Fikambanana Ifanampiana
Andraikitra


Sary
vondron’olona mitsikitsiky

Ny antsoko amin’ny maha Mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana

Andraikitra

Feno fankasitrahana amin’ny fahavononanao hanompo ao amin’ny Fiangonany ny Tompo. Ity eto ambany ity dia misy topimaso mikasika ireo andraikitra mifandray amin’ny antsonao.

Tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana

Ny Fikambanana Ifanampiana dia fikambanana natsangan’ Andriamanitra ho an’ireo vehivavy lehibe rehetra ao amin’ny Fiangonana. Manampy ireo zanak’ Andriamanitra hiomana hiverina eo anatrehany ny Fikambanana Ifanampiana. Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa ny tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana dia ny “hamonjy fanahy sy hanamaivana ny fijaliana”—manolotra ny fanamaivanan’ny Mpamonjy (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 9.1).

Mpanolotsaina

Ny Filoha sy ireo mpanolotsainy dia manara-maso ireo rahavavy mpanompo sy ny fampianarana amin’ny Alahady ary ireo fiaraha-mientana. Mampianatra an’ireo rahavavy ny andrikitr’izy ireo ao amin’ny fanekempihavanana izy ireo sy manomana ny zatovovavy handray anjara ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana, ary mandrindra ireo ezaka hampatanjahana ireo rahavavy olon-dehibe tanora (jereo 9.4). Manao fivoriana tsy tapaka ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny Mpitantsoratra (jereo ny 9.3.2.3).

Fitarihana sy Filan-kevitra

Ny mpitarika ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana dia mamolavola ireo fivoriana isaky ny alahady, ireo fiaraha-mientana, ny fanompoana, ny asa fanompoana ary ireo fifandraisana hafa mba hanomezana traikefa ireo vehivavy handray anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana. Miasa amim-piraisan-kina ireo mpikambana ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny kôlejin’ny Loholona (jereo ny 9.2).

Fikambanana Ifanampiana sy Kôlejin’ny Loholona

Ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny kôlejin’ny Loholona dia mandrindra ny fanomezana andraikitra momba ny fanompoana sy manampy amin’ny fitarihana ny asa ho an’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana ary ireo ezaka hanasana ny rehetra mba handray ireo fitahian’ny filazantsara. Manana anjara adraikitra lehibe koa izy ireo amin’ny fampianarana an’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy ireo fitsipiky mba hanompo ireo izay mila fanampiana, hiaina ny lalàn’ny fifadian-kanina, hanorina fizakan-tena ary hampitombo ny fiomanan’ny tena manokana sy ny fianakaviana (jereo ny 22.6.2).

Fivoriana Alahady

Ny Fikambanana Ifanampiana dia mihaona isaky ny Alahady faharoa sy fahaefatra mba ho an’ny tanjona hampatanjaka ny finoana an’i Jesoa Kristy, hanorina firaisan-kina ary hampatanjaka ny fianakaviana sy ny tokantrano. Manomboka amin’ny vavaka ny fivoriana ary misy ny fotoana izay hanaovana filan-kevitra miaraka sy hampianarana ny filazantsara sy fifanakalozan-kevitra mifototra amin’ireo lahatenin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany indrindra (jereo ny 9.2.1.2).

Asa fanompoana sy fiaraha-mientana

Ireo fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana dia afaka mamolavola fiaraha-mientana mba hampatanjahana ny finoan’ireo rahavavy an’i Jesoa Kristy sy hampitombo ny fanirian’izy ireo hanao sy hanaja ny fanekem-pihavanana, ary hanome azy ireo fahafahana hiara-hifanompo. Ny filoha no manara-maso ireo fiaraha-mientana ireo ary afaka mangataka ny mpanolotsainy iray na rahavavy iray hafa izy handray andraikitra amin’ny fandrindrana sy fanatanterahana izany (jereo ny 9.3.4).

Torolalana sy fitsipika

Misy torolalana sy fitsipika fanampiny ao amin’ny fizarana 9.6 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Hamoaka printy