Avia, hanaraka Ahy
22–28 aprily Matio 18; Lioka 10: -Inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?-


“22–28 aprily. Matio 18; Lioka 10: -Inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“22–28 aprily. Matio 18; Lioka 10,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019

Ilay Samaritana tsara fanahy

Ilay Samaritana tsara fanahy, nataon’i Dan Burr

22–28 aprily

Matio 18; Lioka 10

“Inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?”

Vakio ny Matio 18 sy ny Lioka 10, dia raketo ireo zavatra tsapanao ara-panahy. Rehefa mahazo fitaomam-panahy ianao dia afaka mametraka ilay fanontaniana naroson’ny Loholona Richard G. Scott ianao hoe: “Mbola misy maro hafa tokony ho fantatro ve?” (“Mahazo fitarihana ara-panahy,” Ensign na Liahona, nôv. 2009, 8).

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

sharing icon

Asao mba hizara

Ireo toko ireo dia ahitana ohatra maro be amin’ny fampianaran’ny filazantsara izay tsy mitovy amin’ny zavatra ampianarin’izao tontolo izao antsika. Inona no fahamarinana hitan’ny mpianatra ao amin’ireo toko ireo izay sarotra ho an’ny olona sasany ny manaiky na ny miaina azy?

teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Matio 18:21–35

Tsy maintsy mamela ny hafa isika raha te hahazo famelan-keloka avy amin’ny Tompo.

  • Tsy maintsy hisy fotoana ilantsika rehetra mamela heloka olona izay nanafintohina antsika. Ahoana no fomba azonao ampiasana ilay fanoharana momba ilay mpanompo tsy nanana famindram-po mba hitaomana ny saina amam-panahin’ny mpianatra hahay hamela heloka bebe kokoa? Azonao atao angamba ny manoratra fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe ary manasa ny mpianatra hisaintsaina izany eo am-pitantaran’ny olona iray indray an’ilay fanoharana: Misolo tena an’iza ilay Mpanjaka? Misolo tena an’iza ilay mpanompo tsy nanana famindram-po? Maneho inona iny trosany? Misolo tena an’iza ilay mpanompo namany? Maneho inona iny trosany? Ny fampahalalana momba ny talenta sy ny denaria ao amin’ny “loharanom-pitaovana fanampiny” dia afaka manome hevitra ny mpianatra mikasika halehiben’ny fahasamihafana teo amin’ireo trosa ao anatin’ilay fanoharana. Asao ny mpianatra hisaintsaina ny hafatra tian’ilay fanoharana ampitaina amin’izy ireo manokana.

  • Azonao atao ny manasa ny mpianatra rehetra hamorona tantara namboarina avy amin’ilay fanoharana momba ilay mpanompo tsy nanana famindram-po izay mampianatra io lesona momba ny famelan-keloka io ihany amin’ny alalan’ny fampiasana toe-javatra sy antsipiran-javatra amin’izao andro maoderina izao. (Asao izy ireo hanao izany ao anatin’ny vondrona maromaro.) Resaho ny fomba hamalian’ilay fanoharana ny fanontanian’i Petera momba ny isan’ny fotoana tokony hamelany heloka.

  • Ankoatra ny Matio 18:35, ireto soratra masina manaraka ireto dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny antony hanirian’ny Tompo antsika hamela heloka ny olona rehetra izay manota amintsika: Matio 6:12–15; Efesiana 4:32; ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:7–11.

Lioka 10:25–37

Mba hahazoana ny fiainana mandrakizay, dia tsy maintsy tia an’ Andriamanitra sy tia ny namantsika isika.

  • Inty misy hevitra izay mety hanome an’ny mpianatra fahatakarana vaovao ny amin’ilay fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy: asao izy ireo mody hanao fikarohana momba ny famonoana olona sy halatra eo amin’ny lalana manelanelana an’i Jeriko sy Jerosalema. Angataho ny mpianatra vitsivitsy ho tonga ao am-pianarana miaraka amin’ny fahavononana hisolo tena ireo olona samihafa ao amin’ilay fanoharana dia hiresaka momba ny zavatra andraisan’izy ireo anjara ao anatin’ilay toe-javatra. Ohatra, nahoana ilay mpisorona sy ilay Levita no tsy nijanona mba hanampy an’ilay lehilahy naratra? Nahoana ilay Samaritana no nijanona? Inona no hevitra azon’ilay tompon’ny tranom-bahiny zaraina? Inona no tsapan’ilay lehilahy naratra momba ny tsirairay amin’ireo olona hafa ireo? Alaivo antoka fa ilay fifanakalozan-kevitra dia mitaona ny mpianatra ho lasa tahaka ilay Samaritana tsara fanahy sy ilay tompon’ny tranom-bahiny fa tsy ho tahaka ilay mpisorona sy ilay Levita. Oviana ny mpianatra no nahatsapa ho toa ilay “lehilahy anankiray”, izay nila fanampiana mafy? Ahoana no fomba nahatongavan’ny fanampiana? Ahoana no ahafahantsika miara-miasa amin’ny maha-mpikambana antsika ao amin’ny paroasy mba hanampy ny hafa, tahaka ny nataon’ilay Samaritana tsara fanahy sy ilay tompon’ny tranom-bahiny?

  • Ankoatra ny fampianarana momba ny dikan’ny hoe mitia ny namantsika, dia mety ho tandindon’ny herin’i Jesoa Kristy mba hamonjena antsika ihany koa ilay fanoharana momba ny Samaritana tsara fanahy. (Azo jerena ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” ny antsipirian-javatra momba io fanazavan-kevitra io.) Azonao asaina ny mpianatra hamaky ilay fanoharana dia hitady izany sy izay mety ho heviny ara-tandindona azo heverina. Inona no ianarantsika mikasika ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany rehefa vakintsika araka izany fomba izany ilay fanoharana?

Lioka 10:38–42

Mifidy “ny anjara tsara” isika amin’ny alalan’ny fanaovana safidy isan-andro izay mitarika ho any amin’ny fiainana mandrakizay.

  • Feno zavatra mendri-piderana azo atao eo amin’ny fiainana. Ny tantaran’i Maria sy i Marta dia afaka manampy ny mpianatra hieritreritra ny fomba hifidianana “ny anjara tsara” (andininy 42; jereo koa ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Rehefa avy miara-mamaky ny Lioka 10:38–42 ianareo, dia azonao atao angamba ny manontany ny mpianatra mikasika ny fihetsika mety nasehon’izy ireo manoloana ny torohevitra nomen’ny Mpamonjy raha teo amin’ny toeran’i Marta izy ireo. Inona no mety ho fiantraikan’izany zavatra niainana izany eo amin’ny safidy ataon’izy ireo amin’ny ho avy? Ahoana no ahafahantsika mahafantatra hoe inona no zavatra “ilaina” eo amin’ny fiainantsika? (Lioka 10:42).

learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Lazao an’ny mpianatrao fa rehefa mamaky ny fanambaran’ny Mpamonjy momba ny maha-Andriamanitra Azy ao amin’ny Jaona 7–10 ho an’ny fotoam-pianarana amin’ny herinandro manaraka izy ireo, dia afaka mahafantatra amin’ny fahazoana antoka bebe kokoa izy ireo fa Izy no Kristy.

resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Matio 18; Lioka 10

Talenta sy denaria.

Sarotra ny mahafantatra ny tena sandan’ny fitambaran’ny vola voalaza ao amin’ilay fanoharana momba ilay mpanompo tsy nanana famindram-po (jereo ny Matio 18:23–35). Misy fomba hoenti-mamantatra nomena ihany anefa ao amin’ny Testamenta Vaovao, izay afaka manampy antsika hahatakatra ny elanelana goavana nisy teo amin’ilay trosa denaria-100 sy ilay trosa talenta 10.000.

Ilay mpanompo namana ao amin’ilay fanoharana no manana ny trosa kely kokoa dia denaria 100 izany. Ao amin’ny Matio 20:2, dia denaria iray no karama ho an’ny asa iray andro tao amin’ny tanim-boaloboka iray. Noho izany, ilay mpanompo mpanampy dia tsy maintsy hiasa mandritra ny 100 andro mba hahazo denaria 100 handoavana ny trosany. Kanefa tena kely dia kely io fitambaram-bola io rehefa ampitahaina amin’ilay trosa talenta 10.000 an’ilay mpanompo tsy nanana famindram-po. Ao amin’ny Matio 25:14–15, dia mitentina talenta valo monja ny fitambaran’ny harena rehetra—“ny fananany”—nananan’ny lehilahy iray. Noho izany dia ny fitambaran’ny harena voangon’ny lehilahy 1.000 mahery tahaka an’io lehilahy io no ilaina mba handoavana ny trosan’ilay mpanompo tsy nanana famindram-po.

vola madinika fahiny

Niresaka vola sy trosa i Jesoa mba hampianarana momba ny famelan-keloka.

Ny trosa goavana naloan’i Jesoa Kristy ho an’ny tsirairay avy amintsika.

Ny Loholona Jeffrey R. Holland dia nizara ny zavatra nianarany momba ilay fanoharana ny amin’ilay mpanompo tsy nanana famindram-po teo am-pianarany tao amin’ny kilasin’ny institiota:

“Nomarihin’[ilay mpampianatra] fa ny famelan-keloka denaria 100, izay andrasana amintsika rehetra mba hifanomezantsika sy ekena fa antonony ihany dia tena kely dia kely tokoa manoloana ny famelan-keloka talenta 10.000 izay natolotr’i Kristy ho antsika.

“Izany trosa farany izany, ny trosantsika, izay nampahatsiahivin’[ilay mpampianatra] dia tena volabe tokoa, saika tsy ho takatry ny saina. Saingy izany indrindra hoy izy no tanjon’ny Mpamonjy tao anatin’izany fampianarana izany, izay ampahany manan-danja amin’ilay fanoharana. Tanjon’i Jesoa ny hahatsapan’ny mpihaino Azy kely fotsiny momba ny endrika mandrakizay sy ny fanomezana lalin’ny famindram-pony, ny famelan-keloka avy Aminy, ny Sorompanavotany.

“… Izay no fotoana voalohany teo amin’ny fiainako nahatsiarovako fa nahatsapako zavatra tamin’ny halehiben’ny sorona nataon’i Kristy ho ahy, fanomezana izay tsy tena mbola takatro tsara na dia amin’izao fotoana izao aza. Saingy fanomezana nahatonga ahy hieritreritra lalina voalohany indrindra ny filàko mamela ny olona hafa sy mba hanana fiantrana mandrakariva mikasika ny fahatsapana sy ny zavatra ilain’izy ireo ary ny toe-javatra iainan’izy ireo” (“Students Need Teachers to Guide Them” [Fampitana amin’ny zanabolana nataon’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 20 jona 1992]).

Fanazavan-kevitra nataon’ireo Kristianina tany am-boalohany momba ny fanoharana ny amin’ilay Samaritana tsara fanahy.

Tao anatin’ireo taonjato maro dia nahita tandindona tao amin’ilay fanoharana momba ny Samaritana tsara fanahy ny Kristianina, ary izany dia mampianatra momba ny anjara asan’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mpamonjintsika Azy. Ohatra, afaka maneho antsika rehetra ilay lehilahy nifanena tamin’ireo jiolahy. Ireo jiolahy dia afaka maneho ny fahotana sy ny fahafatesana. Ilay Samaritana dia afaka maneho ny Mpamonjy. Ilay tranom-bahiny dia afaka maneho ny Fiangonana, ary ny fampanantenana nataon’ilay Samaritana mba hiverina dia afaka maneho ny Fiverenan’i Jesoa Kristy Fanindroany. (Jereo ny John W. Welch, “The Good Samaritan: Forgotten Symbols,” Ensign, fev. 2007, 40–47.)

Manatsara ny fampianarantsika

Araho ny ohatry ny Mpamonjy Rehefa mamaky ny tantaran’ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny Testamenta Vaovao ianao, dia tadiavo ireo lesona ao anatin’ny ohatra nasehony izay afaka manampy anao ho lasa mpampianatra tsaratsara kokoa. Ohatra: ao amin’ny Lioka 10:25–37, inona no nataon’i Jesoa mba hampianarana an’ilay mpahay lalàna mikasika ny fomba hahazoana ny fiainana mandrakizay?