Zatovovavy
Andraikitra


Sary
zatovovavy mitsiky

Ny antsoko amin’ny maha-mpanolotsaina ahy ao amin’ny fiadidian’ny Zatovovavy

Andraikitra

Feno fankasitrahana noho ny fanolorantenanao hanompo ao amin’ny Fiangonany ny Tompo. Eto ambany ny topimaso momba ireo andraikitra ho an’ny antsonao.

Tanjon’ny Zatovovavy

Ny rafitry ny Zatovovavy dia manampy ireo zanakavavy malalan’ Andriamanitra hiomana hiverina eo anatrehany. Izany dia manampy ireo zatovovavy hanao sy hitandrina fanekempihavanana masina sy hampitombo ny fiovam-pony ho an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Manompo ny hafa, manatontosa ireo andraikitra ao amin’ny fanekempihavanana, manorina firaisan-kina, ary mianatra sy miaina ny fotopampianarana ireo zatovovavy ao amin’ny kilasin’izy ireo. (Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 11.1.1.)

Mpanolotsaina

Ny filoha sy ireo mpanolotsaina dia manompo ny zatovovavy izay eo an-dalana ho lasa mpianatr’i Jesoa Kristy mandritra ny fiainan’izy ireo. Mampianatra ireo fiadidian’ny kilasy momba ny andraikiny izy ireo ary manolotra fanampiana (jereo ny 11.3.2). Ireo mpanolotsaina ireo koa dia manampy ny filoha eo amin’ny lisitra sy ny tatitra ary ny teti-bola.

Mpitarika ny zatovo

Ny fiadidian’ny Zatovovavy dia manohana ireo mpitarika ny zatovo. Manompo ao amin’ny filankevitry ny zatovon’ny paroasy ireo filohan’ny kilasy. Mitarika sy manompo ny zatovovavy ireo fiadidianʼny kilasy rehefa manakaiky kokoa ny Mpamonjy sy mandray anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana izy ireo. Miaraka amin’ny fanohananʼireo olon-dehibe mpitarika, dia manomana ny fandaharanʼasa fanompoana, sy fiaraha-mientana ary ireo fivoriana isaky ny alahady izy ireo (jereo ny 11.3.4.2).

Kilasy isaky ny alahady

Manapa-kevitra ombam-bavaka ny episkôpà sy ireo olon-dehibe mpitarika ny Zatovovavy mikasika ny fomba handaminana ireo kilasy araka ny taonan’ireo zatovovavy. Manome lanja ny fanomezana fahafahana hitarika ho an’ireo zatovovavy izy ireo. Ny kilasy tsirairay, na firy na firy ny isan’ny olona, dia tokony hanana filoha iray, sy mpanolotsaina iray na roa ary mpitantsoratra iray raha azo atao (jereo ny 11.1.3).

Asa fanompoana sy fiaraha-mientana

Ireo fiadidian’ny kilasy, izay tohanan’ireo olon-dehibe mpitarika, dia mandrafitra asa fanompoana sy fiaraha-mientana izay mampiorina ny fijoroana ho vavolombelona, manamafy orina ny fianakaviana, mampitombo ny firaisan-kina misy ao amin’ny kilasy, ary manolotra fomba ahafahana mitondra fitahiana ho an’ny hafa (jereo ny 11.2.1.3). Ireo asa fanompoana sy fiaraha-mientana dia fahafahana iray hampivondronana ny zatovo sy hizarana ny fifaliana avy amin’ny fiainana ny filazantsara ary handraisana anjara ao amin’ny asa lehiben’ny Tompo.

Torolalana sy fitsipika

Ny olon-dehibe rehetra izay miara-miasa amin’ny ankizy sy zatovo dia tsy maintsy mahatontosa ilay fiofanana momba ny fiarovana ny ankizy sy ny zatovo ao anatin’ny iray volana aorian’ny nanohanana azy (ProtectingChildren.ChurchofJesusChrist.org). Misy torolalana sy fitsipika mikasika ny zatovovavy manana fahasembanana sy ny mari-pamantaran’ny zatovo ary zavatra maro hafa ao amin’ny fizarana 11.6 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Hamoaka printy