Antso fanampiny
Loharanom-pitaovana fanampiny


Sary
Rantsan-tanana mifampitsofoka eo ambony soratra masina

Ny antsoko amin’ny maha-tompon’andraikitra manokana misahana ny olona manana fahasembanana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ankoatra ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, dia diniho azafady ireto loharanom-pitaovana fanampiny ireto mba hanampiana anao amin’ny antsonao.

Ireo ray aman-dreny sy mpikarakara.Hita eto ireo loharanom-pitaovana ho an’ireo ray aman-dreny sy ireo mpikarakara, miaraka amin’ireo fanontaniana apetraka matetika, toy ny hoe: “Ahoana no ahafahako manampy ireo olona akaikin’ny foko hivoatra eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana?

Ireo mpitarika sy mpampianatra.Hita eto ny fampahalalana sy loharanom-pitaovana ho an’ireo mpitarika izay miezaka manohana ireo mpikambana manana fahasembanana. Mianara momba ireo fitsipika sy torolalana isan-karazany izay misy fiantraikany mivantana amin’ireo mpikambana manana fahasembanana. Ny lohahevitra sasany dia ahitana ireo biby mpanampy, tohina ara-tsakafo, ary ny fitaovana fanampiana amin’ny fihainoana.

Paikady enti-mampianatra.Jereo ireo horonan-tsary fohy miisa 10 izay manome paikady ho fanampiana ireo mpampianatra ao amin’ny Kilonga mba hahomby kokoa rehefa mampianatra ankizy manana fahasembanana izy ireo.

Loharanom-pitaovana.Mitadiava fitaovana sy horonan-tsary izay natao hanomezana fampahalalana fanampiny mikasika ny fahasembanana manokana sy ny finoana.

Lesona amin’ny takarivan’ny mpianakavy momba ny fahasembanana.Ho hitanao ato ny rindran-damina ho an’ny lesona vonona ho ampiasaina ao an-tokantrano mba hanampiana anao hanamafy orina ny fahatakaranao ny atao hoe fahasembanana sy ny fandraisana ireo manana fahasembanana.

Hamoaka printy