Kilonga
Andraikitra


Sary
Vehivavy mampianatra ankizy

Ny antsoko amin’ny maha-mpitantsoratra ahy ao amin’ny Kilonga

Andraikitra

Feno fankasitrahana noho ny fanolorantenanao hanompo ao amin’ny Fiangonany ny Tompo. Eto ambany ny topimaso momba ireo andraikitra ho an’ny antsonao.

Tanjon’ny Killonga

Ny Kilonga dia manampy ny ankizy hahatsapa ny fitiavan’ny Rain’izy ireo any An-danitra, hianatra mikasika ny drafiny ho an’ny fahasambarana, hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, ary hahatsapa sy hamantatra ny fitarihan’ny Fanahy Masina ary hanao asa mifanaraka amin’izany. Ny Kilonga koa dia fotoana iray hiomanana amin’ny fanekempihavanana masina sy hanaovana fanekempihavanana masina ary hitandremana izany rehefa mandray anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana ny ankizy. (Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 12.1.)

Mpitantsoratra

Ny mpitantsoratry ny Kilonga dia manampy ny fiadidiana eo amin’ireo zavatra ilaina ara-pitantanan-draharaha. Ny mpitantsoratra dia mampahafantatra ny fiadidiana ireo ankizy vaovao sy ireo vahiny, ireo ankizy tokony hatao batisa, ary ireo ankizy tokony hifindra kilasy. Manampy amin’ny fitsinjarana ny anjara sahanina amin’ny fivoriana ao amin’ny Kilonga isaky ny alahady izy sy manomana ny fandaharam-potoan’ireo fivoriana ary manatrika ireo fivoriana. Ny mpitantsoratra koa dia miara-miasa akaiky amin’ireo mpampianatra ao amin’ny Kilonga sy ny zaza madinika ary ireo mpitarika eo anatrehan’ireo zavatra mahakasika ny ankizy. (Jereo ny 12.3.3.)

Ireo kilasin’ny Kilonga sy ny fotoam-pihirana

Tombontsoa masina ny mampianatra ankizy. Ireo mpitarika ao amin’ny Kilonga dia mitia sy mampianatra ireo ankizy araka ny fomban’ny Mpamonjy. Ireo kilasy ao amin’ny Kilonga dia narindra araka ny taona sy ny isan’ny mpampianatra misy (jereo ny 12.1.3). Ny fotoam-pihirana dia manampy ny ankizy hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy hianatra momba ny drafiny ho an’ny fahasambarana (jereo ny 12.1.4).

Fiaraha-mientan’ny Kilonga

Ireo mpitarika misahana ny fiaraha-mientana ao amin’ny Kilonga dia mandrafitra fiaraha-mientana izay mahafinaritra sy mahaliana izay manampy amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana. Ny asa fanompoana sy ny fiaraha-mientana dia tokony hanorina ny fijoroana ho vavolombelona sy hanamafy orina ny fianakaviana ary hanome fahafahana hitondra fitahiana ho an’ny hafa. Atao indroa isam-bolana ny fiaraha-mientan’ny Kilonga amin’ny ankapobeny ho an’ny ankizy 8 ka hatramin’ny 11 taona. (Jereo ny 12.3.6.)

Torolalana sy fitsipika

Ny olon-dehibe rehetra izay miara-miasa amin’ny ankizy dia tsy maintsy mahatontosa ilay fiofanana momba ny fiarovana ny ankizy sy ny zatovo ao anatin’ny iray volana aorian’ny nanohanana azy (ProtectingChildren.ChurchofJesusChrist.org). Misy torolalana sy fitsipika mikasika ny ankizy manana fahasembanana, mikasika ireo fepetra takina amin’ny fiarovana, sy mikasika ny fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo ary zavatra hafa ao amin’ny fizarana 12.5 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Hamoaka printy