Kilonga
Andraikitra


Sary
Vehivavy mampianatra ankizy

Ny antsoko amin’ny maha-filohan’ny Kilonga eo anivon’ny tsatòka ahy

Andraikitra

Feno fankasitrahana noho ny fanolorantenanao hanompo ao amin’ny Fiangonany ny Tompo. Eto ambany ny topimaso momba ireo andraikitra ho an’ny antsonao.

Tanjon’ny Kilonga

Ny Kilonga dia manampy ny ankizy hahatsapa ny fitiavan’ny Rainy any An-danitra, hianatra mikasika ny drafiny ho an’ny fahasambarana, hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, ary hahatsapa sy hamantatra ny fitarihan’ny Fanahy Masina ary hanao asa mifanaraka amin’izany. Ny Kilonga koa dia fotoana iray hiomanana sy hanaovana fanekempihavanana masina ary hitandremana izany rehefa mandray anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana ny ankizy. (Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 12.1.)

Filohan’ny Kilonga eo anivon’ny tsatòka

Manompo eo ambany fitarihan’ny fiadidian’ny tsatòka ny filohan’ny Kilonga eo anivon’ny tsatòka. Mpikambana ao amin’ny filankevitry ny tsatòka izy. Ny filoha no mitarika ny fiadidian’ny Kilonga eo anivon’ny tsatòka. Tafiditra ao anatin’ny andraikitry ny fiadidiana ny fanofanana ireo fiadidian’ny Kilonga vao nantsoina ao amin’ny paroasy, ny fanolorana fanohanana sy torolalana tsy tapaka, ary ny fitsidihana ireo kilasy ao amin’ny paroasy eo anivon’ny tsatòka. Afaka manatrika ireo fivoriana filankevitra enti-mandrindra sy mandaha-teny mandritra ireo fivoriana fanasan’ny Tompo sy any amin’ny toerana hafa izy ireo rehefa asaina (jereo ny 6.7.1).

Fivoriana sy filankevitra

Tokony hifampila hevitra tsy tapaka ny fiadidian’ny Kilonga eo anivon’ny tsatòka. Ny filoha dia manatrika ireo fivorian’ny mpitarika eo anivon’ny tsatòka fanao isan-taona (jereo ny 29.3.4), mpikambana ao amin’ny filankevitry ny tsatòka, ary manatrika ireo fivoriana filankevitra enti-mandrindra rehefa asain’ny Fitopololahin’ny Vondromparitra (jereo ny 29.4).

Fiaraha-mientan’ny Kilonga

Ny fiadidian’ny Kilonga eo anivon’ny tsatòka dia afaka mandrafitra fiaraha-mientana ho an’ny ankizy 8 ka hatramin’ny 11 taona eo anivon’ny tsatòka indraindray. Azo atao ho an’ny ankizivavy na ho an’ny ankizilahy na izy roa miaraka ireo fiaraha-mientana ireo (jereo ny 6.7.1.3).

Torolalana sy fitsipika

Ny olon-dehibe rehetra izay miara-miasa amin’ny ankizy sy ny zatovo dia tsy maintsy mahatontosa ilay fiofanana momba ny fiarovana ny ankizy sy ny zatovo ao anatin’ny iray volana aorian’ny nanohanana azy (ProtectingChildren.ChurchofJesusChrist.org). Misy torolalana sy fitsipika mikasika ny ankizy manana filana manokana, sy mikasika ireo fepetra takina amin’ny fiarovana, sy mikasika ny fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo ary zavatra hafa ao amin’ny fizarana 12.5 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Hamoaka printy