“24–30 jona. Matio 28; Marka 16; Lioka 24; Jaona 20–21: -Efa nitsangana [Izy]-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)
“24–30 jona. Matio 28; Marka 16; Lioka 24; Jaona 20–21,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019
24–30 jona
Matio 28; Marka 16; Lioka 24; Jaona 20–21
“Efa nitsangana [Izy]”
Alohan’ny handinihana ireo hevitra hoenti-mampianatra ato amin’ity rindran-damina ity dia vakio ny Matio 28; Marka 16; Lioka 24; ary ny Jana 20–21, dia saintsaino ny fomba mety azo hampiasana an’ireo toko ireo hampatanjahana ny finoan’ireo izay ampianarinao.
Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao
Asao mba hizara
Mba hanampiana ny mpianatra hizara ny zavatra nianarany tao amin’ny fandalinany manokana sy ny fandalinan’ny mpianakavy, dia asao izy ireo hanoratra fahamarinana iray avy amin’ny teny nasaina novakina tamin’ity herinandro ity izay tsapan’izy ireo fa tokony hozaraina amin’ ”izao tontolo izao” (jereo ny Marka 16:15). Rehefa tapitra ny fotoam-pianarana dia anontanio izy ireo raha toa ka nahita fahamarinana fanampiny tian’izy ireo hozaraina.
Ampianaro ny fotopampianarana
Matio 28; Marka 16; Lioka 24; Jaona 20
Satria nitsangana tamin’ny maty i Jesoa dia hitsangana amin’ny maty koa isika.
-
Mba hanomezana ny olona maro araka izay azo atao ny fahafahana hizara ny zavatra nianaran’izy ireo momba ny Fitsanganana amin’ny maty, dia afaka manome minitra vitsy ho an’ny mpianatra ianao mba hijeren’izy ireo indray ny teny nasaina novakina ho an’ity herinandro ity sy ny “Fitsanganana amin’ny maty” ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina ary hanoratra ireo fahamarinana nianaran’izy ireo momba ny Fitsanganana amin’ny maty. Avelao izy ireo hizara ny zavatra nosoratany, ary amporisiho ny mpianatra hanangan-tanana rehefa maheno olona mizara fahamarinana izay mitovy amin’izay nosoratany. Nahoana no manan-danja amintsika ireo fahamarinana ireo? Lasa mahatsapa inona momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy isika rehefa mahafantatra fa isika dia hitsangana amin’ny maty?
Afaka manasa ny Mpamonjy isika mba “[hitoetra] miaraka ami[ntsika].”
-
Mba hanampiana ny mpianatra hahita ny zavatra mampifandray ny zavatra niainan’izy ireo amin’ny zavatra niainan’ireo mpianatra teny amin’ny lalana nankany Emaosy, dia manaova sarina lalana eo amin’ny solaitrabe, ary asao ny mpianatra hanoratra ireo antsipirian-javatra avy ao amin’ilay tantara ao amin’ny Lioka 24:13–35 eo amin’ny iray amin’ireo sisin-dalana. Avy eo dia afaka manoratra ireo zavatra mitovy amin’izany izay hitany eo amin’ny zavatra iainany manokana amin’ny maha-mpanara-dia azy ireo an’i Jesoa Kristy eo amin’ilay sisin-dalana iray hafa izy ireo. Ohatra, izy ireo dia afaka manoratra hoe Ny mason’ireo nohazonina (Lioka 24:16) eo amin’ny sisin-dalana iray ary hoe Indraindray isika dia tsy mahafantatra ny fitaoman’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika eo amin’ilay sisin-dalana iray hafa.
-
Misy hira roa ao amin’ny fihirana izay mifototra amin’ny Lioka 24:13–35: “Demeure auprès de moi, Seigneur!” sy ny “Reste avec nous, Seigneur” Cantiques lah. 93, 92. Ahoana no hampiasanao an’ireo hira ao amin’ny fihirana ireo mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny ao anatin’ilay tantara ao amin’ny soratra masina?
Matio 28:16–20; Marka 16:14–20; Lioka 24:44–53
Didina isika hitory ny filazantsara amin’izao tontolo izao.
-
Ny didy nomen’ny Mpamonjy efa nitsangana tamin’ny maty an’ireo Apôstôliny mba hitory ny filazantsarany dia azo ampiharina amintsika ihany koa amin’izao fotoana izao. Ahoana no ahafahanao manampy ny mpianatra hahafantatra ny anjara asany amin’ny fitoriana ny filazantsara? Afaka manasa azy ireo ianao angamba mba haka sary an-tsaina hoe nanome torohevitra ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na ny namana iray efa handeha hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno izy ireo. Inona no hozaraintsika avy amin’ny tenin’ny Mpamonjy tamin’ireo Apôstôliny? Ahoana no ahafahantsika mampihatra ireo teny ireo eo amin’ny ezaka ataontsika mba hizara ny filazantsara amin’ny hafa?
“Sambatra kosa izay tsy nahita nefa nino.”
-
Mety hisy amin’ireo mpianatrao no hitovy hevitra amin’i Tomasy, izay naniry ny hahita an’ilay Tompo nitsangana tamin’ny maty talohan’ny ninoany. Ny kilasin’ny Sekoly alahadinao dia afaka ny ho toerana hifanamafisan’ireo mpianatrao ny finoany an’ireo zavatra tsy hitany. Angamba afaka atombokao amin’ny alalan’ny fangatahana olona hamintina ny zavatra niainan’i Tomasy ao amin’ny Jaona 20:19–28 izany. Afaka manoratra eo amin’ny solaitrabe ny lisitr’ireo zavatra asain’ Andriamanitra inoantsika na dia tsy hitantsika aza ny mpianatra. Avy eo ianao dia afaka mangataka azy ireo hizara zavatra niainana izay nanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ireo zavatra ireo. Inona avy ireo fitahiana azon’ireo mpianatra rehefa nampihatra finoana izy ireo?
Manasa antsika hamahana ny ondriny ny Mpamonjy.
-
Inona no mety hanampy ny mpianatrao hanaiky ny fanasan’ny Mpamonjy “[hamahana] … ny ondri[ny]”? Azonao atomboka amin’ny fanasana azy ireo hamaky mangina ny Jaona 21:15–17, ka hanolo ny anaran’i Simona amin’ny anaran’izy ireo ary ny “ondrikeliko” sy ny “ondriko” amin’ny anaran’ny olona izay tsapan’izy ireo fa tian’ny Tompo hotompoin’izy ireo. Ohatra hoe olona ampianarin’izy ireo na vangiany isan-tokantrano, ny mpifanolo-bodirindrina, na ny olona fantatr’izy ireo any am-piasana na any an-tsekoly. Rehefa afaka minitra vitsivitsy dia afaka mizara ny zavatra tsapany ny mpianatra. Inona no dikan’ny hoe mamahana ny ondrikely sy ny ondrin’ny Mpamonjy? Afaka manampy amin’ny famaliana io fanontaniana io ny teny nolazain’ny Filoha Russell M. Nelson sy ny Loholona Marvin J. Ashton ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.”
Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano
Mba hanampiana ny mpianatra hahazo fitaomam-panahy hamaky ny Asan’ny Apostoly 1–5 amin’ity herinandro ity, dia angataho izy ireo hifantoka amin’ny fomba naha-lasa mpitarika matanjaka ny mpanjono tsy nahita fianarana iray tao amin’ny Fiangonan’i Kristy rehefa niparitaka manerana izao tontolo izao izany. Rehefa mandalina ireo toko ireo izy ireo dia hahita ny fomba nisehoan’ny fiovany.
Loharanom-pitaovana fanampiny
Inona no dikan’ny hoe mamahana ny ondrin’ny Mpamonjy?
Ny Filoha Russell M. Nelson dia nizara ireo hevi-baovao ireo avy amin’ny dikanteny Grika fahinin’ny Jaona 21:
“Ao amin’ny [Jaona 21:15], ny teny hoe mamahana dia avy amin’ny teny Grika hoe bosko, izay midika hoe -manome hanina na manome vilona.- Ny teny hoe ondrikely dia avy amin’ny fanafohezana ny teny hoe arnion, izay midika hoe -zanak’ondry.- …
“Ao amin’ny [Jaona 21:16], ny teny hoe mamahana dia avy amin’ny teny hafa hoe, poimaino, izay midika hoe -miandry, na mikarakara.- Ny teny hoe ondry dia avy amin’ny teny hoe probaton, izay midika hoe -ondry lehibe.- …
“Ao amin’ny [Jaona 21:17], ny teny hoe mamahana dia avy amin’ny teny Grika hoe bosko indray, izay miresaka fanomezana sakafo. Ny teny hoe ondry dia nadika indray avy amin’ny teny Grika hoe probaton, izay miresaka ondry lehibe.
“Ireo andininy telo ireo, izay toy ny mitovy tokoa amin’ny fiteny Anglisy, dia tena ahitana hafatra telo samihafa amin’ny fiteny Grika:
-
Mila fahanana ny ondrikely mba hahafahany mitombo.
-
Mila andrasana ny ondry;
-
Mila fahanana ny ondry” (“Shepherds, Lambs, and Home Teachers,” Ensign, aog. 1994, 16).
Ahoana no ahafahantsika “[mamahana] … ny ondri[ny]”?
Ny Loholona Marvin J. Ashton dia nanazava ny fomba ahafahantsika manatanteraka ny didin’ny Tompo mba hamahana ny ondriny:
“Hoy i Jesoa hoe -andraso ary ny ondriko.- (Jaona 21:16.) Tsy afaka miandry azy ireo ianao raha tsy fantatrao ny misy azy ireo. Tsy afaka miandry azy ireo ianao raha avelanao hahita antony hanoherana anao izy ireo. Tsy afaka mamahana azy ireo ianao raha tsy misy sakafo. Tsy afaka mamahana azy ireo ianao raha tsy manana fitiavana. Tsy afaka mamahana azy ireo ianao raha tsy vonona ny hiasa sy hizara. …
“Ireo rehetra mila fanampiana dia hita ao amin’ny sokajin-taona rehetra. Ny sasany amin’ireo ondriny dia mbola kely, manirery, ary very. Ny sasany dia trotraka, ory, ary lasa reraka rehefa mandeha ny fotoana. Ny sasany dia ao amin’ny fianakaviantsika ihany, ao amin’ny fiaraha-monina misy antsika, na any amin’ny faritra lavitra be eto amin’izao tontolo izao ka ny fanatitra avy amin’ny fifadian-kanina no azontsika hanampiana azy any. Ny sasany dia mosarena noho ny tsy fisian’ny sakafo. Ny sasany dia mangetaheta fitiavana sy firaharahiana.
“Raha avelantsika mahita antony hanoherana antsika ny ondriny, dia lasa sarotra ny fizotran’ny famahanana, raha tsy hoe tsy azo heverina intsony mihitsy aza. Tsy misy olona afaka mampianatra na manampy amin’ny fanesoesoana na ny fanalam-baraka. Ny fanaovana didy jadona na ny fitenenana hoe -izaho no marina fa ianao no diso- dia tsy hampahomby ny ezaka rehetra atao mba hamahanana ny ondry mania iray. Hanorina rindrin’ny fanoherana izany, ka tsy hisy hahazo tombony avy amin’izany. …
“Maneho fitiavana amin’ny alalan’ny asa ataontsika isika. Ny filazana fa hoe tia dia tsy misy dikany raha tsy mifanaraka amin’izany ny asa atao. Ny ondriny rehetra dia mila ny fikarakaran’ny mpiandry iray izay manome lanja azy ireo” (“Give with Wisdom That They May Receive with Dignity,” Ensign, nôv. 1981, 91).