Boky torolalana sy antso
28. Ôrdônansin’ny tempoly ho an’ireo razambe


“28. Ôrdônansin’ny tempoly ho an’ireo razambe,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, (2020).

“28. Ôrdônansin’ny tempoly ho an’ireo razambe,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

28.

Ôrdônansin’ny tempoly ho an’ireo razambe

28.0

Teny fanolorana

Tokony haka hevitra amin’ny filohan’ny tsatòkany ny eveka raha manana fanontaniana mikasika ny tempoly sy ny asa atao any amin’ny tempoly ka tsy voavaly ato amin’ity toko ity na ao amin’ny 38.5. Afaka mandefa fanontaniana any amin’ny Biraon’ny Fiadidiana Voalohany ny filohan’ny tsatòka.

Ny filohan’ny tsatòka sy ny eveka dia manampy ny mpikambana hiomana hanana traikefa tsara amin’ny fanatanterahana ôrdônansy ho an’ireo razambeny efa nodimandry. Ataon’izy ireo izany amin’ny alalan’ny fampianarana ireo fotopampianarana fototra momba ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny fakana antoka fa takatr’ireo mpikambana ireo fotoam-piandrasana sy ireo fitsipika hafa mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly.

28.1

Torolalana ankapobeny

Amin’ny ankapobeny, dia tsy azon’ny mpikambana atao ny manao ireo ôrdônansin’ny tempoly ho an’ireo maty raha tsy herintaona na mihoatra aorian’ny daty nahafatesany. Raha toa ka teraka tao anatin’ny 110 taona ilay maty ary tsy fianakaviana akaiky (vady tsy vita fisaraham-panambadiana, zanaka efa olon-dehibe, ray na reny, iray tampo) no maniry hanatanteraka ireo ôrdônansy, dia tokony hangataka fankatoavana avy amin’ny fianakaviana akaiky izy mialoha ny hamandrihana ireo ôrdônansin’ny tempoly.

Ireo ôrdônansy izay atao ho an’ny maty dia tsy mandaitra raha tsy ilay olona maty mihitsy no misafidy ny hanaiky azy ireny ary lasa mendrika ny handray izany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:19, 32–34).

Raha hijery ireo fitsipiky ny famehezana dia jereo ny 38.5.

28.2

Batisa sy fandraisana ho mpikambana ho an’ny maty

Manao fandaminana mialoha miaraka amin’ny tompon’andraikitra ao amin’ny tempoly raha ny mahazatra ireo vondrona voarafitra, toy ny fianakaviana, paroasy, sy tsatòka, izay maniry ny handray anjara amin’ireo ôrdônansy hatao ao amin’ny efitra fanaovana batisa. Tokony hisy olon-dehibe iray na maromaro hiaraka amin’ireo vondrona voarafitra, ka maka antoka fa ampy ny isan’ny mpitarika lehilahy ho an’ny lehilahy sy mpitarika vehivavy ho an’ny vehivavy ao anatin’ilay vondrona. Tokony hanana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly manan-kery ireo olon-dehibe ireo.

Tsy ilaina atokana ho mpanatanteraka ôrdônansy ao amin’ny tempoly ireo rahalahy sy rahavavy izay manampy ao amin’ny efitra fanaovana batisa. Afaka manao batisa ireo rahalahy efa nandray fanafiana masina, ireo mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka tsy mbola nandray fanafiana masina, ary ireo mpisorona ao amin’ny Fisoronana Aharôna.

Ireo rahalahy efa nandray fanafiana masina ihany no afaka manatanteraka ny fandraisana ho mpikambana sy manompo ho mpirakitra an-tsoratra eo amin’ny dobo na ao amin’ny efitra fanatanterahana ny fandraisana ho mpikambana.

Azo atao vavolombelona ho an’ny batisa isoloana tena izay olona mpikambana mihazona fahazoan-dalana hidirana ny tempoly manan-kery, ka tafiditra ao anatin’izany ny fahazoan-dalana voafetra. Ireo olon-dehibe sy zatovo ireo dia afaka manampy ihany koa amin’ny asa atao mandritra ny fotoam-batisa toy ny manampy ireo mpitsidika, mizara akanjo sy lamba famafa, ary, amin’ny toerana azo anaovana izany, mirakitra ireo ôrdônansin’ny batisa sy fandraisana ho mpikambana ao anaty solosaina.

28.3

Ireo toe-javatra manokana

28.3.1

Mpikambana izay tsy afaka nandeha tany amin’ny tempoly talohan’ny nahafatesany

Tsy mihatra ilay fe-potoana herintaona fiandrasana ahafahana manatanteraka ireo ôrdônansy isoloana tena any amin’ny tempoly raha ho an’ireo mpikambana efa nodimandry mendrika izay tokony ho nandeha tany amin’ny tempoly fa tsy afaka nandeha nandritra ny fahavelomany noho ny antony tsy niankina tamin’izy ireo. Tafiditra ao anatin’izany ireo ankizy 8 taona na mihoatra sy ireo zatovo izay mendrika tamin’ny fotoana nahafatesany kanefa tsy nandray ny fanafiana masina noho izy ireo tsy mbola feno taona tamin’izany (jereo koa ny 28.3.4). Tsy alevina miaraka amin’ny akanjo fitafy ao amin’ny tempoly ireo zaza sy zatovo ireo.

Mba hahafahana manatanteraka ilay ôrdônansy dia tsy maintsy ananan’ny olona ao amin’ny fianakaviany ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly an’ilay olona maty izay nanan-kery tamin’ny fotoana nahafatesany, na taratasy avy any amin’ny evekan’ilay olona maty, izay manamarina ny fahamendrehan’ilay olona. Tokony haseho any amin’ny tempoly ilay fahazoan-dalana hidirana ny tempoly na ilay taratasy mialoha ny hanatanterahana ilay ôrdônansy.

28.3.2

Mpikambana izay maty tao anatin’ny taona voalohany nanaovana batisa azy

Raha misy mpikambana mendrika iray ka maty tao anatin’ny taona voalohany taorian’ny nanaovana batisa azy sy nandraisana azy ho mpikambana, dia azo atao ireo ôrdônansin’ny tempoly rehefa feno herintaona ny daty nandraisana azy ho mpikambana (jereo ny 28.3.1).

28.3.3

Zazarano (Zaza izay maty talohan’ny nahaterahana)

Tsy misy ôrdônansin’ny tempoly atao ho an’ny zaza maty tao am-bohoka saingy tsy midika izany hoe misy fitahiana mandrakizay very na hoe misy fiantraikany eo amin’ny fiarahan’ny fianakaviana izany. Ilay fianakaviana dia afaka mampiditra ny anaran’ilay zazarano ao amin’ny FamilySearch ary marihana hoe zazarano io zaza io. Ireo fangatahana fanampiana amin’ny firaketana zazarano ao amin’ny FamilySearch dia azo ampiandraiketina ny mpanorohevitra momba ny asan’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana ao amin’ny paroasy. Ho fampahalalana misimisy kokoa mikasika ny zazarano dia jereo ao amin’ny 38.7.11.

28.3.4

Zaza maty talohan’ny naha-feno valo taona azy

Tsy misy batisa na fanafiana masina atao ho an’ny zaza maty mialoha ny naha-feno 8 taona azy. Famehezana amin’ny ray aman-dreny ihany no tanterahina ho an’ny zaza tahaka izany. Raha toa ilay zaza ka efa nofehezina tamin’ny ray aman-dreniny fony fahavelony, na teraka tao anatin’ny fanekempihavanana, dia tsy misy ôrdônansy hisoloana tena tanterahina.

28.3.5

Olona maty izay nanana fahasembanana ara-tsaina

Ny ôrdônansin’ny tempoly ho an’ireo olona maty nanana fahasembanana ara-tsaina ka tsy fantatra mazava ny taonany ara-tsaina na ny maha-tompon’andraikitra azy dia tanterahina tahaka ny an’ireo olon-kafa maty ihany.

Raha toa fantatra fa nanana fahasembanana ara-tsaina ny olona efa nodimandry iray ka tsy nanana ny toe-tsaina ananan’ny zaza 8 taona na mihoatra, na dia mihoatra ny 8 taona aza ny taonany, dia ny famehezana amin’ny ray aman-dreny ihany no ôrdônansy atao aminy. Tsy misy ôrdônansy isoloana tena fanampiny atao any amin’ny tempoly ho an’ireo izay tsy tompon’andraikitra teto amin’ity fiainana ity. (Jereo ny Môrônia 8:11–12; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:10.)

28.3.6

Olona izay heverina ho maty

Azo atao ny ôrdônansin’ny tempoly ho an’ny olona iray izay heverina ho maty rehefa lasa ny 10 taona taorian’ny fotoana izay novinavinaina na nanambarana fa nahafatesany. Io fitsipika io dia mihatra amin’ireo (1) olona izay tsy hita popoka tany an’ady, na tany an-dranomasina, na nambara araka ny lalàna fa maty; sy ireo (2) olona izay nanjavona tamina toe-javatra izay azo heverina fa nahatonga ny fahafatesana saingy tsy hita ny vatan’ilay olona.

Amin’ireo tranga hafa rehetra ka hoe olona tsy hita popoka, dia tsy azo tanterahina ireo ôrdônansin’ny tempoly raha tsy efa lasa ny 110 taona taorian’ny nahaterahan’ilay olona.

28.3.7

Olona namono tena

Ireo olona namono tena dia azo hanatanterahana ireo ôrdônansy any amin’ny tempoly iray taona na mihoatra aorian’ny daty nahafatesany.

28.3.8

Ny olona izay nesorina amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy na nangataka ny hamafana ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy

Ilaina ny fankatoavan’ny Fiadidiana Voalohany raha hanatanteraka ôrdônansin’ny tempoly ho an’ireo olona maty ka tamin’ny fotoana nahafatesany dia efa nesorina tsy ho mpikamban’ny Fiangonana izy ireo na nangataka ny hamafana ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy. Tokony hanoratra taratasy any amin’ny Biraon’ny Fiadidiana Voalohany ny olona iray ao amin’ny fianakaviany. Tsy misy taratasy fenoina manokana. Afaka manampy amin’izany fangatahana izany ny eveka na ny filohan’ny tsatòka raha ilaina.

28.4

Fanamarinana ireo ôrdônansy ahafahana mandray ny fanafiana masina

Indraindray ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana ho an’ny olona iray efa maty izay notanterahina fony fahavelony dia tsy hita ho hamarinina rehefa natao ny fikarohana hentitra. Raha toa ka nandray ny fanafiana masina tamin’ny alalan’ny fisoloana tena ny olona iray kanefa tsy hita ho hamarinina ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana izay noraisin’izy ireo fony fahavelony, dia tsy maintsy hatao batisa sy raisina ho mpikambana amin’ny alalan’ny fisoloana tena ilay olona. Tsy ilaina ny hamerenana indray ny fanafiana masina sy ny famehezana aorian’ilay batisa sy fandraisana ho mpikambana natao tamin’ny fisoloana tena.

28.5

Famerenana amin’ny laoniny ireo fitahian’ny tempoly

Ireo olona efa nandray ny fanafiana masina ka nesorina ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy, na nangataka ny hamafana ny maha-mpikambana azy ary taty aoriana naverina indray tamin’ny alalan’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana dia tsy afaka mandray ny fisoronana sy ireo fitahian’ny tempoly raha tsy amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny famerenana ireo fitahiana amin’ny laoniny. Ny olona toy izany dia tsy averina tendrena ao amina anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana na omena fanafiana masina indray, satria ireo fitahiana ireo dia averina amin’ny laoniny amin’ny alalan’io ôrdônansy io. Mba hahitana fampahalalana mikasika ny fanatanterahana io ôrdônansy ho an’ny velona io dia jereo ny 32.17.2.

Ilaina ny fankatoavan’ny Fiadidiana Voalohany rehefa hanatanteraka io ôrdônansy io ho an’ny maty. Ireo olona ao amin’ny fianakavian’ilay olona efa maty dia afaka mangataka famerenana amin’ny laoniny ny fisoronana sy ireo fitahian’ny tempoly ho an’ilay olona tao amin’ny fianakaviana efa nodimandry amin’ny alalan’ny fanoratana taratasy any amin’ny Biraon’ny Fiadidiana Voalohany. Afaka manampy amin’izany fangatahana izany ny eveka na ny filohan’ny tsatòka raha ilaina.

Ny olona sasany dia tsy nahazo fanafiana masina fa teraka tao anatin’ny fanekempihavanana na nofehezina tamin’ny ray aman-dreniny talohan’ny nanesorana ny maha-mpikambana azy ireo na talohan’ny nangatahany mba hamafana ny maha-mpikambana azy. Tsy ilaina fehezina indray ireo olona ireo aorian’ny famerenana azy amin’ny alalan’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana.

Hamoaka printy