“29 aprily–5 mey. Jaona 7–10: -Izaho no Mpiandry Tsara-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)
“29 aprily–5 mey. Jaona 7–10,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019
29 aprily 29–5 mey
Jaona 7–10
“Izaho no Mpiandry Tsara”
Hahazo hevi-baovao ianao sy ny mpianatrao rehefa mamaky ny Jaona 7–10 ianareo amin’ ity herinandro ity. Tsarovy fa ireo hevitra ao amin’ ity rindran-damina ity dia tokony hanampy fa tsy hanolo ny fitaomam-panahy izay raisinao amin’ny alalan’ny fandalinanao ny soratra masina.
Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao
Asao mba hizara
Ampahatsiahivo ny mpianatra ny maha-zava-dehibe ny fanaovan’ izy ireo ny tokantranony ho ivon’ny fianarana ny filazantsara. Inona ireo andininy avy ao amin’ny Jaona 7–10 izay nifanakalozan’ ireo mpianatra hevitra niaraka tamin’ny fianakaviany nandritra ny herinandro? Inona ireo hafatra nanampy azy ireo indrindra?
Ampianaro ny fotopampianarana
I Jesoa Kristy no Mpamonjy an’ izao tontolo izao.
-
Ao amin’ny Jaona 7–10, ny Mpamonjy dia nanao fanambarana maromaro izay afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny asa nanirahana Azy sy hanakaiky Azy bebe kokoa. Asao ny mpianatra hamaky ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ary hizara izay zavatra ampianarin’izany momba ny asa masina nanirahana ny Mpamonjy. Ahoana no hanatanterahan’ i Kristy ireo anjara asa ireo eo amin’ny fiainantsika?
-
Jaona 7:37–39: “Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro”
-
Jaona 8:12; 9:4–5: “Fahazavan’ izao tontolo izao”
-
Jaona 8:58: “Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho” (jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana mba hahitana hevi-baovao momba io andininy io)
-
Jaona 9:8–10, 35–38: “Ilay Zanak’ Andriamanitra”
-
Jaona 10:7–9: “Ilay vavahady”
-
Jaona 10:11–14: “Ilay mpiandry tsara”
-
Rehefa miaina ireo fampianaran’i Jesoa Kristy isika dia lasa mahafantatra fa marina izy ireo.
-
Mety hahatakatra bebe kokoa ireo mpianatra hoe ny fiainana ny didy iray dia manorina fijoroana ho vavolombelona, raha toa io lamina io ka ampitahain’izy ireo amin’ny fianarana fahaiza-manao iray amin’ny alalan’ny zavatra niainany manokana. Ohatra, azonao atao ny manasa ireo mpianatra izay mahay manao tanisa na mahay mitendry zava-maneno mba hanazava hoe ahoana no nianarany ireo fahaiza-manao ireo. Nampianatra azy ireo bebe kokoa tamin’ny fomba ahoana ny fanazarany tena samirery toy izay hoe mijery fotsiny olona iray hafa mampiseho ilay fahaiza-manao? Miaraha mifanakalo hevitra momba ny ezaka atao amin’ny fianarana fahaiza-manao raha oharina amin’ ilay lamina ara-panahy nolazalazain’ny Mpamonjy ao amin’ny Jaona 7:14–17. Inona ireo traikefa azon’ny mpianatra zaraina momba ny fanarahana io lamina io mba hahazoana fahalalana ara-panahy?
-
Ahoana no ahafahanao mampiharihary ireo fahamarinana nampianarina ao amin’ny Jaona 7:14–17? Hevitra iray azo anaovana izany ny mangataka ireo mpianatrao mba hizara ny traikefa izay nahazoan’ izy ireo fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinana iray ao amin’ny filazantsara tamin’ny alalan’ny fiainany an’ilay fahamarinana. Ilay tantara notantarain’ny Rahavavy Bonnie L. Oscarson ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” koa dia ohatra tsara anankiray. Omeo fotoana ireo mpianatra mba hieritreretana fitsipiky ny filazantsara iray izay tian’ izy ireo hahazoana fijoroana ho vavolombelona matanjaka kokoa, ary avy eo dia amporisiho izy ireo hametraka tanjona mazava tsara mba hiainana izany fitsipika izany bebe kokoa.
Rehefa lasa mahafantatra an’i Jesoa Kristy isika dia lasa mahafantatra ny Ray.
-
Nilaza ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe: “Ny olona sasany ao anatin’ny tontolo ankehitriny dia mijaly noho ny fiheveran-diso mahakivy momba an’ [Andriamanitra Ray]. … Maro ireo olona amin’ izao fotoana izao no milaza fa mety hahazo aina tsara eo an-tsandrin’ i Jesoa, kanefa manahiran-tsaina azy ny mieritreritra ilay fihaonana hentitra amin’ Andriamanitra” (“The Grandeur of God,” Ensign na Liahona, nôv. 2003, 71). Inona no ampianarin’ny tenin’ny Mpamonjy ao amin’ny Jaona 8:18–19, 26–29 momba ny fifandraisany misy eo Aminy sy ny Rainy? Rehefa avy mamaky sy mifanakalo hevitra momba ireo andininy ireo, dia azon’ ireo mpianatra hatao lisitra eo amin’ny solaitrabe ny zavatra vitsivitsy nataon’ i Jesoa, na nolazainy na nampianariny. Inona no ianarantsika momba an’ Andriamanitra Ray avy amin’ireo zavatra ireo?
Ny famindram-pon’ny Mpamonjy dia atolotra an’ireo rehetra izay mibebaka.
-
Ho an’ireo izay mahatsapa fa voaheloka noho ny fahotany, dia mety ho loharanom-pankaherezana ho azy ireo ilay tantaran’ny Mpamonjy izay manolotra famindram-po sy fibebahana ho an’ilay vehivavy tratra nijangajanga. Na koa, raha mahatsapa ireo mpianatra fa alaim-panahy hanameloka ny hafa noho ny fahotany, dia afaka raisina ho fampitandremana ilay tantara. Azonao atao ny manasa azy ireo hamaky ny Jaona 8:1–11, ka hitady ny valin’ny fanontaniana toy izao manaraka izao: Inona no ampianarin’ io tantara io momba ny famindram-pon’ny Mpamonjy? Manampy antsika rehefa mahatsapa ho alaim-panahy hitsara ny hafa amin’ny fomba ahoana ny fandraisana ny famindram-pony rehefa manota isika? (Jereo ny Almà 29:9–10) .
-
Mba hanampiana ireo mpianatra hahita zavatra manan-danja amin’ny tenany manokana ao amin’ny Jaona 8:1–11, dia azonao atao ny mizara ny mpianatra ho vondrona anankitelo: ny iray mba hifantoka amin’ ireo teny sy zavatra nataon’ny Fariseo, ny iray mba hifantoka amin’ ireo teny sy zavatra nataon’ny Mpamonjy, ary ny iray mba hifantoka amin’ ireo teny sy zavatra nataon’ ilay vehivavy. Asao ny vondrona tsirairay hanao ny lisitr’ireo fahamarinana ara-panahy izay nianarany avy amin’ny famakiana ireo ampahany tsirairay amin’ ilay tantara.
-
Indraindray isika dia tsy tonga saina amin’ny fomba izay hitsarantsika ny hafa. Ity misy asa ampanaovina mba hanampiana ireo mpianatra handresy izany fironana izany: Angataho ireo mpianatra mba hanampy anao hanao ny lisitr’ireo fomba izay hitsarantsika ny olona (eo amin’ny endriny ivelany, ny fihetsiny, ny zavatra manodidina azy, sy ny sisa). Omeo taratasy kely nohetezana mba hiendrika vato ireo mpianatra, ary angataho izy ireo hisafidy fomba iray hitsarana ny hafa izay tsapany fa maha-meloka azy sy hanoratra izany ao amin’ny vato taratasy. Inona no ianarantsika avy amin’ny teny nataon’ny Mpamonjy tamin’ ireo Fariseo ao amin’ny Jaona 8:1–11? Asaivo soratan’ ireo mpianatra ao ambadik’ilay vato taratasy ny zavatra iray izay hampahatsiahy azy mba tsy hitsara (ohatra hoe andian-teny avy ao amin’ny Jaona 8).
Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano
Angataho ny mpianatra mba hieritreritra fotoana iray izay nahavery ny zavatra iray izay nanan-danja taminy. Izy ireo dia hianatra ny zavatra tsapan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy momba ireo izay very ao amin’ny soratra masina amin’ny lesona amin’ny herinandro manaraka.
Loharanom-pitaovana fanampiny
Ny miaina fitsipika iray dia manampy antsika hahazo fijoroana ho vavolombelona momba an’ilay fitsipika.
Hoy ny Rahavavy Bonnie L. Oscarson hoe:
“Ny Tompo dia nampianatra hoe: -Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ny fampianarana izy, na avy amin’ Andriamanitra izany, na miteny ho Ahy Aho- [Jaona 7:17]. Indraindray dia miezaka ny manao izany avy any amin’ny farany mankany aloha isika. Toy izao ohatra no fomba mety hanaovantsika izany: Ho faly aho hiaina ny lalàn’ny fahafolonkarena kanefa mila mahafantatra aho aloha hoe marina izany. Angamba aza isika mivavaka mba hahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny lalàn’ny fahafolonkarena ary manantena fa hanome antsika izany fijoroana ho vavolombelona izany ny Tompo na dia mbola tsy nameno akory taratasy fandoavana fahafolonkarena aza isika. Tsy izany mihitsy no fizotrany. Miandry antsika hampihatra finoana ny Tompo. Mila mandoa fahafolonkarena feno sy marina tsy tapaka isika mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona momba ny fahafolonkarena. …
“Te hizara ohatra iray mikasika ny fomba hanampian’ny fiainana fitsipika iray antsika mba ho lasa niova fo amin’izany fitsipika izany aho. … Nohamafisin’ny ray aman-dreniko sy ireo mpampianatra ao am-piangonana tamiko ny soatoavin’ny fanajana ny vatako, ny fananana saina madio, ary indrindra ny fianarana mba hatoky ireo didin’ny Tompo. Nanapa-kevitra ny hisoroka ireo toe-javatra izay fantatro fa hahitako zava-pisotro misy alikaola aho sy hanalavitra ny sigara sy zava-mahadomelina. Nidika izany matetika fa tsy hita tany amin’ny fety aho ary mahalana vao nampiaraka. Ny fampiasana zava-mahadomelina dia nanjary fahita matetika teny anivon’ny tanora, ary tsy dia fantatra loatra tahaka ny ankehitriny ireo loza nentin’izany tamin’izany fotoana izany. Betsaka tamin’ireo namako taty aoriana no niharan’ny fijaliana maharitra avy tamin’ireo zava-mahadomelina misy fiantraikany amin’ny saina na voafandrika tao anatin’ny fiankinan-doha lehibe tokoa. Feno fankasitrahana aho fa nampianarina ny hiaina ny Tenin’ny Fahendrena tao an-tokantranoko, ary nahazo fijoroana ho vavolombelona lalina mikasika io fitsipiky ny filazantsara io aho rehefa nampihatra finoana sy niaina araka izany. Ilay zavatra tsara tsapako avy tamin’ny fiainana fitsipiky ny filazantsara marina iray dia ny Fanahin’ny Fanahy Masina izay nanamafy fa marina ilay fitsipika” (“Aoka ianareo hiova fo,” Ensign na Liahona, nôv. 2013, 77).