Antso fanampiny
Ireo andraikitra


Sary
Lehilahy miresaka amin’ny zatovovavy

Ny antsoko amin’ny maha-tompon’andraikitra manokana misahana ny olona manana fahasembanana

Ireo andraikitra

Feno fankasitrahana noho ny fanolorantenanao hanompo ao amin’ny Fiangonany ny Tompo. Ity eto ambany eto ity nytopimaso momba ireo andraikitra amin’ny antsonao.

Mpikambana manana fahasembanana

“Ireo mpikamban’ny Fiangonana dia amporisihina mba hanaraka ny ohatry ny Mpamonjy amin’ny fanolorana fanantenana sy fahatakarana ary fitiavana ho an’ireo izay manana kilema.” (Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ny Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 38.8.27). Ny tanjonao amin’ny maha-tompon’andraikitra misahana ny olona manana fahasembanana anao ao amin’ny paroasy dia ny hanampy ny olona tsirairay hiomana hanao sy hitandrina fanekempihavanana masina.

Tompon’andraikitra manokana misahana ny olona manana fahasembanana

Manompo ireo mpikambana sy mpitarika ilay tompon’andraikitra misahana ny olona manana fahasembanana amin’ny alalan’ny famantarana ireo olona manana fahasembanana sy ny fianakaviany; famaliana ireo fanontaniana sy olana mifandray amin’ny fahasembanana avy amin’ireo mpikarakara,mpitarikasy ny hafa; ary fanampiana ny olona hahazo ireo fitaovana, ireo fivoriana, ary ireo fiaraha-mientan’ny Fiangonana. Afaka manampy ihany koa ilay tompon’andraikitra manokana hamantatra ireo fahafahana manan-danja ho an’ireo mpikambana manana fahasembanana mba hanompoany. (Jereo ny 38.8.27.9.)

Andraikitra fanampiny

Fantaro hoe iza ireo mpikambana manana fahasembanana ao amin’ny paroasinao ary fantaro ny momba azy ireo. Katsaho ombam-bavaka ny fitaomam-panahy mikasika ny fomba ahafahana mandray sy manohana ireo mpikambana ireo sy ny fianakaviany na ny mpikarakara azy ireo. Manolora tena hanatrika ireo fivorian’ny filankevitry ny paroasy mba hanampiana ireo mpitarika hahatakatra ny fomba ahafahan’izy ireo manohana ireo mpikambana manana fahasembanana. Mba hahitana loharanom-pitaovana fanampiny dia jereo ny disability.ChurchofJesusChrist.org.

Torolalana sy fitsipika

Mba hahitana torolalana mikasika ny fanohanana ireo mpikambana any amin’ny hôpitaly na ireo ivon-toerana fikarakarana dia jereo ny fizarana 38.8.43 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany. Mba hahitana ireo torolalana mikasika ireo ôrdônansy ho an’ny olona manana fahasembanana ara-tsaina na ara-batana dia jereo ny fizarana 38.2.4 sy ny 38.2.5.

Hamoaka printy