Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
Loharanom-pitaovana fanampiny


“Loharanom-pitaovana fanampiny,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“Loharanom-pitaovana fanampiny,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2021

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ireto loharanom-pitaovana ireto dia azo jerena ao amin’ny application Bibliothèque de l’évangile sy ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana

Azonao amboarina ho azo ampiasaina ao amin’ny kilasin’ny Sekoly Alahady misy anao ity loharanom-pitaovana ity. Raha efa nampiasa ireto asa ampanaovina ireto ny mpianatra nandritra ny fandalinany soratra masina na manokana na miaraka amin’ny fianakaviany dia amporisiho izy ireo hizara ny traikefany na ny hevi-baovaony.

Ny Cantiques sy ny Bokin-kiran’ny ankizy

Ny hira masina dia manasa ny Fanahy ary mampianatra ny fotopampianaran’i Kristy amin’ny fomba tena miavaka. Ankoatra ny Cantiques sy ny Bokin-kiran’ny ankizy, amin’ny endrika vita printy dia ahitana ny raki-peon’ny hira sy hira ho an’ny ankizy maro ao amin’ny music.ChurchofJesusChrist.org sy ao amin’ny application Musique Sacrée sy Gospel Media.

Boky torolalana ho an’ny seminera sy institiota

Ireo boky torolalana ho an’ny seminera sy institiota dia manome ny zava-nitranga ara-tantara sy fanamarihana ara-potopampianarana ho an’ireo fitsipika hita ao amin’ny soratra masina. Mety hanome hevitra enti-mampianatra ho an’ny kilasin’ny Sekoly Alahady ihany koa izany.

Gazetibokin’ny Fiangonana

Ny gazetiboky Liahona dia ahitana lahatsoratra sy fitaovana hafa izay afaka manampy ireo fitsipika ampianarinao avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

Ireo lohahevitra mikasika ny filazantsara (Sujets de l’évangile)

Ao amin’ny Sujets de l’évangile (topics.ChurchofJesusChrist.org) ianao dia afaka mahita fampahalalana ankapobeny momba ny lohahevitra mikasika ny filazantsara isan-karazany, miaraka amin’ireo rohy mankany amin’ireo loharanom-pitaovana manampy toy ireo hafatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, lahatsoratra, soratra masina, ary horonan-tsary izay mifandray amin’izany. Ao ihany koa ny Essais sur des sujets de l’évangile, izay manome valiny lalina kokoa an’ireo fanontaniana momba ny fotopampianarana sy ny tantara.

Sary
lehilahy iray mandalina bokin’ny Fiangonana

Torio ny Filazantsarako

Ity boky torolalana ho an’ny misiônera ity dia manome topimaso momba ireo fitsipika fototry ny filazantsara.

Jeunes soyez forts

Ity loharanom-pitaovana ity dia mandravona ireo fitsipiky ny Fiangonana izay afaka manampy ireo zatovo sy ny hafa ho lasa mpianatr’i Jesoa Kristy mahatoky kokoa. Jereo matetika izany, indrindra fa rehefa mampianatra tanora ianao.

Horonan-tsary sy zava-kanto

Ny zava-kanto sy ny horonan-tsary ary ireo haino aman-jery hafa dia afaka manampy ireo izay ampianarinao haka sary ao an-tsaina ilay fotopampianarana sy ireo tantara mifandray amin’ny soratra masina. Jereo ny Médiathèque ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org mba hahitana ny fitambaran’ireo haino aman-jery an’ny Fiangonana. Ireo loharanom-pitaovana ireo dia misy ao amin’ny application Gospel Media, ary ny sary maro dia hita ihany koa ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara .

Revelations in Context

Ny Revelations in context: The Stories behind the Sections of the Dotrine and Covenants dia amboaran-dahatsoratra mikasika ny tantara manodidina ireo fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Ny toejavatra nomena ato amin’ity loharano ity dia afaka manampy anao hahatakatra kokoa izay mety ho hevitr’ireo tenin’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

Olomasina

Ny Olomasina dia tantaran’ny Fiangonana misy boky maromaro. Ny Boky 1, Ny fanevan’ny fahamarinana, sy ny boky 2, No Unhallowed Hand, dia miompana amin’ny tantaran’ny Fiangonana miray vanim-potoana amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Ireo tantara ireo dia afaka manome anao fahatakarana mikasika ny sahan-kevitr’ireo fanambarana halalininao ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Ireo lohahevitry ny tantaran’ny Fiangonana

Lahatsoratra maro mikasika ireo olona sy vakoka, sy jeografia ary zava-nitranga eo amin’ny Tantaran’ ny Fiangonana azo jerena ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org/study/history/topics.

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Ity loharanom-pitaovana ity dia afaka manampy anao hianatra sy hampihatra ireo fitsipiky ny fampianarana araka ny fomban’i Kristy. Ireo fitsipika ireo dia resahina sy ampiharina mandritra ireo fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra.

Hamoaka printy