron’ny Bokin’i Môrmôna dia nahafantatra momba ny fahaterahan’i Jesoa.

  • Vakio ireo andian-teny manan-danja avy ao amin’ny Almà 7:11–12 mba hampianarana ny ankizy ny zavatra nataon’i Jesoa Kristy ho antsika. Zarao ny antony hankasitrahanao ny nahaterahan’i Jesoa Kristy ary resaho ny fahatsapanao momba ny sorona fanavotana nataony.

  • Mampisehoa sary maneho ny sorona fanavotana nataon’ny Mpamonjy—toy ny fijaliany tao Getsemane sy ny fahafatesany teo ambony hazofijaliana ary ny Fitsanganany tamin’ny maty (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 56, 57, 58, 59). Anontanio ny ankizy hoe inona no hitany eo amin’ilay sary. Ampio izy ireo hahatakatra fa ny Ray any An-danitra dia nandefa an’i Jesoa Kristy ety an-tany mba hijaly ho an’ny fahotantsika, ho faty ho antsika, ary hitsangana amin’ny maty mba hahafahantsika miverina any Aminy.

  • Mihirà miaraka amin’ny ankizy hira mikasika ny fahaterahan’i Jesoa, toy ny “Nalefany ny Zanany” na “Tao an-tranon’omby” (Bokin-kiran’ny ankizy, 20–21, 26–27). Hamafiso amin’ny ankizy ireo andian-teny ao amin’ilay hira izay mamariparitra fitahiana ananantsika noho ny nahaterahan’i Jesoa.

2 Nefia 25:23, 26

Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny Bokin’i Môrmôna.

Eo am-pamarananao ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna amin’ity taona ity dia ampahatsiahivo ny ankizy fa io boky io dia “Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy”, nosoratana mba hanampy antsika hanatona Azy.

Asa atao azo tanterahina

  • Hazony ny tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna iray mba ho hitan’ny ankizy. Vakio ny lohateny ary tondroy ny teny manao hoe “Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy.” Avelao ny ankizy hifandimby hihazona ilay boky ary ampio izy ireo hahita ny anaran’ny Mpamonjy eo amin’ny fonosana. Lazao ny ankizy ny zavatra tsapanao mikasika ny Bokin’i Môrmôna ary ny nanampiany anao hianatra momba an’i Jesoa Kristy.

  • Omeo sarin’i Jesoa ny ankizy tsirairay avy na avelao izy ireo hanao ny sariny. Asao izy ireo hanainga ny sariny isaky ny maheno ny anaran’i Kristy, eo am-pamakianao ny 2 Nefia 25:23, 26. Mijoroa ho vavolombelona fa ny Bokin’i Môrmôna dia nosoratana mba hanampiana antsika “[hino] an’i Kristy” (2 Nefia 25:23).

  • Zarao amin’ny ankizy ny iray amin’ireo andalan-tsoratra masina na tantara ankafizinao indrindra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay nanampy anao hianatra mikasika an’i Jesoa Kristy. Anontanio ny ankizy ny tantara tiany indrindra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ary ampio izy ireo hahita ny fomba hanampian’izany antsika hianatra mikasika ny Mpamonjy ary hanatona Azy bebe kokoa.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

1 Nefia 11:13–22; Môzià 3:5–8; Almà 7:10–13; Helamàna 14:1–6; 3 Nefia 1:15, 19–21

Teraka mba ho lasa ilay Mpamonjy ahy i Jesoa Kristy.

Saintsaino ny fomba tsara indrindra hahafahanao manampy ny ankizy hahatakatra ny lanjan’ny fahaterahan’i Kristy ary ny dikan’izany ho azy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Omeo andalan-tsoratra masina avy ao amin’ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity ny ankizy tsirairay avy. Asao izy ireo tsirairay avy hamaky ny soratra masina nampandraiketina azy, hamantatra ny mpaminany miresaka ao, ary hizara zavatra iray izay fantatr’io mpaminany io mikasika an’i Jesoa Kristy. Ampio izy ireo na avelao izy ireo hiara-hiasa raha ilaina.

  • Ataovy lisitra eny amin’ny solaitrabe ny tranga sasany nanodidina ny fahaterahan’i Jesoa, araka ny voafariparitra ao amin’ny Lioka 2:4–14; Matio 2:1–2; ary 3 Nefia 1:15, 19–21. Ampio ny ankizy hikaroka ao amin’ireo soratra masina ireo mba hamaritana ny hoe nitranga tao Betlehema ve ireo tranga ireo sa tany Amerika sa izy roa. Nahoana isika no mankasitraka ny fananana ny Bokin’i Môrmôna mba ho vavolombelona faharoan’ny fahaterahan’i Jesoa Kristy sy ny asa nampanaovina Azy amin’ny maha-Mpamonjy Azy?

  • Vakio miaraka amin’ny ankizy ny Almà 7:10–13. Inona no ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny fahaterahan’i Jesoa? mikasika ny maha-Andriamanitra Azy? mikasika ny iraka nampanaovina Azy tety an-tany? Asao ny ankizy hizara ny antony hankasitrahan’izy ireo an’i Jesoa Kristy, dia zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba Azy.

2 Nefia 25:23, 26; 33:4, 10

Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny Bokin’i Môrmôna.

Raha niresaka mikasika ny Bokin’i Môrmôna ny Mpaminany Joseph Smith dia nilaza izy hoe: “hanatona bebe kokoa an’ Andriamanitra ny olona amin’ny fanarahana ny fepetra ao anatiny toy izay ny ao anatin’ny boky hafa” (teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna). Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny ankizy hahatakatra io fampanantenana io?

Asa atao azo tanterahina

  • Ampandraiketo ny iray amin’ireto andininy manaraka ireto ny ankizy tsirairay: 2 Nefia 25:23, 26; 33:4, 10. Asao ny ankizy hamaky ny andininy nomena azy ary hamantatra ny zavatra tian’ny mpaminany Nefia ao amin’ny Bokin’i Môrmôna mba ho fantatsika. Angataho izy ireo hanoratra ny zavatra hitany eny amin’ny solaitrabe ny valitenin’izy ireo. Hazavao fa ireo zavatra ireo dia manoritsoritra tanjona lehiben’ny Bokin’i Môrmôna iray. Avelao ny ankizy hilalao an-tsehatra miaraka amin’izy samy izy ny amin’ny fomba hanazavany amin’ny namana iray ny tanjona lehiben’ny Bokin’i Môrmôna.

  • Zarao amin’ny ankizy ny iray amin’ireo andalan-tsoratra masina na tantara ankafizinao indrindra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay nanampy anao hianatra mikasika an’ i Jesoa Kristy. Anontanio ny ankizy ny tantara tiany indrindra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ary ampio izy ireo hahita ny fomba hanampian’izany antsika hianatra mikasika ny Mpamonjy ary hanatona Azy bebe kokoa. Zarao amin’ny ankizy ny fomba nanampian’ny Bokin’i Môrmôna anao hahafantatra fa i Jesoa no Kristy. Amporisiho ny ankizy hieritreritra andininy na tantara avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay manamafy ny finoany an’i Jesoa Kristy. Angataho izy ireo mba hizara izany amin’ny namana na olona ao amin’ny fianakaviana iray izay tsy mahafantatra mikasika ny Bokin’i Môrmôna.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hizara amin’ny olona ao amin’ny fianakaviany ny fomba nanampian’ny Bokin’i Môrmôna azy ireo hianatra bebe kokoa momba an’i Kristy. Amporisiho izy ireo hizara andininy na tantara iray avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna mba ho ampahan’ny fijoroana ho vavolombelona zarainy.

Manatsara ny fampianarantsika

Tia tantara ny ankizy. Anisan’ny fomba tsara indrindra hanampiana ny ankizy hianatra sy hitadidy fahamarinana ny tantara. Eo am-pizaranao ny tantaran’ny fahaterahan’i Jesoa dia diniho ihany koa ny hizara tantara avy amin’ny fiainanao manokana izay nampatanjaka ny finoanao ny Mpamonjy.

Hamoaka printy