Kilonga
Andraikitra


Sary
vehivavy mampianatra ankizy

Ny antsoko amin’ny maha-mpanolotsaina ahy ao amin’ny Kilonga

Andraikitra

Feno fankasitrahana noho ny fanolorantenanao hanompo ao amin’ny Fiangonany ny Tompo. Eto ambany ny topimaso momba ireo andraikitra ho an’ny antsonao.

Tanjon’ny Kilonga

Ny Kilonga dia manampy ny ankizy hahatsapa ny fitiavan’ny Rainy any An-danitra, hianatra mikasika ny drafitry ny fahasambarana nataony, hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, ary hahatsapa sy hamantatra ny fitarihan’ny Fanahy Masina ary handray andraikitra eo anatrehan’izany. Ny Kilonga koa dia fotoana iray hiomanana amin’ny fanekempihavanana masina sy hanaovana fanekempihavanana masina ary hitandremana izany rehefa mandray anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana ny ankizy. (Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 12.1.)

Mpanolotsaina

Ny fiadidian’ny Kilonga dia manampy ny ray aman-dreny mba hanomana ny zanany hiditra sy hivoatra eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Anisan’ny manan-danja indrindra amin’ireo andraikiny izany. Manara-maso ireo fivoriana ao amin’ny Kilonga ny fiadidiana, sy manompo ireo ankizy tsirairay sy ireo mpampianatra ary ireo mpitarika, ary miandraikitra ireo zavatra ilaina ara-pitantanan-draharaha ao amin’ny Kilonga. (Jereo ny 12.3.2.)

Ireo kilasin’ny Kilonga sy ny fotoam-pihirana

Tombontsoa masina ny mampianatra ankizy. Mitia sy mampianatra an’ireo ankizy araka ny fomban’ny Mpamonjy ireo mpitarika ao amin’ny Kilonga. Ireo kilasy ao amin’ny Kilonga dia narindra araka ny taona sy ny isan’ny mpampianatra misy (jereo ny 12.1.3). Ny fotoam-pihirana dia manampy ny ankizy hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy hianatra momba ny drafitry ny fahasambarana nataony (jereo ny 12.1.4).

Fivoriana sy filankevitra

Mivory tsy tapaka ny filoha sy ireo mpanolotsainy. Mivory miaraka amin’ny eveka na ny mpanolotsainy izay nampiandraiketina izany koa izy ireo. (Jereo ny 12.3.2.)

Ireo mpampianatra sy ireo mpitarika

Tombontsoa masina ny mampianatra ireo zanak’ Andriamanitra. Ny fiadidian’ny kilonga dia manolotra fanohanana ho an’ireo mpampianatra sy ireo mpitarika ao amin’ny Kilonga mandritra ireo kilasy sy ao amin’ny zaza madinika ary mandritra ny fotoam-pihirana (jereo ny 12.3.5). Ny fiadidian’ny Kilonga dia manolotra anarana lehilahy na vehivavy amin’ny episkôpà homena antso hanompo ao amin’ny Kilonga sy ny zaza madinika.

Fiaraha-mientan’ny Kilonga

Ny mpitarika misahana ny fiaraha-mientana ao amin’ny Kilonga dia mandrafitra fiaraha-mientana izay mahafinaritra sy mahaliana izay manampy amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana. Ny asa fanompoana sy ny fiaraha-mientana dia tokony hanorina ny fijoroana ho vavolombelona sy hanamafy orina ny fianakaviana ary hanome fahafahana hitondra fitahiana ho an’ny hafa. Atao indroa isam-bolana ny fiaraha-mientan’ny Kilonga amin’ny ankapobeny ho an’ny ankizy 8 ka hatramin’ny 11 taona. (Jereo ny 12.3.6.)

Torolalana sy fitsipika

Ny olon-dehibe rehetra izay miara-miasa amin’ny ankizy dia tsy maintsy mahatontosa ilay fiofanana momba ny fiarovana ny ankizy sy ny zatovo ao anatin’ny iray volana aorian’ny nanohanana azy (ProtectingChildren.ChurchofJesusChrist.org). Misy torolalana sy fitsipika mikasika ny ankizy manana filana manokana, sy mikasika ireo fepetra takina amin’ny fiarovana, sy mikasika ny fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo ary zavatra hafa ao amin’ny fizarana 12.5 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Hamoaka printy