Avia, hanaraka Ahy
25 nôvambra–1 desambra. 1 sy 2 Petera: ‘[Miravoravoa] amin’ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra’


“25 nôvambra–1 desambra. 1 sy 2 Petera: ‘[Miravoravoa] amin’ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra’” Avia hanaraka ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“25 nôvambra–1 desambra. 1 sy 2 Petera,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019

I Jesoa Kristy mitory ny filazantsara ao amin’ny tontolon’ny fanahy.

I Kristy mitory ny filazantsara ao amin’ny tontolon’ny fanahy, nataon’i Robert T. Barrett

25 nôvambra–1 desambra

1 sy 2 Petera

“[Miravoravoa] amin’ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra”

Tadidio fa ny tanjonao dia ny hampianatra olona fa tsy hampianatra lesona fotsiny. Rehefa mamaky ny epistily nosoratan’i Petera ianao dia eritrereto tsirairay ireo mpianatrao. Inona avy ireo fitsipika hanampy azy ireo hampiorina ny finoany?

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

sharing icon

Asao mba hizara

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireo lohateny hoe1 Petera sy 2 Petera. Omeo fotoana ny mpianatra hamakina ireo toko ireo, dia asao izy ireo hanoratra eo ambanin’ireo lohateny ireo ny teny na andian-teny avy ao amin’ireo toko ireo, izay hitan’izy ireo fa manan-danja. Dia ampiasao ilay lisitra hanasana ny olona hizara ny heviny.

teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

1 Petera 1:3–9; 2:19–24; 3:14–17; 4:12–19

Afaka mahazo fifaliana aho mandritra ireo fotona hisian’ny fitsapana sy ny fijaliana.

  • Mba hanampiana ireo izay ampianarinao hahatakatra kokoa sy hampihatra ny torohevitr’i Paoly momba ny fahazoana fifaliana ao anatin’ny toe-javatra sarotra, dia afaka manome taratasy ny mpianatra ianao ary mangataka azy ireo hanoratra andian-teny avy ao amin’ny 1 Petera 1:3–9; 2:19–24; 3:14–17; 4:12–19 izay afaka manampy azy ireo amin’ny fotoana hisian’ny fitsapana na ny zava-tsarotra. Azon’izy ireo soratana ao ambadik’ilay taratasy ny mikasika ny fotoana iray nisian’ny fitsapana ary nahatsapa fiadanana na fifaliana izy ireo tamin’izany. Afaka mizara ny andian-teniny sy ny zavatra niainany ny mpianatra vitsivitsy izay manolo-tena, ary aorian’izay dia afaka mifanakalo hevitra momba ny zavatra nianarany ny mpianatra.

  • Fomba iray hafa hianarana ny torohevitr’i Petera ao amin’ny 1 Petera 1:3–9; 2:19–24; 3:14–17; 4:12–19 ny fanasana ny mpianatra hieritreritra olona iray fantatr’izy ireo izay mandalo fitsapana. Omeo fotoana izy ireo ao am-pianarana mba hanoratana taratasy ho an’izany olona izany, ka hampiditra ao anatin’izany ireo fahamarinana avy amin’ireo andininy ireo, izay hankahery izany olona izany (jereo koa ny FF 121:1–8; 123:17). Avy eo dia afaka miresaka ireo fahamarinana nofidiny ny mpianatra.

1 Petera 1:13–20; 2:1–12

Antsoina mba ho “olon’ Andriamanitra” isika.

  • Amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Kristy antsika dia antsoina isika mba hanaraka an’i Jesoa Kristy. Midika izany fa ho matetika no tsy hitovy amin’ny an’ny hafa ny safidy ataontsika. Ahoana no ahafahan’ny fampianarana nomen’i Petera ao amin’ny 1 Petera 1:13–20; 2:1–12 manampy an’ireo izay ampianarinao hahatakatra kokoa ny asa nanirahana ny Mpamonjy sy haniry ny ho tonga tahaka Azy kokoa? Azonao atao tsara ny manasa ny mpianatra hikaroka ao amin’ ireo andinin-tsoratra masina ireo mba hitadiavana ny famaritana ny dikan’ny hoe “olon’ Andriamanitra” (1 Petera 2:10) ary avy eo dia hiresadresaka ny zavatra hitany. Azonao hazavaina fa ny teny hoe “nalaina” ao amin’ny 1 Petera 2:9 dia midika hoe “novidina” na “notehirizina”. Inona no ampianarin’ izany antsika mikasika ny zavatra tsapan’ Andriamanitra amintsika sy ny fomba tiany hiainantsika?

1 Petera 3:18–20; 4:6

Notoriana tamin’ireo efa nodimandry ny filazantsara mba hahafahana mitsara azy ireo ara-drariny.

  • Ny Epistily Voalohany nosoratan’i Petera dia mirakitra ny iray amin’ireo firesahana vitsivitsy ao amin’ny Baiboly momba ny fitsidihan’i Jesoa Kristy ny tontolon’ny fanahy taorian’ny nahafatesany. Tranga iray izay hazavain’ny fanambarana maoderina amintsika feno kokoa. Mba hanampiana ny mpianatra hampitombo ny fahatakarany momba ny tontolon’ny fanahy dia afaka manasa azy ireo ianao hamaky ireto soratra masina manaraka ireto ary hanoratra ny zavatra nianarany eny amin’ny solaitrabe: Jaona 5:25; 1 Petera 3:18–20; 4:6; Almà 40:7–14, 21; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:11–32.

    Ireo teny nambara nomena ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia maneho fa ny fitsidihan’i Kristy ny tontolon’ny fanahy dia tsy ireo Apôstôliny fotsiny ihany no nahatakatra sy nampianatra izany, fa ireo mpampianatra Kristianina tany am-piandohana ihany koa. Afaka manampy ireo mpianatra hampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba an’i Joseph Smith sy ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara ny fahatakarana fa very nandritra ny Apôstazia Lehibe io fahalalana io ary naverina tamin’ny laoniny amin’izao androntsika izao.

  • Afaka mitaona ny mpianatra handray anjara feno kokoa amin’ny fanaovana tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly ny fifanakalozana hevitra momba ny 1 Petera 3:18–20; 4:6. Mba hanaovana izany dia azonao zaraina ho vondrona telo ny mpianatra dia omeo ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka momba ny fanavotana ny maty ireto ny vondrona tsirairay: Inona no anjara asan’ny Mpamonjy amin’ny fanavotana ny maty? Inona no anjara asan’ireo efa maty, na ireo mahatoky na ireo izay maty tsy nahafantatra ny filazantsara? Inona no anjara asantsika? Angataho ny vondrona tsirairay hamaky ny 1 Petera 3:18–20; 4:6; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:17–18; 138:11–32, 57–59, ka hitady ny valin’ny fanontaniana nomena azy. Angataho ny vondrona tsirairay hizara ny zavatra nianarany, dia zarao ilay teny nindramina avy amin’ny Loholona D. Todd Christofferson na ny iray amin’ireo horonan-tsary hita ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.” Inona avy ireo fitahiana hitantsika rehefa nandray anjara tamin’ny fitondrana famonjena ho an’ireo razambentsika nodimandry?

2 Petera 1:1–11

Afaka mampitombo ny toetra araka an’ Andriamanitra ananantsika amin’ny alalan’ny herin’i Jesoa Kristy isika.

  • Mba hamporisihana ireo izay ampianarinao eo amin’ny ezaka ataony ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa, dia afaka manasa azy ireo ianao mba hitady ireo toetra tahaka ny an’i Kristy izay resahina ao amin’ny 2 Petera 1:1–11. Soraty eny amin’ny solaitrabe ireo toetra ireo dia angataho ny mpianatra hamaritra izany. Aorian’izay ny mpianatra dia afaka miresadresaka ny fomba hitarihan’ny fiezahana hanana toetra iray ho amin’ny fananana ireo toetra hafa. Omeo fotoana izy ireo hisaintsainana izay toetra tian’izy ireo hananana feno kokoa (jereo koa ny Torio ny Filazantsarako, 139).

karipetra voatenona mifampidimpiditra

Ny toetra tahaka ny an’i Kristy tsirairay izay ezahantsika hananana dia manampy antsika handrary karipetra ara-panahin’ny maha-mpianatra.

learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Azonao atao ny manazava fa handalina ny Epistilin’i Jaona ny mpianatra mandritra ny herinandro manaraka. Ireo epistily ireo dia manitsy ireo fampianaran-diso momba an’i Jesoa Kristy ary afaka manamafy orina ny fijoroantsika ho vavolombelona momba ny fisiana velon’ny Mpamonjy.

resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

1 sy 2 Petera

Ny asa fanavotana ny maty dia mijoro ho vavolombelona ny amin’ny asa nanirahana an’i Kristy.

Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson hoe:

“Efa ela ireo mpahay finoana an’ Andriamanitra Kristianina no sahirana tamin’ny famaliana ilay fanontaniana hoe ahoana no hiafaran’ireo olona an-davitrisany maro izay velona dia maty kanefa tsy nahalala na inona na inona ny amin’i Jesoa Kristy? Tonga niaraka tamin’ny Famerenana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tamin’ny laoniny ny fahatakarana ny fomba hanavotana ireo olona nodimandry tsy vita batisa sy ny fomba ahafahan’ Andriamanitra ho ‘Andriamanitra marina, fanaperana, ary ho Andriamanitra feno famindram-po koa’ [Almà 42:15].

“Fony mbola teto an-tany i Jesoa dia naminany fa hitory ny filazantsara amin’ny maty koa Izy [jereo ny Jaona 5:25]. Nilaza tamintsika i Petera fa izany dia nitranga teo anelan’ny Fanomboana ny Mpamonjy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty [jereo ny 1 Petera 3:18–19]. Hitan’ny Filoha Joseph F. Smith tao anaty fahitana fa nitsidika ny tontolon’ny fanahy ny Mpamonjy [jereo ny FF 138:30, 33]. …

“Isika tsy mahatombona te hanavotra ny maty, ary ny fotoana sy loharanom-pitaovana afointsika hanatanterahana izany fanoloran-tena izany no tena fanehoana indrindra ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba an’i Jesoa Kristy. Izany dia mandrafitra ny fanambarana mahery vaika indrindra izay azontsika atao mahakasika ny maha-Andriamanitra Azy sy ny asa masina nanirahana Azy. Izany dia mijoro ho vavolombelona ny amin’ireto: voalohany, momba ny Fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty: faharoa, momba ny maha-tsy manam-petra ny herin’ny Sorompanavotany; fahatelo, fa Izy no hany loharanon’ny famonjena; fahefatra, fa Izy no nametraka ny fepetra hahazoana ny famonjena; ary fahadimy, fa hiverina indray Izy” (“The Redemption of the Dead and the Testimony of Jesus,” Ensign or Liahona, Nov. 2000, 9–10).

Asasoratr’ireo mpampianatra Kristianina tany am-piandohana (taonjato voalohany ka hatramin’ny fahatelo) momba ny fitoriana filazantsara amin’ny maty.

Origen: “Rehefa lasa fanahy i [Jesoa], tsy tao anaty vatana intsony, dia niara-nitoetra tamin’ireo fanahy ireo izay tsy tao anaty vatana intsony, ka Izy mihitsy no nampiova fo an’ireo izay vonona tamin’izy ireo” (in The Ante-Nicene Fathers, ed. Alexander Roberts and James Donaldson [1907], 4:448).

Hermas: “Ireo Apôstôly sy mpampianatra izay nitory ny anaran’ny Zanak’ Andriamanitra, rehefa avy resin-tory tao anatin’ny hery sy ny finoana ny Zanak’ Andriamanitra, dia nitory ihany koa tamin’ireo izay resin-tory talohan’izy ireo” (ao amin’ny The Apostolic Fathers, trans. J. B. Lightfoot [1898], 472).

Horonan-tsary momba ny asa fanaovana tantaram-pianakaviana (jereo ny LDS.org).

  • “Leur coeur est entrelacé avec le votre”

Manatsara ny fampianarantsika

Ampianaro ny “antony.” “Indraindray ny mpianatra—indrindra ny zatovo—diamanontany tena hoe ahoana no hiainan’izy ireo miaraka amin’ireo fitsipiky ny filazantsara na nahoana izy ireo no tokony hankatò ny karazana didy sasany. Kanefa raha takatr’izy ireo ny drafitra mandrakizain’ny Ray any An-danitra ho an’ny fahasambaran’ireo zanany, dia ho lasa mazava kokoa ny antony ilana ireo fitsipiky ny filazantsara sy ireo didy ary hitombo ny faharisihana hankatò” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 20).