Ny antsoko amin’ny maha-filohan’ny kôlejin’ny mpampianatra ahy
Andraikitra
Feno fankasitrahana ny Tompo noho ny fanolorantenanao hanompo ao amin’ny Fiangonany. Ity eto ambany ity ny topimaso momba ireo andraikitra amin’ny antsonao.
Tanjon’ny Fisoronana Aharôna
Ireo kôlejin’ny Fisoronana Aharôna dia manampy ny zatovolahy hanao sy hitandrina fanekempihavanana masina ary hampitombo ny fiovam-pony ho an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Ny tanjon’ny kôlejy iray dia ny hanampy ireo mpihazona fisoronana hiara-hiasa mba handray anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana. (Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany 10.1, Médiathèque de l’Évangile.)
Kôlejin’ ny mpampianatra
Miditra ao amin’ny kôlejin’ny mpampianatra ny zatovolahy manomboka ny volana janoary amin’ny taona handraisany 14 taona. Mahafeno ny fepetra ahafahana manendry azy ho mpampianatra ihany koa izy ireo amin’io fotoana io raha efa vonona sy mendrika. Mitovy amin’ny adidin’ny mpampianatra ny an’ny diakona. Adidin’izy ireo ihany koa ny manomana ny fanasan’ny Tompo sy ny manompo amin’ny maha-rahalahy mpanompo. Voafaritra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:53–59; 84:111 ireo adidy fanampiny. (Jereo ny 10.1.3.2.)
Filoha
Ny andraikitry ny filohan’ny kôlejin’ny mpampianatra dia ahitana ny fitarihana ny ezaka ataon’ny kôlejy amin’ny fandraisana anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana; mamantatra sy manompo ny mpikambana tsirairay ao amin’ny kôlejy, anisan’izany ireo izay tsy manatrika ireo fivorian’ny kôlejy; mampahatanjaka ireo mpikambana vaovao sy miverina mavitrika; mampianatra ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy ny andraikiny ao amin’ny fisoronana; ary manomana sy mitarika ireo fivorian’ny kôlejy (jereo ny 10.4.2). Tokony hihaona tsy tapaka ny fiadidian’ny kôlejy (jereo ny 10.4.3).
Filankevitry ny zatovo
Mpikambana ao amin’ny filankevitry ny zatovon’ny paroasy ny filohan’ny kôlejin’ny mpampianatra. Ny tanjon’ny filankevitry ny zatovon’ny paroasy dia ny hanampy ny zatovo hitondra ny hafa hanatona an’i Jesoa Kristy sy hanampy amin’ny fanatanterahana ny asa ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana. Ny eveka no miahy mandritra ny filankevitry ny zatovon’ny paroasy. (Jereo ny 10.4.4.)
Asa fanompoana sy fiaraha-mientana
Ny episkôpà sy ireo mpitarika ny kôlejin’ny zatovo, tohanan’ireo mpanoro-hevitra, no mamolavola ny drafitra ho an’ny asa fanompoana sy ny fiaraha-mientana. Tokony hanampy amin’ny fanatanterahana ny asa ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana izany. Amin’izany dia tokony hampifandanjana ireo sehatra efatry ny fivoaran’ny tena manokana: ara-panahy, ara-piarahamonina, ara-batana ary ara-tsaina. (Jereo ny 10.2.1.3.)
Torolalana sy fitsipika
Ireo torolalana sy fitsipika fanampiny, anisan’izany ny fanohanana ireo zatovolahy manana fahasembanana, ny fandraisana ireo marim-pamantarana iombonana ho an’ny Ankizy sy Zatovo, ary ny fanangonana ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina dia hita ao amin’ny fizarana 10.8 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.