“Hevitra handrisihana ny fandalinana manokana sy ny fandalinana ataon’ny mpianakavy,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)
“Hevitra handrisihana ny fandalinana manokana sy ny fandalinana ataon’ny mpianakavy,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2021
Hevitra handrisihana ny fandalinana manokana sy ny fandalinana ataon’ny mpianakavy
Ireto misy hevitra vitsivitsy hanampiana anao hamporisika ny mpianatra handalina ny tenin’ Andriamanitra any an-tokantrano, fandalinan’ny tena manokana ary fandalinana ataon’ny mpianakavy. Mitandrema tsara amin’ny hoe tsy ny mpianatra rehetra no afaka handalina ny soratra masina miaraka amin’ny fianakaviany (ohatra, misy mpikambana sasany mipetra-drery na anatina fianakaviana misy tsy mpikambana).
-
Asao ireo olona ao amin’ny kilasy hizara traikefa azony tamin’ny fandalinana ny soratra masina tany an-tokantrano. Ohatra, azonao atao ny mangataka azy ireo hizara andininy iray izay nanamafy ny fitiavan’izy ireo an’i Jesoa Kristy.
-
Angataho ireo olona ao amin’ny kilasy hanome ohatra ny amin’izay ataon’izy ireo mba hahatonga ny fandalinana manokana na ny fandalinan’ny mpianakavy ho manan-danja kokoa. (Misy hevitra vitsivitsy ao amin’ny “Hevitra hanatsarana ny fandalinanao manokana ny soratra masina” sy ao amin’ny “Hevitra hanatsarana ny fandalinan’ny fianakavianao ny soratra masina” ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’ olona sy ny fianakaviana.)
-
Asao ny olona ao amin’ny kilasy hizara ny hoe ahoana no nanarahan’izy ireo ny fahatsapana azony nandritra ny fandalinany manokana na ny fandalinana nataony niaraka tamin’ny fianakaviany.
-
Manokàna minitra vitsivitsy hampisehoana ireo mpianatrao ny sasantsasany amin’ireo loharanom-pitaovana natolotry ny Fiangonana ho fanampiana ny mpikambana amin’ny fandalinana ny filazantsara toy ny fanampiana amin’ny fandalinana ny soratra masina ao amin’ny scriptures.ChurchofJesusChrist.org; “Scripture Stories” hita ao amin’ny children.ChurchofJesusChrist.org; fitaovana mifantoka amin’ireo zatovo ao amin’ny youth.ChurchofJesusChrist.org;ireo boky torolalana ho an’ny seminera sy institiota; ary ireo horonan-tsary sy horonam-peo ary sary hita ao amin’ny MediaLibrary.ChurchofJesusChrist.org. Betsaka amin’ireo koa no ao amin’ny application Bibliothèque de l’Évangile.
-
Manokàna minitra vitsivitsy hanazavana ny fomba fampiasana ny application Bibliothèque de l’ Évangile mba handalinana ny soratra masina, anisan’izany ny fomba fanisiana marika ireo andinin-tsoratra masina sy firaketana ny zavatra tsapa.
-
Asao ny olona iray ao amin’ny kilasy na mihoatra hizara ny fomba nampianaran’izy ireo ny fianakaviany ny fitsipiky ny filazantsara iray manokana.