Avia, hanaraka Ahy
1–7 jolay. Asan’ny Apostoly1–5: -Ho vavolombeloko [ianareo]-


“1–7 jolay. Asan’ny Apostoly 1–5: “Ho vavolombeloko [ianareo]” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“1–7 jolay. Asan’ny Apostoly 1–5,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019

Sary
ny andron’ny Pentekôsta

Ny andron’ny Pentekôsta, nataon’i Sidney King

1–7 jolay

Asan’ny Apostoly 1–5

“Ho vavolombeloko [ianareo]”

Rehefa mamaky ny Asan’ny Apostoly 1–5 ianao ary mikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy dia hahazo fitaomam-panahy ny amin’izay fahamarinana ao amin’ireo toko ireo izay hanampy ny mpianatrao hiantehitra bebe kokoa amin’ny Fanahy Masina sy ho vavolombelona mahatokin’i Jesoa Kristy Tompo.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Misy andalan-tsoratra masina sy fitsipika manan-danja maro ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1–5. Fomba iray tena tsara hamantarana izay manan-danja indrindra amin’ireo mpianatra ao amin’ny kilasinao ny mamela azy ireo hilaza ny zavatra nahaliana azy ireo indrindra nandritra ny fandalinana nataony. Ahoana no fomba hanasanao ny mpianatra hizara zavatra toy izany? Mety ho zavatra tena tsotra izany, toy ny fanomezana azy ireo minitra vitsy hitadiavana sy hizarana andinin-tsoratra masina avy ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1–5 izay nahatsapan’izy ireo fa miresaka amin’izy ireo ny Tompo ao anatin’izany.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Asan’ny Apostoly 1:1–8; 2:37–39; 4:1–16, 31–33

Mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ny Fanahy Masina i Jesoa Kristy.

  • Ny famakiana ireo zavatra niainan’ny Apôstôly dia afaka manampy ny mpianatrao hahita ny fomba hahafahany mandray hery sy fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina eo amin’ny antson’izy ireo ao amin’ny Fiangonana. Fomba iray handalinana ireo zavatra niainana ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1–5 ny fanoratana hoe Ny Fanahy Masina dia afaka manampy ahy amin’ny antsoko amin’ny alalan’ny eny amin’ny solaitrabe, ary avy eo dia manasa ny mpianatra hikaroka ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1:1–8; 2:36–39; ary ny 4:1–16, 31–33, mba hitadiavana fomba hamenoana ilay fehezan-teny. Fa nahoana ireo Apôstôly no nila ny Fanahy Masina?

  • Afaka miara-mamakafaka amin’ny mpianatra koa ianao mikasika ny fomba hitarihan’i Jesoa Kristy ny Fiangonany amin’izao fotoana izao amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Mba hanaovana izany dia afaka miresaka mialoha amin’ny mpianatra maromaro ianao ary mangataka azy ireo hamaky ireo tantara ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1:1–8; 2:37–39; 4:1–16, 31–33 ka hivonona hizara ny zavatra niainan’izy ireo manokana izay mitovy amin’ny an’ireo Apôstôly ireo. Ohatra, azon’izy ireo atao ny miresaka mikasika ny fotoana iray izay nanampian’ny Fanahy Masina azy ireo hijoro ho vavolombelona momba ny fitsipiky ny filazantsara iray, na hamaly fanontanian’olona. Inona no nataon’izy ireo hikatsahana ny fitarihan’ny Fanahy Masina?

Asan’ny Apostoly 1:15–26

Antsoin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanambarana ny Apôstôlin’i Jesoa Kristy.

  • Mety hanampy ny mpianatrao ny fanaovana fanamarihana fa ireo mpikambana vaovao tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tao amin’ny Fiangonana fahiny dia nantsoina tamin’ny alalan’ny fanambarana, tsy misy hafa amin’ny fomba hiantsoana azy ireo ankehitriny. Asao ny mpianatra hanazava ny fomba mety hisafidianan’ny orinasa iray olona hisolo toerana amin’ny toerana mpitantana iray, toy ny fijerena ny fianarana natao, ny traikefa, sy ny sisa. Angataho izy ireo hampitaha izany amin’ny fomba niantsoana ny Apôstôly Matia ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1:15–26 (jereo koa ny 1 Samoela 16:1–13). Ahoana no mety ahafahan’ilay teny notsongaina nataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” hampitombo ny fahatakaran’ny mpianatra? (jereo koa ny Russell M. Nelson, Fanohanana ireo mpaminany,” Liahona,nôv. 2014, 74–77). Inona no fiantraikan’izany fahalalana izany eo amin’ny finoantsika an’ireo mpitarika nantsoin’ny Tompo? Ahoana no fomba nahazoanao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ireo apôstôly sy mpaminany maoderina?

Asan’ny Apostoly 2:22–47; 3:13–26; 4:5–12

Mandray ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotana isika rehefa miaina ireo fitsipika sy ôrdônansy voalohan’ny filazantsara.

  • Ahoana no hahafahan’ireo izay ampianarinao mahita fa feno hery sy manan-danja ireo fahamarinana tsotra nampianarin’i Petera sy i Jaona (finoana an’i Jesoa Kristy, fibebahana, batisa, ny Fanomezana ny Fanahy Masina, ary ny faharetana hatramin’ny farany)? Mety ho fomba iray hanaovana izany ny famantarana ny lanjan’ireo fitsipika sy ôrdônansy ireo, izay antsoina hoe fotopampianaran’i Kristy indraindray (jereo ny 2 Nefia 31). Afaka mitondra petadrindrina dimy ao an-dakilasy ianao dia manoratra ny iray amin’ireto endrikin’ny fotopampianaran’i Kristy manaraka ireto eo amin’ny farany ambony amin’ny peta-drindrina tsirairay: Finoana an’i Jesoa Kristy, Fibebahana, Batisa, Fanomezana ny Fanahy Masina, Faharetana hatramin’ny farany. Zarao ho vondrona dimy ny mpianatra dia omeo ny iray amin’ireo petadrindrina ny vondrona tsirairay. Asao ireo vondrona hijery ny famaritana ilay lohahevitra eo amin’ny petadrindrin’izy ireo ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina” na ny Torio ny Filazantsarako. Aorian’izay izy ireo dia afaka mijery ny fampianaran’i Petera ao amin’ny Asan’ny Apostoly 2:22–47; 3:13–26; ary ny 4:5–12 dia manoratra eo amin’ny petadrindriny ireo ohatra avy ao amin’ny soratra masina momba ny lohahevitra nampandraiketina azy ireo. Ahoana no fomba hanampian’ireo fitsipika sy ôrdônansin’ny filazantsara ireo antsika hahazo ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy? Inona no anjara asa tanan’ireo fitsipika sy ôrdônansy ireo eo amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra?

  • Azonao atao ny mangataka misiônera nanompo tamin’ny fotoana feno vitsivitsy izay niverina vao haingana, na misiôneran’ny paroasy vitsivitsy hanazava ao anatin’ny minitra vitsy ny fomba nampianarany ny hafa momba ny fotopampianaran’i Kristy tamin’ny alalan’ny fampiasana ny lesona 3 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako. Nahoana no ny fotopampianaran’i Kristy no hafatra fototra zarain’ireo misiônerantsika? Ahoana no fomba hahafahan’ny olona iray efa vita batisa sy nandray ny fanomezana ny Fanahy Masina manohy mampihatra ny fotopampianaran’i Kristy?

Asan’ny Apostoly 2:37–47

Manentana antsika hampihatra ny zavatra nianarantsika ny Fanahy Masina.

  • Rehefa mandalina ny soratra masina any an-trano sy miaraka ao an-dakilasy isan-kerinandro ireo mpianatra dia mety ho matetika izy ireo no mahatsapa ho “voatsindrona tam-pony” (Asan’ny Apostoly 2:37). Mety ho taomim-panahy ianao hanampy azy ireo handroso kokoa amin’ny alalan’ny fanontaniana hoe “Inona no hataon[tsika]?” (Asan’ny Apostoly 2:37). Iaraho mamaky ny Asan’ny Apostoly 2:37–47, ka asao ny mpianatra hitady ireo zavatra nataon’ireo andian’olona miisa 3.000 ireo vokatry ny fanasana nataon’i Petera. Azon’izy ireo atao tsara koa ny mizara ny zavatra nataony hanatanterahana ny fitaomam-panahy voarain’izy ireo avy amin’ny fandalinany ny tenin’ Andriamanitra. Avy eo ianao dia afaka manokana fotoana any amin’ny fiafaran’ny fotoam-pianarana hametrahan’ny olona tsirairay amin’ny tenany ny fanontaniana hoe “Inona no tokony hataoko?” ary hanoratana ny zavatra tsapany.

Sary
I Petera mitory ny filazantsara rehefa avy nokapohina

Na dia nosamborina sy nokapohina aza i Petera dia nitory ny filazantsara tamim-pahasahiana.

Asan’ny Apostoly 3; 4:1–21; 5:12–42

Rehefa feno ny Fanahy Masina isika dia afaka mizara ny filazantsara amim-pahasahiana.

  • Ny tantaran’i Petera sy i Jaona nijoro ho vavolombelon’i Jesoa tamim-pahasahiana dia afaka mitaona ny kilasinao tsy hatahotra ny zavatra eritreretin’ny hafa rehefa mizara ny fijoroany ho vavolombelona momba ny filazantsara izy ireo. Inona no nanaitra ny mpianatra momba ny fahasahian’i Petera sy i Jaona ao amin’ny Asan’ny Apostoly 3; 4:1–21; sy 5:12–42? Inona no hifandraisan’ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy amin’ny fahafahantsika mijoro ho vavolombelona amim-pahasahiana? Ny tantara ao anatin’ireo toko ireo dia nolalaovina ao amin’ireo horonan-tsary mitondra ny lohateny hoe “Pierre prêche et est arrêté,” “Pierre et Jean sont jugés,” ary “Pierre et Jean continuent de prêcher l’Évangile” (LDS.org). Mety manana zavatra niainana hozaraina ny mpianatra, izay niarovan’izy ireo na niarovan’ny olona iray hafa ny filazantsara na nijoroany ho vavolombelona momba izany tamim-pahasahiana.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Angataho ny mpianatra hieritreritra izay mety ho fihetsiny raha fantany fa mety hiafara hatramin’ny famoizany ny ainy ny fiainana ny filazantsara. Lazao azy ireo fa hamaky mikasika ny olona iray vonona ny ho faty noho ny finoany izy ireo ao amin’ny Asan’ny Apostoly 6–9.

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Asan’ny Apostoly 1–5

Ny fiantsoana mpikambana iray ao amin’ny Roambinifololahy.

I Gordon B. Hinckley dia nizara izao hevitra manaraka izao mikasika ny fizotran’ny fiantsoana Apôstôly iray vaovao: “Ny dingana arahana dia tsy hita raha tsy ao amin’ny fiangonan’ny Tompo ihany. Tsy misy fikatsahana toerana, tsy misy fanaovana kolikoly mba hahazoana toerana iray, tsy misy fampielezan-kevitra hanindrahindrana ny hasin’ny tena. Ampitahao amin’ny fomban’izao tontolo izao ny fomban’ny Tompo. Ny fomban’ny Tompo dia tony, atao am-pilaminana, tsy atao mahoraka be na handaniam-bola. Tsy ahitana fitadiavana tombontsoan’ny tena izany, na fieboeboana, na faniriana hahazo zavatra. Araka ny drafitry ny Tompo, ireo izay manana andraikitra hisafidy ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia mikatsaka ny hamaly fanontaniana iray manan-danja hoe: -Iza no tian’ny Tompo ho eo?- Misy ny fandinihana atao amim-pahanginana sy amim-pisaintsainana. Ary betsaka ny vavaka atao mba handraisana ny fanamafisana avy amin’ny Fanahy masina fa marina ilay safidy ” (“God Is at the Helm,” Ensign, mey 1994, 53).

Manatsara ny fampianarantsika

Matokia ny mpitarika anao. “Te hanampy anao hahomby ireo mpitarika anao ao amin’ny fisoronana sy ny vondrona fanampiny. Mangataha torohevitra avy amin’izy ireo rehefa miezaka ny hivoatra ianao amin’ny maha-mpampianatra anao ary rehefa misaintsaina ny zavatra ilain’ireo izay ampianarinao” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 5).

Hamoaka printy