Boky torolalana sy antso
35. Trano sy fananan’ny Fiangonana


“35. Trano sy fananan’ny Fiangonana,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, (2020).

“35. Trano sy fananan’ny Fiangonana,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

35.

Trano sy ny fananan’ny Fiangonana

35.1

Tanjona

Ny Fiangonana dia mividy tany sy manorina trano mba hanomezana toerana hahafahan’ireo mpikamban’ny Fiangonana mitsaoka sy mampianatra, mianatra, miara-mivavaka, manao fanekempihavanana sy manavao izany, ary mandray ôrdônansy masina. Ny trano tsirairay an’ny Fiangonana dia tokony (1) hanolotra sehatra ara-panahy hahafahan’ireo mpikambana mitsaoka ary (2) maneho endrika feno fanajana sy mendrika eo amin’ny fiarahamonina.

35.2

Rafitra

35.2.1

Departemanta misahana ny trano fiangonana

Ny Departemanta misahana ny trano fivorian’ny Fiangonana sy ny fananan’ny Fiangonana, eo ambany fitarihan’ny Episkôpà Mpiahy, no mametraka fitsipika sy fomba fiasa izay manamora ny fanomezana trano ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana maneran-tany.

35.2.2

Ireo biraon’ny Vondromparitra

Ireo Fiadidian’ny Vondromparitra sy ireo talen’ny raharaha ara-nofo no tompon’andraikitra amin’ny fividianana sy fampandehanana ireo fananan’ny Fiangonana. Ireo fananana ireo dia ahitana ny trano fivavahana, ireo institiota fianarana ny filazantsara, ireo birao sy tranon’ny misiôna, ireo asa fiandraiketana ny fifanampiana sy ny sisa.

Ireo olona miasa eo amin’ny trano eo an-toerana dia miasa eo ambany fitarihan’ny talen’ny raharaha ara-nofo.

35.2.3

Fiadidian’ny tsatòka

Ireo olona ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka dia mila maka antoka fa ampiasaina sy kojakojaina ary arovana araka ny tokony ho izy ireo tranon’ny Fiangonana. Mampianatra ny andraikitry ny mpitarika sy ny mpikambana izy ireo eo amin’ny fampiasana sy fikojakojana ireo trano ireo. Manendry mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo izy ireo mba ho tompon’andraikitry ny trano sy fananan’ny fiangonana eo anivon’ny tsatòka. Mihaona aminy araka izay ilaina izy ireo handinihana ny zavatra ilaina sy ny tetikasa.

35.2.4

Tompon’andraikitry ny trano sy ny fananan’ny fiangonana eo anivon’ny tsatòka

Ny tompon’andraikitry ny trano sy ny fananan’ny fiangonana eo anivon’ny tsatòka (izay mpikambana ao amin’ny filankevitra avo), dia manampy ny fiadidian’ny tsatòka eo amin’ny resaka mahakasika ny trano sy ny fananan’ny fiangonana araka izao manaraka izao:

  • Manampy izy eo amin’ny fampianarana sy ny fanarahana ireo fenitra mikasika ny fampiasana sy ny fikojakojana ny trano fiangonana.

  • Izy no mandrindra ny fitsinjarana sy ny fanaraha-maso ireo fanalahidy.

  • Mandrindra ny fanofanana ireo tompon’andraikitry ny trano fiangonana eo anivon’ny paroasy izy mikasika ny andraikitr’izy ireo.

  • Mandray anjara izy amin’ny fanaovana fanaraha-maso isan-taona ireo trano fiangonana izay ataon’ny mpitantana ny trano sy ny fananan’ny Fiangonana, raha tsy hoe manendry olona iray hafa ny fiadidian’ny tsatòka hanao izany.

35.2.5

Eveka mpitantana

Raha paroasy mihoatra ny iray no mivory ao amin’ny trano fiangonana anankiray dia manendry eveka iray ny fiadidian’ny tsatòka mba ho eveka mpitantana. Izy io no mandrindra ireo fanendrena mikasika ny fandraisan’anjaran’ny mpikambana eo amin’ny fikarakarana sy fikojakojana ny trano fiangonana. Izy ihany koa no mandrindra ny lamina entina miaro sy misoroka ny loza ho an’io trano fiangonana io. Ankoatra izany dia izy no mandrindra ny tetiandro fampiasana ny trano fiangonana, miaraka amin’ny tsatòka sy ireo paroasy hafa izay mampiasa izany, na dia azony atao aza ny manendry mpikambana iray hafa hanao io fandaminana io.

35.2.6

Ny Episkôpà

Ireo mpikambana ao amin’ny episkôpà dia tompon’andraikitra amin’ny fampiasana sy ny fikojakojana ary ny fiarovana ny trano fiangonana. Mampianatra an’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy izy ireo mikasika ny fomba fampiasana sy fikojakojana izany. Izy ireo no mandrindra ny fandraisan’anjaran’ny mpikambana eo amin’ny fanadiovana sy fikojakojana ny trano fiangonana, ka mizara andraikitra araka izay ilaina. Izy ireo ihany koa no mitsinjara ireo fanalahidin’ny trano fiangonana.

Ireo mpikambana ao amin’ny episkôpà dia mila maka antoka fa misy ny fepetra sahaza tsara izay raisina mikasika ny fiarovana ao anatin’ny trano fiangonana sy eny an-tokotanim-piangonana (jereo ny 35.3.5).

35.2.7

Tompon’andraikitry ny trano fiangonana eo anivon’ny paroasy

Ny paroasy tsirairay dia tokony hanana tompon’andraikitry ny trano fiangonana iray avy. Ny eveka dia afaka manendry olona iray ao amin’ny episkôpà hanao an’io andraikitra io, na afaka miantso mpikambana iray hafa hanao izany ny episkôpà.

Ny tompon’andraikitry ny trano fiangonana eo anivon’ny paroasy dia manampy ny episkôpà eo amin’ny andraikitr’izy ireo mahakasika ny trano fiangonana, toy ny fitsitsiana herinaratra, ny fisorohana ny loza, ny fiarovana, ny fanesorana ny ranomandry (any amin’ny toerana ilàna izany), ary ny fandraisan’anjaran’ny mpikambana eo amin’ny fanadiovana sy ny fikojakojana. Izy no miandraikitra ireo zavatra rehetra ilaina mifandray amin’ny trano fiangonana mandritra ireo fivoriana sy fiaraha-mientana ary rehefa misy loza tampoka. Raha ilaina dia mandray torolalana avy amin’ny tompon’andraikitry ny trano sy fananan’ny fiangonana eo anivon’ny tsatòka izy mikasika ny fikirakirana ny fanamafisam-peo, ny fanafanana sy ny fampangatsiahana ny rivotra, ary ireo rafitra hafa misy ao amin’ny trano fiangonana.

35.2.8

Mpikambana

Ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana dia mila manantitrantitra fa ny fandraisan’anjaran’ny mpikambana dia kitro ifaharan’ny fanadiovana sy fikojakojana ny trano fiangonana. Entanina ireo mpikambana mba hanome tanana, tsirairay na mivondrona, arakaraka ny talenta sy ny fahaiza-manao ananan’izy ireo.

35.3

Fitantanana ny trano sy ny fananan’ny Fiangonana

35.3.1

Fampiasana sy fikojakojana ny trano fiangonana

Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana eo an-toerana sy ireo mpikambana no tompon’andraikitra amin’ny fampiasana sy fikojakojana ny trano fiangonana. Ireo mpiasan’ny fiangonana miandraikitra ny trano fiangonana eo an-toerana no manampy azy ireo. Miezaka hatrany ireo mpitarika mba hiantohana fa madio sy manintona ary voakarakara tsara ny trano fiangonana sy ny zaridaina. Ny trano fiangonana dia tokony hahitana taratra ny fikojakojana sy ny fanajana araka ny tokony ho izy amin’ny lafiny rehetra.

Ireo mpikamban’ny Fiangonana, anisan’izany ny tanora, dia tokony hanampy amin’ny fanadiovana sy fikojakojana ireo trano fiangonana. Rehefa manolotra asa fanompoana tahaka izany ireo mpikamban’ny Fiangonana dia mihalalina ny fanehoan’izy ireo fanajana ny tranon’ny Tompo. Raha azo atao, dia rehefa any am-piangonana iny ireo mpikambana, mandritra ny hetsika andavanandro, no manatanteraka an’io andraikitra io. Azo angatahana ihany koa ireo mpikambana mba hanampy amin’ny fanadiovana ireo trano hafa an’ny Fiangonana.

35.3.2

Fikojakojana sy fanaraha-maso ny trano fiangonana

Ny mpitantana ny trano sy fananan’ny Fiangonana dia manao fisafoana hanaraha-maso ny trano fiangonana tsirairay indray mandeha isan-taona. Ny tompon’andraikitry ny trano sy ny fananan’ny Fiangonana eo anivon’ny tsatòka, na ny olona iray hafa voatendrin’ny filohan’ny tsatòka, dia mandray anjara amin’ireo fanaraha-maso ireo. Tokony hanana fahefana feno izy hisolo tena ny fiadidian’ny tsatòka eo amin’io andraikitra io. Ireo izay mandray anjara amin’ireo fanaraha-maso ireo dia mamantatra ny zavatra ilana fanamboarana eo amin’ny trano, ary manao drafitra ahafahana manamboatra na manavao ireo kojakoja sy fitaovana ao anatiny, ary ahafahana manao ireo fanatsarana hafa ilaina.

35.3.3

Fanaovana drafitra hananganana sy hanitarana trano fiangonana

Ny fiadidian’ny tsatòka dia manome fampahalalana an’ny Fiadidian’ny Vondromparitra, izay hanampy ny talen’ny raharaha ara-nofo eo amin’ny famolavolana sy fanavaozana drafitra ho arahana mikasika ny filana tany hananganana fiangonana sy filana fanorenana na fanitarana trano fiangonana.

35.3.4

Fitsitsiana jiro sy rano

Miteraka fandaniana jiro sy rano misimisy ihany ho an’ny Fiangonana ireo trano fiangonana. Ireo mpitarika dia afaka manampy eo amin’ny fampihenana be izany fandaniana izany amin’ny alalan’ny fampianarana ireo mpikambana hamono ny jiro sy ny fitaovana rehefa tsy ilaina, ary hanana fahazarana hanaraka fomba hafa hitsitsiana jiro sy rano. Mila maka antoka ireo mpitarika fa ampiasaina amim-pitsitsiana araka izay azo atao ny jiro, ny fanafanana sy ny fampangatsiahana rivotra ary ny fitaovana hafa sy ny rano.

Raha ilaina, dia azon’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka na ny mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo atao ny miantso olona iray ho manam-pahaizana manokana misahana ny trano fiangonana eo anivon’ny tsatòka mikasika ny fitsitsiana jiro sy rano ho an’ny trano fiangonana sy toerana fanaovana fiaraha-mientana tsirairay an’ny tsatòka. Ireo manam-pahaizana manokana ireo dia miasa eo ambany fitarihan’ny tompon’andraikitry ny trano sy ny fitaovan’ny fiangonana eo anivon’ny tsatòka.

Ireo mpitarika ihany koa dia entanina mba hanaraka ny drafitry ny fitondram-panjakana eo an-toerana mikasika ny fitsitsiana ny jiro sy rano.

35.3.5

Fisorohana ny loza sy fiarovana

Ireo mpitarika dia manome torolalana an’ireo mpikambana, indrindra ireo vehivavy sy ireo zatovo, mba tsy hijanona irery ao anatin’ireo tranon’ny Fiangonana.

Tokony handray fepetra araka izay azo atao ireo mpitarika mba tsy hisy zavatra hanembantsembana na mety hitera-doza eo amin’ireo lalantsara, tohatra, faritra misy ny tohatra, varavarana fivoahana, efitrano misy fitaovana, ary ireo lalankely any ivelan’ny trano. Maka antoka ihany koa ireo mpitarika mba tsy hampiasana na hitahirizana fitaovana mampidi-doza na zavatra mora mirehitra toy ny solika, ny mololo, sy ny bozaka ary ny tahon-katsaka ao anatin’ny trano fiangonana (jereo ihany koa ny 35.4.2).

Ireo mpitarika no mifehy ny fitsinjarana ny lakile ary mametraka toromarika mahomby mikasika ny fanidiana ny trano. Arahan’izy ireo maso ihany koa mba tsy hidina lakile ireo efitrano fianarana sy ireo efitrano hafa izay tsy misy entana lafo vidy.

Maka antoka ireo mpitarika mba hapetaka eo akaikin’ny telefaonina tsirairay ireo laharana an-tariby fiantso eo an-toerana rehefa misy voina ahazoana ny mpitandro filaminana sy ny mpamono afo ary ny fiara mpitondra marary miaraka amin’ny toromarika fohifohy. Mampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana izy ireo rehefa misy olona hafahafa tafiditra.

35.3.6

Fampandrenesana raha misy loza

Ireo fiaraha-mientana karakarain’ny Fiangonana dia tsy tokony hisy zavatra mety hiteraka ratra na hiteraka aretina ho an’ireo mpandray anjara, na fahasimbana eo amin’ny fitaovana sy ny trano. Mandritra ireo fiaraha-mientana, dia manao izay ezaka rehetra azo atao ireo mpitarika mba hisorohana ny loza. Ny fanomanana amin’ny fomba mahomby sy ny fanarahana ireo fepetra hisorohana ny loza dia ahafahan’ireo mpitarika mampihena araka izay tratra ny mety hitrangan’ny loza.

Tokony hampandrenesina haingana ny eveka na ny filohan’ny tsatòka raha toa ka:

  • Misy loza, na faharatrana, na aretina mitranga ao anatin’ny faritry ny trano fiangonana na mandritra ny fiaraha-mientana iantohan’ny Fiangonana.

  • Misy olona iray tsy hita popoka teo am-pandraisana anjara tamin’ny fiaraha-mientana iray iantohan’ny Fiangonana.

  • Misy fahasimbana fananan’olona manokana, na iombonana, na an’ny Fiangonana nandritra ny fiaraha-mientana iray karakarain’ny Fiangonana.

Raha misy olona iray naratra mafy na tsy hita popoka, na raha misy fahasimbana goavana teo amin’ny fananana iray, na raha misy fandrahonana fitoriana na ahiahy ny hisian’ny fitoriana, dia mandray haingana ny iray amin’ireto fepetra manaraka ireto ny filohan’ny tsatòka (na ny eveka iray eo ambany fitarihany):

  • Raha any Etazonia na Kanadà, dia mampandre ny Risk Management Division (Sampan-draharaha mpandray an-tanana ny loza), any amin’ny foiben’ny Fiangonana (1-801-240-4049 na 1-800-453-3860, poste 2-4049; aorian’ny ora fiasana na amin’ny faran’ny herinandro, dia antsoy ny 1-801-240-1000 na ny 1-800-453-3860, ary dia hiantso olona iray avy hatrany ilay mpandray antso).

  • Raha any ivelan’i Etazonia sy i Kanadà, dia mampandre ny biraon’ny vondromparitra izy.

Ireo mpitarika ihany koa dia mitatitra ireo faharatrana sy fahasimban-javatra ahatafidiran’ny trano na fananan’ny Fiangonana amin’ny mpitantana ny trano sy fananan’ny Fiangonana.

Tokony hojeren’ireo mpitarika raha toa ka azo ampiharina ny Fandaharan’asa fanampiana ara-pitsaboana amin’ny fiaraha-mientan’ny Fiangonana rehefa misy faharatrana mitranga mandritra ny fiaraha-mientana na hetsika na asa nampiandraiketina izay iantohan’ny Fiangonana. Mba hahitana fampahalalana mikasika ny fiantohana, dia jereo ny 20.6.9.

Ny filohan’ny tsatòka (na ny eveka eo ambany fitarihany) dia mitatitra ireo fanontaniana mikasika ny olana momba ny fiarovana na ireo fitakiana manohitra ny Fiangonana amin’ny Sampan-draharaha mitantana ny Fiarovana amin’ny loza na amin’ny biraon’ny vondromparitra.

Jereo ny 20.6.20 raha mila torolalana fanampiny mikasika ny fomba tokony hatao raha misy loza na voina.

35.4

Fitsipika mikasika ny fampiasana ireo tranon’ny Fiangonana sy ireo fananana hafa an’ny Fiangonana

Ny tranon’ny Fiangonana sy ireo fananana hafa an’ny Fiangonana dia natao hampiasaina hanaovana fitsaohana sy ny fianarana filazantsara ary fiaraha-mientana tohanan’ny Fiangonana. Voarara ny fampiasana ny trano fiangonana amin’ny fomba hafa ankoatra ireo. Ankavitsiana ny fotoana ahafahan’ny filohan’ny tsatòka manome lalana ireo vondrona azo itokiana, tsy avy amin’ny Fiangonana, ary tsy mitady vola hampiasa trano fiangonana iray na ny tokotanin’izany mandritra ny fotoana voafetra (jereo ny Facilities Management Guidelines for Meetinghouses and Other Church Property, 2). Ity lisitra manaraka ity dia ahitana ohatra amin’ny karazana fampiasana izay tsy ankatoavina:

  • Fampanofana misy fifanekena na tsia an’ireo tranon’ny Fiangonana mba hitadiavam-bola.

  • Ny dokam-barotra ho an’ny orinasam-barotra na orinasa mpampiasa vola, anisan’izany ny fametahana peta-drindrina misy dokam-barotra na ny fanohanana fampisehoana izay misy vidim-pidirana.

  • Ny fividianana na fivarotana na fampahafantarana vokatra, na raharaha, na boky navoaka, na sanganasa, na ny fampisehoana ny fiasan’ny vokatra iray.

  • Ny fanatanterahana hetsika fanangonam-bola izay tsy nahazoana lalana (jereo ny 20.6.8).

  • Ny fandraisana ireo mpandaha-teny na mpampianatra karamaina, izay maka mpandray anjara hiara-hiasa aminy, na mitady olona hanakarama azy rehefa manao seminera, na lesona, na kilasina dihy mirindra fanatanjahan-tena, sy ny sisa. Misy ihany ny tranga maningana azo atao rehefa mampiasa ny pianô na ny ôrga ao amin’ny trano fiangonana ho fampianarana olona manokana izay aloa vola (jereo ny 19.7).

  • Ny fanaovana hetsika matetika ara-piarahamonina sy ana fikambanana izay tsy tohanan’ny Fiangonana, toy ny fivoriana sy fiaraha-mientana ataon’ny Skoto, na hetsika sy fanazaran-tena ara-panatanjahan-tena nokarakaraina.

  • Fanaovana fivoriana ara-pôlitika na fampielezan-kevitra. Ho tranga maningana, ny trano Fiangonana dia azo ampiasaina ho fandraisana ireo mpisoratra anarana ho ao amin’ny lisitry ny mpifidy sy hatao biraom-pifidianana, raha mangataka izany ireo manampahefana mikarakara fifidianana, ary raha toa ka:

    • Tsy misy vahaolana hafa azo atao ialana amin’izany.

    • Mitandrina ireo fenitry ny Fiangonana ireo manampahefana sy ireo mpifidy rehefa ao anatin’ny trano fiangonana.

    • Tsy hiteraka loza sy fahasimbana ho an’ny trano ilay hetsika.

    • Tsy hanimba ny laza tsaran’ny Fiangonana ilay hetsika.

Tsy tokony hitera-doza na faharatrana ho an’ireo mpandray anjara na fahasimbana ho an’ilay trano sy ilay tany ny fampiasana io fananan’ny Fiangonana io. Ary izany koa dia tsy tokony hiteraka olana ho an’ny Fiangonana mihoatra noho ny tokony ho izy ary tsy tokony hanelingelina ny manodidina.

Ho fanampim-panazavana misimisy kokoa mikasika ny fampiasana sy fikarakarana ny trano sy ny fananana hafa an’ny Fiangonana dia jereo ny Facilities Management Guidelines for Meetinghouses and Other Church Property (Torolalana mikasika ny fitantanana ireo trano fiangonana sy ireo trano sy fananana hafa an’ny Fiangonana) na mifandraisa amin’ny foiben’ny Fiangonana na amin’ny biraon’ny vondromparitra.

35.4.1

Sary hosodoko

Azo alaina amin’ny alalan’ny mpitantana ny trano sy ny fitaovan’ny Fiangonana ireo sary hosodoko ankatoavin’ny Fiangonana izay hatao ao amin’ny trano Fiangonana, amin’ny fampiasana ny boky Church Facilities Artwork. Ny mpitantana ny trano sy ny fitaovana dia afaka mahazo ihany koa sary hosodoko sahaza ho an’ny trano fiangonana amin’ny alalan’ny Sampan-draharaha mpaninjara an’ny Fiangonana.

Azo ametrahana sary sy sary hosodoko hafa any amin’ireo toerana mety amin’izany ao amin’ny trano fiangonana. Na izany aza, dia tsy azo apetaka ao amin’ny efitrano fivavahana na eo akaikin’ny fanaovana batisa izany. Tsy ahazoana lalana ny sary vongana, sy ny hosodoko amin’ny rindrina ary ny sary mosaïque. Io lalàna io dia mety tsy mihatra amin’ireo sanganasa izay efa napetraka tao anatin’ireo trano fivavahana nandritra ny taona maro.

Ny sary hosodoko ao amin’ireo trano fiangonana dia tokony hatao anaty efajoro tsara.

35.4.2

Fandravahana

Ireo fandravahana natao ho an’ny Krismasy sy fety hafa ary ho an’ireo fotoana hafa mitovy amin’izany, dia azo apetraka mandritra ny fotoana voafetra eo amin’ny lalantsaran’ny trano fiangonana na ao amin’ny trano fanaovana lanonana, araka ny fankatoavana teo ambany fitarihan’ny fiadidian’ny tsatòka. Ankoatra ny voninkazo, dia tsy azo asiana fanaingoana ao anatin’ny faritry ny efitrano fivavahana ao amin’ny trano fiangonana. Tsy tokony horavahana ihany koa ny ivelan’ny trano fiangonana na ny zaridaina.

Ny fanaingoana dia tokony ho tsotra sady tsy lafo vidy ary tsy tokony hiteraka hain-trano. Tsy azo ampiasaina ny mololo, ny bozaka, ny ravim-boanio, ny ravina maina hafa sy ny labozia mirehitra. Raha toa ka mampiasa hazo noely, dia tokony ho tsy tena izy izany na namboarina mba tsy ho mora mirehitra ary tsy tokony hasiana jiro mandeha herinaratra na labozia. Tokony harahina ireo didy sy lalàna misy eo an-toerana mikasika ny hain-trano sy ny fiarovana amin’ny loza.

35.4.3

Fanokanana trano fiangonana

Ny trano fiangonana vaovao rehetra ary koa ny fanitarana goavana izay ahitana efitrano fivavahana na efitrano fanaovana lanonana na faritra izay be velarana kokoa noho ny trano efa nisy dia tokony hatokana haingana araka izay tratra rehefa vita ny asa fanorenana.

Ireo trano kelikely kokoa toy ny tranon’ny misiôna, trano ho an’ny institiota sy seminera, ary efitrano fianarana na birao izay naorina ho fanampin’ny trano fiangonana dia azo atokana ihany koa raha maniry izany ireo mpitarika eo an-toerana.

Ny fankatoavana farany ho an’ny fanokanana dia omen’ny Fiadidian’ny Vondromparitra, ka mifandrindra amin’ny talen’ny raharaha ara-nofo izy ireo amin’izany. Miara-miasa amin’ny filohan’ny tsatòka na ny filohan’ny misiôna ny Fiadidian’ny Vondromparitra, ary manendry izay ho tompon’andraikitra amin’ny fanokanana ilay trano.

Ny fandaharam-potoana mandritra ny fanokanana dia tokony hifanaraka amin’ny tanjon’ilay hetsika. Tsy tokony ho lava loatra izany ary tsy tokony hahitana fanolorana hira lava be. Tokony homena fotoana ampy ilay mpitarika voatendry mba handraisana fitenenana sy hanokanana ilay trano. Aorian’ny vavaka fanokanana, dia tokony hisy hira na feonkira voafantina, ary vavaka fohy hamaranana ny fotoana.

Ny vavaka fanokanana trano dia azo raisina feo mba horaketina raha nahazoana lalana avy amin’ny manampahefana mpiahy.

Ireo trano fiangonana hofaina dia azo atokana raha voahaja ireto fepetra rehetra manaraka ireto:

  1. Ny Fiangonana irery ihany no mampiasa ny toerana nofaina rehetra, ankoatra ireo faritra tsy maintsy hitambarana aman’olona hafa (toy ny fidirana, ny lalan-tsara, ary ny toeram-pivoahana).

  2. Mihoatra ny herin-taona ilay fanofana.

  3. Manome fankatoavana ny hanokanana ilay trano fiangonana nofaina ny Fiadidian’ny Vondromparitra.

Raha voahaja ireo fepetra ireo ary atokana ireo trano fiangonana, dia tsy maintsy tafiditra ao anatin’ny tonon’ny vavaka ny hoe atokana “mandritra ny fotoana hanofana” azy ilay trano fiangonana.

35.4.4

Voina sy hamehana

Rehefa misy voina, dia ny fiadidian’ny tsatòka no mamaritra raha toa ka asiana ihany ireo fivoriana mahazatra any amin’ny paroasy na tsia.

Rehefa misy voina na loza voajanahary manjo ny fiarahamonina manontolo dia afaka manampy ireo sampan-draharaha ara-dalàna mpikarakara ireo tra-boina ny filohan’ny tsatòka amin’ny alalan’ny fanomezana lalana hampiasana ny trano fiangonana ho toy ny trano fialofana vonjy maika. Ny Fiangonana ihany no tompon-teny farany. Ireo mpitarika ao amin’ny tsatòka sy ny paroasy dia maka antoka fa manaraka ny fenitry ny fitondran-tena arahin’ny Fiangonana ireo olona izay mampiasa ny trano fiangonana, anisan’izany ny Tenin’ny Fahendrena, raha mbola ao anatin’ny trano fiangonana izy ireo. Ho fampahalalana misimisy kokoa momba ny voina sy hamehana, dia jereo ny 22.9.1.3.

35.4.5

Basy

Ny trano fiangonana dia natokana ho an’ny fiderana an’ Andriamanitra, ary ho toy ny fialofana amin’ireo ahiahy sy olana eo amin’izao tontolo izao. Voarara ny fitondrana fitaovam-piadiana mahafaty, na miafina izany na tsia, ao amin’ny faritry ny trano fiangonana, afa-tsy ho an’ireo manampahefana mpitandro ny filaminana am-perinasa.

35.4.6

Afo sy labozia

Tsy azo ampiasaina ao anatin’ny trano Fiangonana ny lelafo sy ny labozia mirehitra.

35.4.7

Sainam-pirenena

Ny sainam-pirenena dia azo atsangana hihofahofa eo an-tokotanin’ny trano fiangonana na amin’ny fotoana ahoana na amin’ny fotoana ahoana, raha mifanaraka amin’ny fomba sy fanao eo an-toerana izany. Ny sainam-pirenena dia azo atao ao anatin’ny trano fiangonana amin’ny fotoana manokana toy ny fetim-pirenena. Ny tena fitiavan-tanindrazana dia tsy mitaky ny hamelarana ny sainam-pirenena mandava-taona ao amin’ny toerana fitsaohana.

35.4.8

Lanonana fihadiana fototra

Rehefa nahazoana fankatoavana ny fananganana trano fiangonana vaovao, dia azon’ny mpitondra eo an-toerana atao ny manao lanonana fihadiana fototra, ho fiomanana ho amin’ny fanorenana. Tsy azo atao ny alahady izany lanonana izany.

35.4.9

Fitehirizana ireo vakoka ara-tantara

Ireo fanontaniana rehetra mikasika ny fanaovana ny fananan’ny Fiangonana na ny trano fiangonana ho isan’ireo toerana sokajiana ho vakoka ho an’ny firenena na ho an’ny eo an-toerana dia tokony havantana any amin’ny foiben’ny Fiangonana amin’ny alalan’ny Fiadidian’ny Vondromparitra. Ho an’ireo fanontaniana mikasika ny mari-pamantarana, na ny fankalazana, na ny fikajiana ireo toerana, zavatra, asa tanana na antontan-taratasy, dia mifandraisa amin’ny Departemantan’ny Tantaram-piangonana amin’ny 1-801-240-22721-801-240-2272 na 1-800-453-3860, poste 2-2272.

35.4.10

Fanorenana na fanofana na fividianana trano fiangonana

Ho an’ny fitsipika mifehy ny fanorenana na fanofana na fividianana trano fiangonana, dia jereo ny Facilities Management Guidelines for Meetinghouses and Other Church Property (Torolalana mikasika ny fitantanana ireo trano fiangonana sy ireo trano sy fananana hafa an’ny Fiangonana) na mifandraisa amin’ny talen’ny raharaha ara-nofo.

35.4.11

Maritranom-piangonana

Ny Fiangonana dia nanomana karazana maritrano samihafa hanaovana fiangonana mba hifanaraka amin’ny toe-javatra misy sy ny filan’ny mpikambana manerana izao tontolo izao. Rehefa misy trano fiangonana iray tokony haorina, dia misy maritrano sahaza ho an’izany fantenina. Io maritrano io dia ahitana ny lalàna arahina mikasika ireo efitrano sy entana ary fitaovana izay ao anatin’ilay trano fiangonana.

35.4.12

Alatsinainy hariva

Jereo ny 20.6.10.

35.4.13

Fampiantranoana na filasiana amin’ny alina

Ny trano fiangonana dia tsy azo ampiasaina ho fampiantranoana na hilasiana amin’ny alina, na hanaovana lanonana hiaretan-tory.

35.4.14

Ireo toeram-piantsonan’ny fiara

Ny fampiasana ny toeram-piantsonan’ny fiarakodia an’ny Fiangonana dia tokony hifanaraka amin’ireo torolalana voalaza any amin’ny fanombohan’ny fizarana 35.4. Ankoatra izay dia tsy azo ampiasaina hatao toeram-piantsonan’ny fiara fitateram-bahoaka ireo toeram-piantsonan’ny fiara an’ny Fiangonana raha tsy nahazoana lalana avy amin’ny tale misahana ny raharaha ara-nofo.

35.4.15

Fakana sary sy fandraisana horonan-tsary ary fampitana fandaharana ao amin’ny efitrano fivavahana

Voarara ny fakana sary na ny firaketana zavatra amin’ny horonan-tsary ao anatin’ny efitrano fivavahana satria masina ireo efitrano fivavahana. Ho fampahalalana mikasika ny fandefasana an-tsary ireo fivoriana sy ireo fotoam-pivoriana hafa izay atao ao amin’ny efitrano fivavahana dia jereo ny 29.7.

35.4.16

Zom-pananana

Ny fananana rehetra izay notendrena na natao hampiasain’ny rantsan’ny Fiangonana eo an-toerana dia fananan’ny Fiangonana avokoa, fa tsy fananan’ireo rantsan’ny Fiangonana. Na izany aza dia manana fahaleovan-tena betsaka ireo rantsan’ny Fiangonana eo an-toerana eo amin’ny fampiasana ny fananan’ny Fiangonana, anisan’izany ny trano sy ny tany ary ny fananana hafa, rehefa manaja ny maha-tompony ny Fiangonana sy ireo fitsipiky ny Fiangonana.

35.4.17

Fitantanana ireo toerana natao hialana voly

Mba hahitana fampahalalana mikasika ny fitantanana ireo toerana natao hialana voly dia jereo ny Facilities Management Guidelines for Meetinghouses and Other Church Property (Torolalana mikasika ny fitantanana ireo trano fiangonana sy ireo trano sy fananana hafa an’ny Fiangonana) na mifandraisa amin’ny talen’ny raharaha ara-nofo.

35.4.18

Lakozia

Ny lakozia ao amin’ny trano Fiangonana dia tsy natao hikarakarana na handrahoana sakafo, raha tsy hoe tafiditra ao anatin’ny lesona izany, na ho fampisehoana na ao anatin’ny fianarana hafa. Raha misy sakafo haroso any amin’ny trano fiangonana na eny an-tokotany, dia tokony hokarakaraina any amin’ny toeran-kafa izany ary avy eo dia hoentina any amin’ny trano fiangonana, ka ao izany no tazonina ho mafana na ho mangatsiaka mandra-pandrosoana azy.

35.4.19

Famantarana

Ny anaran’ny Fiangonana dia tokony ho hita any amin’ny trano fiangonana rehetra sy ireo trano hafa an’ny Fiangonana, amin’ny fiteny sy ny endriky ny famantarana efa nahazoana fankatoavana. Tokony hapetaka amin’ny vatan’ny trano izany. Amin’ny toe-javatra sasantsasany dia mety ho azo atao koa ny mametaka ny anaran’ny Fiangonana amin’ny takelaka mitokana eny an-tokotany.

35.4.20

Fanobiana entana

Ny hany entana azo apetraka ao anatin’ny trano fiangonana dia ireo entana sy fitaovana fanadiovana ary ireo fitaovana hafa nahazoana lalana. Ny entana ho an’ny fifanampiana sy ny fitaovana hafa tahaka izany dia tsy azo atoby ao amin’ny trano fiangonana.

Ny akora toy ny solika, ny etona fandrehitra, ny afokasoka, ny fitaovana ilaina rehefa milasy dia tokony hotahirizina amin’ny trano hafa misaraka amin’ny trano fiangonana.

Tsy azo atao ny mametraka ireo fiara sy fiara fialamboly ary ireo fitaovana hafa an’ny tena manokana ao amin’ny faritry ny Fiangonana.

35.4.21

Fampiasana trano fiangonana ivelan’ny faritry ny tsatòka

Ireo trano fiangonana rehetra tsy lavitra loatra ho an’ny paroasy iray dia tsy maintsy ampiasaina araka izay zakany izay vao azo hanokanana trano fanampiny. Raha ilaina, dia azon’ny fiadidian’ny tsatòka atao, rehefa avy nifanakalo hevitra tamin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra izy ireo ny manendry ny paroasy iray hampiasa trano fiangonana any amin’ny faritry ny tsatòka iray hafa mifanila aminy. Azon’ny tsatòka mihoatra ny iray ampiasaina ny foiben’ny tsatòka raha tsara toerana izany.

35.4.22

Fanambadiana sy lanonam-panambadiana

Azo atao ao amin’ny trano fiangonana ny lanonam-panambadiana raha toa tsy manakorontana ny fandaharam-potoana efa mahazatra ao amin’ny Fiangonana izany. Na izany aza dia tsy tokony hatao ao amin’ny efitrano fivavahana ireo fety raha tsy hoe efitrano fampiasa amin’ny zavatra maro samihafa izany. Tsy tokony hatao ny Sabata na ny alatsinainy hariva ireo fanambadiana sy fety ireo.

Ny Fiangonana dia tsy manome lalana ny hampiasana ireo trano fivavahana na ireo trano hafa eo anivony mba hanaovana fankalazana na fety na zavatra hafa mifandray amin’ny fanambadiana eo amin’ny samy lahy na ny samy vavy.

Ireo izay miandraikitra ny lanonam-panambadiana dia tompon’andraikitra amin’ny fanadiovana ireo efitra rehetra izay ampiasain’izy ireo ao amin’ilay trano.

Hamoaka printy