Music
Ireo andraikitra


Sary
vehivavy mitarika amboaram-peo

Ny antsoko amin’ny maha-mpitarika ny amboaram-peon’ny paroasy ahy

Ireo andraikitra

Feno fankasitrahana ny Tompo noho ny fanolorantenanao hanompo ao amin’ny Fiangonany. Ity eto ambany ity misy topimaso mikasika ireo andraikitra mifandray amin’ny antsonao.

Tanjon’ny hira ato amin’ny Fiangonana

Mampitombo finoana an’i Jesoa Kristy ny hira masina. Manasa ny Fanahy sy mampianatra fotopampianarana izany. Miteraka fahatsapana fanajana lalina sy mampiray ireo mpikambana ary manome fomba hitsaohana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izany. Nanambara ny Tompo hoe: “Fa finaritra amin’ny hiran’ny fo ny fanahiko” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:12). (Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 19.1.)

Mpitarika ny amboaram-peon’ny paroasy

Manampy ireo mpikambana ao amin’ny paroasy mba hitombo finoana sy fitsaohana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny hira masina ny mpitarika ny amboaram-peon’ny paroasy. Ny mpitarika ny amboaram-peon’ny paroasy dia manolotra sosokevitra mikasika ireo hira hohirain’ny amboaram-peo sy mitarika ny famerenan-kiran’ny amboaram-peo ary mitarika ny hiran’ny amboaram-peo mandritra ireo fivoriam-piangonana (jereo ny 19.4.3.3).

Amboaram-peon’ny paroasy

Ny amboaram-peon’ny Fiangonana dia mitondra voninahitra ho an’ Andriamanitra, mampiray sy mampahery ireo mpikamban’ny Fiangonana, ary mitondra fifaliana ho an’ireo mpandray anjara sy ireo mpiangona. Amporisihina ny amboaram-peo hampiasa ireo fihirana an’ny Fiangonana izay manasa ny Fanahy ary manampy ireo mpandray anjara ao amin’ny amboaram-peo sy ny daholobe hianatra ny filazantsara (jereo ny Cantiques, 247–49). Afaka mihira fihirana masina voafantina hafa koa ireo amboaram-peon’ny Fiangonana. Tokony hampianatra ny filazantsara amin-kery sy mazava tsara ireo hira voafantina rehetra. (Jereo ny 19.3.)

Torolalana sy Fitsipika

Raha ny mahazatra dia tsy mihoatra ny adiny iray ny famerenan-kira ataon’ny amboaram-peo. Mba hahitana fitsipika sy torolalana fanampiny, toy ny fahazoana hira, ny fampiasana ireo fitaovana ao amin’ny trano fiangonana ho an’ny fanazaran-tena, na ny amboaram-peo tsy miankina, dia jereo ny fizarana 19.7 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Hamoaka printy