Sekoly Alahady
Andraikitra


Sary
Vondron’olona mitsikitsiky

Ny antsoko amin’ny maha-mpitantsoratra ao amin’ny Sekoly Alahady

Andraikitra

Feno fankasitrahana noho ny fanolorantenanao hanompo ao amin’ny Fiangonany ny Tompo. Eto ambany ny topimaso momba ireo andraikitra ho an’ny antsonao.

Tanjon’ny Sekoly Alahady

Manampy amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ny fisandratana ny Sekoly Alahady. Amin’ny fanampiana ireo zanak’ Andriamanitra hianatra sy hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy no anaovany izany ( jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 13.1).

Fiadidiana sy mpitantsoratra

Tompon’andraikitra amin’ny fanaraha-maso ny fianarana sy ny fampianarana ny filazantsara ao an-tokantrano sy ao am-piangonana ny fiadidian’ny Sekoly Alahady. Manampy azy amin’izany ireo mpanolotsainy. Afaka manampy amin’ny fanaraha-maso ireo asa nampiandraiketina sy ny fanatrehana isaky ny alahady ny mpitantsoratra (jereo ny 13.2.2.2).

Kilasy isaky ny alahady

Ny kilasin’ny Sekoly Alahady dia tanterahina isaky ny alahady voalohany sy fahatelon’ny volana. Miovaova arakaraka ny filan’ny paroasy tsirairay ny isan’ny kilasy (Jereo ny 13.3). Mampiasa ireo soratra masina sy ireo lesona voarindra ao amin’ny Avia, hanaraka ahy, ary ny tenin’ireo mpaminany maoderina ireo mpampianatra ao amin’ny Sekoly Alahady mba ho loharanom-pitaovana fototra ho entiny mampianatra.

Fianarana mifototra amin’ny ao an-tokantrano

Tompon’andraikitra amin’ny fampianarana ny filazantsara an’ireo zanany ny ray aman-dreny (jereo ny 13.5). Ireo mpampianatra sy mpitarika ao amin’ny Sekoly Alahady dia mamporisika ireo mpikambana mba hikatsaka ny aingam-panahiny manokana momba ny fomba handalinana sy hampianarana ny filazantsara any an-tokantranony (jereo ny 17.2).

Fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra

Afaka manampy ny filohan’ny Sekoly Alahady amin’ny fandaminana sy fanatanterahana ny fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra sy ny fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra ho an’ny ray aman-dreny isaky ny telo volana ny mpitantsoratra.

Torolalana sy fitsipika

Tsy maintsy mamita ilay fiofanana mikasika ny fiarovana ny ankizy sy ny zatovo ireo olon-dehibe rehetra miara-miasa amin’ny zatovo ao anatin’ny iray volana aorian’ny nanohanana azy ireo (ProtectingChildren.ChurchofJesusChrist.org). Misy torolalana sy fitsipika fanampiny hita ao amin’ny fizarana 13.7 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Hamoaka printy