Music
Ireo andraikitra


Sary
Vehivavy mitarika amboaram-peo

Ny antsoko amin’ny maha-mpitendry zavamaneno ao amin’ny paroasy ahy

Ireo andraikitra

Feno fankasitrahana ny Tompo noho ny fanolorantenanao hanompo ao amin’ny Fiangonany. Hita etsy ambany ny topimaso momba ireo andraikitra amin’ny antsonao.

Tanjon’ny hira ato amin’ny Fiangonana

Mampitombo finoana an’i Jesoa Kristy ny hira masina. Manasa ny Fanahy sy mampianatra fotopampianarana izany. Miteraka fahatsapana fanajana lalina sy mampiray ireo mpikambana ary manome fomba hitsaohana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ihany koa izany. Nanambara ny Tompo hoe “finaritra amin’ny hiran’ny fo ny fanahiko” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:12). (Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 19.1.)

Mpitendry zavamaneno ao amin’ny paroasy

Manampy ireo mpikambana ao amin’ny paroasy mba hitombo finoana an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny hira masina ny mpitendry zavamaneno ao amin’ny paroasy. Mitendry feon-kira mialoha sy aorian’ny fotoana izy ireo ary mitendry feon-kira ho an’ireo hira ao amin’ny fihirana mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo sy amin’ireo fivoriana hafa ataon’ny paroasy araka izay angatahina. Rehefa ilaina dia afaka mitendry ho an’ny amboaram-peo ihany koa ilay mpitendry zava-maneno na manao mpitendry pianô ao amin’ny Kilonga. (Jereo ny 19.4.3.2).

Hira mandritra ireo fivorian’ny Fiangonana

“Ampahany manan-danja amin’ny fivoriam-piangonantsika ny hira manentana ny fanahy” (Cantiques, sasin-tenin’ny Fiadidiana Voalohany). Tokony hampianatra ny filazantsara amin-kery sy amin’ny fomba mazava tsara ireo hira nofidiana (jereo ny 19.3.1).

Hira mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo

Ny hira mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia ahitana hira ao amin’ny fihirana mba hanombohana sy hamaranana ny fivoriana sy alohan’ny fanatanterahana ny fanasan’ny Tompo. Ny fivoriana fanasan’ny Tompo ihany koa dia mety ahitana hira iray na maromaro fanampiny ao amin’ny fihirana na hira atolotra. Azo atao ny mampiasa hira ao amin’ny fihirana na hira masina hafa ho an’ny feon-kira tendrena mialoha sy aorian’ny fotoana, ny hiran’ny amboaram-peo ary amin’ny fihirana hira ataon’olon-tokana na ataona vondron’olona vitsivitsy. (Jereo ny 19.3.2.)

Fanofanana sy loharanom-pitaovana

Ho an’ny antsipiriany mikasika ny fiofanana momba ny hira dia jereo ny fizarana 19.6 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany. Raha toa ka tsy misy mpitendry afaka mitendry mandritra ireo fivorian’ny paroasy dia jereo ny fizarana 19.4.3.2 mba hahafahana mampiasa ny feo voarakitra.

Torolalana sy fitsipika

Raha mila fitsipika sy torolalana fanampiny, toy ny fahazoana hira, ny fampiasana ireo fitaovana ao amin’ny trano fiangonana ho fanazarantena, na ny amboaram-peo eo anivon’ny fiarahamonina dia jereo ny fizarana 19.7 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Hamoaka printy