Music
Ireo andraikitra


Sary
vehivavy mitarika ny hiran’ny amboarampeo

Ny antsoko amin’ny maha-mpandrindra ny hira ao amin’ny paroasy ahy

Ireo andraikitra

Feno fankasitrahana noho ny fanolorantenanao hanompo ao amin’ny Fiangonany ny Tompo. Ity eto ambany eto ity ny topimaso momba ireo andraikitra amin’ny antsonao.

Tanjon’ny hira ato amin’ny Fiangonana

Mampitombo ny finoana an’i Jesoa Kristy ny hira masina. Manasa ny Fanahy sy mampianatra fotopampianarana izany. Miteraka fahatsapana fanajana lalina sy mampiray ireo mpikambana ary manome fomba hitsaohana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izany. Nanambara ny Tompo hoe: “Fa finaritra amin’ny hiran’ny fo ny fanahiko” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:12). (Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 19.1.)

Mpandrindra ny hira ao amin’ny paroasy

Ireo mpandrindra ny hira ao amin’ny paroasy dia manampy ireo mpikambana ao amin’ny paroasy hitombo finoana sy fitsaohana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny hira masina. Manompo eo ambany fitarihan’ny eveka izy ireo. Ireo mpandrindra ny hira ao amin’ny paroasy dia loharanom-pitaovana ho an’ny eveka sy ireo mpitarika hafa ao amin’ny paroasy mikasika ireo zavatra mahakasika ny hira. Afaka manatrika ireo fivorian’ny filankevitry ny paroasy ireo mpandrindra ny hira araka izay angatahin’ny eveka. (Jereo ny 19.4.2.)

Hira mandritra ireo fivorian’ny Fiangonana

“Ampahany manan-danja amin’ny fivoriam-piangonantsika ny hira manentana ny fanahy” (Cantiques, Sasin-tenin’ny Fiadidiana Voalohany). Tokony hampianatra ny filazantsara amin-kery sy amin’ny fomba mazava ireo hira nofidiana (jereo ny 19.3.1).

Hira ho an’ny fivoriana fanasan’ny Tompo

Ny hira mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia ahitana hira ao amin’ny fihirana mba hanombohana sy hamaranana ny fivoriana sy alohan’ny fanatanterahana ny fanasan’ny Tompo. Ny fivoriana fanasan’ny Tompo ihany koa dia mety ahitana hira iray na maromaro fanampiny ao amin’ny fihirana na hira atolotra. Azo atao ny mampiasa hira ao amin’ny fihirana na hira masina hafa ho an’ny feon-kira tendrena mialoha sy aorian’ny fotoana, ny hiran’ny amboaram-peo ary amin’ny fihirana hira ataon’olon-tokana na ataona vondron’olona vitsivitsy. (Jereo ny 19.3.2.)

Fanofanana sy loharanom-pitaovana

Ireo mpandrindra ny hira ao amin’ny paroasy dia manolotra sy manoro lalana ireo mpikambana hanompo ao amin’ireo antso momba ny hira ao amin’ny paroasy. Manolotra fanohanana sy torolalana izy ireo ary manara-maso ny fiofanana momba ny hira raha ilaina. (Jereo ny 19.6.) Mba hahitana fitsipika sy torolalana fanampiny, toy ny fahazoana hira, ny fampiasana ireo fitaovana ao amin’ny trano fiangonana ho an’ny famerenan-kira, na ny amboarampeo eo anivon’ny fiarahamonina dia jereo ny fizarana 19.4.3.2 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Torolalana sy fitsipika

Mba hahitana fitsipika sy torolalana fanampiny, toy ny fahazoana hira, ny fampiasana ireo fitaovana ao amin’ny trano fiangonana ho an’ny fampiharana, na ny amboarampeo eo anivon’ny fiarahamonina dia jereo ny fizarana 19.7 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Hamoaka printy