Kilonga
Andraikitra


Sary
vehivavy mampianatra ireo ankizy

Ny antsoko amin’ny maha-mpampianatra ao amin’ny Kilonga ahy

Andraikitra

Feno fankasitrahana noho ny fanolorantenanao hanompo ao amin’ny Fiangonany ny Tompo. Eto ambany ny topimaso momba ireo andraikitra ho an’ny antsonao.

Tanjon’ny Kilonga

Ny Kilonga dia manampy ny ankizy hahatsapa ny fitiavan’ny Rainy any An-danitra, hianatra mikasika ny drafiny ho an’ny fahasambarana, hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, ary hahatsapa sy hamantatra ny fitarihan’ny Fanahy Masina ary hanao asa mifanaraka amin’izany. Ny Kilonga koa dia fotoana iray hiomanana amin’ny fanekempihavanana masina sy hanaovana fanekempihavanana masina ary hitandremana izany rehefa mandray anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana ny ankizy. (Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 12.1.)

Mpampianatra ao amin’ny Kilonga

Tombontsoa masina ny mampianatra ireo zanak’ Andriamanitra. Ireo mpampianatra ao amin’ny Kilonga dia voantso hampianatra sy hanompo ankizy amina sokajin-taona voafaritra mazava (jereo ny 12.3.5). Mandalina ny filazantsara izy ireo ary mizara amin’ny ankizy ny zavatra ianarany. Mamporisika ireo ankizy sy ny fianakaviany hianatra ny filazantsara ao an-tokantrano ireo mpampianatra. Asain’izy ireo ny ankizy hizara any am-piangonana izay zavatra nianaran’izy ireo tany an-trano (jereo ny 12.2.1.2).

Kilasy isaky ny Alahady

Ireo mpampianatra ao amin’ny Kilonga dia mampianatra avy ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy. Manaraka ireo fitsipika ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy sy ny toko 17 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany izy ireo. Rehefa misy olon-dehibe mampianatra ankizy eo amin’ny sehatry ny Fiangonana, dia olon-dehibe tompon’andraikitra roa farafahakeliny no tokony hanatrika eo (jereo ny 12.3.5).

Torolalana sy Fitsipika

Ny olon-dehibe rehetra izay miara-miasa amin’ny ankizy dia tsy maintsy mahatontosa ilay fiofanana momba ny fiarovana ny ankizy sy ny zatovo ao anatin’ny iray volana aorian’ny nanohanana azy (ProtectingChildren.ChurchofJesusChrist.org). Misy torolalana sy fitsipika mikasika ny ankizy manana filana manokana, sy mikasika ireo fepetra takina amin’ny fiarovana, sy mikasika ny fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo ary zavatra hafa hita ao amin’ny fizarana 12.5 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Hamoaka printy