Avia, hanaraka Ahy
16–22 desambra. Krismasy: -Vaovao mahafaly sy fifaliana lehibe-


“16–22 desambra. Krismasy: -Vaovao mahafaly sy fifaliana lehibe-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“16–22 desambra. Krismasy,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019

Sary
i Jesoa zazakely ao anaty fihinanam-bilona

Voaro ao anaty tranon’omby, nataon’i Dan Burr

16–22 desambra

Krismasy

“Vaovao mahafaly sy fifaliana lehibe”

Mitondra hery ara-panahy ny fifanakalozan-kevitra mikasika ny filazantsara rehefa mifantoka amin’i Jesoa Kristy. Rehefa mandalina ny nahaterahan’i Jesoa Kristy sy ny iraka novitainy ianao mandritra ity herinandro ity dia mikatsaha fitaomam-panahy avy amin’ny Fanahy Masina mba hahafantarana ny fomba ahafahanao mampifantoka tsara kokoa ny fifanakalozan-kevitra momba ny Mpamonjy.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Asao ireo mpianatrao hizara ny zavatra ataon’izy ireo na efa nataon’izy ireo tany aloha na samirery izay na niarahana tamin’ny fianakaviany mba hankalazana ny nahaterahan’ny Mpamonjy amin’ny fomba izay hahatonga azy ireo hanatona Azy bebe kokoa.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Matio 1:18–25; Lioka 1:26–38; 2:1–20

Nanaiky hidina ho teraka ety an-tany i Jesoa Kristy.

  • Ny hoe fihambaniana dia midika hoe manaiky antsitrapo hidina avy amin’ny toerana iray ambony laharana na voninahitra (jereo ny 1 Nefia 11:14–26). Ny Krismasy dia fotoana tsara handinihana sy hankalazana ny fihambanian’i Kristy—ny finiavany handao “ny lapan’ny Rainy any ambony, mba hiaina hiaraka amin’olombelona, sy ho faty ho an’ny olombelona” (“Again We Meet around the Board,” Hymns, lah. 186). Mba hanentanana ny mpianatra hanao fifanakalozan-kevitra mikasika io lohahevitra io, dia azonao anontaniana azy ireo izay zavatra nianaran’izy ireo teo amin’ny fandalinany manokana na niaraka tamin’ny fianakaviany tamin’ity herinandro ity mikasika ny hoe iza moa i Jesoa Kristy talohan’ny nahaterahany (jereo ny Jaona 17:5; Mosia 7:27; FF 76:12–14, 20–24; Mosesy 4:2). Avy eo dia azonao atao ny mampiseho ilay sary ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana rehefa mamaky mikasika ny nahaterahan’ny Mpamonjy ireo mpianatra (jereo ny Matio 1:18–25; Lioka 1:26–38; 2:1–20). Inona no eritreritra sy fahatsapana ananan’izy ireo rehefa mampitaha ny voninahitry ny Mpamonjy talohan’ny nahaterahany amin’ny fahaterahany feno fanetren-tena izy ireo?

  • Fanontaniana iray tahaka ilay napetrak’ilay anjely tamin’i Nefia 1 Nefia 11:16 no mety ho fomba tsara hanombohana fifanakalozan-kevitra, na dia azonao ambara amin’ny teny hafa aza izany. Azonao atao tsara ny manoratra eny amin’ny solaitrabe ny hoe Inona no atao hoe fiambanian’ Andriamanitra? ary asao ireo mpianatra handinika io fanontaniana io rehefa mamaky ny 1 Nefia 11:17–33. Asao izy ireo hizara izay mety ho eritreritra tonga ao an-tsain’izy ireo momba ny Mpamonjy izay aterak’ireo andininy ireo. Inona avy ireo sary azonao aseho ny mpianatra ka maneho ireo zava-nitranga tamin’ny fiainan’ny Mpamonjy izay nofariparitan’i Nefia? Azon’izy ireo atao ihany koa ny mandinika ny fihambanian’ny Mpamonhy rehefa mijery horonan-tsary mikasika ny nahaterahany izy ireo, tahaka ny hoe “La Nativité,” “Infant Holy, Infant Lowly (Music Video)—Mormon Tabernacle Choir,” na “Il est le cadeau” (ireo rehetra ireo dia hita ao amin’ny LDS.org).

  • Ny hira dia fomba iray mahagaga hanasana ny Fanahy ho ao an-dakilasy. Diniho ny handefasana hira Krismasy nataon’ny Amboaram-peon’ny Tabernakely (jereo ny mormontabernaclechoir.org), na ny hanasana olona hihira hira Krismasy, na ny hiarahan’ny kilasy mamaky na mihira fihirana vitsivitsy (jereo ny Cantiques, lah. 123–37). Azon’ireo mpianatra atao ny mitady andian-teny ao amin’ireo fihirana ireo sy ireo soratra masina voatanisa miaraka amin’ireo fihirana izay mampitombo ny fankasitrahan’izy ireo ny Mpamonjy sy ny nanekeny ho tonga ety an-tany.

Lioka 4:16–21; Jaona 3:16

Nahatontosa ny iraka nampanaovina Azy i Jesoa Kristy, izay nahatonga antsika ho afaka mandova ny fiainana mandrakizay.

  • Mba hanampiana ireo mpianatra hifanakalo hevitra mikasika ireo antony nahaterahan’i Jesoa Kristy, dia azonao atao ny manasa azy ireo hitady sy hizara soratra masina izay mamintina ny iraka nampanaovina Azy (jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana raha mila ohatra). Angamba afaka mitambatra ho tsiroaroa na ho vondrona vitsivitsy ireo mpianatra rehefa mitady sy mamaky ireo andininy ireo. Inona no zavatra ianaran’izy ireo momba ny iraka nampanaovina an’i Kristy araka ireo andininy izay hitan’izy ireo? Inona no zavatra ianarantsika mikasika ny iraka nampanaovina Azy araka ireo anarana izay iantsoana Azy ao amin’ny soratra masina? (Jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Jesoa Kristy”).

  • Afaka mianatra mikasika ny asa nanirahana ny Mpamonjy ireo mpianatra amin’ny famakiana ny “Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ireo Apôstôly” (Liahona, mey 2017, fonony anatiny eo am-boalohany) sy ny fizarana ireo fanambarana izay hitan’izy ireo fa manazava ny antony nahatongavany teto an-tany. Na azon’izy ireo averina jerena ilay hafatry ny Filoha Gordon B. Hinckley ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” ary ifampiresaho izay zavatra nianaran’izy ireo mikasika ny Mpamonjy. Ahoana no ahafahantsika manokana fotoana amin’ity Krismasy ity hanaovana “fisaintsainana mangina sy fandinihana tony” mikasika ny Mpamonjy sy ny asa nanirahana Azy?

  • Omeo fotoana ireo mpianatra handinika ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo mikasika an’i Jesoa Kristy sy ny asa nanirahana Azy. Afaka mizara zavatra niainany manokana ve izy ireo na tantara momba ny fiainan’ny Mpamonjy izay nampitombo ny finoan’izy ireo Azy sy ny fitiavan’izy ireo Azy? Amin’ny lafiny ahoana no nahafahan’ny fandalinana ny Testamenta Vaovao tamin’ity taona ity nanampy mba hananana fotoan’ny Krismasy misy dikany kokoa? Mba hiverenana mijery ny sasany amin’ireo tantara ao aminy Testamenta Vaovao izay nianaran’ireo mpianatra tamin’ity taona ity, dia azonao haseho ireo horonan-tsary hoe “Car Dieu a tant aimé le monde” sy “Voilà pourquoi Je suis né” (LDS.org).

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Toroy hevitra ireo mpianatra fa ny fandalinana ny Apokalypsy 12–22 amin’ity herinandro ity dia afaka mampitombo ny fankasitrahan’izy ireo ny anjara asan’ny Mpamonjy eo amin’ny drafitry ny famonjena ary mampitombo ny antony itandreman’izy ireo ny Krismasy.

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Krismasy

Ny tena dikan’ny Krismasy.

Nampianatra ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe:

“Rehefa nodinihina ny zava-drehetra, …dia tsy misy zavatra mahatalanjona kokoa, malaza kokoa, goavana kokoa noho io fihetsika maneho famindram-po izay nanoloran’ilay Zanaky ny Tsitoha ny ainy, … Izy izay nihambany ho tonga eto an-tany toy ny zazakely teraka tao Bethlehema, tao anatin’ny fahoriana sy ny fanaintanana mba hahafahan’ireo zanakalahy sy zanakavavy rehetra an’ Andriamanitra amin’ny taranaka rehetra nisy sy hisy hatrizay, ka ny tsirairay amin’izy ireo dia tsy maintsy ho faty, ary hitsangana indray ary hiaina mandrakizay. Nataony ho antsika ny zavatra tsy vitan’iza na iza amintsika ho an’ny tenantsika. …

“Izany no tantara mahatalanjona sy marina momba ny Krismasy. Ny nahaterahan’i Jesoa tao Bethleheman’i Jodia no teny fanolorana. Ilay asa fanompoana nandritra ny telo taona nataon’ilay Mpampianatra no fiantombohana. Ny ivo lehiben’ny tantara dia ny sorona nataony, ilay fihetsika feno fandavan-tena tanteraka namoizany ny ainy tao anaty fanaintanana teo amin’ny hazofijaliana tao Kalvary mba hanefana ny fahotantsika rehetra.

Sary
i Jesoa Kristy nandohalika tao amin’ny Sahan’i Getsemane

Getsemane, nataon’i J. Kirk Richards

“Ny fiafarany dia ilay fahagagan’ny Fitsanganana tamin’ny maty, izay nitondra ilay antoka fa -fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy- (1 Kor. 15:22).

“Tsy ho nisy ny Krismasy raha tsy nisy ny Paska? Ho zazakely tahaka ny zazakely hafa rehetra ilay Jesoa zazakely tao Bethlehema raha tsy teo ilay Kristy mpanavotra tao Getsemane sy Kalvary, sy ilay Fitsanganana tamin’ny maty feno fandresena.

“Mino an’ i Jesoa Kristy Tompo aho, ilay Zanak’ilay Andriamanitra Mandrakizay sy Velona. Tsy nisy lehibe noho Izy ka nandia teto an-tany. Tsy nisy ankoatra Azy ka nanao sorona na nanolotra fitahiana mitovivovy amin’ny nataony. Izy no Mpamonjy sy Mpanavotra an’izao tontolo izao. “Mino Azy aho. Manambara ny maha Andriamanitra Azy aho ka tsy amim-pisalasalana na marimaritra iraisana. Tiako Izy. Manonona ny Anarany amim-panajana sy fitalanjonana aho. …

“Enga anie ity Krismasy ity ho Krismasy sambatra ho anareo tsirairay. Fa ny manan-danja kokoa, dia iriako ianareo tsirairay hanana fotoana, angamba adiny iray fotsiny, atokana ho an’ny fisaintsainana mangina sy fandinihana tony ilay fahagagana sy fahalehibiazan’ity Zanak’ Andriamanitra ity. Ny fifaliantsika amin’izao vaninandro izao dia noho ny nahatongavany teto amin’izao tontolo izao. Ilay fiadanana izay tonga avy Aminy, sy ilay fitiavany tsy misy fetra izay tsapantsika tsirairay, ary ny fahaizana mankasitraka mitafotafo noho ny zavatra izay natolony ho antsika tamin-kalalahana tamin’ny sarany lehibe tokoa tamin’ny Tenany—ireo no tena dikan’ny Krismasy” (“The Wondrous and True Story of Christmas,” Ensign, des. 2000, 4–5).

Manatsara ny fampianarantsika

Manokàna fotoana mba hizaran’ny mpianatra zavatra. “Rehefa mizara ny zavatra nianarany ny mpianatra dia tsy hoe mahatsapa ny Fanahy sy mampatanjaka ny fijoroany ho vavolombelona fotsiny izy ireo fa mamporisika koa ireo olona hafa ao amin’ny kilasy mba hahita ireo fahamarinana amin’ny alalan’ny tenany manokana. … Manokàna fotoana ahafahan’ny mpianatra mizara ao anatin’ny lesona rehetra—ao anatin’ny toe-javatra sasany dia mety ho hitanao fa ireny fifanakalozan-kevitra ireny no lesona” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 30).

Hamoaka printy