Ny episkôpà
Fitsipika sy torolalana momba ny drafitra hananganana sy hanitarana ary hanafoanana trano fiangonana


Fitsipika sy torolalana momba ny drafitra hananganana sy hanitarana ary hanafoanana trano fiangonana

“Manome trano fiangonana ny Fiangonana mba hahafahan’ireo rehetra miditra ao:

Mety ho hita amin’ny endriny isan-karazany ny trano fiangonana iray, miankina amin’ny toe-javatra misy sy ny filana eo an-toerana” (Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 35.1).

“Mba hanamafisana orina ny Fiangonana dia manomana drafitra faobe maharitra ireo vondromparitra alohan’ny handraisana fanapahan-kevitra mba hanampy na tsy hampiasa intsony trano fiangonana (Fitsipika sy torolalana momba ny fanomezana trano fiangonana [2021], ChurchofJesusChrist.org). Ireto fitsipika sy torolalana manaraka ireto dia hanampy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny vondromparitra rehefa manampy ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana eo anivon’ny tsatòka sy ny vondromparitra izy ireo amin’ny fanatanterahana io tanjona io.

Fitsipika

Fanamafisana orina ireo rantsana

Ny fanamafisana orina ny Fiangonana amin’ny alalan’ny fanamboarana ny haben’ny rantsana sy ny sisintany dia andraikitry ny mpitarika ao amin’ny fisoronana eo ambany fitarihan’ny Fiadidian’ny Vondromparitra. Ny fanovana ireo sisintanin’ny rantsana dia mety hanatsara ihany koa ny fampiasana ireo trano fiangonana.

Fampiasana

“Alohan’ny hanomezana trano fiangonana fanampiny dia maka antoka ireo mpitarika fa ireo trano fiangonana izay misy ary tsy andaniana ora maro ny fankanesana any dia ampiasaina mba hahazaka ny olona tokony ho zakany” (Fitsipika sy torolalana momba ny fanomezana trano fiangonana). Tafiditra ao anatin’ny olona zakan’ny trano fiangonana ny isan’ny mpikambana (ny isan’ny olona afaka manatrika) sy ny isan’ireo rantsana (isan’ny rantsana afaka miditra ao) izay azon’ny trano fiangonana iray raisina. Any amin’ireo faritra izay miovaova be ny isan’ny mpikambana dia azo heverina ny tsy hampiasana intsony (famarotana na fampiasana amin’ny zavatra hafa) ireo trano fiangonana sy fananan’ny Fiangonana izay zara raha miasa.

Faminavinana araka ny tokony ho izy

Ny faminavinana ny fivoaran’ny isan’ny mpikambana sy ny fanatrehana fivoriana dia tena ilaina mba hamolavolana drafitra faobe mahomby sy mifanaraka amin’izay ilaina momba ny trano fiangonana. Ny faminavinana ny isan’ny mpikambana sy ny isan’ny olona manatrika fivoriana dia tokony hatao kajy araka ny fomba fiasa nahazoana fankatoavana.

Fametrahana amin’ny toerana stratejika

Ny trano fiangonana rehetra dia tokony hapetraka ao amin’izay toerana mety indrindra mba hahafahana mandray mpikambana faran’izay betsaka indrindra na toy ny ahoana na toy ny ahoana ny sisintanin’ny tsatòka. Ilaina mba hametrahana ireo trano fiangonana amin’ny fomba stratejika ny fahatakarana ny fironan’ny tahan’ny fitomboan’ny mpikambana, ny endriky ny fifindra-monina, ary ny fitaterana misy.

Zavatra tsotra mifanaraka amin’ny enti-manana

Ireo mpitarika eo anivon’ny Vondromparitra sy eo an-toerana dia mikaroka vahaolana mifanaraka amin’ny fandaniana azo atao sy maharitra ela mahakasika ny filana trano fiangonana” (Fitsipika sy torolalana momba ny fanomezana trano fiangonana).

Tokony handinika ny safidy rehetra azo atao izay mifanaraka amin’ireo toe-javatra misy eo an-toerana ireo Vondromparitra. Mety ho tafiditra ao anatin’ireo vahaolana mety amin’izany ny tranon’ny mpikambana anankiray, sekoly iray na tranom-pokonolona iray eo an-toerana, na toerana hofaina mandritra ny fotoana maharitra, na toerana naorin’ny Fiangonana na novidin’ny Fiangonana, na toerana namboarina, na zavatra hafa.

Torolalana

Tokony handinika izao manaraka izao ny mpitarika ao amin’ny fisoronana rehefa manapa-kevitra ny amin’ny isan’ny paroasy tokony hampiasa ny trano fiangonana iray:

  • Ny fandaharam-potoan’ny fivoriana alahady dia manomboka amin’ny fotoana mety tsara amin’ny rehetra ary mifarana amin’ny mitataovovonana mba hahafahan’ny fianakaviana rehetra mandalina ny filazantsara any an-trano.

  • Mipetraka amin’ny toerana tsy ilaina hanaovana dia lavitra be hankanesana any amin’ny trano fiangonana ireo mpikambana.

  • Kely sy tsy mandany vola ny fanamboarana atao amin’ilay trano fiangonana, raha ilaina.

Mampihatra ny drafitra hananganana sy hanitarana ary hanafoanana trano fiangonana ireo vondromparitra ary mamolavola drafitra faobe maharitra dimy taona alohan’ny handraisana fanapahan-kevitra hanampy na tsy hampiasa intsony trano fiangonana.

Drafitra faobe volavolain’ny tsatòka mitambatra na ny filankevitra fandrindrana

Azo foronina eo anivon’ny tsatòka mitambatra na ny filankevitra fandrindrana ireo drafitra faobe rehefa:

  • Maro ireo fahafahana ahafahana mifampizara ireo trano fiangonana efa misy na aroso mba ho ampiasaina manerana ireo tsatòka maro.

  • Mety hisy fiantraikany amin’ny tsatòka maro ny fanovana ny faritry ny sisintanin’ireo rantsana.

  • Maneho filana toerana vaovao ny vinavina natao momba ny fitomboan’ny mpikambana sy ny fampiasana ny trano fiangonana.

  • Niteraka ny fisian’ny toerana tsy misy mpampiasa izay azo foanana ny fiovaovan’ny isan’ny mpikambana.

Miara-miasa amin’ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra sy ireo filohan’ny tsatòka mifandray amin’izany ireo tale misahana ny famolavolana drafitra eo anivon’ny Vondromparitra mba hanomana tolo-kevitra hahazoana ny fankatoavan’ny Fiadidian’ny Vondromparitra.

Famolavolana drafitra eo anivon’ny tsatòka

Rehefa mandinika mikasika ny filana fanampiana na tsy fampiasana intsony trano fiangonana izay tsy tafiditra ao anatin’ny drafitra faobe volavolain’ny tsatòka mitambatra na ny filankevitra fandrindrana dia miara-miasa amin’ny filohan’ny tsatòka voakasik’izany ny tale misahana ny famolavolana drafitra eo anivon’ny vondromparitra mba hanomana tolo-kevitra hahazoana ny fankatoavan’ny Fiadidian’ny Vondromparitra.

Fankatoavana sy famatsiam-bola ny tetikasa

Ny tetikasa fanorenana trano fiangonana vaovao na ny tsy fampiasana intsony trano fiangonana ao anatin’ny dingana fanatanterahana ilay drafitra dia azo alefa ao anatin’ny drafitra fanao isan-taona na amin’ny alalan’ilay dingan’ny fankatoavana fanampiny.

Anjara asa sy andraikitra

Fiadidian’ny Vondromparitra

Ny Fiadidian’ny Vondromparitra dia manome torolalana momba ny paikady sy ny fanapahan-kevitra ary ny vokatra irina ho azo avy amin’ny drafitra hananganana sy hanitarana trano fiangonana. Ny Fiadidian’ny Vondromparitra dia mamantatra ireo lafin-javatra manokana izay mampiahiahy, mampianatra fotopampianarana sy fitsipika an’ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra, ary manome fankatoavana ireo laharampahamehana ao amin’ny drafitra faobe sy ireo tolo-kevitra farany.

Fitopololahin’ny Vondromparitra sy ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana eo an-toerana

Mampianatra fotopampianarana sy fitsipika an’ireo filohan’ny tsatòka sy ireo filohan’ny misiôna ny Fitopololahin’ny Vondromparitra ary mifampidinika ihany koa amin’ireo mpiasa ao amin’ny vondromparitra. Miara-mandinika sy manome ny heviny momba ireo drafitra faobe momba ny trano fiangonana ny Fitopololahin’ny Vondromparitra sy ireo filohan’ny tsatòka ary ireo filohan’ny misiôna. Alefan’izy ireo any amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra mba hodinihina ny fanovana rehetra momba ny sisintanin’ny rantsana.

Talen’ny raharaha ara-nofo (DTA) sy ireo mpiasa eo anivon’ny Vondromparitra

Ny Talen’ny raharaha ara-nofo (DTA) sy ireo mpiasa eo anivon’ny Vondromparitra dia manolotra fampahalalana, tatitra, famakafakana, ary tolo-kevitra mazava an’ireo mpitarika ara-pivavahana. Ny tale misahana ny fanaovana drafitra eo anivon’ny Vondromparitra dia manomana, araka ny torolalana avy amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra sy ny Fandaharan’asa momba ny trano fiangonana eo anivon’ny Vondromparitra, drafitra faobe maharitra dimy taona, izay ahitana fampahalalana avy amin’ny drafitra novolavolain’ny filankevitra fandrindrana, ny tsatòka mitambatra, ary ny tsatòka. Miara-miasa amin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana ny tale misahana ny fanaovana drafitra mba handraisana fanapahan-kevitra voahevitra tsara ary hamitana tanteraka ireo tolo-kevitra.

Fanamarihana: Izay zavatra resahina ahitana ny teny hoe fiadidian’ny tsatòka dia miantefa koa amin’ny fiadidian’ny distrika.

Hamoaka printy