Music
Ireo andraikitra


Sary
vehivavy mitarika amboarampeo

Ny antsoko amin’ny maha-mpitendry zavamanenon’ny amboarampeon’ny paroasy ahy

Ireo andraikitra

Feno fankasitrahana noho ny fanolorantenanao hanompo ao amin’ny Fiangonany ny Tompo. Ity eto ambany eto ity ny topimaso momba ireo andraikitra amin’ny antsonao.

Tanjon’ny hira ato amin’ny Fiangonana

Mampitombo finoana an’i Jesoa Kristy ny hira masina. Manasa ny Fanahy sy mampianatra fotopampianarana izany. Miteraka fahatsapana fanajana lalina sy mampiray ireo mpikambana ary manome fomba hitsaohana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izany. Nanambara ny Tompo hoe: “Fa finaritra amin’ny hiran’ny fo ny fanahiko” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:12). (Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 19.1.)

Mpitendry zavamanenon’ny amboarampeon’ny paroasy

Ny mpitendry zavamanenon’ny amboarampeon’ny paroasy dia manampy ireo mpikambana ao amin’ny paroasy mba hitombo finoana sy fitsaohana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny hira masina. Mitendry mandritra ny famerenana ataon’ny amboarampeo izy ireo ary rehefa mihira mandritra ireo fivoriam-piangonana ny amboarampeo (jereo ny 19.4.3.3).

Amboaram-peon’ny paroasy

Ny amboaram-peon’ny Fiangonana dia mitondra voninahitra ho an’ Andriamanitra, mampiray sy mampahery ireo mpikamban’ny Fiangonana, ary mitondra fifaliana ho an’ireo mpandray anjara sy ireo mpiangona. Amporisihina ny amboarampeo mba hampiasa ireo fihirana ao amin’ny Fiangonana, izay manasa ny Fanahy ary manampy ireo mpandray anjara ao anatin’ny amboarampeo sy ny daholobe hianatra ny filazantsara (Jereo ny Cantiques, 247-49). Afaka mihira hira masina hafa voafantina koa ireo amboarampeon’ny Fiangonana. Tokony hampianatra ny filazantsara amin-kery sy mazava tsara ny hira rehetra izay fantenana. (Jereo ny 19.3.)

Torolalana sy fitsipika

Raha ny mahazatra dia tsy mihoatra ny adiny iray ny famerenan-kira ataon’ny amboaram-peo. Mba hahitana fitsipika sy torolalana fanampiny, toy ny fahazoana hira, ny fampiasana ireo fitaovana ao amin’ny trano fiangonana ho an’ny fanazaran-tena, na ny amboarampeo eo anivon’ny fiarahamonina dia jereo ny fizarana 19.7 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Hamoaka printy