Kilonga
Andraikitra


Sary
Vehivavy mampianatra ankizy

Ny antsoko amin’ny maha-mpitantsoratry ny Kilonga eo anivon’ny tsatòka

Andraikitra

Feno fankasitrahana noho ny fanolorantenanao hanompo ao amin’ny Fiangonany ny Tompo. Eto ambany ny topimaso momba ireo andraikitra ho an’ny antsonao.

Tanjon’ny Kilonga

Ny Kilonga dia manampy ny ankizy hahatsapa ny fitiavan’ny Rainy any An-danitra, hianatra mikasika ny drafiny ho an’ny fahasambarana, hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, ary hahatsapa sy hamantatra ny fitarihan’ny Fanahy Masina ary hanao asa mifanaraka amin’izany. Ny Kilonga koa dia fotoana iray hiomanana amin’ny fanekempihavanana masina sy hanaovana fanekempihavanana masina ary hitandremana izany rehefa mandray anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana ny ankizy. (Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 12.1.)

Ny mpitantsoratry ny Kilonga eo anivon’ny tsatòka

Manampy ny fiadidian’ny Kilonga eo anivon’ny tsatòka ny Mpitantsoratry ny Kilonga eo anivon’ny tsatòka. Eo ambany fitarihan’ny filohan’ny Kilonga, ny mpitantsoratra no tompon’andraikitra amin’ny fanomanana ny fandaharam-potoana ho an’ny fivorian’ny fiadidiana, ny fandraisana an-tsoratra ao amin’ny fivorian’ny fiadidiana, ny fanaraha-maso ireo andraikitra, ny fihazonana ireo firaketana hafa, ny fanomanana tatitra araka izay angatahin’ny fiadidiana, ny fanampiana ny fiadidiana amin’ny fanomana ny tetibola fanao isan-taona ho an’ny rafitra misy azy ireo, ny fitantanana ireo fandaniana, ary ny fanomezana fiofanana ho an’ireo mpitantsoratry ny rafitra ao amin’ny paroasy, araka izay nanendrena azy (jereo ny 6.7.3).

Torolalana sy fitsipika

Ny olon-dehibe rehetra izay miara-miasa amin’ny ankizy dia tsy maintsy mahatontosa ilay fiofanana momba ny fiarovana ny ankizy sy ny zatovo ao anatin’ny iray volana aorian’ny nanohanana azy (ProtectingChildren.ChurchofJesusChrist.org). Misy torolalana sy fitsipika mikasika ny ankizy manana filana manokana, sy mikasika ireo fepetra takina amin’ny fiarovana, sy mikasika ny fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo ary zavatra hafa ao amin’ny fizarana 12.5 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Hamoaka printy