Fanompoana
Ny fanompoana dia ny fijerena ny hafa tahaka ny fahitan’ny Mpamonjy azy ireo
Fitsipika


ministering

Fitsipika momba ny Fanompoana, jona 2019

Ny fanompoana dia ny fijerena ny hafa tahaka ny fahitan’ny Mpamonjy azy ireo

Nandany ny ankamaroan’ny fotoanany niaraka tamin’ireo izay navahan’ny olona i Jesoa. Hitany ny fahafahan’izy ireo hivoatra araka an’ Andriamanitra.

Amin’ny ezaka ataontsika mba hanompo tahaka ny Mpamonjy, dia mety hangahatahina isika ny hanompo olona izay tsy mitovy amintsika. Manome antsika fahafahana hianatra sy hivoatra izany.

Ireo fahasamihafana eo amin’ny kolontsaina, ny fanabeazana, ny firazanana, ny fiainana ara-toekarena, ny taona, ny fitondrantena teo aloha na ankehitriny, na ireo fahasamihafana hafa dia mety hanamora ny fitsarana olona iray kanefa tsy mbola fantatsika akory izy ireo. Io fitsaratsarana mialoha io no antony fototra miteraka ny fanavakavahana, ary ny Mpamonjy dia nampitandrina ny tsy hanaovana izany (jereo ny 1 Samoela 16:7; Jaona 7:24).

Afaka tsy miraharaha ireo fahasamihafana ve isika dia mandray ny hafa tahaka ny handraisan’ny Mpamonjy azy ireo? Ahoana no hahafahantsika mianatra mitia ny hafa amin’ny maha-izy azy ireo sy izay azon’izy ireo hahatongavana?

Mijery tsara sy mitia

Ny Baiboly dia mitantara tantara iray tsy zoviana mikasika ilay zatovolahy mpanan-karena izay nanontany ny fomba hahazoana ny fiainana mandrakizay: “Ary Jesosy nijery azy tsara, dia tia azy ka nanao taminy hoe: Diso zavatra iray loha hianao; mandehana; amidio izay rehetra anananao ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra hianao; ary avia hanaraka Ahy” (Marka 10:21).

Rehefa nandalina io soratra masina io ny Loholona S. Mark Palmer ao amin’ny Fitopololahy taona maromaro lasa izay, dia lasa toa nanan-danja be taminy ny ampahany iray izay tsy dia noraharahiany loatra tamin’ilay tantara.

-Ary Jesoa nijery azy tsara, dia tia azy.-

“Rehefa nandre ireo teny ireo aho, dia nisy sary mazava tsara tao an-tsaiko naneho ny Tompo nijanona sy nijery tsara io zatovolahy io. Nijery tsara—toy ny hoe nibanjina lalina sy niditra hatrany anaty fanahiny, ka nahafantatra ny hatsarany sy ny zavatra mety ho vitany, ary koa nahita izay tena nilainy indrindra.

“Avy eo dia ireto teny tsotra ireto no tohiny: Jesoa dia nitia azy. Nahatsapa fitiavana sy fitserana lehibe ho an’ity zatovolahy tsara ity Izy, ary noho ny fitiavany sy tamin’ io fitiavana io, dia mbola nangataka zavatra fanampiny taminy aza i Jesoa. Nataoko sary an-tsaina ny mety ho fahatsapan’io zatovolahy io hoe heniky ny fitiavana lehibe toy izany, eny fa na dia nangatahina hanao zavatra tena sarotra aza, dia ny mivarotra izay rehetra ananany sy hanome izany ho an’ny malahelo. …

: -“{Nanontany tena aho hoe] ‘Ahoana no ahafahako ho lasa feno fitiavana tahaka ny an’i Kristy, mba ahafahan’ny [hafa]hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra amin’ny alalako ka hananany faniriana hiova?- Ahoana no hahafahako mijery [ireo olona manodidina ahy] tsara tahaka ny fomba nijeren’ny Tompo ilay zatovolahy mpanan-karena, sy mahita azy ireo amin’ny maha tena izy azy ireo sy amin’izay mety hahatongavan’izy ireo, fa tsy amin’izay zavatra ataon’izy ireo na tsy ataon’izy ireo fotsiny ihany? Ahoana no ahafahako ho tonga tahaka ny Mpamonjy bebe kokoa?”1

Mianatra mijery ny hafa

Ny fianarana mijery ny hafa tahaka ny fahitan’ny Mpamonjy azy ireo dia mitondra valisoa lehibe. Ireto misy sosokevitra vitsivitsy izay afaka manampy eo am-piezahantsika manatratra io tanjona io.

  • Fantaro izy ireo
    Miezaha ny hahafantatra ny olona mihoatra ny fijerena fotsiny ihany ny zavatra hita ety ivelany eo amin’ny fiainan’izy ireo. Ekeo fa mitaky fotoana sy ezaka tena avy amin’ny fo ny fanorenana fifandraisana aman’olona. (Jereo ny Fitsipika momba ny fanompoana volana aogositra 2018 “Edifier des relations significatives” mba hahazoana fanampiana.)

  • Mandiniha tena
    Jereo tsara ireo fitsarana mety ataonao amin’ny nahimpo na tsy nahy. Jereo ireo zavatra izay eritreretinao momba ny hafa ary miezaha manakatra ny antony mahatonga anao mahatsapa ny zavatra tsapanao mahakasika azy ireo.

  • Aza mitsara
    Aoka ianao ho tonga saina fa ny toe-javatra izay miseho dia tsy mamaritra ny tena lanjan’ny olona iray. Mitoera eo amin’ny toeran’izy ireo dia eritrereto ny fomba tianao hijeren’ny olona iray anao raha tao anatin’ny toe-javatra niseho tahaka izany ianao. Ny fanasarahana ny safidy sy ny fitondrantenan’ny olona amin’ny lanja masina ananan’izy ireo sy ny fahafahany hivoatra araka an’ Andriamanitra dia afaka manampy antsika hahita azy ireo tahaka izay hahitan’ny Mpamonjy azy ireo.

  • Mivavaha mba ho tia azy ireo
    Ento am-bavaka tsy tapaka amin’ny anaran’izy ireo izy ireo ary mivavaha mba hanana faharetana mba hisian’ny finamanana marina. Diniho amim-bavaka ny fomba hanompoanao azy ireo. Moa ve mifanaraka sa tsia amin’izay zavatra ilain’izy ireo marina ny zavatra ataonao?

Nandany ny fotoany niaraka tamin’ny olona niaina zavatra samy hafa teo amin’ny fiainana i Jesoa: ny mpanankarena, ny mahantra, ireo mpanapaka, ary ny olon-tsotra. Matetika Izy no niharan’ny fitsarana tsy marina nataon’ny hafa rehefa nijery Azy sy ny toe-javatra niainany izay toy ny hoe ratsy sy tsy manan-danja izy ireo. “Ary raha nijery Azy isika, dia tsy nisy hatsaran-tarehy haniriantsika Azy. … Natao tsinontsinona sy nolavin’ny olona Izy” (Isaia 53:2–3).

Fomba fijery tahaka ny an’i Kristy

Nisy rahavavy iray nizara ity tantara ity izay mikasika ny fianarana mijery ny mpifanolo-bodirindrina iray araka ny fomba fijerin’i Kristy:

“I Julia (novaina ny anarana) dia nipetraka teny akaikiko ary toy ny tsy nanana namana mihitsy. Toa kizitina sy tezitra foana no fahitana azy. Na dia teo aza izay, dia nanapa-kevitra aho ny hinamana taminy. Tsy hoe namana zara raha hifaneraserana fotsiny anefa, fa tena namana. Niresaka taminy aho isak’izay nahita azy ary naneho fa liana tamin’ny zavatra rehetra nataony. Nanorina tsikelikely fahatsapana finamanana taminy aho, izay nitondra fifaliana tao am-poko.

“Indray andro dia nanapa-kevitra aho ny hitsidika an’i Julia dia nanontany azy mikasika ny fanapahan-keviny tsy ho any am-piangonana.

“Nahafantatra aho fa tsy manana fianakaviana na havana akaiky teo izy. Ny hany mpiray tampo aminy dia anadahy izay nonina lavitra teo, no mifandray aminy indray mandeha isan-taona amin’ny alalan’ny antso antariby. Teo am-pihainoako azy namboraka ny alahelony sy ny hatezerany ary ny fahadisoam-panantenany momba ny fianakaviany sy ny Fiangonana, dia nisy fahatsapana fangorahana sy fitiavana tsy azoko nolavina ho an’io rahavavy io tonga tao amiko tamin-kery. Tsapako ny fanaintainany sy ny fahadisoam-panantenany. Tsapako fa tena irery tokoa izy teo amin’ny fiainany. Toy ireny hoe nahare feo tony tao an-damosiko ireny aho nanao hoe: -Tia azy koa aho. Tiavo sy hajao izy.-

“Nipetraka sy nihaino aho mandra-pitsahany nilaza ny zavatra tsapany. Nahatsapa fitiavana sy fangorahana ho azy aho. Rahavavy tsy mbola nahafantatra mihitsy ny atao hoe tiana ity rahavavy ity. Tampoka teo dia vao maika takatro bebe kokoa ny zavatra tsapany. Nisaotra azy aho namela ahy hiresaka taminy, ary nandao azy tamin’ny famihinana azy mafy sy tamin’ny fitiavako sy ny fanajako azy. Tsy ho fantany na oviana na oviana ny halehiben’ny zavatra azoko avy taminy noho io fitsidihana io. Nanokatra ny masoko ny Ray any An-danitra ary nampianatra ahy fa nanana fahafahana aho ny hitia tamin’ny fangorahana lehibe kokoa. Tena tapa-kevitra aho ny tsy hijanona ho namany fotsiny ihany fa ho fianakaviany ihany koa.”

Sarobidy izany hoe lasa tafiditra ao anatin’ny fiainan’ny olona hafa izany. Raha mivavaka sy manam-paharetana ary mahazo ny fanampian’ny Fanahy isika, dia afaka mianatra ny hanao izany amin’ny fomba fijery mitovy bebe kokoa amin’ny an’i Kristy.

Fanamarihana

  1. S. Mark Palmer, “Ary Jesoa nijery azy tsara, dia tia azy,” Liahona, mey 2017, 115.