Sekoly Alahady
Andraikitra


Sary
vondron’olona mitsiky

Ny antsoko amin’ny maha mpanolotsaina ao amin’ny Sekoly Alahady

Andraikitra

Feno fankasitrahana noho ny fanolorantenanao hanompo ao amin’ny Fiangonany ny Tompo. Eto ambany ny topimaso momba ireo andraikitra ho an’ny antsonao.

Ny tanjon’ny Sekoly Alahady

Manampy amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana ny Sekoly Alahady. Ataony izany amin’ny alalan’ny fanampiana ny zanak’ Andriamanitra hianatra sy hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (jereo ny Boky Torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 13.1, Médiathèque de l’Évangile).

Fiadidian’ny Sekoly Alahady

Ny filoha no tompon’andraikitra amin’ny fanompoana ao amin’ny filankevitry ny paroasy sy amin’ny fanaraha-maso ny fianarana sy fampianarana ny filazantsara any an-tokantrano sy any am-piangonana ary amin’ny fandaminana ireo kilasy. Manampy azy amin’izany ireo mpanolotsainy. Ny fiadidian’ny Sekoly Alahady dia manohana sy mankahery ary mampianatra ireo mpampianatra mba ho lasa mahomby kokoa amin’ny fanarahana ireo fitsipika ao amin’ny soratra masina sy ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy (jereo ao amin’ny 13.2.2.2).

Ireo kilasy ao amin’ny Sekoly Alahady

Tanterahina isaky ny alahady voalohany sy fahatelon’ny volana ny Sekoly Alahady. Miovaova arakaraky ny filan’ny paroasy tsirairay ny haben’ny kilasy (jereo ao amin’ny 13.3). Mampiasa ny soratra masina sy ireo lesona voarindra ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy, ary ny tenin’ireo mpaminany maoderina ireo mpampianatra mba ho loharanom-pitaovana fototra entiny mampianatra.

Fianarana mifototra ao an-tokantrano

Tompon’andraikitra amin’ny fampianarana ny filazantsara an’ireo zanany ny ray aman-dreny (jereo ao amin’ny 13.5). Mamporisika ireo mpikambana mba hikatsaka ny aingam-panahiny manokana momba ny fomba handalinana sy hampianarana ny filazantsara any an-tokantranony (jereo ao amin’ny 17.2) ireo mpampianatra sy mpitarika ao amin’ny Sekoly Alahady.

Fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra

Ireo mpanolotsaina dia manampy ny filohan’ny Sekoly Alahady amin’ny fandaminana sy fanatanterahana ireo fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra. Mandritra ny fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra dia mifanakalo hevitra mikasika ireo fitsipiky ny fampianarana araka ny fomban’i Kristy ireo mpampianatra. Mifanakalo hevitra momba ny fanatsarana ny fianarana sy ny fampianarana ny filazantsara ihany koa izy ireo. NyMampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy no loharanon-kevitra ampiasaina (jereo ao amin’ny 17.4). Atao isaky ny telo volana ireo fivoriana ireo mandritra fotoan’ny kilasy amin’ny alahady, ary ny filohan’ny Sekoly Alahady no mitarika izany amin’ny ankapobeny (jereo ao amin’ny 13.4).

Fivoriana filankevitry ny mpampianatra ho an’ireo ray aman-dreny

Ireo mpanolotsaina dia manampy ny filohan’ny Sekoly Alahady amin’ny fandaminana sy fanatanterahana ireo fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra ho an’ireo ray aman-dreny. Mitovy firafitra amin’ireo fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra mahazatra io fivoriana io saingy asaina ny ray aman-dreny hanatrika izany. Ny tanjona dia ny hanampy ireo ray aman-dreny ho lasa mpampianatra tsara kokoa any an-tokantranony. NyMampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy no loharanon-kevitra ampiasaina (jereo ao amin’ny 17.4).

Torolalana sy fitsipika

Ny olon-dehibe rehetra miara-miasa amin’ny zatovo dia tsy maintsy mamita ilay fiofanana mikasika ny fiarovana ny ankizy sy ny zatovo ao anatin’ny iray volana taorian’ny nanohanana azy (ProtectingChildren.ChurchofJesusChrist.org). Misy torolalana fanampiny ho an’ny Sekoly Alahady hita ao amin’ny fizarana 13.7 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Hamoaka printy