Music
Ireo andraikitra


Sary
vehivavy mitarika amboaram-peo

Ny antsoko amin’ny maha-mpitarika hira ao amin’ny paroasy ahy

Ireo andraikitra

Feno fankasitrahana noho ny fanolorantenanao hanompo ao amin’ny Fiangonany ny Tompo. Ity eto ambany eto ity ny topimaso momba ireo andraikitra amin’ny antsonao.

Tanjon’ny hira ato amin’ny Fiangonana

Mampitombo finoana an’i Jesoa Kristy ny hira masina. Manasa ny Fanahy sy mampianatra fotopampianarana izany. Miteraka fahatsapana fanajana lalina sy mampiray ireo mpikambana ary manome fomba hitsaohana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izany. Nilaza ny Tompo hoe :“Fa finaritra amin’ny hiran’ny fo ny fanahiko” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:12 (Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany19.1.)

Mpitarika hira ao amin’ny paroasy

Ny mpitarika hira ao amin’ny paroasy dia manampy ireo mpikambana ao amin’ny paroasy mba hitombo finoana sy fitsaohana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny hira masina. Izy ireo no mitarika ireo fihirana ho an’ny mpiangona mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo sy ho an’ireo fivoriana hafa an’ny paroasy araka izay angatahina (jereo ny 19.4.3.1).

Hira mandritra ireo fivorian’ny Fiangonana

“Ampahany manan-danja amin’ny fivoriam-piangonantsika ny hira manentana ny fanahy” (Cantiques, Préface de la Première Présidence). Tokony hampianatra ny filazantsara amin-kery sy mazava tsara ireo hira nofidiana (jereo ny 19.3.1).

Hira mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo

Ny hira mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia ahitana hira ao amin’ny fihirana mba hanombohana sy hamaranana ny fivoriana sy alohan’ny fanatanterahana ny fanasan’ny Tompo. Ny fivoriana fanasan’ny Tompo ihany koa dia mety ahitana hira iray na maromaro fanampiny ao amin’ny fihirana na fampisehoana an-kira. Azo atao ny mampiasa hira ao amin’ny fihirana na hira masina hafa ho an’ny feon-kira tendrena mialoha sy aorian’ny fotoana, ny hiran’ny amboaram-peo ary amin’ny fihirana hira ataon’olon-tokana na ataona vondron’olona vitsivitsy. (Jereo ny 19.3.2.)

Fanofanana sy loharanom-pitaovana

Ho an’ny antsipiriany mikasika ny fiofanana momba ny hira dia jereo ny fizarana 19.6 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany. Raha toa ka tsy misy mpitendry ho an’ireo fivorian’ny paroasy dia jereo ny fizarana 19.4.3.2 mba hahafahana mampiasa ny feo voarakitra.

Torolalana sy fitsipika

Mba hahitana fitsipika sy torolalana fanampiny, toy ny fahazoana hira, sy ny fampiasana ireo fitaovana ao amin’ny trano fiangonana ho an’ny fampiharana, na ny amboarampeo eo anivon’ny fiarahamonina dia jereo ny fizarana 19.7 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Hamoaka printy