Boky torolalana sy antso
31. Tafa sy dinika ary fanoroana hevitra


“31. Tafa sy dinika ary fanoroana hevitra,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (2020).

“31. Tafa sy dinika ary fanoroana hevitra,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

31.

Tafa sy dinika ary fanoroana hevitra

31.1

Tafa sy dinika

Ny filohan’ny tsatòka sy ny eveka tsirairay dia “mpitsara amin’i Isiraely” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:72). Amin’ny alalan’io fahefana io no ahafahany manao tafa sy dinika hamaritana ny fahamendrehana sy ny tafa sy diniky ny fisoronana. Misolo tena ny Tompo izy rehefa manao ireo tafa sy dinika ireo. Araka izany dia tokony hokatsahiny ny hitahiana ireo mpikambana, sy ny hanampy azy ireo hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

31.1.1

Torolalana ankapobeny mikasika ireo tafa sy dinika hamaritana ny fahamendrehana

Ny filohan’ny tsatòka sy ny eveka ary ny mpanolotsain’izy ireo (rehefa nahazo lalana hanao izany) dia manao tafa sy dinika hamaritana ny fahamendrehana araka ny voalaza ao amin’ity fizarana ity. Tokony hiomana ara-panahy izy ireo mba hitarihan’ny Fanahy azy ireo mandritra ireo tafa sy dinika ireo. Tokony hokatsahan’izy ireo ihany koa ny hery ahafahana manavaka. Fanomezam-pahasoavana iray avy amin’ny Fanahy io, izay hanampy azy ireo hamantatra ny marina, sy izay zavatra ilain’ny mpikambana iray (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:27–28).

Tokony hatao mitokana ny tafa sy dinika hamaritana ny fahamendrehana. Afaka manasa olon-dehibe iray hafa hanatrika eo anefa ilay olona atao tafa sy dinika.

Zava-dehibe ny fihainoana amim-pitandremana mandritra ny tafa sy dinika hamaritana ny fahamendrehana. Tokony hifantoka tanteraka sy amin-kitsimpo amin’ilay olona atao dinidinika ilay mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka na ao amin’ny episkôpà. Mila maka antoka ihany koa ilay mpanao ny tafa sy dinika fa takatr’ilay mpikambana tsara ireo fanontaniana apetraka aminy. Manokana fotoana ampy tsara izy hanaovana ilay tafa sy dinika amin’ny fomba mendrika sy tsy maimaika.

31.1.2

Torolalana ankapobeny mikasika ireo tafa sy diniky ny fisoronana

Ny filohan’ny tsatòka sy ny eveka ary ny mpanolotsain’izy ireo dia manao tafa sy dinika matetika amin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana izay iandraiketan’izy ireo. Tanjona iray hanaovana ireo tafa sy dinika ireo ny handraisana tatitra mikasika ny andraikitr’ilay mpitarika. Ny tanjona iray hafa dia ny hanampiana ilay mpitarika hametraka tanjona sy hanao drafitra hanatratrarana azy ireny. Any amin’ireo faritra ilana izany dia mandritra ireo tafa sy dinika ireo ihany koa no handinihana ny vatsim-bola sy ireo fandaniana.

Ilay olona izay manao ny tafa sy diniky ny fisoronana dia tokony hampianatra, sy hanentana ary hitondra fitaomam-panahy ho an’ireo mpitarika eo amin’ny ezaka ataon’izy ireo amin’ny fanatanterahana ny antsony. Tokony haneho fankasitrahana sy hankahery ilay mpitarika ihany koa izy eo amin’ny fiainany manokana sy ny fiainam-pianakaviany.

31.1.3

Tafa sy dinika ataon’ny filohan’ny tsatòka

Ny filohan’ny tsatòka dia manao ireto tafa sy dinika manaraka ireto amin’ireo mpikambana ao amin’ny tsatòka:

  • Hanomezana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ho an’ireo izay handray ny fanafiana masina ho an’ny tenany na ireo izay hanambady na hofehezina any amin’ny tempoly (jereo ny 26.3.1).

  • Ho fanolorana olona hirotsaka ho misiônera manompo amin’ny fotoana feno (jereo ny 24.4.2).

  • Ho fisaorana ireo misiônera nanompo tamin’ny fotoana feno amin’ny antsony rehefa tafody izy ireo (jereo ny 24.8.2).

  • Ho fanolorana antso mba ho mpanolotsaina ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, sy ho patriarika ary ho eveka rehefa nahazo lalana ho amin’izany.

  • Ho fanolorana antso mba ho filohan’ny kôlejin’ny loholona, ho filohan’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka, ary ho mpitambokin’ny tsatòka.

  • Ho fanampiana ireo mpikambana hibebaka amin’ny fahotana lehibe (jereo ny toko 32).

Ny filohan’ny tsatòka dia manao tafa sy dinika matetika ihany koa amin’ny eveka tsirairay mba hankaherezana sy hampianarana azy. Manao tafa sy dinika amin’ny patriarika eo anivon’ny tsatòka izy, farafahakeliny in-droa isan-taona (jereo ny 5.6.4).

31.1.4

Tafa sy dinika ataon’ny filohan’ny tsatòka na ireo mpanolotsaina voatendry

Ny filohan’ny tsatòka na ireo mpanolotsaina voatendry dia manao ireto tafa sy dinika manaraka ireto amin’ireo mpikambana ao amin’ny tsatòka. Mialoha ny hanaovana tafa sy dinika amin’ny olona iray noho ny iray amin’ireto antony manaraka ireto, dia mila maka antoka ilay olona ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka fa efa nanao tafa sy dinika na nandalo tany amin’ny eveka ilay olona na tany amin’ny mpanolotsaina iray voatendry ao amin’ny episkôpà.

  • Ho fanavaozana ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly (jereo ny 26.3.1).

  • Ho an’ny fanendrena ao amin’ny anjara fanompoan’ny loholona sy ny mpisorona avo (jereo ny 38.2.5.1).

  • Ho an’ny fanolorana antso mba hanompo ao amin’ny Fiangonana araka izay voalaza ao amin’ny tabilao mamaritra ireo antso (30.7).

  • Ho fanomezan-dalana hisoratra anarana any amin’ny oniversite na sekoly ambony izay an’ny Fiangonana (jereo ny 15.3).

  • Ho fanomezan-dalana handray anjara amin’ny fandaharan’asa fampindramam-bola amin’ny Kitapom-bola Maharitra ho an’ny Fianarana, any amin’ireo toerana izay nahazoana fankatoavana hampiharana izany fandaharan’asa izany (jereo ny 22.13).

Raha toa ka sendra raharaha goavana ny mpanolotsaina iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka mandritra ny tafa sy dinika ataony, toy ny fandikan-dalàna izay ilana fiaiken-keloka, dia halefany tsy misy hataka andro any amin’ny eveka ilay mpikambana.

31.1.5

Tafa sy dinika ataon’ny eveka

Ny eveka dia manao ireto tafa sy dinika manaraka ireto amin’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy:

  • Hanomezana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ho an’ireo izay handray ny fanafiana masina ho an’ny tenany na ireo izay hanambady na hofehezina any amin’ny tempoly (jereo ny 26.3.1).

  • Hanomezana fahazoan-dalana voafetra ho an’ny mpikambana vaovao (jereo ny 26.4.2).

  • Ho fanolorana olona hirotsaka ho misiônera (jereo ny 24.4.2).

  • Ho an’ny fanendrena amin’ny anjara fanompoan’ny loholona sy ny mpisorona avo, rehefa mahazo lalana avy amin’ny fiadidian’ny tsatòka (jereo ny 38.2.5.1).

  • Ho an’ny dinidinika momba ny fahafolonkarena fanao isan-taona (jereo ny 34.4.1.5).

  • Hanolorana antso mba ho filohan’ny rafitra ao amin’ny paroasy.

  • Ho fanendrena ao amin’ny anjara fanompoan’ny mpisorona (jereo ny 38.2.5.2).

  • Ho fanendrena ny lehilahy niova fo ho amin’ny anjara fanompoana ao amin’ny Fisoronana Aharôna (jereo ny 38.2.5.2).

  • Hanolorana antso mba ho mpanampy ao amin’ny kôlejin’ny mpisorona.

  • Amin’ireo zatovo (jereo ny 31.1.7).

  • Ho an’ny fanampiana avy amin’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina (jereo ny 22.2.2).

  • Ho fanomezan-dalana hisoratra anarana na hanohy ny fianarana any amin’ny oniversite na sekoly ambony izay an’ny Fiangonana (jereo ny 15.3).

  • Ho fanampiana ireo mpikambana hibebaka amin’ny fahotana lehibe (jereo ny toko 32).

Mihaona tsy tapaka amin’ny filohan’ny kôlejin’ny loholona sy ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana mitokana sy miaraka ihany koa ny eveka (jereo ny 8.3.1 sy ny 9.3.1).

31.1.6

Tafa sy dinika ataon’ny eveka na ireo mpanolotsaina voatendry

Ny eveka na ireo mpanolotsaina voatendry no manao ireto tafa sy dinika manaraka ireto amin’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy. Ny eveka ihany no mamaha ireo olana mikasika ny fahadiovam-pitondran-tena sy ny raharaha ara-pitondran-tena mifandray amin’izany ary ny fahotana goavana hafa mandritra ireo tafa sy dinika ireo. Raha toa ka sendra olana goavana ny mpanolotsaina iray, toy ny hoe fahotana izay ilana fiaikena heloka, dia alefany tsy misy hataka andro any amin’ny eveka ilay mpikambana.

  • Ho fanavaozana ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly sy ny fahazoan-dalana voafetra (jereo ny 26.3, 26.4, ary ny 26.5).

  • Ho an’ny fanolorana antso ato amin’ny Fiangonana araka izay voalaza ao amin’ny tabilao mamaritra ireo antso ao amin’ny (30.7.5).

  • Ho an’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana an’ireo ankizy 8 taona izay mpikambana voarakitra ao anaty rejisitra na, raha tsy mpikambana voarakitra ao anaty rejisitra, dia mpikambana farafaharatsiny ny iray amin’ireo ray aman-dreniny na ny mpiantoka azy (jereo ny 38.2.3.3).

  • Hanolorana antso mba ho filoha sy mpanolotsaina ary mpitantsoratra ao amin’ny kôlejin’ny diakona; ho filoha sy mpanolotsaina ary mpitantsoratra ao amin’ny kôlejin’ny mpampianatra; ary ho mpitantsoratra ao amin’ny kôlejin’ny mpisorona; ary ho filoha sy mpanolotsaina ary mpitantsoratra ao amin’ireo kilasin’ny Zatovovavy. Na izany aza dia ny eveka ihany no afaka manokana ireo filohan’ny kôlejin’ny diakona sy ny an’ny mpampianatra.

  • Ho an’ireo 11 taona rehefa miakatra avy ao amin’ny Kilonga izy ireo. Mandritra io tafa sy dinika io, dia ataon’ny eveka na ny mpanolotsainy izay voatendry tafa sy dinika ihany koa ireo zatovolahy mba hamaritana raha toa ka mendrika sy vonona ny handray ny Fisoronana Aharôna izy ireo. Ataony tafa sy dinika ilay zatovovavy ho fiomanana amin’ny fidirana ao amin’ny fandaharan’asan’ny Zatovovavy.

  • Ho fanendrena ao amin’ny anjara fanompoan’ny diakona na ny mpampianatra (jereo ny 38.2.5.2).

  • Amin’ireo zatovo sy ireo tanora tokan-tena (jereo ny 31.1.7 sy ny 31.1.8).

  • Hanomezana ny tsodranon’ny patriarika (jereo ny 38.2.12).

  • Amin’ny mpihazona fisoronana iray izay maniry ny ho mpitondra teny amin’ny ôrdônansin’ny fisoronana any amin’ny paroasy iray hafa kanefa tsy manana fahazoan-dàlana hidirana ny tempoly. Raha mendrika ilay olona dia fenoin’ilay mpikambana iray ao amin’ny episkôpà ary soniaviny ny taratasy Recommandation pour accomplir une ordonnance (Fanomezan-dalana hanatanteraka ôrdônansy iray).

  • Amin’ireo mpikambana izay handeha hanao fanompoam-pirenena any amin’ny tafika (jereo ny 38.9.2).

  • Ho fanomezan-dalana handray anjara amin’ny fandaharan’asa fampindramam-bola amin’ny Kitapom-bola Maharitra ho an’ny Fianarana, any amin’ireo toerana izay nahazoana fankatoavana hampiharana izany fandaharan’asa izany (jereo ny 22.13).

31.1.7

Torolalana mikasika ny fanaovana tafa sy dinika amin’ny zatovo

31.1.7.1

Anjara asan’ny ray aman-dreny

Ny ray aman-dreny no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fampianarana ny zanany ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Manampy ny zanany izy ireo hitombo ara-panahy ary hiomana ny hanao sy hitandrina fanekempihavanana masina. Manome torohevitra ny zanany ihany koa ireo ray aman-dreny mikasika ny fahamendrehana ary manampy azy ireo mba hibebaka sy hivoatra. Ny eveka sy ireo mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana dia manampy ny ray aman-dreny amin’izany ezaka izany.

31.1.7.2

Ny zavatra resahin’ny eveka momba ny tafa sy dinika

Rehefa miomana ny ho tafiditra ao amin’ny rafitry ny Zatovovavy ny zatovovavy iray, sy rehefa miomana ny handray ny Fisoronana Aharôna ny zatovolahy iray dia zarain’ny eveka amin’ireo zatovo sy ny ray aman-dreniny izao fampahalalana momba ny tafa sy dinika manaraka izao. Azony atao mandritra ny fivoriana Fiomanana ho amin’ny Tempoly sy ny Fisoronana fanao isan-taona izany na amin’ny fotoana hafa araka izay ilaina.

  • Ny ray aman-dreny no manana ny andraikitra voalohany hampianatra sy hikarakara ny zanany.

  • Hanao tafa sy dinika amin’ilay zatovolahy na zatovovavy farafahakeliny indroa isan-taona ny eveka na ny iray amin’ireo mpanolotsainy ho an’ireo antony voalaza ao amin’ny 31.1.7.3. Afaka mihaona amin’ireo zatovo ihany koa ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà mba hamaly fanontaniana na hitondra fanampiana na hanome zavatra atao.

  • Mba hanampiana ny tanora hiomana ara-panahy dia takina ny tafa sy dinika rehefa zavatra masina toy ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly sy ny fanendrena amin’ny fisoronana ary ny antso hanao asa fitoriana. Miara-miasa amin’ireo ray aman-dreny ny mpitarika mba hanampiana ny tanora ho amin’ireo tafa sy dinika ireo.

  • Ny ray aman-dreny dia mamporisika ny zanany hihaona amin’ny eveka raha toa ka mila ny fanampiany amin’ny fitarihana ara-panahy na amin’ny fibebahana izy ireo.

  • Raha irian’ny zatovo dia azony atao ny manasa ny rainy na ny reniny na olon-dehibe iray hafa hanatrika rehefa mihaona amin’ny eveka na ny iray amin’ireo mpanolotsainy.

31.1.7.3

Ny tanjon’ireo tafa sy dinika

Ny eveka sy ny mpanolotsainy dia manana andraikitra masina hitarika sy hampianatra ary hitaona ny zatovo. Ny fanaovana tafa sy dinika manokana mahomby no fomba iray hanaovany izany. Mandritra ireo tafa sy dinika ireo ny eveka sy ireo mpanolotsainy dia mampianatra ny zatovo momba ny fahatongavana ho mpanaradia ny Mpamonjy. Manampy ny tanora hieritreritra hoe hatraiza ny fanarahan’izy ireo ny Mpamonjy sy ny fampianarany. Tokony ho traikefa ara-panahy mankahery ny tafa sy dinika.

Ny tafa sy dinika dia manome fahafahana hanamafy ny zavatra vitan’ny zatovo tsirairay izay tsy misy fetrany amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra azy. Ny tafa sy dinika ihany koa dia manome fahafahana hanome fitaomam-panahy ireo zatovo mba hamolavola drafitra hanatonana akaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy hivoatra amin’ny zavatra rehetra amin’ny fiainany.

Amin’ny maha-mpisolo tena ny Mpamonjy azy ireo, ny eveka dia notendren’ Andriamanitra ho mpitsara ao Isiraely. Amin’izany andraikitra izany izy ireo dia mitarika tafa sy dinika mba hahitana ny fahamendrehana sy hanampiana ny zatovo mba hibebaka amin’ny fandikan-dalàna.

Ireo izay mitarika ny tafa sy dinika dia maneho fitiavana ary mihaino tsara. Mamporisika ireo zatovo izy ireo hiresaka fa tsy ny tenan’izy ireo no mibahana eo amin’ny anjara fitenenana.

31.1.7.4

Ny hatetiky ny tafa sy dinika

Manao tafa sy dinika miaraka amin’ny zatovolahy sy zatovovavy tsirairay ny eveka, farafahakeliny indray isan-taona. Raha azo atao dia manao tafa sy dinika indroa isan-taona amin’ireo feno 16 sy 17 taona izy. Raha tsy afaka manao izany dia manendry ny mpanolotsaina iray izy hanao ny sasany amin’ireo tafa sy dinika ireo.

Aorian’ny tafa sy dinika fanao isan-taona miaraka amin’ny eveka, ny zatovolahy sy zatovovavy 11 ka hatramin’ny 15 taona tsirairay araka ny mahazatra dia manao tafa sy dinika amin’ny fotoana hafa mandritra ny taona miaraka amin’ilay mpanolotsaina ao amin’ny episkôpà izay mpanara-maso ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna na ny kilasin’ny Zatovovavy izay misy an’ilay zatovo.

Rehefa entanin’ny Fanahy sy rehefa nandinika amim-pahendrena, dia azon’ny eveka atao ny manova ny fe-potoan’ireo tafa sy dinika ireo. Misy ny zatovo sasantsasany izay ilaina ifantohana bebe kokoa, raha ny hafa kosa mety mahalankalana kokoa noho izay voalaza ny tafa sy dinika ilainy, fa na dia izany aza dia tokony hatao tafa sy dinika indray mandeha isan-taona raha kely indrindra ny rehetra. Mety hisy fiantraikany amin’ny hatetiky tafa sy dinika ihany koa ny haben’ny paroasy, ny toerana, ny fandaharam-potoana ary ny toe-javatra hafa.

31.1.7.5

Ireo lohahevitra horesahina

Ny lohahevitra fototra horesahina dia ahitana ny fivoaran’ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ilay zatovo mikasika ny Ray any An-danitra, sy ny asa nanirahana an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany, ary ny filazantsara naverina amin’ny laoniny. Hamafisin’ny eveka sy ireo mpanolotsainy ny maha-zava-dehibe ny fitandremana ireo fanekem-pihavanan’ny batisa. Mampianatra ny zatovo mba hiomana ny hanao sy hitandrina ireo fanekempihavanan’ny tempoly amin’ny alalan’ny fiainana amim-pahamarinana isan’andro izy ireo. Ireo mpikambana ao amin’ny episkôpà dia mamporisika ireo zatovo mba hivavaka tsy tapaka manokana sy miaraka amin’ny fianakaviany ary handalina ny soratra masina. Mamporisika ireo zatovo ihany koa izy ireo mba hijanona akaikin’ny ray aman-dreniny.

Rehefa miresaka momba ny fankatoavana ny didy dia ampiasain’ny eveka sy ny mpanolotsainy tsara ireo fanontaniana amin’ny fanaovana tafa sy dinika amin’ny fahazoan-dalana voafetra hidirana ny tempoly ary ireo fitsipika sy fanazavana ao amin’ny Jeunes, soyez forts. Ampifanarahan’ireo mpitarika amin’ny fahatakarana sy ny fanontanian’ireo zatovo ny dinidinika. Alain’izy ireo antoka mba tsy hiteraka saina tia karokaroka na tia manandran-javatra ny firesahana momba ny fahadiovana ara-pitondran-tena.

Afaka miresaka ireto lohahevitra voatanisa eto ambany ireto ihany koa ny eveka sy ny mpanolotsainy:

Fanendrena amin’ny fisoronana. Resahin’izy ireo miaraka amin’ireo zatovolahy ireo fitahiana sy andraikitra amin’ny fihazonana ny Fisoronana Aharôna (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:46–60; 84:31–48; ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany vao haingana miresaka an’ilay lohahevitra; ary ny 10.1.1 ary ny 10.1.2).

Seminera. Ho an’ny zatovo amin’ny taona manao izany dia amporisihin’izy ireo ny fanatrehana tsy tapaka ny seminera ary hamafisin’izy ireo ny fitahiana avy amin’ny fandraisana anjara tsy tapaka amin’izany.

Asa fitoriana. Mifantoka manokana amin’ny fanomanana ny zatovolahy hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno izy ireo (jereo ny 24.4.2). Ny zatovolahy dia amporisihina hanompo, ary ny zatovovavy dia azo atolotra mba hanompo raha maniry hanao izany (jereo ny 24.0). Resahiny ny mikasika ny fiomanana ara-panahy amin’ny alalan’ny fiezahana ho mendrika, sy ny fandalinana ny filazantsara, ary ny fanorenana fijoroana ho vavolombelona. Resahiny ihany koa ny fiomanana ara-batana sy ara-tsaina, sy ara-pihetseham-po, ary ara-bola.

Azo jerena ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org/mss ireo fanontaniana araka ny fenitra amin’ny tafa sy dinika ho an’ireo mirotsaka ho misiônera amin’ny fotoana feno. Jeren’ny eveka miaraka amin’ilay miomana hitory sy ny ray aman-dreniny ireo fanontaniana ireo mialoha ny tafa sy dinika ho an’ny asa fitoriana.

Tokony ho hain’ireo ao amin’ny episkôpà tsara ny mamantatra ireo toe-javatra izay tsy hitakina amin’ireo zatovolahy ny hanaovany fanompoana amin’ny fotoana feno hitoriana ny filazantsara (jereo ny 24.3.3). Miresaka amin’ny zatovolahy sy ny zatovovavy momba ny fahafahana manao asa fitoriana misahana fanompoana manokana ny eveka, raha azo atao (jereo ny 24.2.2).

Tempoly. Maka antoka izy ireo fa takatry ny zatovo ireo fitahian’ny fanekempihavanan’ny tempoly sy ny fanambadiana any amin’ny tempoly ary ny zavatra takina mba hahazoana ireo fitahiana ireo. Raha hanome na hanavao ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly dia mametraka ireo fanontaniana amin’ny fahazoan-dalana voafetra hidirana ny tempoly izy ireo. Raha ilaina dia ampifanarahan’izy ireo amin’ny taona na ny toe-javatra misy ireo zatovo ny fanontaniana.

31.1.8

Tafa sy dinika atao amin’ireo tanora tokan-tena

Manao tafa sy dinika amin’ny tanora tokan-tena tsirairay ny eveka na ny mpanolotsaina iray voatendry. Mazàna ireo tafa sy dinika ireo dia atao isan-taona. Kanefa, azon’ny episkôpà atao, rehefa entanin’ny Fanahy sy rehefa nandinika amim-pahendrena, ny manova ny fe-potoan’ireo tafa sy dinika ireo.

31.1.9

Tafa sy dinika atao amin’ireo olona izay averina horaisina amin’ny alalan’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana

Raha mila torolalana mikasika ny fanaovana tafa sy dinika amin’ireo olona izay nesorina tamin’ny maha-mpikambana azy na nangataka ny hoesorina amin’ny maha-mpikambana azy ka maniry ny haverina horaisina amin’ny alalan’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana dia jereo ny 32.16.2.

31.2

Fanoroana hevitra

31.2.1

Torolalana ankapobeny

Ny filohan’ny tsatòka sy ny eveka dia manoro hevitra an’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy sy ny tsatòka izay mikatsaka fitarihana ara-panahy, na manana olana goavana an’ny tenany manokana, na manana fanontaniana ara-potopampianarana, na nahavita fahotana goavana. Azon’ny filohan’ny tsatòka sy ny eveka atao ny mampiandraikitra ny sasany amin’ireo fanoroana hevitra ireo amin’ireo mpanolotsainy, saingy tsy azony atao izany rehefa misy mpikambana iray nahavita fahotana goavana. Azon’ny eveka na ny filohan’ny tsatòka atao ihany koa ny mampiandraikitra ny fanoroana hevitra sasany amin’ireo mpihazona Fisoronana Melkizedeka izay mendrika hanampy amin’ny tranga mampety izany, toy ny rehefa misy fianakaviana manana olana ara-bola. Ny olona iray izay nampandraiketin’ny eveka na ny filohan’ny tsatòka hanoro hevitra mpikambana iray dia manao tatitra matetika amin’ilay mpitarika izay nampiandraikitra azy. Tandrovan’io olona io ihany koa ny tsiambaratelo.

Tokony hanao ezaka mafy ireo mpikamban’ny Fiangonana, tafiditra ao anatin’izany ny fanaovana vavaka amin-kafanam-po sy ny fandalinana soratra masina, mba hahitana vahaolana amin’ny alalan’ny tenany ihany. Raha mbola mila fanampiana izy ireo dia tokony haka hevitra any amin’ny evekany aloha. Afaka mandefa azy ireo any amin’ny filohan’ny tsatòka izy raha ilaina. Tsy tokony hamporisika an’ireo mpikambana ireo mpitarika eo an-toerana hiantso na hiresaka mivantana na hanoratra any amin’ny foiben’ny Fiangonana momba ny raharaha mahakasika ny tenany manokana (jereo ny 38.8.26).

Ny filohan’ny tsatòka sy ny eveka dia manan-jo hahay hamantatra sy handray ny fitaomam-panahy ilaina mba ho tonga mpanoro hevitra ara-panahy sy mpanolotsaina eo amin’ny lafiny ara-batana ho an’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy izay mila izany fanampiana izany. Tokony hiomana ara-panahy izy ireo mialoha ny hanoroana hevitra mpikambana iray amin’ny alalan’ny fikatsahana ny hery ahafahana manavaka sy ny fitarihan’ny Fanahy. Io fitarihana io mazàna dia tonga toy ny fahatsapana na eritreritra na fihetseham-po. Matetika ny Fanahy dia mitaona ireo mpitarika hahatsiaro fampianarana avy ao amin’ny soratra masina na avy amin’ireo mpaminanin’ny andro farany.

Tokony hampiasa matetika ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminanin’ny andro farany ireo mpitarika rehefa manoro hevitra. Ireo teny feno fitaomam-panahy ireo dia tokony hampiasaina amim-pitandremana sy amim-pitiavana ary amin-katsaram-panahy. Tokony hampiasaina izy ireny mba hitaomana fanahy sy ho famporisihana fa tsy ho fanerena na ho fampitahorana.

Tokony hanokana fotoana ampy sy mety ireo mpitarika hanaovana tafa sy dinika. Tsy tokony hahatsapa ireo mpikambana hoe sahirana loatra ireo mpitarika ka tsy afaka hanokana afa-tsy fotoana fohy ho azy ireo. Tokony hanampy ireo mpikambana ihany koa ireo mpitarika hahazo aina tsara eo am-panombohan’ny tafa sy dinika.

Raha mahatsiaro ho tsy vonona ilay filohan’ny tsatòka na ilay eveka hanoro hevitra mpikambana iray dia tokony hanokana fotoana hafa. Mandra-pahatonga ilay fotoana faharoa dia mikatsaka fitarihana izy amin’ny alalan’ny fandalinana sy ny vavaka ary raha ilaina, amin’ny alalan’ny fifadian-kanina. Azony atao ihany koa ny maka hevitra any amin’ny mpitarika azy ao amin’ny fisoronana.

31.2.2

Fizakan-tena ara-panahy

Amporisihin’ireo mpitarika ny mpikambana mba hanana fizakan-tena ara-panahy. Miezaka ireo mpitarika mba tsy handray fanapahan-kevitra ho an’ireo izay toroin’izy ireo hevitra. Fa manampy azy ireo kosa ny mpitarika mba handraisan’izy ireo ny fanapahan-kevitr’izy ireo manokana omban’ny fitarihan’ Andriamanitra.

Tokony hialan’ny filohan’ny tsatòka sy ny eveka ihany koa ny manolotra vahaolana avy hatrany ho an’ireo izay toroiny hevitra. Araka izay azo atao dia ampiany izy ireo hamakafaka sy hamaha ny olana na fanontaniana ananan’izy ireo manokana ao anatin’ny saha-kevitry ny fotopampianaran’ny filazantsara sy ny drafitry ny famonjena. Raha ny tena tsara dia ampianariny an’ireo mpikambana ny fomba ahitana vahaolana sy hery avy ao amin’ny soratra masina, amin’ny alalan’ny tenan’izy ireo manokana.

31.2.3

Fanontaniana sy fihainoana

Rehefa manoro hevitra ny filohan’ny tsatòka na ny eveka dia mametraka fanontaniana mba hanampy azy hahatakatra tsara ny toe-javatra misy ilay mpikambana. Sorohany ny fisokirana ny mombamomba ilay olona izay tsy ilaina. Mazàna ireo fanontaniana dia tokony hahafahana mamoaka fahatsapana sy eritreritra fa tsy valin-teny hoe eny na tsia . Ilay mpikambana no tokony ho tena miteny.

Rehefa miteny ilay mpikambana, dia mihaino tsara ilay filohan’ny tsatòka na ilay eveka, ka mifantoka tanteraka sy amin-kitsimpo. Tena zava-dehibe ny fihainoana mba hisian’ny fahatokian-tena sy fitokisana. Matetika ny olona no mila olona atokisany hihaino azy eo am-pandalovana amin’ireo fanamby sy olana mahazo azy.

31.2.4

Fibebahana sy fanoherana ny fakam-panahy

Raha nanao fahotana goavana ny mpikambana iray dia manampy azy hibebaka amin’ny fomba hentitra sy feno fitiavana ilay filohan’ny tsatòka na ilay eveka. Mampianatra izy fa ny fibebahana dia ahitana ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy, ny fananana fo torotoro sy fanahy manenina, ny fiaikena ny fahotana sy ny famoizana izany, ny fikatsahana famelan-keloka, ny fanonerana, ary ny fanehoana fanoloran-tena vaovao hitandrina ireo didy. Raha ilaina dia mametra tsy amin’ny fomba ôfisialy ny sasany amin’ireo tombontsoa manokana sasany amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana izy. Tokony ho fantany tsara ireo toe-javatra izay mety ilana hanaovana filankevitra mandinika ny maha-mpikamban’ny Fiangonana sy ireo lamina arahina mba hanatanterahana izany (jereo ny toko 32).

Rehefa manoro hevitra an’ireo mpikambana ireo mpitarika dia tokony hanampy azy ireo handray fepetra enti-misoroka mialoha mba hanoherana ny fakam-panahy. Ohatra, ireo mpikambana izay mpifankatia, na izay manana olana eo amin’ny fanambadiany, na izay misara-toerana na misaram-panambadiana, na izay mitolona amin’ny olana madinika eo amin’ny lafin’ny fahadiovam-pitondran-tena dia mety hahazo fiarovana sy hery avy amin’ny fanoroana hevitra izay natao hanampiana azy ireo hitandrina mba tsy handika lalàna. Ireo manampahefana miahy dia tsy voatery hiandry ireo mpikambana hitady fanampiana toy izany fa afaka mampiantso azy mba hanoroana hevitra.

31.2.5

Fanambadiana sy fisaraham-panambadiana ary fisarahana tsotra

Tsy misy mpiandraikitra ao amin’ny fisoronana tokony hanoro hevitra olona hoe iza no tokony ho vadiny. Tsy tokony hanoro hevitra olona ihany koa izy hisaraka amin’ny vadiny. Ireo fanapahan-kevitra ireo dia tsy maintsy miainga avy amin’ilay olona ary anjarany ihany.

Rehefa miafara amin’ny fisaraham-panambadiana ny fanambadiana iray, na raha misaraka tsotra ny mpivady iray dia tokony hahazo fanoroana hevitra hatrany avy amin’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana izy ireo. Mety ilaina ihany koa ny hanaovana filankevitra mandinika ny maha-mpikamban’ny Fiangonana raha toa ka nahavita fahotana goavana izay mifandray amin’ilay fisaraham-panambadiana na ilay fisarahana tsotra izy ireo (jereo ny toko 32).

Ny mpikambana iray izay misaraka amin’ny vadiny na eo andalam-pisaraham-panambadiana dia tokony hotoroina hevitra mba tsy hiaraka amin’olon-kafa raha tsy efa mivoaka ny didim-pitsarana raikitra araka ny lalàna.

31.2.6

Fanoroana hevitra sy fitsaboana atolotry ny matihanina

Ankoatra ny fanampiana entanim-panahy avy amin’ny eveka sy ny olona hafa ampandraiketiny izany dia mety hahasoa ny mpikambana ny mandray torohevitra avy amina manam-pahaizana matihanina mifanaraka amin’ny fanampiana ilainy raha misy eo an-toerana izany. Io fanoroana hevitra na fitsaboana io dia afaka manampy ny mpikambana hahatakatra sy hiatrika ireo olana eo amin’ny fiainana amin’ny fomba mahasoa azy ireo.

Tsy mariky ny fahalemena ny fihaonana amina mpanoro hevitra matihanina mba hahazoana hevitra sy fahaiza-manao izay manampy mba hananana fizakan-tena ara-pihetseham-po. Mety ho mariky ny fanetrentena sy ny tanjaka aza izany.

Tokony hosafidian’ireo mpikambana amim-pitandremana tsara ireo mpanoro hevitra matihanina tsara laza izay manana fahazoan-dalana ara-dalàna mifandray amin’izany. Tokony hanaja ny fahafahana misafidy, ny soatoavina, ary ny finoan’ireo izay mikatsaka fanampiana ireo mpanoro hevitra. Mety tsara amin’ny fanoroana hevitra atolotry ny matihanina ny fampidirana ireo soatoavina ireo.

Toherin’ny Fiangonana izay mety ho fitsaboana, tafiditra amin’izany ny fitsaboana hanovana na hanarenana ny fironana ara-pilàna na ny fahatsapana ho lahy na vavy, izay mahatonga ilay olona hiharan’ny fampiaikena miharo fanararaotana. (Jereo ny “Fifanintonana eo amin’ny samy lahy na ny samy vavy” sy ny “Olona transgenres.”)

Any Etazonia sy Kanadà dia afaka mifandray amin’ny Family Services (Sampan-draharaha misahana ny fianakaviana) ireo eveka sy ireo filohan’ny tsatòka mba hahafantarana ireo loharanon-kevitra hahafahana manome torohevitra matihanina mifanaraka amin’ireo fitsipiky ny filazantsara. Io eo ambany io ny mombamomba ny sampan-draharaha azo hifandraisana:

1-801-240-1711

1-800-453-3860, poste 2-1711

FamilyServices.ChurchofJesusChrist.org

Any amin’ireo faritra hafa, ireo mpitarika dia afaka mifandray amin’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Sampan-drahaharaha misahana ny fianakaviana na ny mpitantana ny fifanampiana sy fizakan-tena amin’ny alalan’ny biraon’ny vondromparitra mba hahazoana hevitra.

Raha tsy manana fahafahana ilay mpikambana hiantohana mpanoro hevitra matihanina amin’ny volany manokana na amin’ny alalan’ny fiantohana ara-pahasalamana, dia azon’ny eveka atao ny manampy amin’ny fandoavana ilay vola amin’ny alalan’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina. Jereo ny 22.4 mba hahitana ireo fitsipika momba ny fanomezana ny fanampiana avy amin’ny Fiangonana.

31.2.7

Tsodranon’ny fisoronana

Afaka manome tsodranon’ny fisoronana ny filohan’ny tsatòka na ny eveka raha toa ilay mpikambana izay toroina hevitra ka tena maniry izany amin-kitsim-po.

31.3

Fitazonana ho tsiambaratelo

Mandritra ny fotoana hanompoan’ireo mpitarika amin’ny antso iray ary aorian’izany dia tsy maintsy mitazona ny tsiambaratelo izy ireo mikasika izay zavatra noresahina nandritra ny tafa sy dinika sy ny fanoroana hevitra. Ny famborahana amin’ny hafa ny zavatra izay nolazaina tao anatin’ny tsiambaratelo dia mety hanimba ny fitokisana sy ny fijoroana ho vavolombelona ary ny finoana. Ny mpitarika iray dia tsy mahazo miresaka momba ny zavatra tsiambaratelo amin’ny hafa, tafiditra ao anatin’izany ireo mpanolotsainy sy ny vadiny, raha tsy hoe mahazo lalana avy amin’ilay olona izay ataony dinidinika na toroiny hevitra.

Raha sendra zavatra izay ilaina resahina amin’ny eveka na ny filohan’ny tsatòka ny mpanolotsaina iray ao amin’ny episkôpà na ny Fiadidian’ny tsatòka, dia hazavainy amin’ilay mpikambana izany ary asainy manatona ny eveka na ny filohan’ny tsatòka izy.

Raha mifindra monina any amin’ny paroasy iray hafa na tsatòka iray hafa ny olona iray, dia mety ilain’ilay manampahefana miahy an’ilay rantsana izay ialan’ilay olona ny mizara fampahalalana amin’ilay manampahefana mpiahy vaovao an’ilay olona momba ireo zavatra natao mikasika ny maha-mpikambana na ireo olana goavana hafa izay mbola eo andalam-pizorana (jereo koa ny 32.4.4). Ny fanaovana izany dia tsy heverina ho toy ny famoahana tsiambaratelo. Na izany aza dia tsy tokony hizara zavatra momba ireo fahotana izay efa voavaha ilay manampahefana miahy.

31.4

Fiarovana mba hisorohana ny fiheveran-diso

Rehefa mihaona amin’ny ankizy na zatovo na vehivavy iray ny olona iray ao amin’ny episkôpà na ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka na mpitarika iray hafa voatendry, dia tokony hangataka ny iray amin’ny ray aman-dreny na olon-dehibe iray hafa izy mba ho ao amin’ny efitra iray na ny toeram-piandrasana na ny lalantsara mifanila amin’ilay efitrano. Raha tian’ilay olona anaovana tafa sy dinika dia azo asaina mba hanatrika mandritra ilay tafa sy dinika ny olon-dehibe iray hafa. Tokony hosorohan’ny mpitarika izay mety ho toe-javatra ka mety hiteraka fiheveran-diso.

31.5

Ny tokony hatao manoloana ny herisetra

Eo am-panaovana tafa sy dinika na rehefa manoro hevitra olona iray ny mpitarika iray ao amin’ny fisoronana dia mety mahare mikasika ny trangana herisetra nampiharina tamin’ny zanaka na vady na tamin’olon-kafa. Ny herisetra na amin’ny endriny ahoana na amin’ny endriny ahoana dia tsy azo leferina. Misy toromarika momba ny fanaovana tatitra sy ny zavatra tokony hatao manoloana ny herisetra nomena ao amin’ny 38.6.2.1.

Ho fampahalalana mikasika ny fanomezana torohevitra ireo olona niharan’ny fanolanana na herisetra ara-nofo hafa dia jereo ny 38.6.18.2.

Hamoaka printy