Avia, hanaraka Ahy
30 nôvambra–6 desambra. Môrônia 1–6: “Hitehirizana azy amin’ny lalana tsara”


30 nôvambra–6 desambra. Môrônia 1–6: -Hitehirizana azy amin’ny lalana tsara,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

30 nôvambra–6 desambra. Môrônia 1–6,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2020

Sary
i Almà manao batisa eo amin’ny ranon’i Môrmôna

Minerva Teichert (1888–1976), i Almà manao batisa eo amin’ny ranon’i Môrmôna, 1949–1951, sary hosodoko eo amin’ny masonite, 91 x 122 santimetatra. Tranombakoky ny Zavakanton’ny Oniversitean’ny Brigham Young, 1969

30 nôvambra–6 desambra

Môrônia 1–6

“Hitehirizana azy amin’ny lalana tsara”

Naniry i Môrônia ny mba “hisy lanjany” ho an’ireo izay miaina amin’ny andro farany ny zavatra nosoratany (Môrônia 1:4). Eo am-pamakianao ny Môrônia 1–6 dia diniho ombam-bavaka ny zavatra izay tena hana-danja ho an’ireo izay ampianarinao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Indraindray ny olona ao amin’ny kilasy dia afaka mizara tsaratsara kokoa ny hevi-baovao avy amin’ny fandalinany raha nomena fotoana hitadidiavana ny zavatra novakiany. Makà minitra vitsivitsy eny am-panombohana ny fotoam-pianarana hamerenana ireo teny fampidirana isan-toko an’ny Môrônia 1–6. (Izany koa dia afaka manampy ny olona ao amin’ny kilasy izay tsy namaky tany an-trano.) Dia asao ny olona ao amin’ny kilasy hikaroka ao amin’ireo toko andininy izay manan-danja ho azy ary tiany hozaraina amin’ny iray kilasy.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Môrônia 2–6

Tsy maintsy tanterahana araka ny nandidian’ny Tompo izany ireo ôrdônansin’ny fisoronana.

  • Raha toa ka miomana handray ôrdônansin’ny fisoronana ny olona ao amin’ny kilasy (na ny olon-tian’izy ireo) dia mety ho zava-dehibe ny mamerina ny zavatra nampianarin’i Môrônia momba ny ôrdônansy ao amin’ny Môrônia 2–6. Afaka miara-miasa amin’ny namana iray ny mpianatra mba hilalaovana toe-javatra toy ireto manaraka ireto. (1) Ho tendrena ho amin’ny fisoronana ato ato ny rahalahinao/anadahinao. Inona no torohevitra avy amin’ny Môrônia 3homenao azy? (2) Ny namana tsy mitovy finoana aminao iray dia manontany tena ny hoe nahoana no ilaina ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro. Inona no ho lazainao? (jereo ny Môrônia 4–5). (3) Mananotanona ny batisan’ny zanakavavinao, saingy tsy mahatoky tena izy fa vonona ny amin’izany. Ahoana no hanampianao azy? (jereo ny Môrônia 6:1–3). Rehefa avy nolalaovina ireo toe-javatra ireo dia azon’ny iray kilasy atao mifanakalo hevitra momba ny zavatra nianarany avy amin’izy samy izy. Azon’izy ireo zaraina ihany koa ny fijoroany ho vavolombelona momba ny hoe nitondra azy ireo mba hanakaiky kokoa ny Ray Any an-danitra sy i Jesoa Kristy ny ôrdônansy toy ireo.

  • Mba hanombohana fifanakalozan-kevitra momba ny fiomanana hatao batisa dia azonao angatahana ny olona ao amin’ny kilasy hamariparitra ireo fomba niomanany ho amin’ny fanolorantena manan-danja teo amin’ny fiainany, toy ny asa fitoriana amin’ny fotoana feno, ny fanambadiana, ny maha-ray na maha-reny, na ny asa vaovao iray. Ahoana no hampitahana izany fiomanana izany amin’ny fiomanana ilaina amin’ny batisa, araka ny voasoritsoritra ao amin’ny Môrônia 6:1–3? (jereo koa ny Môzià 18:8–10; FF 20:37). Nahoana ireo toetra voatanisa ao amin’ireo andalan-tsoratra masina ireo no ilaina rehefa atao batisa? Ahoana no hahafantarantsika fa vonona ho amin’io ôrdônansy io isika? Amporisiho ny olona ao amin’ny kilasy mba hisaintsaina ny hoe nanao ahoana ny fiainan’izy ireo an’ireo fitsipika ireo hatreto hatramin’ny batisan’izy ireo ary inona no azony atao mba hihatsara kokoa. Azonao asaina ihany koa izy ireo hanoratra izay fahatsapana azony ary hijery izany matetika.

    Sary
    zatovovavy mandray tsodrano

    Ny ôrdônansy dia tanterahana amin’ny alalan’ny herin’ny fisoronana.

Môrônia 4–5

Ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo dia manampy antsika hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy.

  • Nyrindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia mandroso asa atao izay miompana amin’ny fanasan’ny Tompo. Azonao asaina angamba ny olona vitsivitsy ao amin’ny kilasy mba hamita ireo asa atao ireo any an-tokantranony ary ho avy ao an-dakilasy vonona hizara izay nianarany. Azonao asaina ihany koa ny olona ao amin’ny kilasy hifampizara izay ataony mba hiomanana sy hanomanana ny fianakaviany amin’ny fahazoana traikefa masina amin’ny fanasan’ny Tompo.

  • Ny ankamaroantsika dia efa nahare ny vavaky ny fanasan’ny Tompo im-betsaka, mba mieritreritra momba ireo teny ao amin’izany ve anefa isika? Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hisaintsaina momba ireo vavaka ireo dia azonao omena minitra vitsivitsy izy ireo hanoratana ireo vavaka ireo avy amin’ny fitadidiany fotsiny ihany. Asao izy ireo avy eo mba hampitaha izay nosoratany amin’ny ao amin’ny Môrônia 4:3 sy 5:2. Inona no mora tadidiana tao amin’izany? Inona no tsy hitan’izy ireo Nahatsikaritra zavatra momba ireo vavaka ireo ve izy ireo izay tsy mbola tsikariny taloha? Asao ny olona ao amin’ny kilasy hizara teny na andian-teny avy amin’ireo vavaky ny fanasan’ny Tompo izay miavaka amin’izy ireo na manampy azy ireo hahatsapa ny fahamasinan’io ôrdônansy io. Mba hahalalina kokoa ny fahatakaran’ny olona ao amin’ny kilasy ny fanasan’ny Tompo dia azonao asaina ny mpianatra hihira na hitendry hira natokana ho an’ny fanasan’ny Tompo.

Môrônia 6:4–9

Ny mpianatr’i Jesoa Kristy dia mifanompo.

  • Hevero ny hampiasa fanoharana mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hahatakatra ny lanjan’ny hoe “nofahanana tamin’ny teny soan’ Andriamanitra” (Môrônia 6:4). Ohatra, karazana sakafo inona no ilain’ny voakely iray na zazakely iray? Inona no mitranga raha tsy miraharaha zavatra mila sakafo isika? Inona no itovian’ny mpikamban’ny Fiangonana vaovao sy miverina indray amin’ny zavamaniry na zazakely mila sakafo? Afaka mikaroka ny ao amin’ny Môrônia 6:4–9 ny olona ao amin’ny kilasy mba hahitana hevitra momba ny fomba hahafahan’izy ireo “[mifamahana]” ara-panahy. Afaka mahita hevitra ihany koa izy ireo ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.” Azonao atao ny mizara zavatra niainana izay nanampian’ny namana mpianatry ny Tompo iray anao. Mety hazoto hizara zavatra niainana mitovy amin’izany koa ny mpianatra.

  • Ny Môrônia 6:4–9 dia afaka manampy ny olona ao amin’ny kilasy hahatakatra fa voatahy isika rehefa “noraisina ho isan’ny vahoakan’ny fiangonan’i Kristy” ary manatrika ireo fivoriam-piangonana. Ahoana no hanazavantsika ireo fitahiana ireo amin’ny olona iray izay misalasala ny amin’ny ilana fiangonana misy rafitra? Azon’ny mpianatra atao tsara ny mamakafaka ireo andinin-tsoratra masina ireo mba hitadiavana zavatra izay azony zaraina. Na azon’izy ireo tanisaina ireo fitahiana sasantsasany azony amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy ireo (jereo ny D. Todd Christofferson, “Nahoana no ilaina ny Fiangonana,” Liahona, nôv. 2015, 108–11). Inona no azontsika atao mba hakana antoka fa ireo mpianatry ny Tompo tahaka antsika dia “[tsaroana] sy [fahanana] amin’ny teny soan’ Andriamanitra,” rehefa “[m]ihaona miaraka matetika”? (Môrônia 6:4–5).

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mety hazoto kokoa ny mpianatra hamaky ny Môrônia 7–9 amin’ny herinandro ambony raha hazavainao fa izy ireo dia ahitana taratasy roa nosoratan’i Môrmôna mba hanampiana ny zanany lahy mba hijanona ho mahatoky amin’ny fotoana sarotra.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Nofahanana amin’ny tenin’ Andriamanitra.

Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe: “Ny ankamaroan’ny olona dia tsy mandeha any am-piangonana mba hikaroka fahamarinana vitsy fotsiny ihany ao amin’ny filazantsara sy hihaona amin’ireo namana efa hatry ny ela, na dia manan-danja aza izany rehetra izany. Tonga mba hikatsaka traikefa ara-panahy izy ireo. Mila fiadanana izy ireo. Ilain’izy ireo ho mafy ny finoan’izy ireo ary hihavao ny fanantenan’izy ireo. Maniry izy ireo, raha tsorina, ny hofahanana amin’ny alalan’ny tenin’ Andriamanitra, ny ho hampahatanjahana amin’ny alalan’ireo herin’ny lanitra” (“A Teacher Come from God,” Ensign, May 1998, 26).

Ny Filoha Gordon B. Hinckley dia nanazava fa ny famahanana ny mpikambana vao niova fo amin’ny tenin’ Andriamanitra “dia asa ho an’ny olona tsirairay avy. Asa ho an’ny mpampianatra isan-tokantrano sy ny mpamangy isan-tokantrano izany [ho an’ny rahalahy sy rahavavy mpanompo amin’izao fotoana izao]. Asa ho an’ny episkôpà, ho an’ireo kôlejin’ny fisoronana, ho an’ny Fikambanana Ifanampiana, ny zatovolahy sy ny zatovovavy, eny fa na ho an’ny Kilonga aza izany.

“Vao tamin’ny Alahady lasa teo aho no nanatrika fivoriana fifadian-kanina sy fijoroana ho vavolombelona. Nijoro teo anatrehan’ny mpiangona ny zatovolahy 15 na 16 taona iray ary nilaza fa nanapa-kevitra ny ho atao batisa izy.

“Dia nifandimby nandray fitenenana avokoa ireo zatovolahy tao amin’ny kôlejin’ny mpampianatra mba hanambara ny fitiavany ilay zatovolahy, mba hilaza aminy fa nety ny nataony, ary nanome toky azy fa hanohana azy izy ireo. Tena nahafinaritra ny nandre ireo zatovolahy nilaza teny fankasitrahana sy famporisihana tamin’ny namany. Faly aho fa ireo zatovolahy rehetra ireo, tafiditra amin’izany ilay natao batisa tamin’ny herinandro lasa teo, dia handeha hitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno.

“Tao anatin’ny tafa sy dinika nifanaovana tamin’ny mpanao gazety vao tsy ela izay dia nanontaniana ny tenako hoe: -Inona no mitondra fahafaham-po betsaka indrindra ho anao rehefa mijery ny asan’ny Fiangonana ianao ankehitriny?-

“Ny valinteniko: -Ny zavatra mitondra fahafaham-po indrindra dia ny mahita ny hoentin’ity filazantsara ity ho an’ny olona. Manome azy ireo fomba fijery vaovao ny fiainana izany. Manome azy ireo fomba fijery izay tsy mbola tsapany teo aloha izany. Manandratra ny fijeriny ho amin’ny zavatra lehibe sy masina izany. Misy zavatra mitranga amin’izy ireo, izay tena mahagaga ny mijery azy. Mijery an’i Kristy izy ireo ka velona.-

“… Mangataka anareo tsirairay avy aho mba hanampy amin’ity asa ity” (“Converts and Young Men,” Ensign, May 1997, 48).

Manatsara ny fampianarantsika

Mikatsaha aingam-panahy avy aminao manokana. Ho solon’ny fandraisana ireto rindran-damina ireto ho torolalana tsy maintsy arahinao dia ampiasao kosa itony mba hakana hevitra hampitsiry ny aingam-panahinao manokana rehefa misaintsaina ireo zavatra ilain’ny olona ampianarinao ianao.

Hamoaka printy