Fikambanana Ifanampiana
Andraikitra


Sary
Vondron’olona mitsikitsiky

Ny antsoko amin’ny maha Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana ahy

Andraikitra

Mankasitraka ny fahavononanao hanompo ao amin’ny Fiangonany ny Tompo. Eto ambany ny misy topimaso mahakasika ireo andraikitra mifandray amin’ny antsonao.

Tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana

Ny Fikambanana Ifanampiana dia fikambanana natsangan’ Andriamanitra ho an’ireo vehivavy lehibe rehetra ao amin’ny Fiangonana. Manampy ireo zanak’ Andriamanitra hiomana hiverina eo anatrehany ny Fikambanana Ifanampiana. Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa ny tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana dia ny “hamonjy fanahy sy hanamaivana ny fijaliana”—manolotra ny fanamaivanana avy amin’ny Mpamonjy (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 9.1).

Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana

Mitarika ny ezaka handraisana anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana. Manompo amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny filankevitry ny paroasy izy ary mifampizara hevitra amin’ireo mpikambana olon-dehibe ao amin’ny paroasy eo ambany fitarihan’ny eveka. Manara-maso ny firaketana sy ny tatitra ary ny toe-bola izy (jereo ny 9.3.2.2).

Fiadidiana

Manara-maso ireo rahavavy mpanompo sy ny fampianarana amin’ny Alahady ary ireo fiaraha-mientana ny filoha sy ireo mpanolotsainy. Mampianatra ireo rahavavy ny andraikiny manoloana ny fanekempihavanana nataony sy manomana ireo zatovovavy handray anjara ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana izy ireo, ary mandrindra ny ezaka mba hampatanjahana ireo rahavavy tanora (jereo ny 9.4). Manao fivorian’ny fiadidiana tsy tapaka ny fiadidiana sy ny mpitantsoratry ny Fikambanana Ifanampiana (jereo ny 9.3.2.3).

Fitarihana sy filankevitra

Ny mpitarika ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana dia mamolavola ireo fivoriana isaky ny alahady, ireo fiaraha-mientana, ny fanompoana, ny asa fanompoana ary ireo fifandraisana hafa mba hanomezana fahafahana ireo vehivavy handray anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana. Ireo mpikambana ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny kôlejin’ny loholona dia miasa amim-piraisan-kina (jereo ny 9.2).

Fikambanana Ifanampiana sy Kôlejin’ny Loholona

Ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny kôlejin’ny loholona dia mandrindra ny fanendrena amin’ny fanompoana sy manampy mitarika ny asan’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana ary ireo ezaka atao amin’ny fanasana ny rehetra handray ireo fitahian’ny filazantsara. Manana anjara asa manan-danja amin’ny fampianarana ireo mpikamban’ny paroasy ireo fitsipiky ny fanompoana ireo izay mila fanampiana, ny fiainana ny lalan’ny fifadian-kanina, ny fanorenana fizakan-tena ary ny fampitomboana ny fahavononan’ny tena manokana sy ny fianakaviana (jereo ny 22.6.2).

Fivoriana Alahady

Mihaona isaky ny alahady faharoa sy fahefatra ny Fikambanana Ifanampiana mba hampitombo finoana amin’i Jesoa Kristy sy hanorina firaisan-kina ary hampatanjahana ny fianakaviana sy ny tokantrano. Manomboka am-bavaka ireo fivoriana ary ahitana fotoana natokana amin’ny fifampizarana hevitra sy ny fampianarana ny filazantsara ary ny fifanakalozan-kevitra mifototra amin’ireo lahateny natao nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana farany indrindra (jereo ny 9.2.1.2).

Asa fanompoana sy fiaraha-mientana

Afaka mamolavola drafitra mba hanao fiaraha-mientana ireo fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana mba hampatanjahana ny finoan’ireo rahavavy amin’i Jesoa Kristy sy hampitomboana ny fanirian’izy ireo hanao sy hitandrina fanekempihavanana ary hanomezana fahafahana azy ireo hifanompo. Manara-maso ireo fiaraha-mientana ireo ny filoha ary afaka mangataka mpanolotsaina iray na rahavavy iray hafa izy mba handray ny andraikitra amin’ny fandrindrana sy fanatanterahana izany (jereo ny 9.3.4).

Antso fanampiny

Mifanakalo hevitra ny eveka sy ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana momba ny ilàna antso fanampiny. Izany dia ahitana mpampianatra, mpandrindra ny asa fanompoana, mpandrindra ireo fiaraha-mientana, mpiara-miasa mpanampy sy mpikamban’ny kômity, mpitan-tsoratra mpanampy ary mpitan-tsoratra amin’ny fanompoana. Raha ilaina izany dia afaka manendry rahavavy hanampy amin’ny ezaka ataon’ny Fikambanana Ifanampiana amin’ny fomba hafa ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana (jereo ny 9.3.4).

Torolalana sy fitsipika

Ireo torolalana sy fitsipika fanampiny dia hita ao amin’ny fizarana 9.6 an’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Hamoaka printy