Avia, hanaraka Ahy
6–12 mey. Lioka 12–17; Jaona 11: -Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very-


“6–12 mey. Lioka 12–17; Jaona 11: -Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“6–12 mey. Lioka 12–17; Jaona 11,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019

lehilahy mamihina ny zanany lahy

Ilay zanaka adala, nataon’ i Liz Lemon Swindle

06–12 mey.

Lioka 12–17; Jaona 11

“Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very”

Atombohy amin’ny fandalinana ombam-bavaka ny Lioka 12–17 sy ny Jaona 11 ny fiomananao. Iza no “ondry very” ao amin’ny kilasinao izay tonga ao an-tsainao? Ampiasao ny Avia, hanaraka Ahy, ho an’ny isam-batan’ olona sy ny fianakaviana sy ity rindran-damina ity rehefa mikatsaka ny fitarihan’ny Tompo ianao amin’ny fomba tsara indrindra hanomezana izay ilain’ny mpianatra, na dia tsy manatrika ny kilasy aza izy ireo.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

sharing icon

Asao mba hizara

Ny fampiharana dia ampahany iray manan-danja amin’ny fianarana, koa asao ireo mpianatra mba hizara ny fomba nisafidianany hiaina zavatra iray izay nianarany avy amin’ny soratra masina tamin’ ity herinandro ity.

teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Lioka 14:15–24

Tsy misy fialan-tsiny ampy handavana ny filazantsara.

  • Mba hanampiana ireo mpianatra handalina ilay fanoharana momba ilay fanasana lehibe, dia azonao atao ny manasa azy ireo hanatrika fety iray an’eritreritra izay ampiantranoinao. Avelao izy ireo hizara antony vitsivitsy mety hahatongavany na mety tsy hahatongavany. Iaraho mamaky ny Lioka 14:15–24 ary mifanakaloza hevitra momba ireo fialan-tsiny nataon’ ireo olona tao amin’ ilay fanoharana rehefa nasaina izy ireo ho amin’ ilay fety izay tandindon’ny fitahian’ny filazantsara. Inona no fialan-tsiny ataon’ny olona ankehitriny mba tsy hanekena ny fanasan’ny Mpamonjy handray ireo fitahian’ny Ray any An-danitra? Mety ho afaka hizara ny fitahiana noraisiny ny mpianatra rehefa nanao ny fahafoizan-tena nilaina mba hiainana ny fitsipiky ny filazantsara sasany izy ireo.

Lioka 15

Afaka mikaroka ireo izay very isika ary mifaly miaraka amin’ny Ray rehefa miverina izy ireo.

  • Ahoana no ahafahanao mitaona ireo izay ampianarinao hikaroka ireo olona izay “very” noho izy ireo tsy nanana ireo fitahian’ny filazantsara ary hanasa azy ireo hiverina? Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hieriretritra vetivety momba ny “ondry very” izay fantany ary avy eo hamaky ny Lioka 15:1–7 sady mieritreritra io olona io. Inona no tsapan’ izy ireo fa asain’ny Fanahy ataony mba hanolorany tanana an’ io olona io amim-pahamorana sy amim-pitiavana? Ilay tantara notantarain’ny Filoha Thomas S. Monson ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” na ilay lahateny nataon’ny Loholona Mervyn B. Arnold hoe: “Hamonjy ny hafa: vitantsika izany” (Ensign na Liahona, mey 2016, 53–55) dia mety hanampy amin’ ity fifanakalozan-kevitra ity.

  • Mety hanampy ireo mpianatra ve ny mahatakatra ireo fomba izay mety hahatonga ny olona iray ho very? Azonao atao ny manendry vondrona mpianatra vitsivitsy mba handalina ny iray amin’ ireo fanoharana ao amin’ny Lioka 15. Inona no azo tsoahina avy amin’ ireo fanoharana ireo momba ny fomba izay tokony hiezahantsika mitady ireo izay very? Inona ireo teny ao amin’ny Lioka 15 izay manambara ny zavatra tsapan’ny Ray momba ireo izay very? Ny fiarahana mihira ny “Au Berger elles sont chères,” Cantiques, lah. 142, dia mety hitondra tombony manan-danja amin’ny fampianarana entin’ ireo fanoharana ireo.

  • Mety hahasoa ireo mpianatrao ny mifantoka amin’ ireo teny sy fihetsika nataon’ilay zokilahy tao amin’ilay fanoharana momba ilay zanaka adala. Mety afaka hanoratra fiafarana hafa ho an’ilay fanoharana izy ireo izay ahitana fa fihetsika hafa no nasehon’ ilay zokilahy tamin’ny rahalahiny. Mampianatra inona antsika momba ny zavatra tokony ho tsapantsika ho an’ireo izay very sy ireo izay miverina ho amin’ny filazantsara ny torohevitra nomen’ ilay raim-pianakaviana? (Jereo koa ny teny nolazain’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.”) Na azonao asaina ny mpianatra haka sary an-tsaina fa izy ireo no ilay raim-pianakaviana ao amin’ ilay fanoharana. Inona no torohevitra fanampiny homen’izy ireo ilay zokilahy mba hanampiana azy hifaly amin’ny fivoarana sy ny fahombiazan’ny hafa?

Jaona 11:1–46

I Jesoa Kristy no Fananganana amin’ny maty sy Fiainana.

  • Rehefa namaky momba ny fananganana an’ i Lazarosy tamin’ny maty ireo mpianatrao tamin’ ity herinandro ity, nisy tamin’ izy ireo ve nahita zavatra izay nanamafy ny finoany fa i Jesoa Kristy no Zanak’ Andriamanitra sy ilay Mesia nampanantenaina? Asao izy ireo hizara ny zavatra hitany. Inona no zavatra hafa niainany izay nampiorina ny finoany an’i Jesoa Kristy? Azonao atao ny manazava fa tamin’ny fotoan’ io fahagagana io, dia tsy natsangana tamin’ny maty i Lazarosy fa naverina ho amin’ny fiainana an-tany indray.

    Jesoa Kristy mitomany

    Nitomany i Jesoa, nataon’ i James Tissot

  • Ny fomba iray handinihana ny Jaona 11:1–46 dia ny mangataka ireo mpianatra mba hifandimby hamaky ireo andiny ary manasa azy ireo hijanona rehefa mahita porofon’ny finoana an’ i Jesoa Kristy izy ireo. Angataho izy ireo hifanakalo hevitra momba ny zavatra hitany. Ahoana no hampitomboan’ny fitsapana sy ny fahalemena ny finoantsika Azy?

  • Ny fomba iray hafa hamakiana io tantara io dia ny manendry mpianatra vitsivitsy mba handinika ny fomba fijerin’ ireo olona ao amin’ ilay tantara, toa ny Mpamonjy, ireo apôstôly, i Marta, i Maria ary i Lazarosy. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny tsirairay amin’izy ireo? Inona no azontsika ianarana mikasika ny Mpamonjy avy ao amin’ny Jaona 11:33–35? Nahoana no manan-danja ny mahafantatra ireo zavatra momba Azy ireo?

learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hamporisihana ireo mpianatra hamaky ny Matio 19–20; Marka 10; ary ny Lioka 18, dia azonao atao ny mametraka fanontaniana toy ny hoe: “Inona no mety ho tsapanao raha niasa nandritra ny tontolo andro ianao ary nokaramaina mitovy amin’ny olona izay niasa adiny iray monja?” Lazao azy ireo fa misy fanoharana iray ao amin’ny vakiteny ho an’ny herinandro manaraka izay milaza ny fomba mety handraisana izany ho rariny.

resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Lioka 12–17; Jaona 11

“Hitanao aho.”

Ny Filoha Thomas S. Monson dia nizara ity traikefa manaraka ity izay niainany tamin’ izy eveka: “Tsikaritro indray Alahady maraina fa tsy tonga nanatrika ny fivorian’ny fisoronana indray Richard, iray amin’ireo mpisorona ao aminay izay mahalana vao mba manatrika. Napetrako teo am-pelatanan’ny mpanoro hevitra ny kôlejy ary nandeha tany an-tranon’i Richard aho. Nilaza ny reniny fa miasa any amin’ny garazy iray teo an-toerana izy izay mikarakara fiara. Nandeha fiara tany amin’ilay garazy aho nitady an’i Richard ary nitady hatraiza hatraiza fa tsy nahita azy. Tampoka teo, dia nisy nanosika ahy hiondrika hijery tao amin’ilay toerana fanamboarana ny fanambanin’ny fiara izay efa ela niasana tokoa izay manakaiky ilay trano. Nahita maso roa nibaliaka aho avy tao anatin’ny haizina. Henoko i Richard niteny hoe: -Hitanao aho ry Eveka! Hiakatra aho.- Rehefa niresaka izaho sy i Richard, dia nolazaiko azy fa tena nalahelo azy ary nila azy izahay. Nahavita nampanao fanoloran-tena azy aho mba hanatrika ny fivoriany izy. … [Taty aoriana], dia nilaza i Richard fa ny kihon-dalan’ny fiainany dia ny nahitan’ny evekany azy raha niafina tao amin’ilay toerana fanamboarana ny fanambanin’ny fiara izy ary ny nanampian’ny eveka azy mba havitrika indray” (“Sugar Beets and the Worth of a Soul,”Ensign,jolay 2009, 6–7).

Mianatra avy amin’ ilay zanaka adala iray hafa.

Nanao ity fanamarihana ity ny Loholona Jeffrey R. Holland momba ilay zokilahin’ ilay zanaka adala:

“Ity zanakalahy ity dia tsy dia tezitra loatra tamin’ny fahatongavan’ilay iray tao an-trano mihoatra noho ny fahatezerany noho ny fifalian’ireo ray aman-dreniny avy amin’izany. Tao anatin’ny fahatsapana ho tsy nankasitrahana ary angamba izany mety nihoatra kely ny fananany fo lentika, ity zanakalahy mpandray andraikitra ity—ary izy izay nahafinaritra tamin’ny fanoavany—dia nanadino tamin’io fotoana io fa izy dia mbola tsy nahafantatra fahalotoana na hakiviana sy tahotra na rikoriko tamin’ny tenany. Hadinony tamin’io fotoana io fa ny zanak’ omby rehetra tany an-tsaha dia efa azy avokoa, dia toy izany koa ireo fitafiana sy firavaka izao tao amin’ny toerana fasiana izany. Hadinony tamin’io fotoana io fa ny fahatokiany dia efa novaliana ary mbola hovaliana soa hatrany.

“Tsia, izy izay nanana ny zava-drehetra, sy nahazo izany tamin’ny fomba tena tsara tao anatin’ny asa mafy izay nataony, dia tsy nanana ilay zavatra iray izay mety nahatonga azy ho lehilahin’ny Tompo izay manana ny fahafenoana izay efa kely sisa dia tratrany. Mbola mila mampitombo fangorahana sy famindram-po izy, izay fomba fijery feno fiantrana lalina mba hahita fa tsy fiverenan’ny fahavalony io fiverenana io. Rahalahiny io. Araka izay niangavian’ny rainy azy mba ho hitany, dia io no ilay efa maty ka velona indray ankehitriny. Io no ilay very ka hita indray ankehitriny” (“The Other Prodigal,” Ensign, mey 2002, 63).

Manatsara ny fampianarantsika

Manolo-tanana ho an’ilay olona iray. Tahaka ilay mpiandry ondry tao anatin’ny fanoharana nataon’ny Mpamonjy (jereo ny Lioka 15:4), dia “afaka manolo-tanana an’ireo izay tsy tonga manatrika ny kilasinao ianao. Ny fahafahanao hampianatra sy hanentana ny mpianatrao sy hanampy azy ireo hanatona an’i Kristy dia mitohy any ivelan’ny efitrano fianaranao sy mitohy any amin’ireo izay tsy manatrika ny fotoana napetraka hizaranao lesona” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 8).