Kilonga
Andraikitra


Sary
Vehivavy mampianatra ankizy

Ny antsoko amin’ny maha-mpanolotsaina ahy ao amin’ny Fiadidian’ny Kilonga eo anivon’ny tsatòka

Andraikitra

Feno fankasitrahana noho ny fanolorantenanao hanompo ao amin’ny Fiangonany ny Tompo. Eto ambany ny topimaso momba ireo andraikitra ho an’ny antsonao.

Tanjon’ny Kilonga

Ny Kilonga dia manampy ny ankizy hahatsapa ny fitiavan’ny Rainy any An-danitra, hianatra mikasika ny drafiny ho an’ny fahasambarana, hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, ary hahatsapa sy hamantatra ny fitarihan’ny Fanahy Masina ary hanao asa mifanaraka amin’izany. Ny Kilonga koa dia fotoana iray hiomanana amin’ny fanekempihavanana masina sy hanaovana fanekempihavanana masina ary hitandremana izany rehefa mandray anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana ny ankizy. (Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 12.1.)

Mpanolotsaina ao amin’ny Kilonga eo anivon’ny tsatòka

Manompo ao amin’ny fiadidian’ny Kilonga eo anivon’ny tsatòka ireo mpanolotsaina ao amin’ny Kilonga eo anivon’ny tsatòka. Manana andraikitra maro ireo mpikambana ao amin’ny fiadidiana, anisan’izany ny manampy ny fiadidian’ny tsatòka izay manompo ao amin’ny filankevitry ny tsatòka (filoha ihany), manoro lalana ireo fiadidian’ny Kilonga vao nantsoina eo anivon’ny paroasy, manolotra fanohanana sy fampianarana tsy tapaka, ary mitsidika ireo kilasy eo anivon’ny tsatòka. Afaka manatrika ireo fivoriana filankevitra enti-mandrindra sy mandray fitenenana mandritra ireo fivoriana fanasan’ny Tompo sy amin’ny sehatra hafa izy ireo rehefa asaina (jereo ny 6.7.1).

Fivoriana sy filankevitra

Tokony hifampila hevitra matetika ny fiadidian’ny Kilonga eo anivon’ny tsatòka. Azo asaina hanompo ao amina filankevitra fanampiny izy ireo. (Jereo ny 6.7.1.1.)

Fiaraha-mientan’ny Kilonga

Ny fiadidian’ny Kilonga eo anivon’ny tsatòka dia afaka mandrafitra fiaraha-mientana ho an’ny ankizy 8 ka hatramin’ny 11 taona eo anivon’ny tsatòka indraindray. Azo atao ho an’ny ankizivavy na ho an’ny ankizilahy na iarahan’izy roa ireo fiaraha-mientana ireo (jereo ny 6.7.1.3).

Torolalana sy fitsipika

Ny olon-dehibe rehetra izay miara-miasa amin’ny ankizy dia tsy maintsy mahatontosa ilay fiofanana momba ny fiarovana ny ankizy sy ny zatovo ao anatin’ny iray volana aorian’ny nanohanana azy (ProtectingChildren.ChurchofJesusChrist.org). Misy torolalana sy fitsipika mikasika ny ankizy manana filana manokana, sy mikasika ireo fepetra takina amin’ny fiarovana, sy mikasika ny fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo ary zavatra hafa ao amin’ny fizarana 12.5 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Hamoaka printy