Fikambanana Ifanampiana
Andraikitra


Sary
vondron’olona mitsiky

Ny antsoko amin’ny maha-mpitantsoratra ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana

Andraikitra

Feno fankasitrahana noho ny fanolorantenanao hanompo ao amin’ny Fiangonany ny Tompo. Eto ambany ny topimaso momba ireo andraikitra ho an’ny antsonao.

Tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana

Ny Fikambanana Ifanampiana dia fikambanana natsangan’ Andriamanitra ho an’ireo vehivavy lehibe rehetra ao amin’ny Fiangonana. Manampy ireo zanak’ Andriamanitra hiomana hiverina eo anatrehany ny Fikambanana Ifanampiana. Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa ny tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana dia ny “hamonjy fanahy sy hanamaivana fijaliana”—hanolotra ny fanamaivanana avy amin’ny Mamonjy (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 9.1).

Mpitantsoratra

Manao fivoriana tsy tapaka ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny mpitantsoratra (jereo ny 9.3.2.3). Mety ho anisan’ireo andraikitry ny mpitantsoratra ny fanomanana ny fandaharam-potoana ho an’ireo fivoriana sy fandraisana an-tsoratra mandritra izany, fanaraha-maso ireo asa nampanaovina, mandahatra ireo dinidinika amin’ny fanompoana, mirakitra ny fahatongavana, mandefa tatitra, manampy manomana ny tetibola isan-taona, ary manara-maso ny fandaniana (jereo ny 9.3.3). Azo atao ny miantso mpanampy ny mpitantsoratra sy mpitantsoratra iray misahana ny fanompoana mba hanampy ny mpitantsoratra (jereo ny 9.3.4).

Mpitarika sy Filankevitra

Ny mpitarika ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana dia mamolavola ireo fivoriana isaky ny alahady, ireo fiaraha-mientana, ny fanompoana, ny asa fanompoana ary ireo fifandraisana hafa mba hanolorana ho an’ny vehivavy ireo traikefa azo avy amin’ny fandraisana anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana. Ireo mpikambana ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny kôlejin’ny loholona dia miasa amim-piraisan-kina (jereo 9.2).

Fivoriana Alahady

Mivory mandritra ny alahady faharoa sy fahefatry ny volana ny Fikambanana Ifanampiana miaraka amin’ny tanjona mba hampitombo ny finoana an’i Jesoa Kristy, hanorina firaisan-kina, ary hampatanjaka fianakaviana sy tokantrano. Atomboka am-bavaka ireo fivoriana ary tafiditra ao amin’izany ny fotoana ifanakalozana hevitra sy fampianarana filazantsara ary fifampiresahana mifototra amin’ny lahateny nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany (jereo ny 9.2.1.2).

Asa fanompoana sy fiaraha-mientana

Afaka manao drafitra ny amin’ireo fiaraha-mientana ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana mba hampatanjahana ny finoan’ireo rahavavy an’i Jesoa Kristy, hampitomboana ny fanirian’izy ireo hanao sy hitandrina fanekempihavanana, ary hanolotra azy ireo fahafahana hiaraka hanompo. Miahy ireny fiaraha-mientana ireny ny filoha ary mangataka mpanolotsaina iray na rahavavy iray hafa ao amin’ny kôlejy izy mba handray ny andraikitra amin’ny fandrindrana sy fanatanterahana izany (jereo 9.2.1.3).

Torolalana sy fitsipika

Misy torolalana sy fitsipika fanampiny hita ao amin’ny fizarana 9.6 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana.

Hamoaka printy