Music
Ireo andraikitra


Sary
vehivavy mitarika amboaram-peo

Ny antsoko amin’ny maha-mpandrindra ny hira ahy eo anivon’ny tsatòka

Ireo andraikitra

Feno fankasitrahana ny Tompo noho ny fanolorantenanao hanompo ao amin’ny Fiangonany. Hita etsy ambany ny topimaso momba ireo andraikitra amin’ny antsonao.

Tanjon’ny hira ato amin’ny Fiangonana

Mampitombo ny finoana an’i Jesoa Kristy ny hira masina. Manasa ny Fanahy izany ary mampianatra fotopampianarana. Miteraka fahatsapana fanajana koa izany, mampiray ireo mpikambana, ary manome fomba hitsaohana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Nanambara ny Tompo hoe “finaritra amin’ny hiran’ny fo ny fanahiko” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:12). (Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 19.1.)

Mpandrindra ny hira eo anivon’ny tsatòka

Ny mpandrindra ny hira ao anivon’ny tsatòka dia manampy ireo mpikambana ao amin’ny paroasy mba hitombo finoana sy fitsaohana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny hira masina. Mifandinika miaraka amin’ny fiadidian’ny tsatòka izy ireo mba hanomanana ny hira mandritra ny fihaonamben’ny tsatòka sy ireo hetsika hafa. Ireo hira fantenina dia tokony hanatsara ny fanahin’ny fitsaohana ary hampianatra ny filazantsara amin-kery sy mazava tsara. (Jereo ny 19.3.1.) Ireo mpandrindra ny hira dia loharanom-pitaovana ho an’ireo mpitarika ao amin’ny tsatòka momba ireo zavatra mahakasika ny hira (jereo ny 19.5.2).

Hira mandritra ireo fivorian’ny tsatòka

“Ampahany manan-danja amin’ny fivoriam-piangonantsika ny hira manentana ny fanahy” (Cantiques, Sasin-tenin’ny Fiadidiana Voalohany). Ny fihaonamben’ny tsatòka dia ahitana hira ao amin’ny fihirana sy hira hafa avy amin’ny amboarampeo, na mpanao sôlô, na vondrona kely (jereo ny 19.3.4). Azo atao ny mampiasa hira ao amin’ny fihirana na hira masina hafa atao feon-kira mialoha sy aorian’ny fotoana, sy hiran’ny amboaram-peo ary hira ataon’olon-tokana na ataona vondron’olona vitsivitsy. Ireo mpandrindra ny hira ao amin’ny tsatòka dia afaka manolotra amboaram-peon’ny tsatòka na amboaram-peon’ny tsatòka maromaro mitambatra mandritra ireo fihaonambe na fotoana hafa, toy ny hetsika eo anivon’ny fiarahamonina (jereo ny 19.3.7.2).

Fanofanana sy loharanom-pitaovana

Ireo mpandrindra ny hira ao amin’ny tsatòka dia manolotra sy manara-maso ny fiofanana momba ny hira ao amin’ny tsatòka araka izay ilaina. Manolotra fanofanana sy fanohanana ho an’ireo mpandrindra ny hira ao amin’ny paroasy izy ireo. (Jereo ny 19.6.) Raha toa ka tsy misy mpitendry afaka mitendry mandritra ireo fivorian’ny tsatòka dia jereo ny fizarana 19.4.3.2 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany mba hidirana amin’ny feo efa voarakitra.

Torolalana sy fitsipika

Raha mila fitsipika sy torolalana fanampiny, toy ny fahazoana hira, ny fampiasana ireo fitaovana ao amin’ny trano fiangonana ho fanazarantena, na ny amboarampeo eo anivon’ny fiarahamonina dia jereo ny fizarana 19.7 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Hamoaka printy