Avia, hanaraka Ahy
15–21 jolay. Asan’ny Apostoly 10–15: -Nandroso sy niely ny tenin’ Andriamanitra-


“15–21 jolay. Asan’ny Apostoly 10–15: -Nandroso sy niely ny tenin’ Andriamanitra-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“15–21 jolay. Asan’ny Apostoly 10–15,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019

Sary
I Kornelio miresaka amin’i Petera

15–21 jolay

Asan’ny Apostoly 10–15

“Nandroso sy niely ny tenin’ Andriamanitra”

Ny fandalinana amim-bavaka ny Asan’ny Apostoly 10–15 mialoha ny hamakina ity rindran-damina ity dia hanampy anao hahazo fitaomam-panahy avy amin’ny Tompo. Ireto hevitra eto ambany ireto dia soso-kevitra fotsiny ihany.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Asao ny mpianatra hizara amin’ny olona mipetraka eo akaikiny ny asa iray nitoriana ny filazantsara izay nanaitra azy ireo tao amin’ny Asan’ny Apostoly 10–15. Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny heviny amin’ny mpianatra rehetra.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Asan’ny Apostoly 10; 11:1–18; 15:1–25

Mampianatra antsika andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra amin’ny alalan’ny fanambarana ny Ray any An-danitra.

  • Mety ho diso hevitra mikasika ny fomba fandraisana fanambarana ny mpianatra sasany. Mety hanampy azy ireo ny firesahana ny fomba nahatongavan’ny fanambarana teo amin’i Petera sy ny fomba hahafahan’izy ireo mandroso hatrany, “[tsy] misalasala” (Asan’ny Apostoly 10:20), rehefa toa tsy feno na tsy mazava ny fanambarana. Manorita tsipika eny amin’ny solaitrabe dia soraty eo amin’ny farany sisiny iray amin’ilay tsipika ny hoe Tokony hotoriana amin’ny Jentilisa ny filazantsara. Iaraho mijery amin’ny mpianatra rehetra ny Asan’ny Apostoly 10 sy ny 11:1–18, ary avy eo dia asio teboka maromaro eo amin’ilay tsipika mba hanehoana ny fomba nanambaran’ny Tompo tsikelikely tamin’i Petera fa efa tonga ny fotoana hitoriana ny filazantsara amin’ny Jentilisa. Azonao atao ohatra ny manomboka izany amin’ny teboka mitondra ny anarana hoe “Nahita fahitana i Kornelio” (Asan’ny Apostoly 10:1–6) na atombohy amin’ny didy nomen’ny Mpamonjy an’ireo mpianany mihitsy aza hoe “ataovy mpianatra ny firenena rehetra”, izay hita ao amin’ny Matio 28:19. Inona no azontsika ianarana mikasika ny fanambarana raha tsoahina avy amin’ny zavatra niainan’i Petera? Inona no hevitra fanampiny hoentin’ny fampianarana nomen’i Nefia momba ny fanambarana ao amin’ny 2 Nefia 28:30 sy ny fampianarana avy amin’ny Loholona David A. Bednar sy ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” ka manatsara ny fifanakalozan-kevitra?

  • Inona no mety ho azonao atao hanampiana ny mpianatra hieritreritra lalina kokoa mikasika ny fomba handraisan’izy ireo fanambarana? Azonao atao ny mandalina ireo ohatra ao amin’ny soratra masina izay nampianaran’ny Tompo ny olona andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra. Ankoatra ny zavatra niainan’i Petera ao amin’ny Asan’ny Apostoly 10 dia afaka mijery ny zavatra niainan’i Nefia (1 Nefia 18:1–3) sy i Almà (Almà 7:8; 16:20) ary i Môrmôna (3 Nefia 28:17, 36–40) ny mpianatra. Inona avy ireo ohatra hafa azon’ny mpianatra eritreretina izay nandraisan’ny olona fitarihana ara-panahy “etsy kely ary eroa kely”? (2 Nefia 28:30). Nahoana ny Tompo indraindray no mety hisafidy ny hanambara zavatra amin’izany fomba izany toy izay hanome antsika indray miaraka ny valinteny rehetra? (Jereo ny FF 50:40; 98:12). Mety hanampy ny fifanahafana iray tahaka ity iray ity: Hevero hoe misy olona mandroso hevitra ny hanarahanao fianarana “calcul infinitésimal” mialoha ny ianaranao alzebra na jeômetria. Inona no havalinao? Inona no ifandraisan’izany amin’ny lamina arahin’ny Tompo eo amin’ny fanambarana fahamarinana?

  • Indraindray ny mpikambana dia mametra-panontaniana na manana olana mikasika ireo fiovana eo amin’ny fitsipika mifehy sy ny fandaharan’asa ao amin’ny Fiangonana. Mety hanampy azy ireo ny miresaka ny fomba nahatonga an’ilay fanambarana hoe hanomboka ny fitoriana ny filazantsara tamin’ny Jentilisa (jereo ny Asan’ny Apostoly 10) nanolo an’ilay torolalana nomen’ny Tompo teo aloha an’ireo mpianany (jereo ny Matio 10:1, 5–6). Ahoana no mety hamalian’ny mpianatra ny olona iray tamin’ny andron’i Petera izay tsy manaiky ny torolalana nomen’i Petera satria mifanohitra amin’ireo fomba fanao tany aloha izany? Ahoana no ahafahan’ilay fanambarana ao amin’ny Asan’ny Apostoly 10 manampy antsika hanaraka ny fanambarana mitohy avy amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny mpaminaniny?

  • Mety hahaliana ny fijerena ny fiaraha-mikaondoha nataon’ireo Apôstôly, araka ny voatantara ao amin’ny Asan’ny Apostoly 15:1–22, sy ilay taratasy nosoratan’izy ireo ho an’ny Olomasina (jereo ny andininy 23–29) . Inona no fanontaniana napetrak’ireo mpianatra? Ahoana no fomba nitadiavan’izy ireo valiny? Ny teny nambaran’ny Filoha Gordon B. Hinckley ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia mety hitondra fanazavana fanampiny mikasika ny fomba hitarihan’ny Tompo ny Fiangonany amin’ny alalan’ny fanambarana amin’ny apôstôly sy mpaminany.

Asan’ny Apostoly 10:9–48

“Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra.”

  • Hitondra tombontsoa ho an’ny mpianatrao ve ny fanaovana fifanakalozan-kevitra momba ny dikan’ny hoe “tsy mizaha tavan’olona”? Azonao atao ny manomboka izany amin’ny alalan’ny fanasana ny mpianatra rehetra hamaky soratra masina izay mampianatra fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, toy ny Romana 2:1–11; 1 Nefia 17:34–40; 2 Nefia 26:32–33; Almà 5:33; Môrônia 8:12; ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:34–35. Angataho ny mpianatra hanoratra ny famaritana azo omena ny hoe “tsy mizaha tavan’olona”, miainga avy amin’ny zavatra novakiny, dia hizara ny zavatra nosoratany avy eo. Mety ilaina ny hanampianao ny mpianatra hahatakatra fa ny hoe “tsy mizaha tavan’olona” dia tsy midika hoe mitahy ny olona rehetra amin’ny fomba mitovy Andriamanitra na inona na inona ataontsika. Tiany hanaiky ny filazantsarany ny zanany rehetra, kanefa ny fahafenoan’ny fitahiana entin’ny filazantsara dia natokana ho an’ireo izay manao sy mitandrina ny fanekempihavanana natao Taminy. Ahoana no hanehoan’ireo zava-nitranga sy fitsipika ao amin’ny Asan’ny Apostoly 10:34–48 fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra? Ahoana no “ankasitrahan”’ Andriamanitra ny olo-marina na dia tsy mizaha tavan’olona aza Izy? (jereo ny Asan’ny Apostoly10:34–35; 1 Nefia 17:35).

Asan’ny Apostoly 12:1–17

Ny vavaky ny olo-marina dia afaka mitondra fahagagana lehibe.

  • Ny tantara momba ny fanafahana an’i Petera tao am-ponja ao amin’ny Asan’ny Apostoly 12:1–17 dia afaka manampy ny mpianatra hampiorina ny finoan’izy ireo amin’ny herin’ny vavaka. Azo atao tsara ny manasa mpianatra iray hivonona hizara ny antsipirian’io tantara io sy ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny vavaka. Na azonao atao ny manasa mpikambana iray na maromaro ao amin’ny paroasy na sampana hizara zavatra niainana izay nahatsapan’izy ireo na nahitany ny herin’ny vavaka niombonan’ny mpikambana. Azonareo atao koa ny mihira hira momba ny vavaka ao amin’ny fihirana (toy ny “Moa nivavaka?” Fihirana sy hiran’ny ankizy, p. 96) ary miresaka mikasika ny zavatra ampianarin’ilay hira momba ny herin’ny vavaka.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny mpianatra hisaintsaina ireo antony tsy hahavitantsika mizara ny filazantsara amin’ny hafa indraindray. Lazao amin’ny mpianatra fa ny fandalinana ny Asan’ny Apostoly 16–21 dia afaka manampy azy ireo handresy ireo sakana izay mety manakana azy ireo tsy hizara ny filazantsara.

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Asan’ny Apostoly 10–15

Mandray fanambarana andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra.

Ny Loholona David A. Bednar dia nanao ity fanamarihana manaraka ity mikasika ny lamina arahin’ny Tompo amin’ny fanomezana fanambarana: “Maro amintsika mazàna no miandry fa handray valiny iray na bitsika iray ho an’ny vavaka sy ny fitalahoana mafy ataontsika. Ary matetika ihany koa isika no miandry ny hahatongavan’izany valim-bavaka na bitsika izany eo no ho eo sy indray miaraka. Noho izany, dia toa mino isika fa ny Tompo dia hanome antsika valim-bavaka lehibe haingana sy amin’ny fotoana iray indray miaraka. Ilay lamina voalaza imbetsaka ao amin’ny soratra masina anefa dia milaza fa mahazo -andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, fitsipika anampy fitsipika- isika, na raha lazaina amin’ny teny hafa dia valim-bavaka kely maromaro ao anatin’ny fotoana maharitraritra. Ny fanekena sy ny fahatakarana io lamina io dia fanalahidy manan-danja hahazoana fitaomam-panahy sy fanampiana avy amin’ny Fanahy Masina” (“Line upon Line, Precept upon Precept,” New Era, sept. 2010, 3–4).

Sary
zatovovavy mamaky soratra masina

Ny fanambarana ho an’ny tena manokana dia matetika no tonga miandalana eny amin’ny alalan’ny ezaka tsy tapaka.

Ny Loholona Dallin H. Oaks dia nanome ity torohevitra ity: “Tokony hanadihady ireo zavatra ao an-tsaintsika isika amin’ny alalan’ny fampiasana ny hery hoenti-mandanjalanja napetraky ny Mpahary antsika ao anatintsika. Avy eo isika dia tokony hivavaka mba hahazoana fitarihana ary hanaraka izany raha mahazo izany. Raha tsy mahazo fitarihana isika dia tokony hanao asa araka ny fomba izay heverintsika fa tsara indrindra” (“Our Strengths Can Become Our Downfall,” Ensign, ôkt. 1994, 13–14).

Ny Filoha Gordon B. Hinckley dia nizara ny fomba fijeriny rehefa manompo ao amin’ireo filankevitra miahy ato amin’ny Fiangonana:

“Mety hisy tsy fitovian-kevitra eo am-panombohana rehefa mandinika ireo olana. Tsy maintsy misy izany. Samy manana ny traikefam-piainana samy hafa avy ireo lehilahy ireo. Lehilahy izay mieritreritra ho an’ny tenany izy ireo. …

“… Tao anatin’izany fizotran’ny famborahan’ireo lehilahy ireo ny eritreriny izany indrindra no nipoitra ny famakafakana sy fisivanana hevitra sy foto-kevitra. Kanefa tsy mbola nahita tsy fifankahazoana na lolom-po teo amin’ireo Rahalahy aho na oviana na oviana. Fa nahita zavatra mahafinaritra sy mahatalanjona kosa—dia ny fifanojoan’ireo fijery samy hafa, teo ambany fitarihan’ny fitaoman’ny Fanahy Masina sy teo ambanin’ny herin’ny fanambarana, ambara-pahatongavan’izany ho firaisam-peo sy fifanekena tanteraka. Eo vao misy ny fanatanterahana araka ny fikasana. Hijoroako ho vavolombelona fa maneho ny fanahin’ny fanambarana izay aseho hatrany hatrany izany eo amin’ny fitarihana ity asan’ny Tompo ity” (God Is at the Helm,”Ensign, mey 1994, 54, 59).

Manatsara ny fampianarantsika

Atombohy amin’ny soratra masina. Mialoha ny hijerena ireo loharanom-pitaovana fanampiny dia halalino amim-pahazotoana ireo soratra masina fahiny sy maoderina. Ny fandalinana amim-bavaka ny tenin’ Andriamanitra dia hamela ny Fanahy hanampy anao hisintona zavatra avy amin’ny zavatra nohalalininao rehefa mampianatra ianao (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 12).

Hamoaka printy