Fikambanana Ifanampiana
Ireo andraikitra


Sary
vehivavy maromaro miresaka

Ny antsoko amin’ny maha-mpitantsoratry ny Fikambanana Ifanampiana ahy eo anivon’ny Tsatòka

Ireo andraikitra

Feno fankasitrahana ny Tompo noho ny fanolorantenanao hanompo ao amin’ny Fiangonany. Ity eto ambany ity misy topimaso mikasika ireo andraikitra mifandray amin’ny antsonao.

Tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana

Ny Fikambanana Ifanampiana dia fikambanana napetrak’ Andriamanitra ho an’ireo vehivavy lehibe rehetra ao amin’ny Fiangonana. Manampy ireo zanak’ Andriamanitra ny Fikambanana Ifanampiana hiomana hiverina eo anatrehany. Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa ny tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana dia ny “hamonjy fanahy sy hanamaivana ny fijaliana”—manolotra ny fanamaivanana avy amin’ny Mpamonjy (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 9.1).

Mpitantsoratry ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny Tsatòka

Eo ambany fitarihan’ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka, ny mpitantsoratra no tompon’andraikitra amin’ny fanomanana ny fandaharam-potoana ho an’ireo fivorian’ny fiadidiana, ny fandraisana an-tsoratra ao amin’ny fivorian’ny fiadidiana sy ny fanaraha-maso ireo asa nampanaovina, ny fihazonana ireo rejisitra hafa sy ny fanomanana tatitra araka izay angatahin’ny fiadidiana, ny fanampiana ny fiadidiana amin’ny fanomanana ny tetibola fampiasa isan-taona ho an’ny rafitra misy azy ireo, ny firaketana ireo fandaniana, ary ny fanomezana fiofanana ho an’ireo mpitantsoratry ny rafitra eo anivon’ny paroasy araka izay nanendrena azy (jereo ny 6.7.3).

Ireo fivoriana sy Filankevitra

Manatrika ireo fivorian’ny fiadidiana ny mpitantsoratry ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka ary miara-manompo amin’ny fiadidiana ao amin’ny kômitin’ny mpitarika olon-dehibe eo anivon’ny tsatòka (jereo ny 6.7.1.1).

Torolalana sy Fitsipika

Ahitana torolalana sy fitsipika fanampiny ao amin’ny fizarana 9.6 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Hamoaka printy